Institiota
Lesona 18, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Famatsiana ireo zavatra ilaina ara-nofo


“Lesona 18, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Famatsiana ireo zavatra ilaina ara-nofo,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)

“Lesona 18, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Sary
fianakaviana kely iray miara-misakafo

Lesona 18, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Famatsiana ireo zavatra ilaina ara-nofo

Miraharaha ny amin’izay mahasoa antsika ara-nofo na ara-batana ny Tompo. Nanambara fahamarinana izay afaka manampy anao hamatsy izay ilain’ny tenanao manokana sy ny fianakavianao Izy amin’ny fomba izay hanampy anao hivoatra ara-panahy koa. Rehefa mandalina ity tahirin-kevitra ity ianao, dia eritrereto ny fomba mety ahafahanao mampihatra kokoa ireo fahamarinana ireo.

Fizarana 1

Inona no andraikitro amin’ny famatsiana ny zavatra ara-nofo ilain’ny fianakaviako?

Taoriana kelin’ny namerenana tamin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia nanambara ireo andraikitra ara-nofon’ireo mpikamban’ny Fiangonana ny Tompo.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:28–29; 83:4, ary diniho hoe ahoana ny fiantefan’ny torohevitry ny Tompo aminao.

Tamin’ny alalan’ireo mpaminanin’ny andro farany dia nanamafy ny Tompo fa “manana andraikitra masina ny ray aman-dreny ny hitaiza ireo zanany amim-pitiavana sy amim-pahamarinana, ny hanome izay filàna ara-batana sy ara-panahin’izy ireo” (“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org).

Mba hanatanterahana izany andraikitra hanome izay filàna ara-batan’ny zanany izany dia tsy maintsy mianatra ny mizaka tena ireo ray aman-dreny. Ny fizakan-tena dia fitsipika fototry ny filazantsara. Izany “dia ny fahafahana sy ny fanolorantena ary ny fanaovana ezaka mba hamatsy ny zavatra ilain’ny tena sy ny fianakaviana eo amin’ny fiainana” (Providing in the Lord’s Way: Summary of a Leader’s Guide to Welfare [2009], 1).

Sary
tanora iray mikarakara sakafo ao amin’ny toeram-pisakafoanana iray

Ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra izao fitsipika manaraka izao momba ny fizakan-tena:

Sary
Ny Loholona Robert D. Hales

Ny fizakan-tena dia ny fandraisantsika andraikitra momba izay hahasoa antsika manokana ara-panahy sy ara-batana sy ny fandraisantsika an’ireo olona izay napetrak’ Andriamanitra hokarakaraintsika mba ho andraikitra. Rehefa manana fizakan-tena ihany isika vao afaka manaraka marina ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy eo amin’ny fanompoana sy fitahiana ny hafa.

Zava-dehibe ny mahatakatra fa ny fizakan-tena dia fitaovana hanatratrarana tanjona iray. Ny tanjontsika faratampony dia ny ho lasa tahaka ny Mpamonjy ary ho tratra izany tanjona izany amin’ny alalan’ny fanompoantsika tsy misy tambiny ny hafa. Arakaraka ny halehiben’ny fizakan-tenantsika no hitomboan’ny fahafahantsika manompo na hihenan’izany. (“A Gospel Vision of Welfare: Faith in Action,” ao amin’ny Basic Principles of Welfare and Self-Reliance [fampiofanana maneran-tany ny mpitarika, 2009], 1–2; jereo koa ny ChurchofJesusChrist.org)

Eritrereto ny maha-zava-dehibe ireto toromarika momba ny fizakan-tena manaraka ireto:

Rehefa mizaka tena ianao dia mampiasa ireo fitahiana sy fahafaha-manao nomen’ Andriamanitra anao hoentina hikarakarana ny tenanao sy ny fianakavianao ary hitadiavana vahaolana amin’ireo olanao manokana. Ny hoe mizaka tena dia tsy midika hoe tsy maintsy mahavita irery ny zava-drehetra ianao. Mba ho tena mizaka tena dia tsy maintsy mianatra ny fomba fiarahana miasa aman’olona ianao sy mitodika any amin’ny Tompo mba hahazo ny fanampiany sy hahazo hery. (For the Strength of Youth [kiboky, 2011], 41)

Nampianatra ny Filoha Spencer W. Kimball hoe: “Tsy misy tena olomasin’ny andro farany izay rehefa manana fahafaha-manao ara-batana sy ara-pihetsehampo dia hamindra an-tsitrapo ny enta-mavesatry ny fitadiavana izay mahasoa ny tenany na ny an’ny fianakaviany amin’olon-kafa” (Teachings of Presidents of the Church: Spencer W. Kimball [2006], 116; jereo koa ny 1 Timoty 5:8). Fantaro fa hanampy anao ny Tompo amin’ny ezaka ataonao ho lasa mizaka tena. Nampianatra i Jesoa Kristy fa “amin’ny alalan’ny fitondra[ny],” dia afaka “mijoro ho mahaleo tena” ara-nofo sy ara-panahy ny Fiangonana (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:14). Torak’izany koa, “amin’ny alalan’ny fitondra[ny]” ny Tompo dia afaka manampy anao ho lasa mizaka tena sy afaka mamatsy ny zavatra ilain’ny tenanao sy ny fianakavianao.

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona no eritreritra na fahatsapana anananao momba ilay andraikitra hamatsy ireo zavatra ara-nofo ilain’ny fianakavianao ?

Fizarana 2

Inona no afaka manampy ahy hampivoatra ny fizakan-tena sy ho lasa mpamatsy tsara kokoa?

Ny toe-tsaina mazoto miasa dia tena manan-danja amin’ny fampivoarana ny fizakan-tena sy ny famatsiana ny zavatra ilain’ny fianakaviantsika. Nanomboka tamin’i Adama ny Raintsika any An-danitra dia nandidy ireo zanany mba hiasa (jereo ny Mosesy 4:25, 29; 2 Tesaloniana 3:10–13). Ny fiasana mafy sy ny fahazotoana dia toetran’ Andriamanitra sy an’ireo izay miezaka manaraka Azy (jereo ny 2 Nefia 5:17; Môzià 27:3–4).

Sary
tanora iray miasa amina orinasa mpamokatra ronono

Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny fiasana mafy rehefa nampianatra hoe:

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

Ity fiainana an-tany izay narafitr’ Andriamanitra ity dia mitaky saika fanaovana ezaka ara-tsaina sy ara-batana tsy tapaka. … Manamafy orina sy mampivelatra ny fiainana isika amin’ny alalan’ny asa. Manome fahafahana antsika ho tafavoaka amin’ireo fahadisoam-panantenana sy loza miseho eo amin’ny fiainana an-tany izany. Ny zava-bita nifono asa mafy dia mitondra fahatsapana fahatokian-tena. Ny asa dia mamolavola sy manatsara ny toetra ary mitondra hatsarana, ary fitaovana hifanompoantsika sy hanampoana an’ Andriamanitra. Ny fiainana feno fanolorantena dia feno asa, izay indraindray miverimberina, indraindray heverina ho ambany, indraindray tsy ankasitrahana, saingy izany dia asa mampivoatra, mampilamina, manohana, mampahery, manompo ary mamporisika hanana faniriana. (“Reflections on a Consecrated Life,” Liahona, Nov. 2010, 17)

Ankoatra ny andrakitry ny ray aman-dreny “ny hanome izay filàna ara-batana sy ara-panahin’[ireo zanany],” “araka ny drafitr’ Andriamanitra, ny ray no … tompon’andraikitra amin’ny fanomezana izay ilaina eo amin’ny fiainana” ho an’ny fianakaviany (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”). Nankahery ireo izay miomana ho lasa ray ny Loholona Christofferson rehefa nampianatra hoe:

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

Aoka ianao hiomana dieny izao amin’ny fahazotoana any an-tsekoly ary amin’ny fanaovana drafitra ho an’ny fianarana any amin’ny ambaratonga ambony. Ny fianarana, na any amin’ny oniversite, na any amin’ny sekoly teknika, na any amin’ny fianaran-kasa na any amin’ny sampam-pianarana mitovy lenta amin’izany no fanalahidin’ny fampitomboana ireo talenta sy fahaiza-manao hilainareo. (“Ny ray,” Liahona, mey 2016, 96)

Sary
tanora iray miasa

Ny torohevitra hikatsaka fianarana dia tena manan-danja ho an’ny mpianatr’i Jesoa Kristy. Mampianatra antsika ny Tompo mba “[hikatsaka] fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:15). Nampianatra an’izao ny Filoha Russell M. Nelson mikasika izany andraikitra izany:

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Koa satria hajaintsika amin’ny fomba masina ny fahaizan’ny olombelona tsirairay dia raisintsika ho toy ny andraikitra ara-pivavahana ny fianarana. … Manantena ireo zanany ny Mpahary antsika na aiza na aiza misy azy ireo mba hanovo fianarana. (“Where Is Wisdom?,” Ensign, Nov. 1992, 6)

Eritrereto ireo fitahiana mety ho azo avy amin’ny fianarana izay mihoatra ny hoe manampy antsika ho afaka mamatsy kokoa ny filàna ara-bolan’ny fianakaviantsika. Ny fanovozana fianarana dia afaka mitondra fahafaham-pon’ny tena manokana ary afaka manampy antsika hahatratra ny zavatra andrasan’ny Tompo amin’ny fampivoarana sy ny fampiasana ireo fanomezam-pahasoavana sy fahafaha-manao nomeny antsika (jereo ny Matio 25:14–30). Ny fanovozana fianarana dia afaka manatsara ny fahaizantsika mamakivaky ireo fanambin’ny fiainana. Ny fianarana dia mampitombo koa ny fahafahantsika manompo ny hafa sy manorina ny fanjakan’ny Tompo.

Nampianatra ny Filoha Thomas S. Monson hoe:

Sary
Filoha Thomas S. Monson

Hivelatra ny talenta anananareo rehefa mandalina sy mianatra ianareo. Afaka ny hanampy amin’ny fomba tsaratsara kokoa ny fianakavianareo ianareo eo amin’ny fianarana ataony, ary hilamina ny sainareo noho ny fahafantarana fa efa niomana amin’izay mety hitranga eo amin’ny fiainanareo ianareo. (“Three Goals to Guide You,” Liahona, Nov. 2007, 119)

Sary
tanora miaraka mamita fampiasana any am-pianarana

Ao anatin’ny toe-javatra sasany, noho ny fahafatesana na fisaraham-panambadiana na trangan-javatra hafa mampalahelo dia tsy maintsy mamatsy ny zavatra ilain’ny fianakaviany ny reny (jereo ny andiam-pehezan-teny 7 ao amin’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana). Ao anatin’ny toe-javatra hafa dia mila miasa ny ray sy ny reny mba hahafahana manome ireo zavatra fototra ilain’ny fianakaviany. Nanome fampitandremana manan-danja sy torohevitra mahasoa ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mikasika ny fandraisana fanapahan-kevitra hoe samy hiasa ny ray sy ny reny:

Sary
Filoha M. Russell Ballard

Ankehitriny dia misy fanerena lehibe eo amin’ity izao tontolo izao tia zavatra ara-nofo misy antsika ity mba hanana sy handany vola bebe kokoa. Indrisy fa mahatonga ny reny hiasa any ivelan’ny tranony izany mba hananana fidiram-bola faharoa. Rehefa fantatry ny mpivady sy ny zanaka ny fahasamihafana misy eo amin’ireo zavatra fototra tena ilaina sy ireo zavatra ara-nofo tiana hananana, dia mampihena ny vesatra ara-bola lanjain’ny fianakaviana izy ireo ary mandray anjara amin’ny fanampiana ny reny mba ho ao an-tokantrano. Ny fanapahan-kevitra momba ny fiasana any ivelan’ny tokantrano dia sarotra ary ilaina raisina ombam-bavaka, sady tsy esorina ao an-tsaina ny torohevitry ny mpaminany velona mikasika io olana sarotra io. (“The Sacred Responsibilities of Parenthood,” Ensign, Mar. 2006, 31; jereo koa ny Almà 37:37)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny Tompo anao na ahoana no ahafahany manampy anao hampivelatra toetra tia miasa na hanovo fianarana bebe kokoa?

Fizarana 3

Inona no fitsipika ara-bola afaka mitarika ahy eo amin’ny famatsiana ny zavatra ilain’ny fianakaviako?

An’ny Tompo ny tany (jereo ny Salamo 24:1). Omeny hery sy ireo loharano eto an-tany isika mba hanolorana ireo zavatra ilaintsika ara-nofo sy ara-panahy (jereo ny Deoteronomia 8:10, 18; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:18–20). Ho an’ny Tompo dia ara-panahy ny zava-drehetra, hatramin’ireo lalàny ara-nofo aza (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:34). Fantany avokoa na ireo fitahiana na ireo loza ara-panahy mifandray amin’ny fitadiavana sy ny fahazoana vola sy fananana. Nanambara fitsipika Izy hanampiana antsika hitantanana ireo loharano ireo amin’ny fomba izay ahafahan’izany mitahy sy miaro ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana.

Sary
tanora iray mipetraka eo amin’ny birao
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Misafidiana farafahakeliny andinin-tsoratra masina anankiroa amin’ireto manaraka ireto, na mitadiava roa avy any aminao manokana, ary tadiavo fireo fitsipiky ny fitantanam-bola amim-pahendrena izay ampianariny. Tongava ao am-pianarana amim-pahavononana hifanakalo hevitra momba ny zavatra hitanao.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra ny eritreritrao

Soraty ny sasany amin’ireo safidy tsara izay nataonao teo amin’ny famatsiana ny zavatra ilainao ara-nofo, ary koa ireo fomba sasany izay tsapanao fa azonao hatsaraina ao anatin’ny ezaka ataonao mba hamatsy ny zavatra ara-nofo ilainao.

Hamoaka printy