Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra
Mifantoha amin’ireo fahamarinana izay mitondra any amin’ny fiovampo sy manorina finoana an’i Jesoa Kristy.


Mifantoha amin’ireo fahamarinana izay mitondra any amin’ny fiovampo sy manorina finoana an’i Jesoa Kristy,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Ampianaro ny fotopampianarana (2023)

Mifantoha amin’ireo fahamarinana izay mitondra any amin’ny fiovampo sy manorina finoana an’i Jesoa Kristy,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Ampianaro ny fotopampianarana

Fitsipiky ny fampianarana tahaka ny an’i Kristy: Ampianaro ny fotopampianarana

Mifantoha amin’ireo fahamarinana izay mitondra any amin’ny fiovampo sy manorina finoana an’i Jesoa Kristy.

Fahaiza-manao

Mametraha fanontaniana izay manampy ny mpianatra hamantatra sy hilaza ireo fitsipika mitondra fiovampo.

Mamaritra

Hoy ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe: “Ny fitsipika mitondra fiovampo dia ireo izay mitarika any amin’ny fankatoavana ny sitrapon’ Andriamanitra” (“Converting Principles” [remarks at an evening with Elder L. Tom Perry, Feb. 2, 1996], 1). Fomba iray hanampiana ny mpianatra hitady sy hilaza ireo fitsipika mitondra fiovampo ny mangataka azy ireo hitady fanontaniana izay mamporisika azy ireo hitady andian-teny izay mampitombo ny finoantsika sy ny fankatoavantsika ny sitrapon’ Andriamanitra. Fomba iray hafa hanampiana azy ireo hitady sy hilaza ireo fitsipika mitondra fiovampo ny mametraka fanontaniana fanaraha-maso ny fahatakarana rehefa avy mizara tantara iray, na zavatra niainana na fanazavana ny mpianatra iray. Ny fanontaniana fanaraha-maso ny fahatakarana dia manasa ny mpianatra hamerina hilaza ny fanamarihana nataony amin’ny fomba tsotra izay manorina finoana an’i Kristy sy fahavononana hankatò ny sitrapon’ Andriamanitra.

Ireo lamina hakan-tahaka sy fanazaran-tena etsy ambany dia ohatra ankapobeny. Hahomby kokoa ny fanofanana raha toa ka mifandray amin’ireo lesona manaraka izay horesadresahina ao amin’ny fandaharam-pampianarana ny lamina hakan-tahaka sy ny fanazaran-tena.

Lamina hakan-tahaka

Fanontaniana mampikaroka:

  1. Rehefa mamakafaka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:41–46 ianao dia andian-teny inona no hitanao fa afaka mitaona anao hankatò sy hino ny sitrapon’ Andriamanitra?

  2. Rehefa mamaky ny Josoa 1:5–9 ianao dia inona no hitanao fa manampy anao haniry hanao ny sitrapon’ Andriamanitra?

  3. Inona no fahamarinana hitanao ao amin’ny Matio 7:7–12 izay hanampy hampiorina ny finoanao an’i Jesoa Kristy sy hanaraka Azy?

Azo ovaina kely ireo fanontaniana ireo mba handrafetana fanontaniana fanaraha-maso ny fahatakarana hanampiana ny mpianatra hilaza fitsipika mitondra fiovampo iray.

  • Zavatra iainan’ny mpianatra: I Maria dia mizara zavatra niainana izay nahazoany valim-bavaka tsy tiany ho azo ny nametrahany fanontaniana iray tao anatin’ny vavaka nataony.

  • Fanontanian’ny mpampianatra: “Raha lazaina ao anatina fehezan-teny iray, dia inona no nianaranao avy amin’izany zavatra niainana izany izay afaka hanampy ny hafa hino an’i Jesoa Kristy sy hanaraka ny torolalana omeny?”

  • Fanazavan’ny mpianatra: Vao avy nizara fanazavana tena tsara saingy lava be i Kyle mikasika ny zavatra nianarany tamin’ny fandalinany soratra masina ny alina talohan’io.

  • Fanontanian’ny mpampianatra: “Raha lazaina amin’ny fehezan-teny tsotra, dia inona no nianaranao ka hanampy anao hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?”

  • Tantaran’ny mpianatra: Mizara tantara iray momba ny fomba nankatoavany ny lalàn’ny fahafolonkarena i Katana na dia sarotra aza ny nanao izany.

  • Fanontanian’ny mpampianatra: “Raha lazaina amin’ny fehezan-teny iray, dia inona amin’izany zavatra niainana izany no hanampy anao hanohy hanam-pinoana an’i Kristy rehefa sarotra ny manaraka Azy?”

Tsindrio eto raha hijery horonan-tsary maneho io lamina hakan-tahaka io.

2:10

Manazatra tena

Manorata fanontaniana mampikaroka ho an’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto:

Manorata fanontaniana fanaraha-maso ny fahatakarana ho an’ny rafi-tantara tsirairay avy mba hanampiana ny mpianatra hilaza fitsipika mitondra fiovampo:

  • Nizara zavatra niainana manokana tena tsara i Elena tamin’ny fanarahana bitsika iray avy amin’ny Fanahy.

  • Nanome fanazavana tena tsara mikasika ny zavatra nianarany avy amin’ny tantaran’i Davida sy i Goliata i Chris.

  • Nizara tantaran’ny tena manokana i Mele mikasika ny fianteherana tamin’i Jesoa Kristy rehefa nodimandry ny olona iray tao amin’ny fianakaviana.

Mifanakalo hevitra na misaintsaina

  • Inona no ianaranao momba ny fanampiana ny mpianatra hifantoka amin’ireo fitsipika mitondra fiovampo?

  • Ahoana no ahafahan’io fanazaran-tena io manampy ny mpianatra hampianatra ilay fotopampianarana araka ny ahitana izany ao amin’ny tenin’ Andriamanitra?

Mampiditra fahalalana

  • Tato amin’ity fampiofanana ity ianao dia nampihatra fahaiza-manao miisa roa izay manampy ny mpianatra hitady sy hilaza amin’ny fomba mazava ireo fitsipika mitondra fiovampo: fanontaniana mampikaroka sy fanontaniana fanaraha-maso ny fahatakarana. Rehefa misaintsaina momba ireo mpianatrao ianao dia misafidiana fahaiza-manao iray ho ampidirina izay hitondra vokatsoa lehibe indrindra ho azy ireo. Amin’ity herinandro ity, rehefa manomana ny andinin-tsoratra masina tsirairay ianao dia anontanio hatrany ny tenanao hoe: “Ahoana no hanampiako ny mpianatra hitady sy hilaza fitsipika mitondra fiovampo?” Azonao soratana izany fanontaniana izany mba ho fampahatsiahivana anao rehefa miomana ianao.

  • Rehefa avy manoratra fanontaniana izay manampy ilay mpianatra hitady na hilaza fitsipika mitondra fiovampo ianao dia miezaha maka sary an-tsaina ny fomba hamalian’ny mpianatra izany. Raha maka sary an-tsaina azy ireo milaza fitsipika mitondra fiovampo ianao dia io fanontaniana io no apetraho. Raha maka sary an-tsaina ny mpianatra sahirana milaza fitsipika mitondra fiovampo ianao dia ovao ilay fanontaniana mba hanampian’izany amin’ny fanatrarana ny vokatra kasaina ho azo.

Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Fahaiza-manao

Valio amin’ny fomba izay misoroka ny fanombantombanana fahatany sy ny hevitry ny tena manokana tsy araka ny fotopampianarana ireo fanontaniana.

vehivavy mampianatra mpianatra ao an-dakilasy

Mamaritra

Rehefa mametraka fanontaniana izay mety hiteraka fanombantombanana fahatany mivantana sy hevitry ny tena manokana tsy araka ny fotopampianarana ny mpianatra dia zava-dehibe ny miatrika ilay toe-javatra amin’ny fomba izay manorina finoana an’i Jesoa Kristy sy misoroka ny fizarana fampahalalana tsy marina. Tokony hikatsaka hatrany ny hanampy ireo mpianatra hahita ny valin’ny fanontanian’izy ireo ny mpampianatra. Na izany aza, raha mahatsapa ny mpampianatra iray fa mety hitarika ho amin’ny fanombantombanana fahatany ny fanontaniana iray dia nanome torolalana tsara mikasika ny fomba hamaliana izany ny Loholona Neil L. Andersen. Hoy izy: “Aoka isika hivonona hiteny hoe, -Tsy fantatro ny momba izany, fa ity kosa dia fantatro.-” Ny fanaovana izany dia afaka manampy antsika “mamadika fanontaniana tsara, kanefa fanontaniana mitondra fakam-panahy hanombantombana, ho lasa valim-panontaniana manorina finoana an’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika.” (“Ny herin’i Jesoa Kristy sy ny fotopampianarana madio” [lahateny natao tamin’ireo mpampianatra ny filazantsara ao amin’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana,11 jona 2023], Médiathèque de l’Évangile).

Lamina hakan-tahaka

  • Mampianatra momba ny Fahariana Rahalahy Motsepe, ary manontany ny mpianatra iray hoe: “Inona no fifandraisana misy eo amin’ny big bang sy i Adama sy i Eva?” Namaly Rahalahy Motsepe hoe: “Tsy fantatro ny valin’izay fanontaniana izay, saingy fantatro fa noharian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy i Adama sy i Eva.”

  • Mampianatra momba ny “Teny fanevan’ny Zatovovavy,” Rahavavy Chen ary manontany ny mpianatra vehivavy iray hoe: “Nahoana isika no tsy mahafantatra misimisy kokoa momba ny Renintsika any An-danitra?” Mamaly Rahavavy Chen hoe: “Tsy fantatro ny valin’izay fanontaniana izay saingy fantatro fa ianao dia zanakavavy tian’ny ray aman-dreny any an-danitra, ary manana toetra araka an’ Andriamanitra sy anjara mandrakizay.”

Tsindrio eto raha hijery horonan-tsary maneho io lamina hakan-tahaka io.

Manazatra tena

Araka ilay lamina etsy ambony dia ahoana no mety hamalianao ity manaraka ity?

  • “Rahalahy Brown, nahoana isika no tsy mivavaka amin’ny Reny any An-danitra?”

  • “Rahavavy Parkin a! Fa maninona i Joseph Smith no tsy maintsy nijery tao anaty satroka mba handikana ny Bokin’i Môrmôna?”

Mifanakalo hevitra sy misaintsaina

  • Inona no ianaranao rehefa mampihatra io fahaiza-manao io ianao?

  • Inona avy ireo fomba hafa izay hitanao mba hisorohana ny fanombantombanana fahatany sy ny fizarana ireo hevitry ny tena manokana tsy araka ny fotopampianarana?

Mampiditra fahalalana

  • Rehefa mandinika ireo lesona ho avy ianao dia saintsaino ireo fanontaniana mety hapetraky ny mpianatrao izay mety hitarika any amin’ny fanombantombanana fahatany na ny hevitry ny tena manokana tsy araka ny fotopampianarana. Soraty ny fomba ahafahanao mamaly ireo fanontaniana ireo, manomboka amin’ny hoe “Tsy fantatro …, fa izao kosa no fantatro …”

Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?