Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra
Mampianara avy amin’ny soratra masina sy avy amin’ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany.


“Mampianara avy amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Ampianaro ny fotopampianarana (2023)

“Mampianara avy amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Ampianaro ny fotopampianarana

Mampianara avy amin’ny soratra masina sy avy amin’ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany.

Fahaiza-manao

Manomàna fanasana izay manampy ny mpianatra hampifandray ireo fahamarinana hita ao amin’ny soratra masina amin’ny zavatra lazain’ireo mpaminany velona.

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Mamaritra

Manampy antsika hahatakatra sy hanazava fotopampianarana ireo mpaminany velona mba hahafahantsika manara-dia an’i Jesoa Kristy amin’ny fomba mahomby kokoa. Afaka manasa ny mpianatra ianao mba hampifandray ireo fahamarinana hita ao amin’ny soratra masina amin’ny tenin’ireo mpaminany velona mba hampitomboana ny fahatakaran’izy ireo ny zavatra ampianarina. Matetika ireo fanasana ireo no ahitana:

  • Filazana ny fahamarinana izay ampianarina.

  • Fanasana hikaroka fampianaran’ny mpaminany mba hahitana fahamarinana mifandray amin’izany.

Lamina hakan-tahaka

Manazatra tena

Mandiniha fahamarinana iray ao amin’ny fandaharam-pampianarana izay horesahina ao anatina fotoam-pianarana amin’ny manaraka.

  • Mamomàna fanasana izay hanampy ny mpianatra hampifandray izany fahamarinana izany amin’ny tenin’ireo mpaminany velona izay notadiavin’izy ireo.

  • Mamomàna fanasana izay hanampy ny mpianatra hampifandray izany fahamarinana izany amin’ny tenin’ireo mpaminany velona ao amina lahateny iray nosafidinao.

Mampiditra fahalalana

  • Manomàna fanasana, farafahakeliny in-dray mandeha isan-kerinandro, mba hanampiana ny mpianatra hampifandray ireo fahamarinana hita ao amin’ny soratra masina amin’ireo mpaminany velona.

Mifanakalo hevitra sy misaintsaina

  • Inona no zavatra ianaranao momba ny herin’ny fampifandraisana ireo fahamarinana avy ao amin’ny soratra masina amin’ny tenin’ireo mpaminany velona?

  • Afaka manampy ny mpianatrao ho lasa miova fo kokoa ho an’i Jesoa Kristy amin’ny fomba ahoana ny fanaovana izany amin’ny fampianaranao?

Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Hamoaka printy