Fizarana 79
Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Hiram, Ohio, ny volana martsa 1832.
1–4, Nantsoin’ny Mpampionona i Jared Carter mba hitory ny filazantsara.
1 Lazaiko aminao marina tokoa fa sitrapoko ny handehanan’i Jared Carter mpanompoko indray ho any amin’ny tany atsinanana, isan-toerana sy isan-tanàna, amin’ny herin’ny fanokanana izay efa nanokanana azy, hanambara ny vaovao mahafalin’ny fifaliana lehibe, dia ny filazantsara maharitra mandrakizay.
2 Ary hirahiko ho eo aminy ny Mpampionona izay hampianatra azy ny fahamarinana sy ny lalana izay hizorany;
3 Ary raha mahatoky izy dia hosatrohako amboara indray.
4 Koa aoka hifaly ny fonao ry Jared Carter mpanompoko, ary aza matahotra, hoy ny Tomponao, dia i Jesoa Kristy. Amena.