2020
Fahitana iray nitarika ahy ho amin’ny fahamarinana
Nôvambra 2020


Fahitana iray nitarika ahy ho amin’ny fahamarinana

Zavatra tao an-tsaiko fotsiny ve ilay sarivongana?

Sary
vehivavy iray mipetraka eo amina seza lava

Taona vitsy lasa izay no nihaonako tamin’ny misiônera ary nanana olana ara-pahasalamana aho tamin’izany. Nahatsapa ho mahonena aho ary ny hany zavatra notadiaviko dia ny mba hahatsapa fitarihana kely eo amin’ny fiainana.

Tsy natoky tena na nahatsapa fientanentanana momba ana inona na inona aho, indrindra momba ilay fiangonana izay resahin’ireo misiônera foana. Na dia teo aza izany dia nanapa-kevitra tsy sazoka aho ny hanatrika voalohany ny fivoriana fanasan’ny Tompo.

Niaraka tamiko ny reniko, ary rehefa tonga teny amin’ny trano fiangonana izahay dia nidobodoboka ny foko rehefa nahatazana sarivongana volamena iray nanjelanjelatra teny amin’ny tafon-trano. Izany no zavatra faran’izay tsara indrindra hitako hatramin’izay! Toy ny hoe feno fitoniana sy nanintona ilay trano hany ka dia niova ny fomba fisainako manontolo, ary dia tamim-pientanentanana no nidirako tao anatiny.

Nakipiko ny masoko nandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo ary tonga tao an-tsaiko ny sarin’i Jesoa. Efa nahalala ny momba an’i Jesoa aho hatramin’ny fahazazako saingy tsy mbola liana Taminy raha tsy vao haingana. Mbola tsy namaky ny Baiboly aho hatramin’izay. Ary tsoriko fa tsy fantatro mihitsy ny antony namoizan’i Jesoa Kristy ny ainy teo amin’ny hazo fijaliana na ny antony nananany Apôstôly roa ambin’ny folo na nahoana no maro be ireo mpaminany izay nampianatra momba Azy.

Saingy tamin’izay fotoana izay dia nahatsapa ho nifandray Taminy aho. Tamin’izay vao nahatsapa ny tena fisiany marina aho. Nahatsapa ho heniky ny fitiavana sy ny faniriana hianatra misimisy kokoa aho. Nino aho fa Izy no loharanon’ilay fahamarinana sy fitiavana izay nokatsahiko.

Andro vitsivitsy taty aoriana dia nanontany ny reniko aho momba ilay sarivongana izay tsikaritro. Somary nisavorovoro kely ny sainy sady nilaza izy fa tsy nahatsikaritra sarivongana izany, saingy te hiverina handalo eo amin’ilay trano amin’ny fiara-kodia indray mandeha izy mba hahitany an’ilay izy taorian’ny namaritako ny hatsarany.

Saingy rehefa tonga teo amin’ny trano fiangonana izahay dia tsy teo intsony ilay sarivongana izay hitako andro vitsy lasa izay. Tsy nampino ahy izany! Nisy nanala ve ilay izy?

Nanontany olona iray momba ilay sarivongana aho tany am-piangonana ny herinandro manaraka. Talanjona ihany koa izy ary nilaza fa tsy mbola nisy sarivongana teo amin’ilay trano hatramin’izay. Saingy rehefa nofariparitako taminy ny endrik’ilay sarivongana dia nilaza izy hoe, “Hay ve e! Ny sarivongana maneho an’i Môrônia ve no tianao hotenenina? Izy ireny dia tsy eny amin’ny trano fiangonana fa eny amin’ny ankabeazan’ny tempoly kosa.” Nilaza tamiko izy fa i Môrônia dia mpaminany iray ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ary nandray anjara ihany koa tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny.

Resy lahatra aho fa mety zavatra noeritreretiko tao an-tsaiko fotsiny angamba ilay sarivongana. Saingy nokarohako tao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny teny hoe Môrônia. Nianatra aho fa maty avokoa ny fianakaviany sy ny namany, fa izy dia ory mafy noho ny fahotan’izao tontolo izao, ary na dia teo aza izany rehetra izany dia mbola nanaraka ihany ny didin’Andriamanitra izy mba hiaro ny fahamarinana. Nianatra ihany koa aho fa niseho im-betsaka tamin’i Joseph Smith izy mba hanome hafatra avy tamin’ny Ray any An-danitra ho azy. Ny fianarana momba an’i Môrônia sy ireo fampianarany ary ny ezaka rehetra nataony mba hanarahana an’i Kristy sy hiraketana ny fahamarinana dia nanampy ahy hampiova ny foko manontolo ho amin’ny filazantsara.

Tamin’ny farany rehefa nanana fahafahana ny hitsidika ny Tempolin’i Sapporo, Japana aho vao nahita voalohany ilay sarivongana maneho an’i Môrônia. Mitovy amin’ io mihitsy ilay sarivongana izay hitako teny an-tampon’ilay trano fiangonana. Saingy ilay anankiray izay hitako tamin’izay andro izay dia namirapiratra izaitsizy tokoa. Mino aho fa fahitana avy tamin’ny Ray any An-danitra izay nanasa ahy mba hahita ny fitiavany sy ny fahamarinan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny ilay “sarivongana nanjelanjelatra”. Ny mba hianarako momba ireo mpaminany fahiny toa an’i Môrônia izay nijoro ho vavolombelona ny amin’i Kristy sy ireo mpaminany velona izay manao torak’izany koa. Ny mba hahitako ny fitarihana izay tena nokatsahiko hatramin’izay.

Fantatro fa namerina tamin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo ary fantatro ihany koa fa manana mpaminany velona isika ankehitriny izay tarihiny mba hitondra fahamarinana amintsika sy hanampy antsika hiverina any amin’ny Ray any An-danitra. Fantatro fa i Jesoa Kristy no loharanon’ny fiadanam-po sy ny fifaliana eto amin’izao fiainana izao sy any amin’ny fiainan-ko avy.

Nanova tanteraka ny fiainako ny fahazavan’ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny sy ireo fitahiana izay omen’izany, ary toy ny tamin’ilay andro voalohany tany am-piangonana dia fantatro fa ny Ray any An-danitra dia hitarika ny fiainako rehefa manohy manaraka Azy sy ireo mpitondra ny hafatra avy Aminy aho.

Hamoaka printy