2020
Mahita fahombiazana amin’ny maha-misiônera mandritra ny COVID-19
Nôvambra 2020


Mahita fahombiazana amin’ny maha-misiônera mandritra ny COVID-19

Ny zavatra ifantohanao no iankinan’ny zava-drehetra.

Sary
Misiônera mandeha an-tongotra sady manao aro tava

Raha nisy olona nanontany ahy tamin’ny volana vitsivitsy lasa hoe hanao ahoana ny misiônako araka ny fiheverako azy dia tsy ho afaka nilaza mialoha ny mety ho fizotran’ny dia izay niandry ahy aho. Saingy zavatra iray no tsy niova: Izaho dia mbola misiôneran’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany—saingy ankehitriny dia misiônera mandritra ny valan’aretina ihany koa aho.

Saingy inona no hevitr’izany?

Izany dia midika hoe te hanao ny sitrapon’ny Tompo amin’ny fomba lalina kokoa. Izany dia midika hoe miezaka ny hanompo ny Tompo sy ireo zanany raha eo am-piatrehana fiovana tsy an-kiato. Izany dia midika hoe mianatra ny mizatra haingana amina tranga vaovao. Izany dia midika hoe mianatra ny ho afaka manaiky fanovana, mahay mandefitra, manana faharetana sy be fitiavana isan’andro.

Izany ihany koa dia midika fiatrehana tsy fahazoana antoka be dia be sy fametrahana fanontaniana maro be sahala amin’ny hoe:

“Halefa mody ve ny mpiara-manompo amiko rahampitso?”

“Moa ve hafindra any amina faritra vaovao izahay vokatr’ilay tsimok’aretina?”

“Inona no hitranga amin’ireo olona izay ampianarinay raha toa ka tsy maintsy handeha izahay?”

Nanohy tsy tapaka ny fampianaranay ny filazantsara tao amin’ny tamba-jotran-tserasera izahay, saingy tsy mora foana izany—ary tsy izany velively no zavatra iainana mandritra ny misiôna tao an-tsaintsika tsirairay avy. Na izany aza dia mbola eto foana izahay, mafy orina ao amin’ny fanapahan-kevitra nataonay mba hanompo na aiza na aiza, hanompo ny Tompo na inona na inona tranga miseho na manao ahoana na manao ahoana ny fomba hanaovana izany, mba hahazo ny fon’ireo zanany.

Nahoana aho no mbola manohy misafidy ny hanompo?

Eny, ny fahasarotana eo amin’ny fiainana amin’ny maha-misiônera dia ara-nofo sy ara-tsaina ary ara-panahy—isika rehetra dia samy efa nandalo ny iray tamin’izany farafahakeliny. Eny, efa niatrika olana marobe isika ary mbola hanohy hiatrika fanamby fanampiny, saingy noho i Jesoa Kristy izay nanome ny ainy ho antsika dia mahafantatra isika fa misy dikany ny hanaovantsika izany.

Lasa nahafantatra aho fa mahatsikaritra antsika rehetra ny Ray any An-danitra. Fantany fa hisy misiônera izay tsy ho afaka ny hiditra ny tempoly na hanitsaka ny ivon-toerana fanofanana misiônera mialoha ny hanaovan’izy ireo ny asa fitoriana ataon’izy ireo. Fantany fa hisy tanora izay tsy hanana fahafahana ny hanompo any amin’ireo tany izay niantsoana azy ireo mihitsy. Nefa ireo misiônera ireo dia mahafantatra fa ny Tompo dia tia sy miaro antsika ary hanao izany hatrany Izy. Ary koa, fa ny ezaka izay ataontsika dia ampy eo imasony. Isika rehetra dia samy efa nianatra fa isika dia afaka ny hanompo ny Tompo sy hizara ny filazantsarany na aiza na aiza misy antsika ary na inona na inona toe-javatra izay misy antsika. Ary mendrika ny hatao izany.

Inona no manakana ahy tsy handroso?

Tamin’ireo andro sarotra dia lasa nahafantatra aho fa misy fomba roa hijerena izao fotoana izao:

  • Amin’ny fijerena ny lafiny ratsy izay miseho amin’ny fiandrasana tsy amim-paharetana ny hiverenan’ny zava-drehetra amin’ny laoniny.

  • Na amin’ny fomba fijery vaovao dia ny fametrahana tanjona, fanaovana drafitra tsara sy manokana, amin’ny fandraisana izao toe-javatra izao ho toy ny fahafahana iray mba hanaovana fanovana izay efa niriantsika hatry ny ela saingy nahemotra.

Miezaka mba hisafidy ilay faharoa aho. Rehefa nieritreritra momba ny tranga miseho amin’izao fotoana izao eo amin’izao tontolo izao aho dia nanontany tena raha toa ka fahafahana iray entina hanampiana antsika hankasitraka kokoa ireo fifandraisantsika na amporisihana antsika mba hanokatra ny fontsika misimisy kokoa amin’ny Mpahary antsika sy ho vonona ny hihaino Azy ny COVID-19. Ary mba hanaovana laharam-pahamehana kokoa ny filazantsara mihoatra izay nanaovantsika izany tany aloha.

Tsy fotoan-tsarotra ho an’ny misiônera irery ihany izao—sarotra ho an’ny olona tsirairay avy izao. Saingy toy ny niantsoan’ny Kapiteny Môrônia ny hafa mba hiray ho an’ny fahafahana (jereo ny Almà 46), isika ihany koa dia nantsoina mba hijoro sy tsy hatahotra. Ary miaiky isika fa ny Raintsika any An-danitra dia tena miaraka amintsika mandrakariva, mamela antsika mba hanompo amin’ny fontsika sy ny herintsika ary ny tanjatsika rehetra, na inona na inona mitranga (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:2).

Amin’ny maha-misiôneran’ny Tompo antsika dia tokony hibanjina lalandava ny Mpamonjy sy ny tanjontsika mandrakizay ny masontsika. Aoka hotsaroantsika fa tia ny zanany rehetra ny Ray any An-danitra ary tiany hiverina any Aminy avokoa isika rehetra.

Amim-pahamarinana no ilazako fa na dia sarotra aza ny maha-misiônera amin’ny fotoan’ny COVID-19 dia afaka manao izao fotoana izao ho fotoana farany izay tsara eo amin’ny fiainantsika isika. Tsoriko tanteraka fa tena izany tokoa ity fotoana ity ho ahy! Ary izany rehetra izany dia noho ny fifantohako, satria miezaka hatrany ny mahatsiaro ny ftiavako ny Ray any An-danitra sy ny faniriako hanampy Azy hanangona an’Isiraely izay miely patrana aho. Ary fantatro fa homeny famindram-po feno fahalemem-panahy ny misiônerany tsirairay avy rehefa manao ny farany tsara izay vitantsika isika mba hanatontosana ity antso izay nomeny antsika ity.

Hamoaka printy