Institiota
Lesona 2, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny anjara asan’ny mpaminany amin’ny fanambarana ny fotopampianarana momba ny Fianakaviana mandrakizay


“Lesona 2, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny anjara asan’ny mpaminany amin’ny fanambarana ny fotopampianarana momba ny Fianakaviana mandrakizay,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)

“Lesona 2, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Sary
Mpitily eo amin’ny tilikambo fiambenana fahiny vita amin’ny vato

Lesona 2, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Ny anjara asan’ny mpaminany amin’ny fanambarana ny fotopampianarana momba ny Fianakaviana mandrakizay

Voatahy isika fa miaina amin’ny fotoana izay iantsoan’ny Tompo mpaminany velona indray mba hitarika sy hiaro antsika. Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ireo mpaminanin’ny Tompo anao hahatakatra ny fotopampianaran’ny fianakaviana mandrakizay? Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia eritrereto ny fomba ahafahanao mahazo fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa momba ireo mpaminany velona ary hiantehitra tanteraka kokoa amin’ny tenin’izy ireo eo amin’ny fiainanao.

Fizarana 1

Amin’ny fomba ahoana no ahitana taratra ny fitiavan’ Andriamanitra ao amin’ny torohevitr’ireo mpaminany?

Rehefa niantso an’i Ezekiela ny Tompo dia nampitahainy tamin’ny mpitily iray ny andraikitra vaovao nosahanin’i Ezekiela. Fahiny ireo mpitily dia nitsangana teo amin’ny rindrina na tilikambo mba hanampy amin’ny fiarovana ny tanàna, na ireo tanim-boaloboka, na ireo saha (jereo ny “Watchmen on the Tower,” Ensign, Apr. 2016, 28). Ny fahafahan’izy ireo mahita avy eny ambony dia nanome fahafahana azy ireo hahita ny zavatra izay tsy hitan’ny hafa sady nanolotra fampitandremana amin’ny fotoany momba ny loza izay hitranga.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Ezekiela 3:17–19 ary eritrereto ny itovian’ny mpaminanin’ny Tompo amin’ny mpitily eo ambony tilikambo.

Sary
Mpitily eo amin’ny tilikambo

Ny mpaminany dia manampy antsika hahita ny zava-drehetra amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay araka ny fahitan’ Andriamanitra azy. Amin’ny maha-mpahita azy ireo dia tafiany ny herin’ny fahitana ara-panahy izy ireo. Izy ireo dia afaka “mahafantatra ny amin’ny zavatra izay efa lasa ary koa ny amin’ny zavatra izay ho avy” (Môzià 8:17; jereo koa ny andininy 15–16). Nampisian’ny Tompo izy ireny mba hiaro antsika amin’ny loza ara-panahy sy ara-batana.

Nampianatra izao manaraka izao ny Filoha Russell M. Nelson momba ny antony manosika ireos mpitilin’ny Tompo sy ny andraikitr’izy ireo:

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Ny apôstôlin’ny Tompo tsirairay dia afaka mijery sy mahatsapa ny fitiavana ananan’ny Ray any An-danitra ho an’ny zanany, indrindra ho an’ireo izay sahirana. …

Indraindray isika mpitarika ato amin’ny Fiangonana dia tsikerain’ny olona amin’ny fihazonana mafy ny lalàn’ Andriamanitra, sy amin’ny fiarovana ny fotopampianaran’ny Tompo ary amin’ny fanoherana ireo fanerena ara-piarahamonina amin’izao andro izao. Fa ny iraka nampanaovina anay amin’ny maha apôstôly voahosotra anay dia ny “handeha eran’izao tontolo izao hitory ny filazantsara[ny] amin’ny olona rehetra” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:28]. Midika izany fa didiana mba hampianatra ny fahamarinana izahay.

Rehefa manao izany izahay dia voapanga ho tsy miraharaha rehefa mampianatra ireo zavatra takin’ny Ray hahazoana ny fisandratana ao amin’ny fanjakana selestialy. Kanefa moa ve tsy vao mainka tsy miraharaha izahay raha tsy milaza ny marina, izany hoe tsy mampianatra ny zavatra nambaran’ Andriamanitra?

Koa noho izahay miraharaha lalina tokoa ny zanak’ Andriamanitra rehetra no hanambaranay ny fahamarinany. Mety tsy hilaza amin’ny olona ny zavatra tiany ho heno foana izahay. Mahalana ny mpaminany no hoe tiam-bahoaka. Saingy tsy maintsy mampianatra ny fahamarinana mandrakariva izahay! (“The Love and Laws of God” [Fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversite Brigham Young, 17 sept. 2019], 3, speeches.byu.edu)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Ahoana no nahatsapanao ny fitavan’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ireo fampitandremana sy fanitsiana ary torohevitr’ireo mpaminany velona?

Fizarana 2

Amin’ny fomba ahoana ny fanambarana momba ny fianakaviana no porofo maneho fa miasa ho toy ny mpitily ireo mpaminany ankehitriny?

Tamin’ny 23 septambra 1995, nandritra ny fivoriana iray nataon’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, ny Filoha Gordon B. Hinckley dia nanolotra ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao.” Talohan’ny nanaovany izany dia nanazava ny antony nahatsapan’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny hamoahana io fanambarana io izy:

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

Manoloana ireo an-kosoka maro izay lazaina fa fahamarinana aseho amin’ny endriny mandresy lahatra, manoloana ireo fitaka maro mikasika ireo fitsipika sy soatoavina, manoloana ny fanangolena sy fitaomana maro mba hanekena ny fahalotoana misoko miadan’izao tontolo izao, dia nahatsapa ny hampitandrina sy hampitandrina mialoha izahay. Mba hanatanterahana izany, izahay ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia mamoaka fanambarana ankehitriny ho an’ny Fiangonana sy ho an’izao tontolo izao mba ho fanambarana sy ho fanamafisana ireo fenitra sy fotopampianarana ary fomba fanao mifandray amin’ny fianakaviana izay efa nambaranan’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara an’ity fiangonana ity ombieny ombieny nandritra ny tantarany. (“Stand Strong against the Wiles of the World,” Ensign, Nov. 1995, 100)

Sary
Sarina fianakaviana sy ny fanambarana ho an’ny fianakaviana natao anaty fitoeran-tsary

Ity ampahany amin’ny tantaram-piainan’ny Filoha Nelsona manaraka ity dia manorisoritra ny zavatra nampahitan’ny Tompo an’ireo Apôstôliny ka nitarika ho amin’ny famoronana ny fanambarana ho an’ny fianakaviana:

Indray andro tamin’ny 1994, ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nandany andro iray tao amin’ny efitrano filan’izy ireo hevitra tao amin’ny Tempolin’ny Salt Lake, niresaka olana mikasika ny manodidina ny fianakaviana. Nodinihin’izy ireo avokoa ny zava-drehetra nanomboka tamin’ny toetran’ny pôrnôgrafia izay miseho eny rehetra eny ka hatramin’ny vinavinan-dalàna manohitra ny fianakaviana isan-karazany. Tsy fifanakalozan-kevitra vaovao izany, saingy tamin’izany andro izany, ny fandaharam-potoana rehetra dia nanodidina izany lohahevitra manan-danja izany.

Namerina nijery ireo fotopampianarana sy fitsipika ny Roambinifololahy, nijery ireo zavatra izay tsy azo ovaina, dia ny fotopampianarana izany, ary ireo zavatra izay mety ho azo ovaina, dia ireo fitsipika arahina izany. Niresaka momba ana olana izay hitan’izy ireo fa manatona izy ireo, ao anatin’izany ny fanosehana avy amin’ny fiaraha-monina momba ny zo mikasika ny fanambadian’ny lahy samy lahy na ny vavy samy vavy ary ny zon’ny fanovana ny maha-lahy na maha-vavy. “Fa tsy izany no faran’ny zavatra izay hitanay,” hoy ny fanazavan’ny Loholona Nelson. “Tsapanay ny ezaka izay ataon’ireo fiarahamonina maro samihafa izay miezaka ny hanaisotra ireo lamina sy fetra amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo. Hitanay ny fisavoritahana amin’ny resaka maha-lahy na maha-vavy. Hitanay ny fahatongavan’izany rehetra izany.”

Izany fifanakalozan-kevitra lava izany, niaraka tamin’ny sasany nandritra ny fotoana hafa, dia nitarika tamina fanapahan-kevitra fa ny Roambinifololahy dia tokony hanomana antontan-taratasy, angamba mety ho fanambarana mihitsy, izay mampisongadina ny fenitry ny Fiangonana mikasika ny fianakaviana izay haseho ny Fiadidiana Voalohany mba ho dinihan’izy ireo. (Sheri Dew, Insights from a Prophet’s Life: Russell M. Nelson [2019], 208)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona no nanamarika anao tamin’ny zavatra nambaran’ny Filoha Hinckley sy ny tantaram-piainan’ny Filoha Nelson? Amin’ny fomba ahoana ny famoahana ny fanambarana ho an’ny fianakaviana no maneho ny andraikitry ny mpaminany ho mpitily eo amin’ny tilikambo?

Fizarana 3

Ahoana no handraisako sy hamaliako am-pinoana ny tenin’ireo mpaminanin’ny Tompo?

Sary
Vehivavy mandray naoty eo am-pijerena ny fihaonambe maneran-tany

Tao Nazareta tanana nahaterahany ny Mpamonjy dia nailika rehefa nanambara fa Izy no ilay Mesia nampanantenaina. Ho setrin’ny fisalasalana maro dia nilaza ny Mpamonjy hoe: “Tsy misy mpaminany izay ankasitrahana ao amin’ ny taniny” (Lioka 4:24).

Torak’izany koa ny olona sasany amin’izao androntsika izao dia misafidy ny tsy hanaiky ny mpaminanin’ny Tompo. Mety hisy fotoana mihitsy ianao hahita hoe sarotra ny mahatakatra na manaraka ny torohevitra sy ny fampianaran’ireo mpaminany maoderina.

Tamin’ny andro izay nananganana Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia nahazo fanambarana avy tamin’ny Tompo ny Mpaminany Joseph Smith izay nahitana didy sy fampanantenana ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonany.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:4–6 (mariho fa ireo andininy ireo dia ilazana ny mpaminany Joseph Smith ary raha itarina dia afaka mihatra amin’ny Filoha ankehitrinin’ny Fiangonan’ny Tompo ihany koa). Tadiavo ny fomba maneho fa ny mpikamban’ny Fiangonana dia natao handray ny tenin’ny mpaminany sy ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo rehefa manao izany isika. (Fanamarihana: Anisan’ny dikan’ny hoe [M]ampihozongozona ao amin’ny andininy 6 dia hoe manala na manafaka zavatra avy eo amin’ny fitoerany [jereo ny Merriam-Webster.com Dictionary, “shake”]. Araka izany dia fomba iray hilazana io andininy io amin’ny fomba hafa ny hoe rehefa “[m]ampihozongozona ny lanitra mba ho soa ho [antsika]” ny Tompo dia manala ireo fanambarana sy fitahiana avy teo amin’ny fitoerany Izy ka mandrotsaka izany amin’ireo izay manaraka ireo mpaminaniny velona.)

Sary
Mpikambana maneho ny fanohanany

Eritrereto ny dikan’ny hoe mandray ny tenin’ny Tompo amin’ny alalan’ireo mpaminany “amin’ny faharetana sy ny finoana rehetra.” (andininy 5). Diniho ihany koa ireo fitahiana nampanantenaina rehefa manao izany. Ny soratra masina dia ahitana tantara maro momba ireo olona nisafidy ny hampihatra faharetana sy finoana amin’ny tenin’ireo mpaminany. Safidio ny iray na mihoatra amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto mba hohalalinina:

  • 1 Nefia 2:11–16 (I Nefia niala an’i Jerosalema araka ny fitarihana nomen’ny mpaminany Lehia)

  • 1 Mpanjaka 17:8–24 (Ilay mpitondratena avy any Zarefata izay namaly ny fangatahana nataon’ny mpaminany Elia nandritra ny mosary)

  • 2 Mpanjaka 5:9–14 (Namàna ilay Syriana, izay nikatsaka ny hositranin’ny mpaminany Elisa tamin’ny habokana)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra ny eritreritrao

Raha mieritreritra ny zavatra izay vao novakinao ianao dia raketo an-tsoratra ao anatina kahie na application fandraisana naoty ny valin-teninao amin’ireto fanontaniana ireto.

  1. Inona no zavatra azonao ianarana avy amin’ny ezak’ilay olona mba handraisana ny tenin’ny mpaminany amim-paharetana sy finoana?

  2. Nahoana no mety ho sarotra ny nandray sy nihaino ny tenin’ny mpaminany tamin’ireo toe-javatra ireo?

  3. Inona no ianaranao momba ny Tompo tamin’ny alalan’ny zavatra nangatahany hataon’ilay olona izay novakinao ny momba azy?

Raha mbola mpanolotsaina tao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy Maneran-tany Rahavavy Carol F. McConkie dia nanao fanamarihana hoe:

Sary
Ny Rahavavy Carol F. McConkie

Raha eo anatrehan’ny fenitra arahan’izao tontolo izao dia mety ho halan’ny olona rehefa manaraka ny mpaminany na mety ho fihetsika diso ara-pôlitika izany na mety tsy ho ekena eo amin’ny fiarahamonina. Saingy tsara foana ny fanarahana ny mpaminany. (“Miaina araka ny tenin’ireo mpaminany,” Liahona, nôv. 2014, 78)

Afaka manana fahatokian-tena isika rehefa manaraka ny mpaminanin’ny Tompo.

Hamoaka printy