“Lesona 27, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mampiroborobo sy miaro ny fianakaviana ho vondrona fototry ny fiarahamonina,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)
“Lesona 27, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra
Lesona 27, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana
Mampiroborobo sy miaro ny fianakaviana ho vondrona fototry ny fiarahamonina
Hoy ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Mila mahalala ny zavatra ampianarin’ilay fanambarana momba ny fianakaviana izao tontolo izao, satria ny fianakaviana no vondrona fototry ny fiarahamonina, sy ny toekarena, sy ny kolontsaina ary ny fitondram-panjakantsika. Ary araka ny fantatry ny Olomasin’ny Andro Farany, ny fianakaviana ihany koa no ho vondrona fototra ao amin’ny fanjakana selestialy” (“What Matters Most Is What Lasts Longest,” Liahona, Nov. 2005, 42). Rehefa mieritreritra ny anjara asa fototry ny fianakaviana ao anatin’ny fiarahamonina sy ny mandrakizay ianao dia diniho ny zavatra azonao atao mba hampiroboroboana sy hiarovana izany.
Fizarana 1
Inona avy ireo fitaomana mahatonga ny faharavan’ny fianakaviana?
Antony maro no mahatonga ny fianakaviana ao anatin’ny fiarahamonina maoderina hihamalemy. Koa satria tia antsika sy te hitahy antsika ny Tompo dia miresaka amin’ny alalan’ireo mpaminany Izy mba hampitandrina antsika amin’ireo sy ireo loza hafa. Ireo mpaminanin’ny andro farany dia efa nampitandrina fa “ny faharavan’ny fianakaviana dia hitondra eo amin’ny tsirairay, eo amin’ny fiarahamonina, ary eo amin’ny firenena ireo loza izay efa nambaran’ireo mpaminany teo aloha sy ankehitriny” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org).
Ahitana porofon’ny “faharavan’ny fianakaviana” manodidina antsika. Ohatra, hitantsika
-
ny fitomboan’ny tokantrano maso, sy ny zaza teraka ivelan’ny fanambadiana, ary ny fianakaviana ahitana reny na ray fotsiny ihany,
-
ny fihenan’ny fanambadiana sy ny tahan’ny fiterahana,
-
ny firongatry ny fanalan-jaza, ny fisaraham-panambadiana, ny herisetra, ary ny tsy filaminan’ny fiainam-pianakaviana, ary
-
ireo fenitra arahan’ny besinimaro sy ny haino aman-jery izay manomba ny fianakaviana.
(Jereo ny Bruce C. Hafen, “The Proclamation on the Family: Transcending the Cultural Confusion,” Ensign, Aug. 2015, 54; Dallin H. Oaks, “Arovy ny ankizy,” Liahona, nôv. 2012, 43; “Divorce,” Liahona, May 2007, 70; Julie B. Beck, “Teaching the Doctrine of the Family,” Ensign, Mar. 2011, 14.)
Ny Apôstôly Paoly dia nampitandrina amin’ireo loza izay hisy amin’ny andro farany.
Ny Loholona Bruce D. Porter, tao amin’ny Fitopololahy, dia niresaka momba ny antony iray mahatonga ny lehilahy sy ny vehivavy ho lasa “tia tena” (2 Timoty 3:2):
Anisan’ny nampitranga ny faharavan’ny fianakaviana an’hetsiny ny haino aman-jery sy ny kolontsaina malaza izay manindrahindra ny fikatsahana ny tombontsoan’ny tena manokana: olona mahaleo tena tanteraka tsy mifandray amin’ireo adidy ara-piarahamonina na ara-môraly, malalaka amin’ny fanarahana izay tanjona nosafidiany rehefa tsy miteraka fahavoazana ara-batana amin’ny hafa izay mampitombo ny tenany koa izany. (“Defending the Family in a Troubled World,” Ensign, June 2011, 15)
Fizarana 2
Inona no andraikitro amin’ny fampiroboroboana sy fiarovana ny fianakaviana?
Nanome izao andraikitra izao ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Manainga ireo olom-pirenena rehetra mahatsiaro ny adidiny sy ireo olona ao amin’ny fitondram-panjakana na aiza na aiza misy azy izahay mba hampisongadina ireo fepetra natao hiarovana sy hanamafisana orina ny fianakaviana amin’ny maha-rafitra fototra azy eo amin’ny fiarahamonina” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”).
Maro ireo fomba azontsika hanatanterahana io andraikitra nomen’ny mpaminany io. Diniho ny sasany amin’ireto hevitra manaraka ireto:
-
Miasa mba hampatanjaka ny fianakavianao.
-
Mamantatra ireo olana manambana ny fianakaviana amin’ny toerana misy anao.
-
Manohana na miaro ireo mpitondra ara-panjakana sy ireo fikambanana ary ireo fenitra arahana izay mampiroborobo ny fianakaviana.
-
Mampiasa ny tamba-jotran-tserasera mba hampiroborobo amin’ny fomba tsara ny lanjan’ny fianakaviana.
-
Mitady fahafahana hizara ny fampianaran’ny filazantsara sy ny fahatsapanao momba ny fianakaviana
Tsy voatery ho tonga lafatra ny toe-javatra iainan’ny fianakaviantsika vao afaka mampiroborobo na miaro ny fianakaviana isika. Ilaina ny feontsika, na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra iainan’ny fianakaviantsika.
Raha mbola nanompo tao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany ny Filoha Bonnie L. Oscarson dia nampianatra hoe:
[Mila arovantsika] amim-pahasahiana ireo fotopampianaran’ny Tompo izay nambara, izay mamariparitra ny fanambadiana, ny fianakaviana, ny anjara asa masin’ny lehilahy sy ny vehivavy, ary ny lanjan’ny tokantrano amin’ny maha-toerana masina izany—eny fa na dia rehefa mitabataba ao an-tsofintsika aza izao tontolo izao hoe efa lany andro sy mametra antsika ary tsy mitombina intsony ireo fitsipika ireo. Ny olona tsirairay, na manambady na tsy manambady na manan-janaka na tsia, dia afaka ny ho tonga mpiaro ny drafitry ny Tompo izay voafaritra ao anatin’ilay fanambarana momba ny fianakaviana. (“Mpiaro ilay fanambarana momba ny fianakaviana,” Liahona, mey 2015, 15)
Mety hisy fotoana ahatsapanao tahotra ny hampiroborobo na hiaro ny fianakaviana noho ny fanoherana izay mety atrehinao. Diniho ny fomba ahafahanao misintona hery avy amin’ireo zavatra nataon’i Kapiteny Môrônia sy ireo Nefita, izay nijoro tamim-pahasahiana tamin’ny fanafihan’ny Lamanita mba “hiaro ny taniny sy ny tranony, ary ny vadiny sy ny zanany” (Almà 43:9).
Fizarana 3
Ahoana no ahafahako ho matoky tena kokoa amin’ny firesahana amin’ny hafa ireo fampianaran’ny Tompo momba ny fianakaviana?
Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanamarika fa ireo fampianarana ao amin’ilay fanambarana momba ny fianakaviana dia “hita fa tsy mitovy amin’ireo lalàna sy fomba fanao ary hevitra tohanana sasany amin’izao tontolo misy antsika izao ankehitriny” (“Ilay drafitra sy ilay fanambarana,” Liahona, nôv. 2017, 29). Mandritra ny fiainanao ianao dia mety hiresaka momba ny lohahevitra mifandraika amin’ny fanambadiana sy ny fianakaviana amin’olona izay manana fomba fijery hafa amin’ny anao. Amin’ny fotoana toy izany dia fadio ny mifanditra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:30). Fa miezaha kosa ho isan’ireo “mpanara-dia bonaika an’i Kristy” (Môrônia 7:3; jereo koa ny andininy 4–5) sy “[hiteny] ny marina amin’ny fitiavana” (Efesiana 4:15).
Nampianatra mikasika ny fanarahana ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy amin’ny fomba famaliana olona izay mety manohitra ny finoantsika ny Loholona Robert D. Hales tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
Ny famaliana araka ny fomban’i Kristy dia tsy afaka ny hosoratana mialoha na hoe miainga amin’ny lamina voarindra manokana. Ny Mpamonjy dia namaly tamin’ny fomba samy hafa teo anatrehan’ny toe-javatra tsirairay avy. Rehefa nifanehitra tamin’i Heroda izay mpanjaka ratsy Izy dia nijanona tao anatin’ny fahanginana. Rehefa nijoro teo anoloan’i Pilato Izy dia nanao fijoroana ho vavolombelona tsotra sy mahery vaika mikasika ny maha-izy Azy sy ny tanjony. Teo anatrehan’ireo mpanakalo vola izay nandoto ny tempoly dia nampihatra ny andraikiny masina Izy mba hitandrina sy hiaro ny zava-masina. Rehefa nakarina teo amin’ny hazofijaliana Izy, dia nilaza izao valin-teny Kristiana tsy manam-paharoa izao: “Raiko ô, mamelà ny helony; fa tsy fantany izay ataony” (Lioka 23:34).
Misy ny olona sasany diso eritreritra hoe ny fihetsika toy ny fahanginana, ny fahalemem-panahy, ny famelana heloka sy ny fijoroana ho vavolombelona amim-panetrentena dia fanarahan-drenirano na fahalemena. Kanefa ny -mitia ny fahavalontsika ary mivavaka ho an’izay manenjika antsika, manao soa ho an’ireo izay mankahala antsika, sy mivavaka ho an’ireo izay maniratsira antsika, sy manenjika antsika- (Matio 5:44) dia mitaky finoana sy hery ary indrindra indrindra fahasahiana Kristiana. (“Christian Courage: The Price of Discipleship,” Liahona, Nov. 2008, 72)
Eritrereto ny ahafahan’ireto fitsipika manaraka ireto manampy anao rehefa miresaka amin’ny hafa momba ny fanambadiana sy fianakaviana ianao:
-
Araho ny Fanahy. Afaka manampy anao hahafantatra izay tokony holazaina sy izay tsy tokony holazaina ny Fanahy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100:5–6). Afaka manampy anao hifehy ny fihetseham-ponao ihany koa ny fitaoman’ny Fanahy (jereo ny Galatiana 5:22–23).
-
Mahainoa tsara. Mifantoha tanteraka amin’ny hafa rehefa miresaka izy ireo. Fadio ny hanapaka azy ireo na milaza valin-teny izay tonga ao an-tsainao rehefa miresaka izy ireo. Mba hakana antona fa azonao ny zavatra nolazainy dia afaka mametraka fanontaniana fanazavana ianao na mamintina ny zavatra renao nolazainy.
-
Manorena fifankahazoan-dresaka. Aza avela hanakona ny zavatra itovianareo ny fahasamihafanareo. Rehefa miresaka ianao dia mitadiava marimaritra iraisana ary ioreno izany.
-
Zarao amin’ny fiteny tsotra sy mazava ary tsy miady ny fampianaran’ny Tompo. Sorohy ireo fiteny izay an’ny mpikamban’ny Fiangonana manokana (jereo ny David A. Edwards, “Communication Breakdown,” New Era, Oct. 2012, 32–33). Mampiasà kosa teny na andian-teny mitombina sy manampy amin’ny fahatakarana ary mampiroborobo fahazotoana tsara. Ataovy fohy ny valin-teninao. Avelao hameno ny fonao ny fitiavana mba ho feno hatsaram-panahy ny feonao.
-
Mizarà fijoroana ho vavolombelona madio sy tsotra. Ny fijoroana ho vavolombelona ataonao dia tsy voatery hatomboka amin’ny filazana hoe: “Mijoro ho vavolombelona aho …” Fa afaka milaza kosa ianao zavatra toy ny hoe: “Voatahy ny fiainako satria … ,” na “Nahatsapa aho hoe … ” na “Zava-dehibe amiko ito satria …”
-
Rehefa tsy miombon-kevitra ianao dia fadio ny hanao izay hahasosotra ny hafa. Aoka ho tony sy feno fanajana mba hahafahanao mampitombo ny finamanana fa tsy hamorona fahavalo. Azonao lazaina fa hajainao ny fomba fijerin’ilay olona kanefa manaiky fa tsy mitovy hevitra ianareo roa amin’ny lohahevitra iray manokana. Tsarovy fa izay mety ho fanahin’ny fifandirana dia mahatonga ny Fanahy Masina hiala (jereo ny 3 Nefia 11:29).