2019
Ilay safidy: Ho mpanao sary hosodoko ikoizana sa reny ikoizana?
Aprily 2019


Ilay safidy: Ho mpanao sary hosodoko ikoizana sa reny ikoizana?

Nilaza tamiko ny olona rehetra fa tsy ho vita mihitsy ny ho lasa ikoizana amin’izy roroa ireo. Kanefa izany tokoa ve?

Tsaroako aho tsy nahazo aina tany amin’ny oniversite raha nianatra momba ny fiainan’ireo mpanao hosodoko fanta-daza. Toa noho ny fanaovana an-tsirambina ny fianakavian’izy ireo sy ny fanaovana sorona ny fahasalamana ara-tsainy no nahalasa mpanao sary hosodoko fanta-daza an’ireo izay tena malaza sy misongadina. Mpanao hosodoko fanta-daza maro no nanao sary hosodoko amin’ny marainan’ny noely kanefa eo am-panokafana ireo fanomezana ny zanany. Nisy anankiray nanambady in’enina. Nisy iray hafa nanakatsana ny sofiny ka nandefa izany tany amin’ireo olon-tiany. Ary nisy iray hafa aza namono olona mihitsy. Nanomboka nanontany tena aho raha toa ka mety ho vita akory ny ho lasa mpanao sary hosodoko ikoizana no sady reny ikoizana (ka tsy ho lasa adala eo am-panaovana azy roa!).

Ireo mpampianatra ahy dia nampianatra fa raha tena te ho lasa ikoizana izahay dia mila manao fahafoizana ho an’izany. Tsy maintsy hiasa mafy kokoa noho ny olon-kafa izahay. Tsy maintsy hametraka ny haikanto ho laharam-pahamehana ambony indrindra izahay. Manontany tena matetika aho hoe “Ary raha mitandrina ny didy ny mpanao sary hosodoko iray, sy manao izay manan-danja indrindra ho laharam-pahamehana, ary manana ny Fanahin’ny Tompo mitarika ny asany dia tsy ho afaka ny ho lasa ikoizana ve izy, ary mety ho ambony lavitra noho izany aza?” Nitamberina tato amiko foana io fanontaniana io nandritra ny fianarako.

Tamin’ny fotoana nahazoanay mivady diplaoma dia efa iray taona nivadiana izahay. Ny Loholona Russell M. Nelson (tamin’izany izy dia mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo) dia tonga nanao lahateny nandritra ny lanonana fanomezana mari-pakansitrahana anay. Nisy fiaraha-misakafo antoandro taorian’io ary mpianatra 16 ihany no voasa hanatrika izany. Ary mahagaga ihany fa samy voafidy ny ho tao izaho sy ny vadiko. Rehefa nisokatra ho an’ny fanontaniana sy valiny ny resadresaka dia natsangako ny tanako ary nibanjina ny Loholona Nelson teo amin’ny masony aho no namosaka ny ahiahiko momba maha-mpanao sary hosodoko sy ny maha-reny. Niasa mafy aho mba hahazo ny talentako tany am-pianarana ary te hanohy hiasa mafy aho sy mba hivoatra kanefa fantatro ihany koa fa ny maha-reny no manan-danja kokoa. Misy fomba ve hahafahana manao azy roa? Nahaliana ny Loholona Nelson ilay fanontaniana ary namaly izy hoe “Azo atao mihitsy!” Namporisika ahy izy mba hampitombo ny talentako sy hangataka fanampiana amin’ny Ray any An-danitra mba hahafantarana ny fomba hahafahako manao azy roa; ary miaraka Aminy dia ho afaka ny hanao ireo zavatra izay noheveriko tsy ho vita fahiny aho. Nekeko tamin-kitsimpo ny toroheviny.

Manolo-tena ho an’ny tanjony

Efatra izao ny zanakay mivady. Nianatra nifehy ireo andraikitra maro isan’ny maha-ray aman-dreny izahay. Tamin’ny voalohany dia mila ho isan’andro aho no mifoha amin’ny 4:00 maraina manao sary hosodoko mialoha ny hifohazan’ny zanako. Niezaka aho hoe hanao hosodoko enina andro isan-kerinandro, na dia hoe 30 minitra monja aza indraindray. Manomboka amin’ny vavaka aho isaky ny manao sary hosodoko noho ny fahafantarako fa tsy misy dikany loatra aho raha tsy misy ny fanampian’ny Tompo. Tsy ny mba hahombiazako amin’ny sary hosodoko nataoko ihany no nivavahako fa indrindra indrindra ny mba hahafantarako izay manan-danja indrindra tamin’io andro io ary ny hanao ny tanjony ho laharam-pahamehako. Tsy haingana ny fivoarana saingy tsy niovaova sy nitombina kosa.

12 taona hatramin’ny andro nahazoako mari-pahaizana. Nandalo fotoam-pahakiviana aho. Toa nanepotra loatra ny fiainana. Nanahirana kokoa tsy araka ny noheverako azy ny maha-reny. Nipetraka nitomany teo amin’ny hazo fihazonana sary hosodoko aho no sady nanontany tena raha toa ka mba tena ho vitako ny ho lasa ilay mpanao hosodoko ikoizana niriako mafy hatrizay. Nahatsapa ho nisy nitaona aho haka ny diariko fahiny avy teo amin’ny talatalana misy boky ka navadiko tany amin’ny lahatsoratra nosoratako tamin’ny 30 aprily 2006, ny andro nahazoako mari-pahaizana ny pejy izany. Tena hadinoko tanteraka ny zavatra niainako niaraka tamin’ny Filoha Nelson! Somary nahatonga ahy hanadino izany tranga izany ireo zava-manahiran’ny fiainana. Ny tenin’ny mpaminany ankehitriny no teo ambany masoko tamin’izay, izay manao hoe “Azo atao mihitsy!” Nanjary ranomasom-pankasitrahana ny ahy raha nitodika tamin’ireo zavatra rehetra vitako hatramin’izany fotoana izany aho ary nibanjina ny hoavy koa tamim-panantenana.

Manao ny zavatra tsy ho vita

Volana vitsy taty aoriana dia naharay antso avy tamin’ny iray amin’ireo mpikirakira ny gazetiboky Ensign aho, izay nangataka raha toa ka azon’izy ireo ampiasaina hatao fononony anatiny amin’ny laharan’ny gazetibokin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ny iray amin’ireo sary hosodoko nataoko. Tsy nahateny aho! Hatramin’ny fahakeliko mandraka ankehitriny dia mazàna ny zavatra nataoko voalohany rehefa mahazo ny gazetibokin’ny Fiangonana dia ny mamadibadika mijery sary hosodoko. Ankehitriny kosa dia ho tafiditra ao ny iray amin’ireo sanganasako! Avy eo rehefa nambara ahy fa tian’izy ireo ny hampiaraka ny sary hosodoko nataoko amin’ny teny nataon’ny Filoha Nelson, dia hitako ny fitaoman’ Andriamanitra ahy amin’ny famporisihana ahy mba hiroso hatrany.

Mbola lavitra ny lalana hodiaviko eo amin’ny sehatry ny fanaovako hosodoka kanefa tena feno fankasitrahana aho amin’ny fiandrandran’ny Filoha Nelson ny Tompo sy antsika. Feno fankasitrahana aho ny amin’ny fanantenana tsara ananany sy ny fatokian-tenany. Fantatro fa rehefa maneho finoana ny Tompo isika dia afaka mahavita zavatra lehibe, eny na dia ireo zavatra izay noheverintsika fa tsy ho vita. “Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’ Andriamanitra” (Lioka 1:37).