Fandraisana fanapahan-kevitra: Fahafahana misafidy sa fanambarana
Monina any Utah Etazonia ny mpanoratra.
Rehefa resaka fanapahan-kevitra lehibe dia tahaka ny ahoana ny filantsika miantehitra amin’ Andriamanitra mba hilaza amintsika ny zavatra tokony hatao?
Isan’andro isika tsirairay avy dia samy miatrika fanapahan-kevitra maro. Ny sasany dia mahazatra kokoa, toy ny hoe, “Inona no akanjo tokony hanaovako?” “Inona no tokony hataoko sakafo antoandro?” “Efa tokony hividy fiara vaovao ve sa mbola afaka mihazona elaela kokoa ny ahy izay efa tranainy aho? Saingy matetika isika no mandalo fanapahan-kevitra tena goavana, “Tokony hiverina any an-tsekoly ve aho?” “Tokony hanaiky ity asa ity ve aho?” “Tokony hifindra tanàna hafa ve aho?” “Tokony hividy trano ve aho?” “Tokony hisakaiza amin’ity olona ity ve aho?” “Tokony hanambady an’ity olona ity ve aho?” sy ny sisa.
Rehefa miatrika fanapahan-kevitra lehibe isika dia miezaka maka fotoana elaela kokoa, araka ny tokony ho izy, hanaovana safidy. Manaraka ilay torohevitra nomena an’i Oliver Cowdery ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:8–9 isika izay ilazan’ny Tompo hoe:
“Nefa indro, lazaiko anao, fa tokony handinika izany ao an-tsainao ianao; rehefa izany dia tokony hanontany Ahy ianao raha marina izany, ary raha marina izany, dia hahamay ny ao anatin’ ny tratranao Aho; koa ho tsapanao fa marina izany.
“Fa raha tsy marina izany, dia tsy hanana fahatsapana toy izany ianao fa hanana kosa fahadontoan’ny saina, izay hahatonga anao hanadino ny zavatra izay diso.”
Na dia torohevitra tsara aza izany, rehefa tonga ny fanapahan-kevitra lehibe dia indraindray isika miankina be loatra amin’ny hoe Andriamanitra dia miteny amintsika izay mety fa tsy amin’ilay hoe milaza amintsika Izy mba handalina izany ao an-tsaintsika. Lasa sahiran-tsaina loatra miandry an’ Andriamanitra hanamafy ny safidintsika isika ka mamela ny fahafahana tsara handalo fotsiny. Mety hahafantatra ny anjara asan’ny fahafahana misafidy mihitsy aza isika, saingy matahotra isika ny handray fanapahan-kevitra izay afaka manala antsika amin’ilay “drafitra” efa nomanintsika ka hiafara amin’ny filazana fa izay zavatra hafa ankoatra ny hafanana ao amin’ny tratra na feo avy any an-danitra dia midika fa ratsy ny safidy ataontsika. Ho an’ny maro amintsika io fihenjanana misy eo amin’ny fahafahana misafidy sy ny fanambarana ho an’ny tena manokana io dia miteraka fanontaniana iray lehibe: Inona no anjara asan’ Andriamanitra amin’ny fanampiana antsika handray fanapahan-kevitra?
Anjara asan’ Andriamanitra amin’ny fandraisantsika fanapahan-kevitra
Angamba amin’ny alalan’ny tantaran’ny rahalahin’ i Jareda no tena tsara hiresahana io fanontaniana io. Misy zavatra miverimberina mahaliana ao amin’io tantara io izay mampianatra antsika momba ny fomba izay iandrasan’ Andriamanitra antsika hanapa-kevitra. Rehefa nampifangaroina ny fiteny tao amin’ny tilikambon’i Babela; dia nangataka an-drahalahiny i Jareda mba hangataka amin’ny Tompo raha toa ka tokony hiala ilay tanàna izy ireo, ary raha izany dia aiza no tokony halehany (jereo ny Etera 1:36–43). Dia nangataka ny rahalahin’ i Jareda, ka nentin’ny Tompo teny amoron-dranomasina izy ireo. Teny an-dalana dia niresaka tamin’izy ireo tao anaty rahona ny Tompo ary nitarika ny dingana tsirairay tamin’ny dian’izy ireo Izy. Tonga teny amoron-dranomasina izy ireo nony farany, ary nijanona teo nandritra ny efa-taona.
Tamin’ny fiafaran’ny taona fahefatra dia nilaza tamin-drahalahin’ i Jareda Andriamanitra mba hanamboatra sambo ka ho vonona ny hiampita ny ranomasina. Rehefa hitan’ny rahalahin’i Jareda fa tsy hisy rivotra ireo sambo ireo dia nanaraka ilay fomba mahazatra fandehanana amin’ Andriamanitra mba hanontany ny tokony hataony izy. Araka ny efa nampoizina dia namaly ny Tompo tamin’ny fanomezana torolalana mazava tsara mba hanao lavaka eo ambony sy ambany amin’ireo sambo. Jereo tsara ny fomba ahazoana fanambarana: Nomen’ Andriamanitra drafitra izy ireo, nanontany ny amin’ny fomba hanatanterahana ilay drafitra izy ireo, dia nanome valiny farany mazava tsara Andriamanitra.
Saingy rehefa avy nanisy lavaka tamin’ireo sambo ny rahalahin’i Jareda dia nahatsikaritra fa tsy hisy hazavana ao amin’ireo sambo ireo. Nanontany an’ Andriamanitra indray izy ny amin’izay tokony hataony. Tsy namaly anefa Andriamanitra fa nanontany hoe: “Inona no tianao hataoko mba hanananareo hazavana ao amin’ny sambonareo?” (Etera 2:23). Raha tokony nanome torolalana mazava tahaka ny nataony teo aloha ny Tompo tamin’ity indray mitoraka ity dia niandry an-drahalahin’i Jareda mba hanapa-kevitra ny amin’ny zavatra hataony.
Io karazana valin-teny avy amin’ny Tompo io angamba no tena sarotra takarina rehefa miezaka manapa-kevitra. Ampianarina isika mba hivavaka dia hiandry valiny, koa mazava ho azy raha hatahotra isika rehefa tsy mahare na inona na inona ho valiny. Manontany tena isika matetika raha toa ka azo lazaina ho “fahadontoan’ny saina” ny tsy fisian’ny valiny mazava izay milaza fa ratsy ny safidintsika. Amin’ny fotoana hafa isika dia manontany tena raha toa ka midika fa tsy mendrika tsara isika mba haheno ny valiny na raha toa ka tsy manontany “omban’ny tena finiavana” isika (jereo ny Môrônia 10:4). Fa misy zavatra fahatelo indraindray tsy eritreretintsika: angamba tahaka ny tamin-drahalahin’i Jareda Andriamanitra dia miandry antsika hanapa-kevitra irery .
Mandray fanapahan-kevitra
Vao tsy ela aho dia nandalo toe-javatra izay nahatonga fisalasalana teo amin’ny fomba fieritreretako mikasika ny fahafahana misafidy sy ny fanambarana ho an’ny tena manokana. Rehefa namaramparana ny taonako tany an-tsekoly aho, dia nahazo tolotr’asa vitsivitsy avy tamin’ny firenena samihafa ary sarotra ny nisafidy hoe inona no horaisina. Tahaka an-drahalahin’i Jareda, dia nisy fotoana maro aho nivavaka momba ny safidy manan-danja iray dia nanome valin-teny mahitsy Andriamanitra. Noho ireo zavatra niainako ireo dia nanomboka nivavaka tamin’ Andriamanitra aho mba hanampy ahy hanapa-kevitra ny amin’ny asa izay tokony horaisiko. Nanao ny anjarako ihany koa aho tamin’ny fianarana momba ireo asa tsirairay ireo sy naka torohevitra tamin’ny olona maro. Saingy na nivavaka sy nifady hanina toy ny ahoana aza aho dia nangina ny lanitra, ary tsy nahazo valiny aho.
Antomotra ihany ny fotoana farany tokony hanapahana hevitra ary nanomboka sahiran-tsaina aho. Azo antoka fa io no karazana fanapaha-kevitra izay raharahin’ny Tompo, koa nahoana ary Izy no tsy mamaly? Angamba tsy ilay asa izay safidiko no raharahiny, fa mety ny firenena izay hifindrako satria tsy isalasalana fa hisy fiantraikany eo amin’ny fiainako izany. Efa noraharahin’ny Tompo foana ny fanapaha-kevitro taloha, koa nahoana Izy no tsy hiraharaha an’ity iray ity koa?
Kanefa na dia niezaka toy ny ahoana aza aho, dia tsy mbola nisy valiny tonga. Nanomboka nanontany tena aho raha toa ka niala lavitra an’ Andriamanitra ka tsy afaka maheno ny valinteniny. Nanontany tena ihany koa aho sao tsy afaka nahare satria tsy tandriko akory fa tsy te handre ny valiny. Farany, tamin’ny andro mialoha ilay andro farany dia fantatro fa tokony hanapa-kevitra aho, koa nampiasa ny fitsarako aho ary nanapa-kevitra. Nivavaka fotsiny aho tamin’izay alina izay nangataka raha azony lazaina amiko raha toa ka diso ny valiny azoko. Mbola tsy nisy valiny tonga hatrany. Noho izany dia niroso aho ary naka ilay asa.
Volana maro taty aoriana dia mbola nisalasala ny amin’ny fanapahan-kevitro foana aho, dia nangataka tsodranon’ny fisoronana aho mba hahazo fankaherezana. Tao anatin’ilay tsodrano aho dia nolazaina fa tsy nahazo valim-bavaka aho satria nahafaly ny Tompo izay safidy mety noraisiko. Nanamafy torohevitra izay nomen’ny filohan’ny misiônako ahy teo aloha io tsodrano io, izay nilaza tamiko fa matetika dia tsy maninona na inona na inona fanapahan-kevitra raisintsika. Tian’ Andriamanitra isika mba hianatra hijoro sy hahavita tena ary hanapa-kevitra ny amin’ny fomba tokony hiainantsika ny fiainantsika. Nampahatsiahy ihany koa ny filohan’ny misiônako fa Andriamanitra, amin’ny maha-Raintsika any An-danitra Azy, dia tsy hanazasy antsika sy haka ireo fahafahana izay nampanantenaina raha toa ka rehefa tena miezaka amin-kitsim-po mitady izay zavatra tokony hatao isika.
Afaka nanolotra izay vahaolana hampazava ireo sambo ny rahalahin’ i Jareda dia ho neken’ny Tompo izany. Ny tanjon’ilay izy dia tsy hoe ny hampatanjaka ny finoan’ny rahalahan’i Jareda fotsiny ihany fa ny hianatra ny fomba handraisana fanapahan-kevitra ihany koa.
Mampiasa ny fahafahana misafidy
Raha ny mandrakizay no banjinina dia singa iray tena ilaina amin’ny fitomboan’ny tena manokana ny fahafahana misafidy. Raha tsy misy izany dia tsy afaka mandray ireo karazana fanapahan-kevitra izay hanampy antsika hahatratra ilay tena maha-izy antsika isika. Ny fitomboana, tahaka ny zavatra hafa rehetra ao amin’ny filazantsara dia tonga “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, fitsipika anampy fitsipika” (2 Nefia 28:30). Tian’ Andriamanitra ho vahoaka vonona isika, fa tsy vahoaka malazo, ary miandry antsika hampiasa ny fahafahantsika misafidy Izy mba hiaina tsara ny fiainantsika araka izay vitantsika.
Rehefa mahita ny fifandanjana eo amin’ny fahafahana misafidy sy ny fanambarana isika dia afaka miaina tena fitomboana ara-panahy. Izany no nitranga tamin-drahalahin’i Jareda. Rehefa nandinika izy dia nanao ezaka mba handrendrika vato 16 avy tamin’ny vatolampy iray ary nangataka an’ Andriamanitra mba hikasika izany ka hampamiratra izany (jereo ny Etera 3:1–5). Tamin’ity indray mitoraka ity rehefa namaly Andriamanitra dia niova ny zava-drehetra. Tsy nandre ny feon’ Andriamanitra tao amin’ny rahona ny rahalahin’ i Jareda fa nahita ny Tompo kosa, izay tsy vitan’ny hoe niseho fotsiny fa naneho tamin-drahalahin’i Jareda fahitana mahavariana an’izao tontolo izao sy ny zavatra rehetra izay ho avy (jereo ny Etera 3:6–26). Mety tsy ho vonona ara-panahy handray izany fahitana izany ny rahalahin’ i Jareda raha tsy niaina ilay fitomboana azony tamin’ny fandraisany manokana fanapahan-kevitra aloha.
Rehefa manapa-kevitra isika dia tena tokony hanaraka ny torohevitr’i Almà mba “[hila] hevitra amin’ny Tompo amin’ny [ataontsika] rehetra” (Almà 37:37). Rehefa mila antsika handray fanapahan-kevitra manokana ny Tompo dia hampahafantariny antsika izany ary hampiany isika tsy ho very lalana. Fa mila vonona ihany koa isika mba hijoro sy handroso amim-pinoana na misy valiny na tsy misy valiny tonga. Rehefa mitandrina ny fanekempihavanantsika isika sy mijanona ho marina amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, dia afaka matoky ny fanapahan-kevitra marina ataontsika ary hahatsapa fiadanana fa faly amin’ny ezaka ataontsika ny Tompo.