Takariva hiarahana amin’ny Manampahefana Ambony
Mampianatra filazantsara ny Zatovo sy ny Tanora - valan-dresaka ifanakalozan-kevitra


Mampianatra filazantsara ny Zatovo sy ny Tanora - valan-dresaka ifanakalozan-kevitra

Fifanakalozan-kevitra tapany faharoa – Filoha Oaks, Chad Webb, Adam Smith

Filoha Dallin H. Oaks: Mahafinaritra ny miaraka aminao ry Rahalahy Webb. Rahalahy Smith. Andao ary hotohizantsika.

Rahalahy Chad Webb: Misaotra anao. Faly izahay miaraka aminao androany. Ary misaotra anao tamin’izay hafatra mahafinaritra izay. Ny marina dia niteraka fanontaniana maro izay tianay horesahina ny fihainoana anao. Ary atombotsika amin’ity iray ity, raha niresaka momba ny fitiavana ireo mpianatsika ianao, ary isan’ny fitiavana ny mpianatsika ny mampianatra azy ireo ny filazantsara sy ny manampy azy ireo hahatakatra ireo zavatra izay hanan-danja indrindra. Ahoana no hakantsika antoka fa manao ho lohalaharana ireo zavatra izay hanan-danja indrindra amin’ny mpianatsika isika amin’ireo zavatra samihafa azontsika ampianarina?

Filoha Oaks: Ny mampiavaka ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonantsika dia ny adidintsika ara-tsoratra masina ny hikatsaka ny fianarana tsy amin’ny alalan’ny fandinihana ihany fa amin’ny alalan’ny finoana koa.

Rahalahy Adam Smith: Rehefa mieritreritra ny zavatra izay azontsika ampianarina ny mpianatsika aho, izay hanan-danja indrindra, dia fitarihana ho ahy ny fampianaran’ny Filoha Eyring izay tiako hozaraina. Hoy ny Filoha Eyring: “Amin’ireo fahamarinana rehetra azo antitranterina ao amin’ity andian-tsoratra masina ity dia inona no hanampy ny mpianatro hanatona akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy ary hitondra any amin’ny famonjena?” Dia hoy ny Filoha Eyring avy eo hoe: “Rehefa manomana lesona ianareo dia tadiavo ao anatin’izany ireo fitsipika mitondra fiovam-po. … Ny fitsipika mitondra fiovam-po dia ireo izay mitarika any amin’ny fankatoavana ny sitrapon’ Andriamanitra.”1 Ny zavatra sintoniko avy amin’io fampianarana tsara avy amin’ny Filoha Eyring io dia hoe hampifandray tsirairay an’ireo mpianatsika sy amin’ny fomba lalina amin’ny Ray Any an-danitra sy i Jesoa Kristy ireo zavatra sarobidy indrindra ireo. Mila mampianatra ireo zavatra ireo isika izay hanampy ny mpianatra iray hahatsapa sy hahatakatra ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara, ary indrindra fa ireo fahamarinana mahakasika ny tena fisian’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany ary ny Fitsanganany tamin’ny maty, ary hanampy azy ireo hahatsapa fa tena manana hery hanasitranana sy hanampiana ary hampiononana sy hanadiovana azy ireo i Jesoa Kristy. Ireo no heveriko fa zavatra manan-danja indrindra tokony hifantohantsika.

Filoha Dallin H. Oaks: Tena mafonja sy marina izany.

Rahalahy Webb: Misaotra anareo. Ary izany dia mifandray tsara mihitsy amin’ny fakana antoka fa mianatra amin’ny alalan’ny finoana izy ireo, fa manao asa amim-pinoana izy ireo ary avy eo dia mahazo ilay fanamafisana avy amin’ny Fanahy Masina fa tena avy amin’ny Ray any An-danitra ireo zavatra ianarany sy iainany. Koa misaotra anao. Filoha, nolazainao teo koa ny anjara asan’ny Fanahy Masina amin’ny fampianarantsika. Tiako noho izany ny hanontany hoe inona ireo fahamarinana fanampiny momba ny Fanahy Masina sy ny fitaomany ary ny anjara asany ao amin’ny kilasintsika ka tianao hozaraina aminay.

Filoha Oaks: Mino aho fa ny fomba hahatsapana ny Fanahy Masina dia ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo. Satria misy fampanantenana ao amin’ilay fanekempihavanana ataontsika rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo fa “[hanana] mandrakariva ny Fanahiny miaraka amin[tsika]” isika. Tena manan-danja izany.

Rahalahy Webb: Tiako ny nilazanao an’izay. Mampahatsiahy ahy izany fa fony aho mpampianatra vaovao dia nandany volana maro aho nandalinana ireo fitsipika mifehy ny fanasana ny Fanahy Masina. Ary heveriko fa fahafahana tena tsara ny tokony hanohizantsika mandalina izany. Fa ny hany zavatra manan-danja indrindra hitako dia ilay vao nolazainao teo: fa ny vavaky ny fanasan’ny Tompo dia milaza fa raha mahatsiaro Azy mandrakariva isika, dia hanana ny Fanahiny miaraka amintsika. Ary tsy mandritra ny fanasan’ny Tompo na ny alahady fotsiny izany, fa mandrakariva, isan’izany ny ao amin’ny kilasintsika. Raha mifantoka amin’ny Mpamonjy isika, rehefa mahatsiaro Azy ho ohatra maneho ny fomba hiainana ny filazantsara sy hahazoana ny heriny ary ny fampianarany, rehefa mahatsiaro Azy isika, dia manasa ny Fanahy Masina hiditra an-tsehatra amin’ny fianarantsika. Ho ahy, ny andraikitra voalohany na ny anjara asan’ny Fanahy Masina dia ny mijoro ho vavolombelona momba ny Raintsika any An-danitra be fitiavana sy i Jesoa Kristy amin’ny maha-mpandray anjara fototra Azy Ireo ao amin’ny drafitry ny Ray Any an-danitra. Koa raha te hanasa ny Fanahy Masina ho ao amin’ny kilasintsika isika dia mifantoka amin’ireo zavatra izay hijoroany ho vavolombelona. Dia tena tiako izay. Misaotra.

Filoha Oaks: Ary nilaza ny tena lanjan’izany tamin’ireto teny ireto ny Filoha Nelson. Hoy izy: “Ao anatin’ireo andro ho avy, dia tsy azo heverina ny ho velon’aina ara-panahy raha tsy misy ny fitaoman’ny Fanahy Masina izay mitarika, sy manoro hevitra, ary mampionona tsy tapaka.”2

Rahalahy Webb: Misaotra anao. Ankasitrahako tokoa izay voalaza teo, ary mahatonga ahy hametraka ity fanontaniana ity izany: Niresaka kely momba ny zavatra ataon’ny mpampianatra lohalaharana ka hanasa ny Fanahy Masina isika teo. Ahoana no hanampiantsika ny mpianatsika hanao ho lohalaharana ny zavatra manan-danja indrindra eo amin’ny fiainany?

Filoha Oaks: Rehefa mieritreritra momba izany aho amin’izao andro hisian’ny fitaomana maro avy amin’izao tontolo izao izao izay manodidina antsika sy ny mpianatsika, dia heveriko fa mila tsaroantsika fa ny zavatr’izao tontolo izao, ny lanjan’ny zavatr’izao tontolo izao, na inona izany na inona, dia mandalo ihany. Rehefa mandeha ny fotoana dia tsy manan-danja noho ireo fitsipika ilaina mba hianarana ny tanjon’ity fiainana ity sy izay hiafarantsika any amin’ny mandrakizay izany. Misy hanampianao izany ve ry Rahalahy Smith?

Rahalahy Smith: Ry Filoha Oaks, rehefa nampianatra izany ianao dia nisy andinin-tsoratra masina tonga tato an-tsaiko rehefa nanolotra vavaka masina ny Mpamonjy, talohan’ny nidirany tao Getsemane, dia hoy Izy: “Ary izao no fiainana mandrakizay dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy izay efa nirahinao.”3 Mino aho fa manampy ireo mpianatsika isika hahatakatra fa mila mamantatra izy ireo hoe moa ve hanampy azy ireo hahafantatra sy hitia ny Ray Any an-danitra sy i Jesoa Kristy ny zavatra handaniany fotoana sy hifantohany? Ary eritreritra iray ampiarahako amin’izany ny zavatra iray nampianarinao anay tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana vao haingana ry Filoha Oaks, dia ny hametraka fanontaniana hoe “Hitondra mankaiza izany?” Sy ny fieritreretana io fanontaniana io amin’ny sahan-kevitra hoe “Mitondra ahy hanakaiky kokoa ny Ray Any an-danitra sy i Jesoa Kristy ve izany? Mitondra ahy hanatratra ny fahafahako ho tonga tahaka an’ Andriamanitra na ny tanjoko ve izany? Ary inoako fa manome sivana tena mahomby ho antsika rehetra izany. Ary afaka manampy ny mpianatsika hahatakatra ihany koa io sivana io isika eo amin’ny fisafidianany ny zavatra handaniany fotoana sy ny zavatra jereny na henoiny na hanopazany maso. Mila manao ny safidiny manokana izy ireo. Fa raha afaka manampy azy ireo isika hanontany hoe: “Hitondra mankaiza izany, ary hitondra ahy hanakaiky kokoa ny Ray Any an-danitra sy i Jesoa Kristy ve izany?”

Filoha Oaks: Tena zava-dehibe tokoa, ary tena hanan-danja tokoa raha mahatakatra io fitsipika io ny mpianatsika rehetra.

Rahalahy Webb: Ary zava-dehibe ho an’ny mpampianatra ny manamafy izany sy mijoro ho vavolombelona ny amin’ireo zavatra ireo mba hanasana ny Fanahy Masina hanamafy ny maha-zava-dehibe, tsy ny fahamarinany ihany, fa ny maha-zava-dehibe ireo fitsipika ireo eo amin’ny fiainan’izy ireo. Te hanampy koa aho raha mety mikasika ilay resaka lanja. Heveriko fa ny hany azontsika atao dia ny manampy amin’ny fanasana mpianatra hahafantatra ny lanjan’ireo fitsipika ireo eo amin’ny fiainan’izy ireo. Indraindray, raha ny hevitro, dia miresaka ireo zavatra ireo toy ny hoe zavatra hafa mifanindry amin’ny fotoana sy ny zavatra hifantohan’izy ireo isika. Ary indraindray dia tsy maintsy manao ho lohalaharana ireo zavatra manan-danja indrindra isika. Kanefa heveriko fa azontsika atao koa ny manampy azy ireo hahatakatra ny fandraisan’ny filazantsara anjara eo amin’ny fiainan’izy ireo isan’andro. Ohatra hoe, nianatra aho fony aho mpianatra, fa raha manaja ny andro Sabata ho masina aho, ary raha nandalina soratra masina talohan’ny nandehanako nianatra, dia tena mpianatra nahay kokoa marina, fa tsy hoe niezaka nanasaraka ireo zavatra ireo dia niteny hoe: “Hanokana fotoana ho an’ny ara-panahy aho, dia avy eo hanokana fotoana amin’ny ara-nofo.” Fa amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainako, rehefa ampidiriko ao ny Ray any An-danitra, rehefa manasa ny Fanahiny aho hanampy ahy, dia na ireo zavatra toa manana toetra ara-nofo kokoa amin’ireo mpianatsika aza dia ahitan’izy ireo ny maha-zava-dehibe ny filazantsara ao amin’ireo zavatra ezahiny tanterahina eo amin’ny fiainany. Tsy mifanitsaka amin’ny fotoan’izy ireo izany fa miaraka tsara.

Filoha Oaks: Ary tadidintsika fa ny Tompo dia nampianatra antsika fa tsy nanome didy ara-nofo mihitsy Izy. Ara-panahy daholo ny didiny sy ny fitarihany rehetra.

Rahalahy Smith: Eritreritra iray hafa tonga tato an-tsaiko teo am-pilazanao izany, ho an’ireo mpianatra seminerantsika farafahakeliny, dia ilay fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo an’ny Fiangonana. Fomba tena mahomby izany mba hampifandraisana ny filazantsara sy hametrahana tanjona azo ampiharina mba hampiharana ny filazantsara hanampiana antsika amin’ny lafin-javatra rehetra eo amin’ny fiainantsika mba ho lasa tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa.

Filoha Oaks: Izay mihitsy. Te hametraka fanontaniana avy amin’ny lehilahy roa aho izay mpampianatra ny filazantsara no asany: Inona no nianaranareo rahalahy sy ireo mpiara-miasa aminareo mikasika ny fampianarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy nandritra ity valanaretina izay niainantsika rehetra ity?

Rahalahy Smith: Voalohany dia nahafantatra izahay fa, na hoe nampahatsiahivina anay, ary tena nasongadina, hoe manana mpampianatra tena tsara tokoa isika, tena tia an’ Andriamanitra sy ny mpianatra izy ireo ary nanao mihoatra izay nandrasana taminy, ary feno fankasitrahana lalina izahay. Heveriko ihany koa fa nanamafy ireo singan’ny fanompoana izay tsy afa-misaraka amin’ny fampianarana ny filazantsara ilay valanaretina. Heveriko fa mihamahay mihaino ny mpianatra isika, mihamahay mamantatra ny zavatra ilain’izy ireo sy ny fahaiza-manao ananany ary mitondra ireo zavatra ireo, ary mitia azy ireo any amin’ny toerana misy azy, ary mitady fomba vovao hanampiana azy ireo hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ary heveriko ihany koa fa tao anatin’ny fotoan’ny valanaretina izay nahitana zava-tsarotra maro, dia nahita izahay fa nanampy an’ireo mpampianatra izay tena niezaka nitia an’ Andriamanitra sy nitia ny mpianany ary nanao izay tsara indrindra vitany ny herin’ Andriamanitra.

Rahalahy Webb: Tena izay mihitsy. Te hiteny fotsiny aho angamba hoe misaotra anao ary mankasitraka. Manana mpampianatra isika izay miezaka mampianatra mivantana sy mianatra mampianatra en ligne. Nanao aro vava sy orona izy ireo izay tsy nahazoana aina indraindray. Nahafoy tena izy ireo indraindray na dia nisy loza aza ary nanao izany tamim-pitiavana lehibe ho an’ireo mpianany sy ho an’ny Ray any An-danitra tamin’ny fanoloran-tena lehibe. Te haneho ny fisaorako anareo aho noho ireo fahafoizan-tena sy ezaka rehetra mba hanao izany tao anatin’ny fotoana tena sarotra.

Filoha Oaks: Manamafy izay voalazanao teo aho amin’ny anaran’ny Fiadidiana Voalohany, ka manolotra ny fisaorako. Tianay ianareo ry rahalahy sy anabavy mpampianatra ny seminera sy institiotantsika any amin’ny fampianarana ny filazantsara ao amin’ireo oniversite.

Rahalahy Webb: Misaotra anao. Tena manan-danja izany. Fanontaniana iray hafa izay tsy andriko ny hametrahana azy noho ireo zavatra nampianarinao tamin’ny sehatra hafa: Nahoana no zava-dehibe ny hampianarantsika fitsipika fa tsy fifehezana?

Filoha Oaks: Mahafaly ahy ny nametrahanao izany fanontaniana izany. Zavatra tena tiako izany. Ao amin’ny tsanganana miavaka iray ao amin’ny Church News no nilazan’i Tad R. Callister, izay filohan’ny Sekoly Alahady teo aloha, izao zavatra izao momba io resaka io: “Voalohany, ny fifehezana matetika dia voafetra amina toe-javatra miavaka iray na vitsivitsy angamba, fa ny fitsipika kosa amin’ny ankapobeny dia mihatra amin’ny zavatra mivelatra kokoa. Faharoa, ny fitsipika dia mamorona tontolo mampitombo ny fahafahana misafidy, raha mampihena kosa ny fahafahana misafidy ny fifehezana amin’ny alalan’ny famerana, ary mandidy ny safidintsika mihitsy aza indraindray.” Hanampiako an’izay dia nosoloin’ny Mpamonjy tamin’ny lalàna ambony kokoan’i Kristy izay fitsipika no mitondra azy ny lalàn’i Mosesy izay fifehezana no nitondra azy. Toy izao no namelabelaran-dRahalahy Callister izany fitsipika izany. Hoy izy: “Ny fitsipika dia mifanaraka tsara amin’ny lalàna ambony kokoa, ary ny fifehezana dia mifanaraka amin’ny lalàna ambany kokoa. Tokony hifantoka foana amin’ny fampianarana ireo fitsipika ara-potopampianarana isika. Nahoana? Satria manana ny fahafahana tsara indrindra hanandratra antsika any amin’ny haavon’ny lanitra ny fitsipika, ary amin’ny farany, ny fitsipika, fa tsy ny fifehezana; dia hanapaka ao amin’ny fanjakana selestialy.”4 Dia izay no teny nambarany.

Rahalahy Webb: Tena ankasitrahako ihany koa izany. Misy tombontsoa hafa azo avy amin’izany. Vao haingana mihitsy aho no niaraka tamina vondrona mpampianatra izay nilaza tamiko fa toa mihamahazo vahana ao amin’ny kilasin’izy ireo ny “fifandirana”, araka ny nilazan’izy ireo azy, rehefa mametraka fanontaniana betsaka kokoa ny mpianatra ary tsy mitovy ny fomba fijerin’izy ireo. Ary tena tiako ny zavatra vao avy nampianarinao anay satria nampahatsiahy ahy izany resadresaka izany ary nanampy ahy hahalala fa tsy isan’ny fomba entinao mampianatra izany ny fampianarana ny fomba hampiharana ilay izy, ka manjary iadian’izy ireo hevitra ny fampiharana ilay izy ao anatin’ny toe-javatra iainany, fa mampianatra misimisy kokoa kosa momba ny fitsipiky ny filazantsara. Miainga hatrany am-boalohany, mampianatra ny drafitry ny famonjena, mampianatra ny fotopampianaran’i Kristy, mampianatra ny fitsipiky ny filazantsara, ary mamela azy ireo hampihatra izany amin’ny tenany manokana miaraka amin’ny fanampian’ny Fanahy Masina.

Filoha Oaks: Izay mihitsy.

Rahalahy Webb: Amiko dia tena azo ampiharina sy tena manampy amin’ny zavatra ezahantsika atao izany ry Filoha. Misaotra. Inona no hanampianao an’izany ry Rahalahy Smith?

Rahalahy Smith: Mitovy amin’ny zavatra nasongadinao ihany ilay izy ry Rahalahy Webb. Rehefa mampianatra fitsipika ihany koa isika fa tsy fampiharana dia manasa ny mpianatra iray ho tompon’andraikitra ao anatin’ny dingan’ny fianarana, ao anatin’ny dingan’ny fivoaran’izy ireo, ary avy eo izy ireo rehefa maka fitsipika iray dia afaka mikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana, afaka mandalina izany kokoa amin’ny ezaky ny tenany manokana ary mamantatra ny zavatra tsara indrindra tokony hataony rehefa mampihatra izany fitsipika izany amin’ny toe-javatra iainan’ny tenany manokana.

Rahalahy Webb: Misaotra anareo. Ho fanontaniana mandeha ho azy hijerena ny fivoarana ny hoe: “Noho ny fisian’ireo rivo-mitsoka rehetra, ahitana ireo feo rehetra manerana izao tontolo izao, dia ahoana no hanampiantsika ny mpianatsika hamakivaky rivo-pitaomana marobe toy izany ao anatin’ny fiarahamonina?

Filoha Oaks: Mila mahatakatra isika fa ny devoly dia rain’ny lainga, “mpandainga hatrany am-piandohana,”5 hoy ny soratra masina. Ny fomba feno hakingan-tsaina indrindra filazany lainga dia ny mampifangaro izany amin’ny fahamarinana. Ka amin’izany no hisarihany sy handotoany ny fikarohana ataon’ny olona tsara amin’ny fifangaroan’ny fahamarinana sy ny lainga izay ataony. Vokatr’izany, dia isan’ireo zavatra sarobidy indrindra azontsika ezahina ianarana mandritra ny fiainana an-tany ny fampianaran’ny Fanahy Masina izay mamela antsika hahafantatra izay marina sy tsy marina.

Rahalahy Smith: Tahaka izany ihany, ao anatin’io fifangaroan’ny marina sy ny lainga io, dia esorin’ny fahavalo amin’ny sahan-keviny mandrakizay sy amin’ny toerany ao anatin’ny drafir’ Andriamanitra koa ny fahamarinana. Mampitombo ny mety tsy hampiharana araka ny tokony ho izy na ny tsy fahatakarana ny fahamarinana izany. Ohatra, minitra vitsy lasa izay ianao ry Filoha Oaks no nampianatra anay fahamarinana tena tsara momba ny fitsipiky ny fitiavana sy ny toeran’izany ao anatin’ny drafitr’ Andriamanitra, ny maha-zava-dehibe ny mitia an’ Andriamanitra sy ny namantsika, fa ny fitiavana no tena hery mandrisika ny fanirian’ny Ray any An-danitra mba hanomana antsika ho amin’ny fiainana mandrakizay, izay fantatsika fa ny lehibe indrindra amin’ny fanomezan’ Andriamanitra rehetra. Ary ny fitiavantsika an’ Andriamanitra no mamporisika antsika hitia sy hanompo ny hafa amim-pahombiazana. Rehefa sarahan’ny fahavalo amin’ny sahan-keviny ny fitsipiky ny fitiavana dia mora ny manova izany. Ary ny olona iray tsy mahatakatra ny atao hoe fitiavana dia mety hanaraka hevitra diso. Mety hanohitra ny lalàn’ Andriamanitra sy ireo mpaminaniny mihitsy aza izy ireo, satria ny fisarahan’ny fahamarinana amin’ny sahan-keviny mandrakizay dia mety hitondra ho amin’ny fahatakarana diso na mivoana amin’ny sahan-keviny tena izy. Ary manao izany amin’ny fitsipika maro ny fahavalo.

Filoha Oaks: Mahita porofo maro amin’izany isika ao amin’ny tontolo manodidina antsika, sa tsy izany? Rahalahy Webb, amin’ny maha-mpampianatra anao, inona no fomba tsara indrindra hiresahanao ireo fanontaniana mahakasika ireo olana misy ankehitriny izay ao an-tsain’ireo mpianatrao toy ireo lohahevitra manahirana ao anatin’ny tantaran’ny Fiangonana, ny olana momba ny LGBT, ireo fanontaniana momba ny fiainana ao anatin’ireo fifehezan’ny fitondram-panjakana mifandray amin’ny valanaretina, sns? Tsy mety tapitra ny fanontaniana. Ahoana no hiresahanao amin’ny fomba tsara indrindra ireo fanontaniana ireo amin’ny sahan-kevitry ny kilasy fianarantsika ny filazantsara?

Rahalahy Webb: Fanontaniana tena tsara izany ary zavatra hatrehan’ny mpampianatra foana. Hatomboko amin’ny filazana fa tiako ny nampianaran’i Paoly Apôstôly antsika mba hampianatra na hilaza ny fahamarinana am-pitiavana. Dia mazava ho azy fa mila mampianatra ny filazantsara isika. Mila mampianatra ny soratra masina sy ny fampianaran’ireo mpaminany maoderina isika. Mila mampianatra fahamarinana isika. Tsy mitondra tombontsoa ho an’iza na iza ny mampianatra zavatra tsy marina, izay tsy mitondra mankany amin’ny fahasambarana. Fa ny ampahany iray amin’izay, izay heveriko fa tena manan-danja, dia ny filazany fa mila manao izany amim-pitiavana isika, mbola araka izay nolazainao androany hariva ihany. Heveriko fa manan-danja ny hanombohana amin’ny fifandraisana. Marobe ireo fikarohana natao izay maneho mazava tsara amintsika fa miankina be amin’ny fifandraisana aminy ny hianaran’ny mpianatra. Ary ho ahy, ireo fifandraisana ireo dia manomboka amin’ny mpampianatra izay vonona ny hihaino, hahatakatra marina izay manjo ny mpianany sy ny toe-javatra iainan’izy ireo ary manana fangorahana mba hiezaka hahatakatra ny zavatra ilain’izy ireo. Heveriko fa manan-danja ihany koa ny miaiky fa manana anjara biriky hoentina ny rehetra, fa samy mila ny hafa isika ary mila ny traikefan’ny tsirairay mba hisintonana lesona. Noho izany dia betsaka ny zavatra azo lazaina momba io fanontaniana io, ary tiako ilay fanontaniana. Fa ho ahy dia ny firesahana ny fahamarinana amim-pitiavana izany, ary izany dia midika ho fifandraisana manampy ny olona hiara-hatoky sy hianatra ary hiara-hanasa ny Fanahy Masina ao anatin’ilay fianarana.

Filoha Oaks: Mampahatsiahy ahy ny famakiako vao haingana lahateny iray tena tsara nataon’i Steven J. Lund, Filohan’ny Zatovolahy maneran-tany, nandritra ny fihaonamben’ny vehivavy ao BYU vao haingana ny zavatra nolazainao momba ny fifandraisana. Nanazava, niresaka momba ny fifandraisana ho toy ny fahafahantsika ho fitaomana mandrisika eo amin’ny fiainan’ireo izay mitady olona halaina tahaka sy olona hanoro lalana izy. Nilaza izy fa fa hitan’ireo mpikaroka ao amintsika fa miankina betsaka amin’ny hatsaran’ireo fifandraisana, isan’izany ny fifandraisana amin’ny ray aman-dreny sy ny namana ary ny mpampianatra, ny fivoaran’ireo zatovo Olomasin’ny Andro Farany. Ary ao amin’ny seminera sy ny Sekoly Alahady ary ny kilasin’ny kôlejy no toerana tsara indrindra hampisiana ireo fifandraisana amin’ny mpitarika ireo izay hahatonga azy ireo hanaja sy hitia ny mpitarika azy ireo sy ny olomasina namany.6 Dia izay no teny nambarany. Ary izany rehetra izany, raha feheziko, dia manamafy amin’ny fomba manan-danja ny maha-zava-dehibe ny fitiavan’ny mpampianatra ny mpianany sy ny fiarahany miasa amin’izy ireo. Ny fatokiana tafapetraka amin’izany fomba izany dia ho fitaomana manoro lalana izay hanamafy orina azy ireo hamaly samirery ireo fanontaniana manahirana.

Rahalahy Webb: Misaotra anareo. Eny, tena mitana toerana manan-danja amin’ny zavatra ezahintsika tontosaina izany: ny fanorenana fifandraisana. Ary avy amin’ny zavatra izay vao avy nozarainao taminay, dia afaka manao zavatra isika ao amin’ny seminera mba hanampiana azy ireo hanamafy fifandraisana hafa. Nolazainao teo ny fandaharan’asa mampivelatra ny zatovo. Azontsika ampifantohana amin’ny mpitarika azy ao amin’ny zatovo izy ireo, sy amin’ny evekany, ary amin’ireo mpitarika azy ao amin’ny Zatovovavy. Afaka manampy amin’ny fampatanjahana ny fifandraisany amin’ny ray aman-dreniny isika amin’ny alalan’ny fomba hiresahantsika mikasika ny fianakaviana ary mampitodika azy ireo any amin’ny ray aman-dreniny. Tena manan-danja izany rehetra izany, tsy amin’ny fanorenantsika ny fifandraisantsika amin’izy ireo fotsiny, fa amin’ny fampatanjahana ihany koa ny fifandraisan’izy ireo amin’ireo olona izay hitarika azy any amin’izay tokony halehany. Koa misaotra anao nilaza izay. Dia manontany tena aho raha afaka miresaka misimisy kokoa momba ny fomba hampianarana ireo zavatra manan-danja ireo isika amin’ny fomba izay tsy mahatezitra na mampiala ny zatovo amin’ny filazantsara. Raha ny marina, raha afaka manome ohatra vetivety aho mba hametrahana ilay fanontaniana izay ato an-tsaiko. Tamin’ny herinandro lasa teo ihany, dia nisy mpampianatra niantso ahy ka nilaza fa nisy ray aman-dreny nanala ny zanany vavy tsy hianatra seminera satria nampianatra fitsipika vitsivitsy momba ny fianakaviana sy ny maha-zava-dehibe ny fianakaviana izy. Ary tohina io ray aman-dreny io noho ny zavatra iainan’izy ireo sy ny fianakaviany ka tsy tiany ho ampianarina an’ilay ankizy ny anjara asa fototry ny fianakaviana, na dia ao anatin’ny sahan-kevitry ny drafitry ny famonjena aza. Nalahelo mafy io mpampianatra io noho ny fahalasanan’ilay mpianatra ka dia nanontany hoe: “Ahoana no hampianarako fahamarinana? Ahoana no hitondrako izany ao anatina tontolo izay tsy tiantsika hanosehana ny olona hiala, kanefa sady mampianatra ny filazantsara amin’ny fahadiovany amin’ny mpianatsika ihany?

Filoha Oaks: Ohatra tsara tokoa izany. Rahalahy Smith, inona no holazainao momba izany?

Rahalahy Smith: Mbola mieritreritra ihany aho hoe, vao avy niresaka momba ny fifandraisana isika teo. Kanefa heveriko fa hanokatra ny fony ny mpianatra iray izay matoky ny mpampianatra iray, sy mahatsapa ho tian’ny mpampianany. Mety hijoro ny rindrin’ny fiarovan-tena noho ny fisalasalana rehefa mampianatra zavatra tsara iray izay tsy iainan’ny mpianatra iray isika. Ary mirodana izany rindrin’ny fiarovan-tena izany rehefa tia sy matoky ny mpampianany ny mpianatra. Dia mbola te hilaza ihany aho hoe tena manan-danja izany. Tiako hamafisina ny fanamarihana natao tamin’ilay fanontaniana teo aloha, dia ny hanorina ireo fifandraisana ireo amin’ny mpianatra.

Filoha Oaks: Izay mihitsy. Ary heveriko fa tena manan-danja amintsika ny mahatakatra fa tsy voatery hanaiky ny zavatra rehetra izay aroso eo anoloantsika isika, na aroson’ny mpianatra iray izany, na ny ray aman-drenin’ny mpianatra iray, na ireo olona hafa eo amin’ny fiarahamonina. Tsy hanamarina ny zavatra inoana rehetra ao anatin’ireo hevitra isan-karazany izay ezahina hasongadina no asaina ataontsika. Nomena andraikitra isika mba hampianatra ny fahamarinana. Fa rehefa manao izany isika dia tsy maintsy mitandrina tsara mba tsy hiala amin’ny andraikitsika, izay nomen’ny Mpamonjy, dia ny hitia ny namantsika. Izay rehetra ataontsika dia tokony ho ao anatin’ny sahan-kevitry ny fitiavana mba tsy hampiady antsika amin’ny olona iray, fa manome ny fampianarantsika isika mba ho ny fampianarana no miady amin’ireo finoana diso. I Brigham Young, izay olona tsy nanaiky lembenana tamin’ny hevitra, dia nanavaka tsara izany tao amin’ny fampianarana na ny lahateny iray nataony izay novakiko vao haingana. Ao amin’ny iray amin’ireo lahateniny, dia hoy izy hoe: “Tsy nanova na oviana na oviana ny zavatra tsapako tamin’ny olona izany, na lehilahy na vehivavy, na mino tahaka ahy izy ireo na tsia. Afaka ny hiara-hiaina amiko ao amin’ny fiarahamonina ve ianareo? Izaho afaka miara-monina aminareo, ary tsy olana ho ahy mihitsy na mitovy finoana amiko ianareo na tsia.”7 Dia izay no teny nambaran’i Brigham Young. Tsy nampoiziko ny hahita loharanon-kevitra toy izany izay ahitana fanambarana mampita fahamarinana toy izany fa afaka miara-miaina amim-pitiavana amin’ireo izay tsy mitovy hevitra amintsika isika.

Rahalahy Webb: Eny, tena mitontona tsara amin’izay ilain’ireo mpampianatra ato amintsika amin’izao izany. Heveriko fa isan’ireo toetra manan-danja indrindra ananan’ny mpianatry ny Mpamonjy ankehitriny: ny fahafahana maneho tsy fitovian-kevitra sady manohy mitia ny olona ary tsy mivadika amin’izany fifandraisana aman’olona izany na dia misy aza ny tsy fitovian-kevitra amin’izay inoana.

Filoha Oaks: Ampahany hafa amin’izany ny hoe mila miasa isika mba tsy ho raisin’ny olona ho toy ny fankatoavana ny fanehoantsika fitiavana sy fandraisana ny hafa, na ny fanekena ireo izay mifandray amintsika mihitsy aza. Zavatra sarotra atao miaraka ireo. Ary hitantsika ao anatin’ny tontolo pôlitika sy ny famoaham-baovao ho an’ny daholobe, avy amin’ny loharanom-pahalalana samihafa ny tsy fanekena izany. Matetika ny olona no mihevitra fa nanaiky zavatra iray isika satria tia ny olona izay voarohirohy tao anatin’izany.

Rahalahy Webb: Tena mifamatotra daholo izany rehetra izany e? Miverina amin’ny fifandraisana izany. Miverina amin’ny fihainoana sy ny fangorahana. Fa miverina ihany koa amin’ny fampianarana fitsipika. Miverina any amin’ny antony voalohany inoantsika ny zavatra ataontsika, mifototra amin’ny drafitry ny famonjena sy ny fotopampianaran’i Kristy, ary mamatotra ireo zavatra ireo miaraka dia tafaraka ao anatin’ilay zavatra sarotra miaraka izay nohazavainao teo.

Filoha Oaks: Ary heveriko fa mifamatotra ihany koa amin’ny didy voalohany sady lehibe mba hitia an’ Andriamanitra izany, ary hoy koa ny Mpamonjy avy eo hoe: “Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko.”8 Ary ny didy faharoa dia ny hitia ny namantsika. Ny fitiavantsika ny namantsika dia tsy midika hoe tsy Andriamanitra no tiantsika voalohany ary tsy ny didiny no tandremantsika voalohany.

Rahalahy Webb: Misaotra anareo.

Rahalahy Smith: Azoko sary an-tsaina ny toe-javatra iray izay ahitana mpampianatra iray milaza ny fahamarinana amim-pitiavana ary miaro ny fotopampianaran’i Kristy amin-kerim-po, kanefa tia ireo mpianany koa, ka dia mahatsapa ho voaro ireo mpianany, ary matoky sy tia ny mpampianany ireo mpianatra. Angamba mety hisy mpianatra iray tsy hanaiky ny zavatra iray ao amin’ny fotopampianaran’i Kristy, na fitsipika iray ao amin’ny filazantsara angamba no fomba tsara kokoa ilazana azy, kanefa mbola tonga ao an-dakilasy izy ireo. Ary mbola mamonjy institiota na seminera izy ireo satria mahatsapa ho voaro, ary tsapany fa afaka mampiorina finoana an’i Jesoa Kristy ao amin’izany tontolo izany izy ireo. Ka heveriko fa zava-dehibe ny hampifandanjana ireo zavatra resahintsika ireo: miaro amim-pahasahiana ny fahamarinana ary mitia ireo izay mety tsy hanaiky ilay fahamarinana mba ho toerana azo antoka ho an’ny mpianatra ilay kilasy na ny seminera na ny institiota.

Filoha Oaks: Ary tsapako fa manana olana lehibe kokoa amin’io lohahevitra iray io manokana ny mpijery antsika izay manana andraikitra amin’ny institiota sy mampianatra ny filazantsara any amin’ny oniversite. Manana bebe kokoa ny eritreriny manokana sy tia miady hevitra ireo mpianatra matotra kokoa raha ampitahaina amin’ireo mpianatra ao amin’ny seminera, ohatra. Fa mitovy ihany ireo fitsipika. Somary tsy mitovy ny fampiharana arakaraka ny toerana misy sy ny fahamatoran’ilay olona, fa ireo noresahintsika ireo ny fitsipika.

Rahalahy Webb: Misaotra anareo.

Filoha Oaks: Inty misy fanontaniana hanovana kely ny lohahevitra, kanefa tena mifandray amin’ny andro iainantsika: Ahoana no ahafahantsika mandresy lahatra ny mpianatsika hametraka ny findainy mandritra ny fotoana iezahantsika mampianatra azy ireo?

Rahalahy Webb: Fanontaniana tena tsara marina izany ary tena mifandray amin’ireo adihevitra ao an-dakilasy na tsy fitovian-kevitra ao an-dakilasy, satria izay no aterak’izany indraindray, sa ahoana e? Rahalahy Smith?

Rahalahy Smith: Eny, tena misy tokoa fotoana izay ilan’ny mpianatra manapaka ny internet ary mampirina ny findainy ao anatin’ny tontolon’ny fianarana. Amiko dia ny fampianarana mampandray anjara sy mahaliana no zavatra tsara indrindra hanampy azy ireo hanao izany. Ny Loholona Ballard, na Filoha Ballard raha ny marina, dia niteny tamintsika ny mba hakantsika antoka fa mahaliana ny fampianarantsika. Fa mieritreritra koa aho hoe misy fotoana azontsika hanasana ny mpianatra iray hampiasa ny findainy ao anatin’ny fianarana. Satria misy ireo loharanon-kevitra ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org sy ny Application Bibliothèque de l’Évangile, dia azontsika atao tsara indraindray ny manasa mpianatra iray handray anjara amin’ny fianarana amin’ny alalan’ny fampiasana votoatin-javatra mampiorina finoana ao amin’ny findainy. Ary heveriko fa mety hitondra fitahiana izany, fiantraikany tsara eo amin’izy ireo any ivelan’ny kilasy, hoe mety manomboka mandray an’io fitaovana io ho toy ny zavatra mihoatra lavitra ny fitaovana fanaovana kilalao fotsiny izy ireo na hidirana ao amin’ny tambajotran-tserasera, na ho loharanon’ny fakam-panahy ho an’ny sasany. Ary afaka mianatra izy ireo fa indrindray io finday io dia azo ampiasaina mba hampiorenana finoana an’i Jesoa Kristy. Amiko dia ilàna fitaomam-panahy izany ho an’ny mpampianatra, ary fandanjalanjana koa. Fa inoako fa hanampy antsika ny Tompo mba hananantsika fahafahana hampiorina finoana amin’ny alalan’ny fampiasana ilay fitaovana ary hahatakatra mazava tsara ihany koa ny fotoana izay tokony hamonoana sy hametrahana izany.

Filoha Oaks: Mampahatsiahy ahy zavatra niainana iray vao haingana ny soso-kevitrao mba tsy hanoherantsika ny fampiasana finday, tany amin’ny 10 na 15 taona lasa tany, rehefa nitsidika kilasin’ny Sekoly Alahadin’ny zatovolahy sy zatovovavy amin’ny taonan’ny mpanao seminera iray aho. Dia toe-tsaina nanohitra ny fampiasana finday no nentiko tao. Saingy rehefa nijery manodidina ny tao amin’ilay kilasy izay nisy mpianatra am-polony aho, dia tsikaritro fa iray ihany ny bokin-tsoratra masina tao amin’ilay kilasy manontolo. Namaky soratra masina sy nanaraka ny lesona tamin’ny finday daholo ny rehetra. Teo no nanombohako nahatakatra fa tsy fandrarana ny fampiasana finday no tokony hatao fa fandanjalanjana.

Rahalahy Webb: Tena marina izany, misaotra. Filoha, tianay ny niaraka taminao teto, misaotra tamin’ny torohevitrao androany, ary tsy haiko raha afaka maka minitra vitsy isika, Rahalahy Smith, afaka mandeha voalohany ianao mba hizara ny fijoroana ho vavolombelona izay tianao hozaraina, ary avy eo dia fifaliana ho ahy ny hanao izany, ary hamela izay tavela amin’ny fotoana ho anao.

Rahalahy Smith: Misaotra anao. Rehefa mieritreritra ny fahafahana masina ananantsika mba hampianatra ny zatovo sy ny tanoran’ny Fiangonana aho, ary ireo izay ao amin’ny ivontoeran’ny DFF antsika, dia mieritreritra fampianarana iray nomen’ny mpaminany malalantsika, ny Filoha Russell M. Nelson. Hoy izy: “Ny maro amin’ireo fanahi[n’ Andriamanitra] mahery indrindra—angamba … ny ekipany mahery indrindra … [no] nalefa tety an-tany ho amin’izao fotoana izao indrindra. … Anisan’ireo olona tsara indrindra nalefan’ny Tompo tety an-tany hatrizay izy ireo].”9 Ary mba te hizara ny zavatra inoako aho fa ireo zatovo izay tombontsoa antsika ny mifanerasera aminy ireo dia tena ireo izay nampianarin’ny mpaminanin’ Andriamanitra mihitsy. Ary manana tombontsoa lehibe tokoa isika mba hijoro ho vavolombelona amin’izy ireo fa tena misy i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany ary ny fitsanganany tamin’ny maty. Ary mijoro ho vavolombelona aho androany fa tena misy ny Sorompanavotana sy ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty; fa Fiangonany ity, fa tarihin’ny mpaminy sy mpahita ary mpanambara velony isika; ary mirotsaka amin’ny fanaovana ny asany isika rehefa mampianatra ny zatovo amin’izao andro farany izao. Ary zaraiko aminareo izany fijoroana ho vavolombelona izany amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Rahalahy Webb: Amena. Te hanampy ny fijoroako ho vavolombelona koa aho fa tena misy ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy izay Mpamonjy sy Mpanavotra izao tontolo izao, fa Fiangonany sy fanjakany eto an-tany ity. Ary feno fankasitrahana aho amin’ny fampiasako ny fiainako isan’andro mba hijoroana ho vavolombelona momba Azy sy hampianarana ny filazantsarany amin’ny hafa. Feno fankasitrahana aho noho ireo izay nampianatra ahy sy nitahy ahy tamin’ny finoana sy ny fijoroana ho vavolombelona nataon’izy ireo momba ny Mpamonjy, ary feno fankasitrahana aho fa isan’ny mandray anjara amin’ity asa ity miaraka aminareo amin’ny fampianarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Ary mba hilaza vetivety koa fa rehefa mieritreritra ny fitiavan’ny Ray any An-danitra aho, dia matetika isika no miresaka mikasika ny halehiben’ny fitiavan’ny Ray any An-danitra ny mpianatsika. Fa te hanampy koa aho fa fantatro fa tia anareo ny Raintsika any An-danitra, tena ankasitrahany ny fanirianareo handany ny androm-piainanareo mba hampianatra ny zanany, ary tiany ny fianakavianareo, ary raha manohy manompo amim-pahatokiana ianareo amin’ny fampianarana ireo zanany, dia hitahy anareo sy ny fianakavianareo Izy rehefa mitahy ireo zanany ianareo amin’ny alalan’ny fampianarana sy ny fijoroana ho vavolombelona ataonareo ary ny ohatra hasehonareo. Koa misaotra anareo na iza ianareo na iza sy noho ny zavatra rehetra ataonareo, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Filoha Oaks: Amena. Hamafisiko amin’ny fijoroako ho vavolombelona ireo izay nozarain’ireto mpanompo mahafinaritry ny Tompo ireto. Mijoro ho vavolombelona ny amin’ny Ray sy ny Zanaka aho, amin’ny herin’ny Fanahy Masina, fa asany ity, ary mpanompony ianareo, ry namana mpampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ary mangataka ny fitahian’ny lanitra aho hirotsaka aminareo rehefa manompo ny Tompo ianareo sy rehefa miara-mandroso amin’ny fianakavianareo mankany amin’ny tanjona hiafarana izay napetrak’ Andriamanitra ho an’ireo zanany mendrika: dia ny fiainana mandrakizay. Ataoko izany amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Ny rehetra: Amena.

Hamoaka printy