Fizarana 13
Notsongaina avy tamin’ny tantaran’i Joseph Smith izay mitantara ny fanosorana ny Mpaminany sy sy an’i Oliver Cowdery ho amin’ny Fisoronana Aharôna tany akaikin’i Harmony, Pennsylvania, ny 15 mey 1829. Ny fanosorana dia notanterahan’ny tanan’ny anjely iray izay nitono-tena ho i Jaona, dia ilay atao hoe Jaona Mpanao Batisa ihany ao amin’ny Testamenta Vaovao. Nanazava ilay anjely, fa izy dia miasa eo ambany fitarihan’i Petera, i Jakoba ary i Jaona, ireo Apôstôly fahiny izay nihazona ny fanalahidin’ny fisoronana ambony kokoa, izay nantsoina hoe ny Fisoronana Melkizedeka. Nomena an’i Joseph sy i Oliver ny fampanantenana fa amin’ny fotoana mahamety izany dia hotolorana an’io fisoronana ambony kokoa izy ireo. (Jereo fizarana 27:7–8, 12.)
Fanazavana ny fanalahidy sy ny fahefana amin’ny Fisoronana Aharôna.
1 Ianareo ry mpiara-manompo amiko, amin’ny anaran’ny Mesia no tolorako ny Fisoronan’i Aharôna, izay mihazona ny fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely sy ny an’ny filazantsaran’ny fibebahana ary ny an’ny batisa asitrika ho famelana ny fahotana; ary na oviana na oviana dia tsy hoesorina eto an-tany intsony izany, ambara-panatitry ny zanakalahin’i Levy fanatitra amim-pahamarinana ho an’ny Tompo indray.