2020
COVID-19: Fahafahana iray mba hiverenana hifantoka amin’ireo zavatra faran’izay manan-danja ao amin’ny filazantsara.
Nôvambra 2020


COVID-19: Fahafahana iray mba hiverenana hifantoka amin’ireo zavatra faran’izay manan-danja ao amin’ny filazantsara.

Raha jerena ny tantara dia tsikaritra fa efa nisy foana ny fotoan-tsarotra hatramin’izay. Ankehitriny isika dia miara-miatrika zava-tsarotra goavana nateraky ny COVID-19. Efa henontsika ombieny ombieny ny hoe: tsy mbola nisy hatramin’izay ny toy izao. Maro amintsika no niasa saina ny amin’ny fahasalamantsika sy ny mahasoa ireo olon-tiantsika. Isika rehetra dia samy efa nahatsapa ny fiantraikany ara-toekarena sy ara-pihetseham-po izay naterak’ity tsimok’aretina ity. Toy ny hoe tsy misy mandeha amin’ny laoniny ny zava-drehetra. Ary ny asa fitoriana sy ny asa atao any amin’ny tempoly dia voasembatsembana. Maro ny olona izay mahatsapa ho tototry ny andraikitra amin’ny fanovana ny zavatra mahazatra ao an-tokantrano.

Afaka miteraka fahatsapana ahiahy na fitaintainana na koa tahotra mihitsy aza ny fiatrehana hoavy tsy azo antoka mazava tsara—azo inoana fa efa nahatsapa izany ianao. Saingy misy fanantenana eo anatrehan’izany fisavorovoroana izany! Na dia eo aza ny tsy fahazoana antoka sy ireo fiovana dia tsy niova ireo zavatra manan-danja sy fototry ny filazantsara.

  • Mety hoe natsahatra vonjimaika na nasiana fetra ny fivoriam-piangonana sy ireo fivoriana fanao mahazatra saingy ny fiainana ny filazantsara dia tsy natsahatra. Afaka manohy mitsaoka sy manompo ary mampihatra ny filazantsara any an-tokantranontsika isika.

  • Mbola ao amin’ireo lanitrany Andriamanitra.

  • I Jesoa Kristy Zanany dia mbola mitarika ity asa ity. Tsapany ny olana misy eo amin’izao tontolo izao sy ny olantsika manokana. Efa nampanantena Izy hoe: “Tsy hamela anareo ho kamboty Aho” (Jaona 14:18). Nandefa ny Fanahy Masina Izy mba hiaraka amintsika.1

  • Andriamanitra dia niantso mpaminany sy mpahita ary mpanambara. Ary tamin’ny alalan’izy ireo no nametrahany ny zavatra izay tena ilaintsika mba hiatrehana ny fisedrana mafy.2 Eritrereto ny momba ilay fandaharam-pampianarana vaovao mifototra amin’ny ao an-tokantrano, miaraka amin’ireo fanovana hafa izay nanampy antsika hiomana amin’izao fotoana izao sy hiaina ary hanompo amin’ny fomba ambony sy masina kokoa.3 Tsy tonga tonga ho azy ireo fiovana vao haingana ireo—izy ireo dia napetrak’ilay Andriamanitra be fitiavana sy mahafantatra ny zava-drehetra.

Na dia teo aza ny fisavorovoroana, ary miaraka amin’ireo zavatra ireo ao an-tsaina, isika dia afaka miverina mifantoka amin’ireo zavatra faran’izay manan-danja ao amin’ny filazantsara, izay ahitana ny finoana ny Tompo Jesoa Kritsy.

Saingy ahoana anefa no ahafahantsika mampiasa izany finoana izany? Hatrany am-boalohany ny Tompo dia efa namela ireo mpianany hiaritra fanamby tsy tamim-pahafantarana ny anton’izany. Ireo fakan’ny finoantsika dia mamàka kokoa rehefa mila mampiasa ny fahafahantsika misafidy isika ary mandroso hatrany eo anatrehan’ny zavatra tsy ananana antoka. Ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanamafy izany raha nilaza hoe: “Tsy mahafantatra ny zava-drehetra ianao, saingy ampy ny fahafantaranao!”4

Ny tantaran’i Nefia sy ireo rahalahiny izay niezaka naka ny takela-barahina dia ohatra lehibe momba izany. Fantatr’izy ireo ny zavatra izay nila nataon’izy ireo: haka ireo takelaka! Tena azon’izy ireo an-tsaina tsara ny antony. Fa tsy fantatr’izy ireo fotsiny ny fomba hanaovana izany. Rehefa tsy nahomby in-droa (jereo ny 1 Nefia 3:10–27), dia tsy afaka niantehitra amin’ny fahaiza-manaony manokana intsony i Nefia. Tsy nilavo lefona izy fa mbola niezaka indray mandeha. Jereo ny fomba iharan’ireo tenin’i Nefia mivantana amin’ny tranga misy ankehitriny:

“Ary notarihin’ny Fanahy aho, tsy nahafantatra mialoha ny zavatra izay tokony hataoko.

“Na dia teo aza izany dia nandroso aho” (1 Nefia 4:6–7).

Na dia maro aza ireo baraingo maro eo amin’ny fiainantsika, raha toa ka “mandroso hatrany” sahala amin’i Nefia isika, ka matoky an’Andriamanitra sy manaraka ireo mpaminaniny ary mifantoka amin’ny finoana dia hitarika sy hamolavola antsika Izy. Amin’ny fotoana iray eo amin’izany dingana izany dia ho lasa tsoraka nilaina ireo baraingo-na olana eo amintsika.

Aoka isika hampitombo ny finoantsika an’i Jesoa Kristy, ny fatokiantsika ireo mpanompony ary ny fitiavantsika ny tsirairay amintsika rehefa eo am-piatrehana ny hoavy. Izao fotoan’ny fahoriana sy fahasarotana maneran-tany izao dia afaka ho lasa sehatra masina ho antsika mba hanatonana Azy bebe kokoa. Rehefa manao izany isika dia hameno ny fanahintsika ny fiadanany mamy dia mamy, eny fa na dia eo anatrehan’ny fisavorovoroana aza dia hahazo tanjaka sy valim-panontaniana izay ilaintsika isika.

Fanamarihana

  1. Jereo koa ny Jaona 14:1, 26–27; 15:26; 16:13–14, 33.

  2. Jereo ny M. Russell Ballard, “Andriamanitra no mpanamory,” Liahona, nôv. 2015, 25).

  3. Jereo ny Russell M. Nelson, “Lahateny famaranana,” Liahona,nôv. 2019, 121.

  4. Neil L. Andersen, “Ampy ny fahafantaranao,” Liahona, nôv. 2008, 13.

Hamoaka printy