Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra
Ampio ny mpianatra hahita zavatra mifandray amin’ny toe-javatra iainany ao amin’ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy.


“Ampio ny mpianatra hahita zavatra mifandray amin’ny toe-javatra iainany ao amin’ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Ampianaro ny fotopampianarana (2023)

“Ampio ny mpianatra hahita zavatra mifandray amin’ny toe-javatra iainany ao amin’ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Ampianaro ny fotopampianarana

Ampio ny mpianatra hahita zavatra mifandray amin’ny toe-javatra iainany ao amin’ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy.

Fahaiza-manao

Mamoròna fanasana sy fanehoan-kevitra izay manampy ny mpianatra hahita zavatra azony ampifandraisina amin’ny tenany ao amin’ny andian’ andinin-tsoratra masina iray.

Sary
Vehivavy mampianatra mpianatra

Mamaritra

Afaka mahita zavatra mifandray amin’ny zavatra iainany ao amin’ny soratra masina ny mpianatra rehefa dinihin’izy ireo ny fomba ahafahan’ny zavatra halalinin’izy ireo ho manan-danja sy mahasoa amin’ny toe-javatra iainany. Fomba iray ahafahan’ny mpampianatra manampy ny mpianatra ao anatin’izany dingana izany ny fanomanana fanasana sy fanehoan-kevitra izay ahitana izao manaraka izao:

  • Fahafahana ho an’ny mpianatra hieritreretany ny toe-javatra iainan’izy ireo amin’izao fotoana izao.

  • Fotoana hamakian’ny mpianatra andinin-tsoratra masina.

  • Fanehoan-kevitra izay manampy ny mpianatra hitady ny zavatra mitovy eo amin’ny toe-javatra iainany sy ny toe-javatra iainan’ireo olona izay vakiny ao amin’ny soratra masina ny momba azy. Ohatra: “Mitovy amin’ny an’i Petera ny zavatra iainako satria …”

  • Fahafahana ho an’ny mpianatra mba hisaintsaina ny fomba ahafahana mitaona azy ireo haneho fihetsika feno fahatokiana amin’izao fotoana izao amin’ny alalan’ny fanehoan’ireo olona ao amin’ny soratra masina fihetsika feno fahatokiana.

Ny fanaovana izany dia hanampy ny mpianatra hianatra ny fomba ianarana avy amin’ny soratra masina sy hamela ny Fanahy Masina hanampy azy ireo hahita zavatra azony ampifandraisina amin’ny zavatra iainany.

Lamina hakan-tahaka

Rehefa manomana ny lesony ho an’ny Asan’ny Apostoly 4–5 Rahavavy Williams dia ampidiriny ao amin’ny drafiny izao manaraka izao:

  • Anontanio ny mpianatra hoe: “Inona no zavatra ilanao fanampiana eo amin’ny fiainanao amin’izao fotoana izao?”

  • Asao ny mpianatra hamaky sy hamaly: “Rehefa mamaky ny Asan’ny Apostoly 4:1–13 ianareo dia mba miomàna hamita ity fanehoan-kevitra manaraka ity: -Tahaka ny an’i Petera sy i Jaona ny fiainako satria …-”

  • Anontanio ny mpianatra hoe: “Inona no zavatra ianaranao avy amin’ny fihetsika nasetrin’i Petera sy i Jaona izay afaka manampy anao?”

Manazatra tena

  • Manomàna fanasana sy fanehoan-kevitra izay manampy ny mpianatra hahita zavatra azony ampifandraisina amin’ny tenany ao amin’ny lesona iray vao hatao amin’ity herinandro ity. Zarao amina namana iray, na olona ao amin’ny fianakaviana, na mpiara-miasa iray ny fanasana sy ny fanehoan-kevitra nataonao, dia angataho ny hevitr’izy ireo momba izany.

Mifanakalo hevitra na misaintsaina

  • Ahoana no hanampian’ny famoronana ireo karazana fanasana sy fanehoan-kevitra ireo ny mpianatra hahita zavatra azony ampifandraisina amin’ny zavatra iainany?

  • Ahoana no hanatsaran’ireo karazana fanasana sy fanehoan-kevitra ireo ny traikefa amin’ny fianarana?

  • Inona avy ireo fomba hafa azonao anampiana ny mpianatra hahita zavatra azony ampifandraisina amin’ny tenany ao amin’ny soratra masina?

Mampiditra fahalalana

  • Mamoròna drafitra mba hanaovana fanazaran-tena mamorona fanasana sy fanehoan-kevitra izay hanampy ny mpianatra hahita zavatra azony ampifandraisina amin’ny tenany ao amin’ny fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara izay ampianarinao.

Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Hamoaka printy