Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra
Ampio ny mpianatra hitady sy hamantatra ary hahatakatra fahamarinana ao amin’ny soratra masina.


“Ampio ny mpianatra hitady sy hamantatra ary hahatakatra fahamarinana ao amin’ny soratra masina,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra (2022)

Ampio ny mpianatra hitady sy hamantatra ary hahatakatra fahamarinana ao amin’ny soratra masina,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra

Ampianaro ny fotopampianarana

Ampio ny mpianatra hitady sy hamantatra ary hahatakatra fahamarinana ao amin’ny soratra masina.

Fahaiza-manao: Mamoròna fanombanan-tena an’ny mpianatra izay hanampy azy ireo hamantatra ny fahatakaran’izy ireo sy ny fahafahany amin’izao fotoana izao mikasika ny fahaiza-manao amin’ny fandalinana soratra masina.

Mamaritra

Ny fanaovana tomban’ezaky ny tena manokana dia fomba manan-danja ianaran’ny mpianatra mampihatra fahafaha-misafidy sy handray andraikitra tanteraka amin’ny traikefa amin’ny fianaran’izy ireo. Ny fanasana matetika ny mpianatra hanombana ny fahaiza-manaony amin’ny fandalinana soratra masina dia hanampy ny mpampianatra hahafantatra ny traikefa amin’ny fianarana tokony hoforonina mba hanampiana ny mpianatra ho lasa mizaka tena amin’ny fandalinany soratra masina. Miseho amin’ny endrika maro ireo fanombantombanana ireo, toy ny maridrefy, fehezan-teny tsy misy valiny raikitra, na fanomezana isa ny tena. Izy ireny dia mamela ny mpampianatra hanampy ny mpianatra (1) hanombantombana ny traikefan’izy ireo amin’ny fandalinany soratra masina amin’izao fotoana izao, (2) hamantatra ny fanatsarana izay tian’izy ireo atao, ary avy eo dia (3) hisafidy fahaiza-manao hoenti-mandalina izay hitondra mankany amin’ny vokatra irin’izy ireo ho azo.

Lamina hakan-tahaka

Ireto manaraka ireto dia lamina hakan-tahaka samy hafa hanombanan-tena mikasika ny fahaiza-manao amin’ny fandalinana soratra masina:

  • Amina maridrefy 1 hatramin’ny 10, hatraiza ny fatokian-tena ananako momba ny fahitana an’i Jesoa Kristy ao amin’ny toko rehetra?

  • Mety hahay kokoa hitady an’i Jesoa Kristy ao amin’ny toko rehetra angamba aho raha …

  • Fahaiza-manao hoenti-mandalina afaka manampy ahy hahita an’i Jesoa Kristy ao amin’ny toko rehetra ny …

Tsindrio eto raha hijery horonan-tsary maneho io lamina hakan-tahaka io.

Manazatra tena

Mamoròna fanombanan-tena momba ny fahaiza-manao amin’ny fandalinana soratra masina izay ahitana ireo singa telo voatanisa ao amin’ny fizarana “Mamaritra”. Manasà olona handinika izany dia hizara ny fomba hitondran’izany vokatsoa.

Mifanakalo hevitra na misaintsaina

  • Inona no ianaranao momba ny maha-zava-dehibe ny fanampiana ny mpianatra hanombana ny fahaiza-manao ananany momba ny fandalinana soratra masina?

  • Ahoana no ahafahan’ny fanampiana ny mpianatra hanombana ny fahaiza-manaony amin’ny fandalinana soratra masina mampitombo ny fahafahan’izy ireo hanana traikefa manan-danja kokoa amin’ny tenin’ Andriamanitra?

Mampiditra fahalalana

Asao ny mpianatra hanombana samirery ny fahaiza-manaony amin’ny fandalinany manokana ny soratra masina isan-kerinandro manomboka izao ka hatramin’ny fiafaran’ny taom-pianarana.

Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

  • Lesson 5: Techniques of Effective Scripture Study,” Scripture Study—The Power of the Word Teacher Manual, ChurchofJesusChrist.org

  • Daily Scripture Study and Goals,” Inservice Leaders’ Resources

Hamoaka printy