Takariva hiarahana amin’ny Manampahefana Ambony
Mampianatra filazantsara ny Zatovo sy ny Tanora - Resadresaka famaranana


Mampianatra filazantsara ny Zatovo sy ny Tanora - Resadresaka famaranana

Tapany fahatelo: Resadresaka—DHO/KMO

FILOHA OAKS: Mahafaly ahy ny hiaraka amin’i Kristen amin’ny resadresaka farany ataontsika. Izy dia mpampianatra matihanina manan-traikefa—nampianatra iray taona tao BYU—nahavita asa fitoriana tamin’ny fotoana feno, vady, ary renibe. Mifototra amin’ireo traikefany ireo sy amin’ny maha-vadina mpanompon’ny Tompo azy ny zavatra horesahiny. Ny tanjonay eto dia ny hanampy anareo amin’ny maha-mpampianatra filazantsara anareo ary koa ny hanampy ireo vadinareo amin’ny anjara asa lehibe sahanin’izy ireo amin’ny fanohanan’izy ireo.

RAHAVAVY OAKS: Filoha Oaks, tena feno fankasitrahana aho miaraka aminao eto anio alina. Ary feno fankasitrahana aho miaraka amin’ireo mpampianatra. Misolo tena ireo rehetra izay nampianatra ny filazantsara sy nitahy ny fianakaviako ianareo. Aminay dia tena miavaka ianareo. Maro amin’ireo namantsika sy ireo fianakaviantsika no naniry ny hanana ny asanareo amin’izao saingy tsy nahazo izany tombontsoa izany. Raha ny marina izany dia notsongain’ny Tompo ianareo mba ho mpampianatra ireo zanany. Fantatsika fa fotoan-tsarotra ho an’ny fampianarana izao; eo ny olana amin’ny fisoratana anarana, ara-tsôsialy, ary ireo fanoherana misy amin’ireo fitsipika marina sy ny fahamarinana.

FILOHA OAKS: Ho tsaroanareo fa nanomboka tamin’ny firesahana momba ny herin’ny fitiavana ao amin’ny fifandraisantsika isika: ny fitiavana an’ Andriamanitra, ny fitiavany ireo zanany, ny fifankatiavantsika, ary indrindra indrindra raha ny tanjontsika eto, ny fitiavanareo ny mpianatrareo. Dia nanao ny fizarana II isika, ny resadresaka voalohany, ary isika dia niresaka momba ny zavatra toy ny hoe “Ahoana no ahafahako mampianatra ny zavatra izay hanan-danja lehibe?” sy ny hoe “Nahoana no zava-dehibe kokoa ny mampianatra fitsipika toy izay lalàna?” ary ny hoe “Ahoana no fomba anampiantsika ireo mpianatsika hamakivaky ireo hevitra sy soatoavin’izao tontolo izao?”—ary eo anatrehan’izany rehetra izany, mizara fitiavana amin’ny rehetra.

RAHAVAVY OAKS: Fantatro fa eto ianareo anio alina mba ho lasa ny mpampianatra tsara indrindra mety hahatongavanareo, ka ity ary ny sarina porte clé iray nomena ahy. Toy izao no soratra eo aminy: “Sakamalaho sy havozo: samy mitondra ny hanitra ho azy.” Teny nataon’i Oscar Wilde izy io. Ary raha vao naharay azy io aho dia tsy fandokafana mihitsy no nandraisako azy Fa raha ny marina anefa dia izany no fandokafana lehibe indrindra nomena ahy, ary omeko anareo izany.

Raha ny fampianarana ny filazantsara no resahina dia olom-boafidin’ny Tompo ianareo. Miavaka ianareo ary manana hatsarana sy tanjaka ary talenta izay mampiavaka anareo. Misahana anjara toerana miavaka ihany koa ianareo amin’ny fandresena ny fanoherana eo amin’izao tontolo izao sy amin’ny fampianarana fahamarinana mandrakizay. Amin’ny maha-reny, sy renibe, ary renibe manana zafiafy ahy, dia matoky anareo aho. Ary miantehitra aminareo aho mba hampianatra fitsipika marina ny fianakaviako mba hanome azy ireo hery hanoherana ny fitaoman-dratsy manodidina azy ireo. Tena manome fiarovana iadiana amin’ny ratsy ianareo, ary valim-bavaky ny fianakaviako ianareo.

FILOHA OAKS: Ankasitrahanay ny fotoana rehetra hanampianareo ny fianakaviantsika sy ny zatovon’ny Fiangonana hahatakatra sy hanaiky ny maha-izy azy ireo amin’ny maha-zanaky ny Ray any An-danitra iray be fitiavana azy ireo. Ny fanomezana lehibe indrindra omenareo anay dia ny mampianatra ny zatovo sy ny tanora ireo fitsipika sy fahamarinana mandrakizay mba hitahiana ny fiainan’izy ireo—fahamarinana izay azon’izy ireo ifikirana rehefa mila mandray fanapahan-kevitra samy irery izy ireo. Mino izahay fa izany dia hanomana azy ireo amin’ny fomba tsara indrindra amin’ny fiatrehana ireo fanamby sy fahasarotana eo amin’izao tontolo izao.

RAHAVAVY OAKS: Eo am-pita kelin’ny lalana avy eo amin’ny Tempolin’i Salt Lake no misy ny tranonay. Ary amin’izao ankehitriny izao dia eo am-panamboarana izany. Misy kombarika sy fiara vaventy ary grue ao. Toa hoe misarona izany ny tempoly. Eo am-panamboarana izany, toa antsika amin’izao fotoan’ny COVID-19 izao. Voasarona ny tempoly saingy hatao matanjaka sy tsara tarehy kokoa. Isan’andro ireo mpiasa dia manao zavatra misimisy kokoa hampatanjahana sy hanamafisana ny tempoly. Afaka telo taona dia ho lasa tsara tarehy kokoa, sy ho tonga lafatra kokoa, ary ho afaka ny hisedra ny toe-javatra rehetra izany.

FILOHA OAKS: Afaka ny ho toy ilay tempoly isika sy ireo mpianatsika: mandalo fanavaozana isan’andro mba hampatanjaka kokoa, sy hampazoto kokoa, ary hahatonga antsika ho mahatoky kokoa—na dia ao anatin’ireo toe-java-tsarotra aza. Eo am-panamboarana antsika, omban’ireo fitahiana nampanantenaina, isika ihany koa dia afaka ny ho lasa Tranon’ny Tompo.

Antony iray mahafaly ahy amin’ny fananako an’i Kristen eo anilako mandritra ity fampianarana ity dia satria izy dia manan-danja lehibe amin’ny fananana ny Fanahy ao an-tokantranonay. Araka ny nambaran’ny Filoha Nelson nandritra ny fihaonambe tamin’ny aprily hoe: “Anisan’ireo toerana masina indrindra eto an-tany ny tokantrano.” Mila manao zavatra betsaka kokoa isika mba hahatonga ny tokantranontsika ho tena toera-masina. “Raha manambady ianao, miaraha-midinika amin’ny vadinao amin’ny maha-mpiara-miasa mitovy lenta aminao azy ao amin’ity asa lehibe ity. Manomboka izao ka mandra-piavin’ny Tompo indray, dia mila ny tokantranontsika ho toerana milamina sy azo antoka isika rehetra.”1 Manan-danja lehibe amin’ny fanatanterahana izany ny vadintsika.

RAHAVAVY OAKS: Amin’ny maha-vadina olona iray izay tena mila ny Fanahy mba hampandeha ny antsony sy ny asany ahy, ary ianareo koa dia toy izany, dia manao ny ezaka rehetra aho mba hahatonga ny tokantranonay ho toerana masina itoeran’ny fitiavana. Ary tsy mbola nisy mihitsy fotoana tsy nilana ny Fanahy Masina tao amin’ny tokantranonay na tao an-dakilasinay. Raha ny marina dia nanampy ny COVID-19. Manana fotoana iarahana kokoa izahay. Ny vadiko, tahaka ny vadinareo, dia mahomby indrindra amina toerana anjakan’ny Fanahy. Manan-danja ny zavatra jereko sy vakiko ary entiko ao an-tokantranonay. Tsy afaka ny hisy fifandirana ao an-tokantranonay, ary miezaka ny hahita ny lafin-tsaran-javatra sy manohana aho. Fantatro fa ny fanohanako dia manan-danja amin’ny fampandehanana ny zava-drehetra araka ny tokony ho izy ho an’ny ankohonako sy ho an’ny vadiko, ary tena miezaka aho, miezaka isan’andro aho.

FILOHA OAKS: Misaotra ry malala. Miatrika fanoherana lehibe avy amin’ireo soatoavin’izao tontolo izao sy ireo fakam-panahiny ny mpianatrareo. Naminany ny amin’izany ny Bokin’i Môrmôna. Miaina vanim-potoana izay “amin’ny firenena rehetra amin’ity tany ity … ho mamon’ny heloka sy ny fomban’ny fahavetavetana rehetra ireo.”2 Mampitandrina antsika amin’ireo paikadin’i Satana amin’izao vanim-potoana iainantsika izao izany.

Ohatra, ao amin’ny 2 Nefia 28:20 dia mamaky isika fa “ho romotra ao am-pon’ny zanak’olombelona [i Satana] … ka hamporisika azy ho tezitra amin’izay tsara.” Toa nirongatra avokoa ny zava-drehetra eo amin’ny lalan’ny faharomotana, ireo mpanao hetsi-panoherana, ary ny fifandiran’ny mpianakavy. Afaka ny ho toeram-pialofana anjakan’ny fiadanana sy fiarovana amin’izany ny kilasinareo. Afaka manome ohatra arahina amin’ny fahalalam-pomba izany mba handaminana ny zavatra tsapan’ireo mpianatrareo.

RAHAVAVY OAKS: Ny lakilasinareo dia afaka ny ho toerana azo antoka ho azy ireo. Ireo fitsipika ampianarina ao amin’ny kilasinareo, ireo fijoroana ho vavolombelona toriana ao ary ny Fanahy tsapa ao indrindra indrindra, dia afaka mikolokolo sy miaro ireo mpianatrareo.

FILOHA OAKS: Ao amin’ny andininy 21 i Satana dia milaza fa “hampitoniany” ny hafa ary “horotsirotsiany” amin’ny fisainana fa “mandry fehizay ny rehetra ao Ziona.”3

RAHAVAVY OAKS: Tsy misy karazana teknôlôjia maoderina mandrebireby antsika na manintona be ny fifantohantsika mihoatra ny telefaonina finday. Te hizara ity tantarana mpampianatra institiota iray ity aho—tsy afaka niasa araka ny tokony izy noho ny tsy fahatomombanana ara-pahasalamana izy nandritra ny roa taona. Ary nilaza izy fa rehefa niverina izy dia gaga be. Ny fampilazana tsy tapaka sy hafatra amin’ny finday dia nandrebireby ny fifantohan’ny mpianatra ka tsy afaka nisaintsaina sy nianatra tsara izy ireo tao an-dakilasy. Ary ny ratsy indrindra, hoy izy, dia nampifanalavitra azy ireo amin’izy samy izy sy amin’ny Fanahy izany. Tena mino kosa aho anefa fa misy ny fanantenana, ary izany dia miankina amin’ny fiangaviantsika ireo manodidina antsika hampirina ny telefaonin’izy ireo. Raha azo atao, dia mety hamporisika fifanakalozan-kevitra mikasika ireo tombontsoa sy loza entin’ny telefaonina ho an’ireo olona lalaintsika sy ampianarintsika isika—ka mamela ireo mpianatsika hilaza amintsika ny olan’izy ireo sy hizara vahaolana hamahana ilay olana momba ny telefaonina. Tian’ireo izay ray aman-dreny izany. Ho tiantsika izany.

FILOHA OAKS: Ny ohatra farany, izay omena ao amin’ny 2 Nefia 28:22 dia ny hoe i Satana dia hanao teny manasohaso ny hafa amin’ny alalan’ny “[filazana] fa tsy misy izany helo izany; ary … tsy devoly izany aho, satria tsy misy izany.” Ireo fampianarana omenareo dia hanampy ireo mpianatrareo hamantatra ireo teny manasohason’i Satana sy ireo lainga izay manohitra ireo didin’ Andriamanitra. Misy voka-dratsy aterak’ireo fitondran-tena entanin’i Satana ka ireo fampianaran’i Satana dia hanome ny fanantenana izay azontsika avy amin’ny famindram-po entin’ny fibebahana sy ny famelan-keloka avy amin’ Andriamanitra.

RAHAVAVY OAKS: Tena tsara be. Apôstôly ny vadiko ary nandinika akaiky ireo Apôstôly hafa aho. Fantatro fa tena mpankatò be ireo mpanompon’ny Tompo, ary izy ireo dia mikatsaka ny Fanahin’ny Tompo mba hitarika azy ireo. Fantatro koa fa ny fitarihana ara-panahy dia misy ho antsika tsirairay avy, ary afaka mampianatra ireo mpianatrareo ianareo mba hahita izany ary mba ho mpankatò.

FILOHA OAKS: Farany, ao amin’ny 2 Nefia 28:32 ny Tompo dia manambara fa Izy dia “ho feno famindram-po” amin’ireo rehetra izay “mibebaka … sy manatona [Azy].” Manolo-tanana mandrakariva Izy mba hampitraka sy hamonjy antsika. Ianareo no ireo izay mampianatra izany fanomezan-toky sy fanantenana izany amin’ireo mpianatrareo. Ataovy izay hahafantaran’izy ireo fa ny fibebahana dia anisan’ireo fanomezana lehibe indrindra ananantsika. Tompon’andraikitra ianareo mba hanampy ny mpianatrareo hahatratra ny tsara indrindra tokony hahatongavany sy ny anjara mandrakizainy amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra azy ireo.

RAHAVAVY OAKS: Ary aza adinoina mihitsy ny fitaovam-piadiana lehibe indrindra eo am-pelantanantsika mba handresena ny faharatsiana lehibe toy izany. Ampianarina isika ao amin’ny Almà 31:5 fa “nanana fironana lehibe hitarika ny olona hanao izay marina ny [fitoriana ny tenin’ Andriamanitra]—eny, izany dia efa nanana fiantraikany mahery kokoa tamin’ny sain’ny olona noho ny sabatra”—na ny telefaonina finday. Mpampianatra izany teny izany ianareo, ary manana izany hery sy izany fampanantenana izany ianareo.

FILOHA OAKS: Ataovy ho ivon’ny fampianaranareo ireo mpianatrareo ny Mpamonjy dia ho azonareo izany hery izany. Amin’ny maha-mpampianatra filazantsara, omban’ny fitarihan’ny Fanahy Masina anareo dia efa manao izany ianareo ary afaka ny ho mahomby kokoa. Rehefa manatona kokoa an’i Kristy ianareo dia ho akaiky kokoa aminareo sy Aminy ny mpianatrareo. Hitombo ny fahaizanareo mampianatra ny fahamarinana ilain’izy ireo, ary hihalehibe ny fahafahanareo mitia azy ireo sy mamantatra ny filan’izy ireo.

Ry rahalahy sy anabaviko malala, ankoatra izay efa noteneniko teo aloha dia ijoroako ho vavolombelona ihany koa i Jesoa Kristy—ilay Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, ilay lohan’ity Fiangonana ity. Mpanompony ianareo. Miray hina isika amin’ny fampianarana ireo fitsipika marin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Mitsodrano anareo aho—ianareo izay mpanompony, mpampianany, ary ray sy reny ao Ziona, ianareo mpanompo mendrika an’i Jesoa Kristy Tompo—mba hahatanteraka ireo andraikitrareo, hitandrina ireo didiny, ary ho fakan-tahaka lehibe amin’ny fahamarinana sy amin’ny fampianarana fitsipika marina. Ary mitsodrano anareo aho mba hahavita izany eto am-pijoroako ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ireo zavatra izay nampianarina anareo androany, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Russell M. Nelson, “Ny zavatra ianarantsika ka tsy ho hadinontsika mandrakizay,” Liahona, mey 2021, 79.

  2. 2 Nefia 27:1.

  3. 2 Nefia 28:21.

Hamoaka printy