Takariva hiarahana amin’ny Manampahefana Ambony
Mampianatra filazantsara ny Zatovo sy ny Tanora - Teny fanokafana


Mampianatra filazantsara ny Zatovo sy ny Tanora - Teny fanokafana

Filoha Dallin H. Oaks

Tapany voalohany

Ry rahalahy sy anabavy malalako,

Mampirehareha anay ny manatrika izao fivorian’ny mpampianatra seminera sy institiota sy mpampianatra filazantsara ao amin’ireo oniversite sy sekolintsika izao. Faly izahay fa miaraka amin’ny vadinareo avy ianareo, izay tena manan-danja amin’ny andraikitrareo masina ny hampianatra. Tsapanay fa fanamby ny miresaka aminareo amin’izao fotoana miavaka sy sarotra izao, ao anatin’ny valanaretina iray maneran-tany izao.

Araka ny nolazain’i Paul V. Johnson Mpiandraikitra anareo teo, taorian’ny lahateny fanokafana fohy nataoko, dia hisy fifanakalozan-kevitra anankiroa ny ambin’ny fandaharam-potoantsika.

Atomboko amin’ny firesahana momba ny herin’ny fitiavana. Nahoana ny fitiavana an’ Andriamanitra no didy lehibe voalohany? Voalohany izany satria fototry ny fahatakarana sy ny fanarahana ny drafitr’ Andriamanitra sy ireo didiny ho an’ny zanany. Ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy ny fitiavany antsika no fitsipika fototry ny filazantsara, manan-danja indrindra amin’izay zavatra mitaona antsika ary manan-danja indrindra amin’ireo zavatra tsy maintsy tsaroantsika. Tian’ Andriamanitra ianareo mpampianatra. Tia anareo mpampianatra ny drafiny sy ny teniny ireo mpitariny. Ary tia ny mpianatrareo ianareo. Naravon’ny Loholona Gordon B. Hinckley tao anaty fehezan-teny iray izany tao anatin’ny lahateny iray ho an’ny mpampianatra taona maro lasa izay: “Tsy misy fomba tsara hanehoana fitiavana an’ Andriamanitra ankoatra ny fanehoana fitiavana an’ireo zanany, indrindra fa ireo izay tonga mianatra aminao.”1

80 taona mahery lasa izay no nahafaty ny raiko. Inona no tena tsaroako indrindra tamin’ny fifandraisanay? Ny fampianarany ve? Ny fitsipi-pifehezany tamiko ve? Tsia, ny tena tsaroako dia ny fitiavany ahy.

Toy izany koa, mino aho fa ny tena tsaroan’ireo mpianatra indrindra dia ny fahatsapan’izy ireo ny zavatra tsapanareo ho azy ireo. Ho tsaroan’izy ireo ny fomba nanampianareo azy ireo tamim-pitiavana mba hianatra ny filazantsara, sy hahafantatra ireo bitsiky ny Fanahy, ary ny hampihatra ny filazantsara eo amin’ny fiainany. Ny fitiavana no hery manosika ao anatin’ny fampianarana.

Efa ho 70 taona lasa teo izay no naha-mpianatra seminera ahy. Inona no tena tsaroako indrindra momba ireo mpampianatra seminera ahy tao Vernal, Utah? Tsy tadidiko akory aza ny lohahevitry ny kilasy noraisiko, saingy tsaroako fa tia ahy izy roa ireo ary nikarakara ahy manokana.

Ny fitiavana dia manana hery: hery entina mahatakatra ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, hery entina mahatakatra ny drafitry ny famonjena, ary hery entina manazava ireo didin’ Andriamanitra.

Raha tsy takatsika ny atao hoe fitiavana, dia hifanohitra na ho simbain’ireo fakam-panahin’ny fahavalo sy ny herin’ireo zavatra manan-danja eo imason’izao tontolo izao sy ny olon’izao tontolo izao izay manodidina antsika ny zavatra hafa rehetra ao amin’ny filazantsara.

Ny lohahevitro faharoa dia ny fifandraisanareo amin’ireo lohahevitry ny filazantsara izay ampianarinareo.

Rehefa mampianatra lohahevitra tsy mifandraika amin’ny fivavahana dia mahazatra ary azon’ny mpampianatra atao ny mametraka ny tenan’izy ireo ho manampahaizana manokana momba ilay lohahevitra. Tsy azo atao izany amin’ny fampianarana ireo fitsipiky ny filazantsara. Tsy isika no manampahefana amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ny manampahefana dia ny Fanahy Masina, mpikambana iray ao amin’ Ny Andriamanitra, izay mitàna ny anjara asa hijoro ho vavolombelona ny Ray sy ny Zanaka amin’ny fitarihana antsika ho amin’ny fahamarinana. Manazava ny fampianarantsika Izy. Noho izany, tsy tahaka ireo mpampianatra lohahevitra tsy ara-pivavahana, dia tsy tokony hanome voninahitra ny tenantsika velively isika amin’ny hevitra iray izay manamafy ireo fahamarinana lehiben’ny filazantsara. Tsy tokony hanao fihetsika mifanohitra amin’ny finoana sy ny fampianaran’i Jesoa Kristy mihitsy isika ao an-dakilasy na any an-toeran-kafa. Tsy tokony haneho velively endrika fitiavan-tena mihoatra izay lohahevitra mety ampianarintsika isika.

Mampianatra isika noho ny fitiavantsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany ary am-pitiavana ireo zanany, dia ny mpianatsika. Atosiky ny fahavononantsika hampitombo ny fahafahan’izy ireo mihaino sy manaraka Azy, ilay Mpamonjy antsika, isika.

Mijoro ho vavolombelona aho momba ny Mpamonjintsika Jesoa Kristy, ary mivavaka mba handraisantsika ireo fitahiany eo am-pandrosoantsika, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Gordon B. Hinckley, BYU Conference Speeches, 1975, 53.

Hamoaka printy