Tahirim-pitaovana
Hodidinin’ny afo


Hodidinin’ny afo

Fampitana amin’ny alalan’ny zanabolana ho an’ny Seminera sy Institiota fianarana filazantsara •4Aogositra 2015

Rahalahy sy ranabavy, feno fankasitrahana aho noho ny fahafahako miresaka aminareo mandritra ity fampitana maneran-tany ity. Tena fitahiana goavana ho antsika ny fahatongavana eto.

Tiako ho fantatrareo fa mahatsapa fitiavana lehibe anareo aho ato am-poko, izay fantatro fa fanomezam-pahasoavana avy any amin’ny Ray any An-danitra sy ny Zanany, dia i Jesoa Kristy Tompo. Fantatro fa tia anareo Izy ary fantatro fa tian’ Izy ireo aho hihevitra anareo amin’ny fomba izay hiheveran’ Izy ireo anareo ary ho tia anareo amin’ny fomba izay hitiavan’ Izy ireo anareo. Koa dia nomen’ Izy ireo an’io fanomezam-pahasoavana io aho. Mivavaka aho ny mba hahatsapanareo ny fitiavan’ Izy ireo sy ny fitiavako anio.

Mivavaka ihany koa aho mba hiaraka amintsika ny Fanahy Masina eo am-piarahantsika mandinika ny lanjan’ny hafatra tsotra iray. Noraisiko manokana avy tamin’ny Fanahy io hafatra io, saingy mahatsapa aho fa tokony hozaraiko aminareo izany. Izao ilay izy: Na manao ahoana na manao ahoana ny haavon’ny fiainam-panahintsika ankehitriny eo amin’ny fiainantsika; na manao ahoana na manao ahoana ny haben’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy ankehitriny; na manao ahoana na manao ahoana ny tanjaky ny fanolorantenantsika sy ny fahafoizantenantsika, na manao ahoana na manao ahoana ny fatran’ny fankatoavantsika na ny fatran’ny fanantenantsika; na inona na inona talenta sy fahaiza-manao arak’asa mety efa azontsika, dia tsy ho ampy izany ho an’ny asa izay miandry antsika any aoriana.

Ry rahalahy sy anabavy isany, mila tonga tsara lavitra kokoa noho izay misy antsika ankehitriny izaho sy ianao. Mampianatra antsika ny soratra masina fa ao anaty korontana ny tany manontolo ankehitriny ary mbola ho ao anaty korontana. Hitombo ny faharatsiana sy ny asan’ny haizina. Kanefa ao anatin’izany tontolo mihamaizina izany dia hitombo ny fahazavana avy amin’ Andriamanitra. Misy asa lehibe ampanaovin’i Jesoa Kristy Tompo antsika ho an’ny taranaka vao misondrotra. Asa lehibe kokoa noho izay mety efa nataontsika hatrizay. Miasa amin-kery ny Tompo ankehitriny mba hanamafisana orina ny fomba fampianarana sy ny fomba fianarana ao amin’ity Fiangonany marina sy velona ity. Manafaingana ny asany Izy, ary manomana ny tany sy ny Fanjakany ary manomana antsika koa ho amin’ny fiverenany indray.

Izany rehetra izany dia ampahany amin’ny fomba fiasa kanto iray izay hitantsika hatrany am-piandohan’ny Famerenana amin’ny laoniny. Tamin’ny 1820 dia niseho tamin’ilay zazalahy Joseph Smith, Andriamanitra Ray niaraka tamin’i Jesoa Kristy Zananilahy. Nanomboka tamin’io andro tao amin’ny Alakely Masina io, dia nanorina ny Fiangonany sy ny vahoakany i Jesoa Kristy andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, fitsipika anampy fitsipika, indray mandingana isaky ny mandeha.

Izao no voalazany:

“Fa Izaho dia hanangona ho an’ny tenako, vahoaka madio izay hanompo Ahy amin’ny fahamarinana.”1

“Mba hahazoana manohy ny asa fanangonana ny Olomasiko, mba hahazoako manorina azy ho amin’ny anarako eo amin’ireo toerana masina; fa efa tonga ny fotoam-pijinjana, ary ny teniko dia tsy maintsy ho tanteraka.”2

“Tsy maintsy sedraina amin’ny zava-drehetra ny vahoakako mba ho voaomana izy ny handray ny voninahitra izay ananako ho azy, dia ny voninahitr’i Ziona.”3

Izao no fomba fiasan’ny Tompo: Manangana Izy, sy manorina ary manomana ny vahoakany sy ny Fiangonany. Hita taratra io fomba fiasa io amin’izao andro izao amin’ny antso avo nataon’ny Filoha Thomas S. Monson amintsika rehetra ny mba hanangana sy hanorina ny fanjakan’Andriamanitra. Henoy ireo fanasana ataony amintsika mba hanao asa misimisy kokoa sy tsaratsara kokoa eo amin’ny asa famonjena. Hovakiako aminareo ireo teny nambara avy tamin’ny lahatenin’ny Filoha Monson maromaro izay nozarainy nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana hatramin’ny naha Filohan’ny Fiangonana azy.

“Averinay aroso indray izao fanasana avy ao am-po izao: Miverena. Atolotray anao ny fitiavanay anao ao anatin’ny fitiavana madion’i Kristy. … Amin’ireo izay maratra ara-panahy na mitolona sy miahiahy no ilazanay hoe avelao izahay hampitraka anao sy hankahery anao ary hampitony ny tahotrao.”4

“Raha misy aminareo no lasa tsy miraharaha mikasika ny fampianaranareo isan-tokantrano … tiako ny milaza aminareo fa izao no fotoana hanoloranareo tena indray.”5

“Maro ireo tongotra tokony hatanjahina, tanana ho sintonina, saina ho hamafisana, fo ho entanina ary fanahy tokony hovonjena.”6

“Tonga dia manan-kery manomboka izao hoe ireo zatovolahy mendrika sy afaka manao asa fitoriana izay nahavita fianarana avy ao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa na sekoly mitovy amin’izany, … dia hanana safidy hirotsaka ho misiônera hanao asa fitoriana manomboka 18 taona fa tsy 19 taona intsony. …

“… Ireo zatovovavy izay afaka manao izany sy mendrika ary manana faniriana ny hanompo dia afaka hirotsaka ho misiônera hanao asa fitoriana manomboka 19 taona fa tsy 21 taona intsony.”7

“Ny fanamby ho antsika dia ny ho mpanompo mahasoa kokoa ao amin’ny tanimboaloboky ny Tompo. Mihatra amintsika rehetra izany, na firy taona na firy taona, ary tsy natokana ho an’ireo izay miomana ny ho misiônera amin’ny fotoana feno fotsiny ihany, satria miantefa amintsika rehetra ilay didy hoe hizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.”8

“Izao no fotoana tokony hiarahan’ireo mpikambana sy ireo mpitory ny filazantsara mifanome tanana, miara miasa, miasa ao amin’ny tanimboaloboky ny Tompo mba hitondrana fanahy ho eo Aminy.”9

“Ny faniriana fotsiny dia tsy hahatanteraka ny zavatra iray. Fa antenain’ny Tompo ny eritreritsika. Antenainy ny asa ataontsika. Andrandrainy ny filofosantsika.”10

“Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa tsy takatry ny saintsika ireo fitahiana ampanantenaina antsika. Na dia mety hitambatra aza ireo raho-mitatao, na dia mirotsaka amintsika aza ny orana. … Tsy hisy na inona na inona eo amin’ity izao tontolo izao ity ka afaka handresy antsika.

“Ry rahalahiko sy anabaviko malala isany, aza matahotra. Mahereza. Mamirapiratra tahaka ny hamirapiratan’ny finoanao ny hoavy.”11

Ry rahalahy sy anabavy isany, izany no antso ataon’ny mpaminany amintsika. Ao amin’ny Departemanta Fampianarana an’ny Fiangonana izany dia midika hoe mila mpanompon’ny Tompo mahatoky sy vonona isika hiasa ao amin’ny seminera sy institiota, ao amin’ireo sekoly ambony sy Oniversite an’ny Fiangonana ary any amin’ireo sekolin’ny Fiangonana. Ny asa tsirairay, ny antso tsirairay, ny olona tsirairay ato amin’ny Departemanta Fampianarana an’ny Fiangonana dia manan-danja avokoa, ary isika tsirairay, anisan’izany tenako, dia mila ho tonga tsaratsara kokoa noho izay mety ho hatsarantsika hatrizay.

Mino aho fa misy antony roa mahatonga izany:

Antony voalohany: Mila manabe an’ireo taranaka vao misondrotra isika, amin’ny fomba lalina kokoa sy mahery vaika kokoa noho izay mety ho vitantsika hatrizay na mihoatra noho izay mety ho vitan’iza na iza hatrizay.

Ny fianarana lalina dia mitondra mankany amin’ny fitomboana eo amin’ny fahafahana “mahafantatra zavatra, sy manao zavatra ary miova.”12 Izany dia tena midika hoe fahalalana misimisy kokoa, fa midika ihany koa hoe fahatakarana ara-panahy misimisy kokoa. Izany dia midika hoe fahaiza-manao sy ny fahafaha-manao zavatra misimisy kokoa. Izany dia midika hoe toetra matanjaka kokoa, anisan’izany ny fahamarinan-toetra sy herimpo ary hatsaram-panahy misimisy kokoa.

Ny fianarana lalina dia tsy afa-misaraka amin’ny traikefa ara-panahy. Tsy afaka hianatra lalina ireo taranaka vao misondrotra raha tsy arakaraka ny fiasan’ireo hery manavotra sy manamafy orina izay ao amin’i Kristy eo amin’ny fiainan’izy ireo, manadio sy manamasina ary ahafahan’izy ireo ho mendrika ny handray ny Fahasoavany sy ireo fanomezam-pahasoavana izay nomaniny ho azy ireo. Tsy maintsy miasa amim-pahazotoana izy ireo sy mikatsaka ny hianatra zavatra, saingy tsy maintsy diovina ihany koa amin’ny alalan’ny ran’ny sorompanavotan’i Kristy mba hahafahan’izy ireo mandray fahazavana misimisy kokoa ary ho ampianarin’ny Fanahy Masina.

Ny fianarana entanim-panahy izay mitondra mankany amin’ny fianarana lalina dia traikefa ara-panahy ihany koa. Isika koa dia mila an’ilay Sorompanavotan’ny Mpamonjy mba hiasa mahery kokoa eo amin’ny fiainantsika. Mila mendrika isika sy mandray ireo fanomezam-pahasoavana sy fitahiana avy amin’ny Fanahy Masina izay manadio sy manamasina, mba hahafahantsika manampy ireo taranaka vao misondrotra hianatra amin’ny fomba lalindalina kokoa.

Mila an’io fianarana lalina io ny taranaka vao misondrotra satria izao tontolo izao izay hatrehan’izy ireo dia sady hahafinaritra no hahatsiravina—hisy fahazavana sy hery misimisy kokoa avy any an-danitra, ary hisy faharatsiana sy korontana ary fisafotofotoana vao maika betsaka kokoa. Ho ilain’izy ireo ny mampifototra ny fiainan’izy ireo ao amin’ireo fahamarinana mazava sy tsotra ao amin’ny filazantsara, mila tafiditra lalina ao am-pon’izy ireo ny filazantsara, ary ilain’izy ireo ny zavatra izay nantsoin’ny Filoha Russell M. Nelson hoe finoana tsy voahozongozona an’i Kristy: “Nahoana isika no mila finoana tsy voahozongozona toy izany? Satria efa ho avy ny andro sarotra. Mahalana amin’ny hoavy vao ho mora na malaza izany hoe Olomasin’ny Andro Farany mahatoky izany. Hotsapaina daholo isika tsirairay avy. Ny Apôstôly Paoly dia nampitandrina fa amin’ny andro farany, ireo izay manaraka amin’ny zotom-po ny Tompo “dia henjehina” [2 Timoty 3:12]. Izany fanenjehana izany dia mety hahalavo anao amin’ny fahalemena tsy re tsaika, na mandrisika anao ho lasa ohatra tsara kokoa sy ho be herimpo kokoa eo amin’ny fiainanao andavanandro.”13

Antony faha 2: Izaho dia mino fa ireo tanora izay hanatona antsika dia ho vonona handray—ary ho te handray—mihoatra lavitra noho izay atolotsika azy ireo ankehitriny. Ankoatra izany, ny sasantsasany izay ho avy dia hila misimisy kokoa satria ny tokantrano izay misy azy ireo dia tsy nanolotra na ny zavatra iriany na ny zavatra ilainy.

Tsy milaza akory aho hoe ireo tanora dia mila mitsapatsapa ao anatin’ny haizina sy ny fahasarotana. Ho ilain’izy ireo ireo fahamarinana mazava sy tsotra ao amin’ny filazantsara izay ampianarina ao anatin’ny fitiavana misimisy kokoa ary miaraka amin’ny herin’ny Fanahy Masina lehibe kokoa.

Mamelà ahy hanome ohatra iray amin’ny fotopampianarana mazava sy tsotra izay ilain’ireo mpianatsika hianarana lalindalina kokoa. Nandritra ireo fito taona lasa farany teo dia notakian’ny BYU-Idaho ny taranja iray mahakasika ny fianakaviana ho isan’ny fandaharam-pianarana fototra arahin’izy ireo . (Ny taranja toy izany dia ampahany amin’ireo andiana lesona vaovao hoe Fehizoro izay takiana amin’ireo mpianatra rehetra ao amin’ny institiota, sy ny sekoly ambony ary ny oniversite ao amin’ny Departemanta Fampianarana an’ny Fiangonana.) Koa satria manaraka an’io taranja io avokoa ny mpianatra rehetra ao amin’ny BYU-Idaho, dia nanana fahafahana ireo mpampianatra hamantatra ny ao an-tsain’ireo mpianatra sy ny ao am-pon’izy ireo mikasika ny fotopampianaran’ny fanambadiana araka ny aseho ao amin’ny fanambarana momba ny fianakaviana.

Nampivarahontsana ny zavatra hitan’ireo mpampianatra tamin’izany. Mpianatra maro (40 ka hatramin’ny 50 isan-jato) no manana raha ny tsara indrindra fahatakarana tsy feno ary raha ny ratsy indrindra fahatakarana diso momba io fotopampianarana faran’izay manan-danja io. Izy ireo anefa dia tanora Olomasin’ny Andro Farany mavitrika izay nahavita seminera ary tsy mbola ampy ny fianarany ny fotopampianaran’ny fanambadiana na tao an-trano izany na tao amin’ny seminera na tao amin’ny Sekoly Alahady na tao amin’ny kilasin’ny Zatovovavy na ny kôlejin’ny fisoronana ary na nandritra ny fotoana nanaovany asa fitoriana mihitsy aza indraindray.

Ireo mpianatra dia tsy hoe mila fahalalana tsara kokoa fotsiny mikasika ny fotopampianaran’ny fanambadiana, fa mila mahatakatra izany koa izy ireo ao am-pony. Mila tenivavolombelona ara-panahy momba ny fahamarinan’izany izy ireo, ary mila manao zavatra mifanaraka amin’izany tenivavolombelona izany eo amin’ny fomba fiomanan’izy ireo ankehitriny ho tonga vady sy reny na ray ao anatin’ny fianakaviana iray mandrakizay.

Ilain’izy ireo ho fantatra koa ny fomba hiresahana mikasika ny fotopampianaran’ny fanambadiana amin’ireo naman’izy ireo sy amin’ireo hafa izay mety tsy mitovy finoana amin’izy ireo. Ary mila mihatsara izy ireo eo amin’ny fahaizany manavaka ny marina sy ny diso. Mila finoana lehibe kokoa an’i Jesoa Kristy izy ireo ary mila fanantenana misimisy kokoa ao Aminy.

Izany no ilain’ny taranaka vao misondrotra. Koa inona izany no tokony hataontsika?

Isika tsirairay dia mila manao izay tian’ny Tompo ho vitantsika eo amin’ny fiainantsika. Manantena aho fa hanampy anao ity traikefa manaraka ity eo am-pandinihanao sy eo am-pivavahanao mikasika izay tian’ny Tompo hataonao:

Taona maro lasa izay, nandritra ny fotoana tena sarotra teo amin’ny fiainan-tokantranonay, dia nahatsiaro ho notafian’ny fahavalo mihitsy aho. Nandritra io zavatra niainako io ny Tompo dia nampahafantatra mazava tsara tamiko fa mila manao bebe kokoa ary mila mihatsara kokoa aho. Mamelà ahy hanome sombiny kely amin’ny toe-javatra nisy tamin’izany.

Efa mpivady nandritra ny 30 taona mahery izaho sy i Sue tamin’izany. Navitrika hatrany sy nandray anjara tamin’ny Fiangonana hatrany izahay nandritra ny androm-piainanay. Nanompo tao am-piangonana izahay, nandeha tany amin’ny tempoly isan-kerinandro; niara-nivavaka tamin’ireo zanakay izahay, nandalina soratra masina niaraka tamin’izy ireo ary nanao takarivan’ny mpianakavy. Niezaka ho tonga Olomasin’ny Andro Farany tsara izahay. Kanefa dia nilaza tamiko ny Tompo hoe mila manao misimisy kokoa ianao.

Indray alina aho dia nanao nofy ratsy nahatsiravina. Taitra aho, feno tebiteby sy sahiran-tsaina, ka dia nandohalika ary nivavaka tamin’ny Raiko any An-danitra mba ho ampiany. Raha nivavaka iny aho dia tonga tao an-tsaiko ny teny tao amin’ny Efesiana toko faha 6 manao hoe: “Fa isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-drà, fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra.”14

Nony maraina dia nijery tao amin’ny soratra masina aho ary namaky ireto teny ireto:

“Farany, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny herin’ny faherezany..

“Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly.”15

Rehefa namaky ireto teny hoe “tafio ny fiadian’Andriamanitra” aho dia nahatsapa fijoroana ho vavolombelona mahery vaika avy tamin’ny Fanahy fa izany no valin’ny vavaka nataoko. Nila nitafy an’ireo fiadian’Andriamanitra rehetra aho, ny ampahany rehetra amin’izany.

Ary dia niresaka momba izay mety ho dikan’izany izaho sy Sue, ka nivavaka mba hahazoana fitarihana. Nianarako tamin’izay fa nila nametraka fanontaniana roa tamin’ny tenanay ihany izahay. Mino aho fa ireto dia fanontaniana izay hoe ny valiny no hitarika anay hanao izay tokony hataonay mba hiomanana amin’izay hitranga any aoriana. Ireto izany: (1) Inona no zavatra ataoko ka tokony hatsahatro? ary (2) Inona no zavatra tsy ataoko izay tokony hatomboko atao amin’izay?

Raha nametraka ireo fanontaniana ireo tamim-bavaka izahay dia nahazo valiny tena nazava. Novainay ny fomba fandanianay ny fotoanay, ny karazana haino aman-jery navelanay ho tafiditra tao an-tranonay, ny fomba fanompoanay tany amin’ny tempoly, ny fomba fandalinanay soratra masina, ary ny fomba fanompoanay ny Tompo ary ireo zavatra, zavatra maro hafa. Nila nanatsara bebe kokoa fiainam-panahinay izahay. Nandritra ireo dingan’ny fibebahana ireo dia nanolo-tanana i Jesoa Kristy Tompo ary nanova ny fiainanay. Nahatsapa ny famindrampony izahay, ny fahasoavany, sy ny fitiavany ary ny heriny. Tamin’ny alalan’ny heriny tsy manan-tsahala no nanovany ny fonay sy ny sainay ary nitondrany anay hanakaiky Azy kokoa. Fantatro fa raha tsy nihaino izahay ary raha tsy nanao zavatra araka izay voarainay, dia tsy ho nantsoina hanompo ato amin’ny BYU-Idaho ary tsy ho nijoro teto anatrehanareo anio. Kihon-dalana teo amin’ny fiainanay izany.

Ry rahalahy sy anabavy isany, fantatro fa miresaka amin’ny Olomasin’ny Andro Farany mahatoky sy mpitandrina fanekempihavanana aho izao. Fantatro fa tena mahavita tsara, tsara be mihitsy amin’izay zavatra ataonareo ianareo. Saingy fantatro tamin’ny zavatra niainako fa mila mametraka matetika an’ireo fanontaniana roa ireo amin’ny tenantsika isika. Mila miova isika ary mibebaka mba hahafahan’ny Sorompanavotan’i Kristy hiasa mbola mahery kokoa ihany eo amin’ny fiainantsika. Raha manao izany isika dia homen’ny Ray any An-danitra hery ara-panahy lehibe kokoa. Fantatro fa marina izany.

Ary hinoako fa izany no fanalahidy amin’ny fiomanana ho amin’ireo fahafaha-manao sy andraikitra lehibe izay miandry antsika. Misy zavatra tsotra maro izay tokony hataontsika. Mila mandinika lalina isika ary manomana sy miasa sy mifanakalo hevitra ary miomana hanao izay tsara indrindra vitantsika. Saingy ny herin’ny Fanahy Masina no hahatanteraka ilay fianarana lalina sy ilay fahatakarana lehibe kokoa, ary ilay herin’i Kristy izay manavotra sy manamafy orina eo amin’ny fiainan’ireo mpianatsika.

Ilain’ny taranaka vao misondrotra ireo fahamarinana mazava sy tsotra ao amin’ny filazantsara ampianarina sy ianarana amim-pitiavana kokoa, sy amin’ny hery ara-panahy lehibe kokoa, ary mba hisy fiantraikany lalina kokoa eo amin’ny fiainan’izy ireo. Mino aho fa ho tanteraka io fiantraikany io satria ho lalim-paka kokoa ao an-pontsika sy ao an-tsaintsika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ary ho namantsika lalandava ny Fanahy Masina. Ho hita taratra amin’ny fomba feno sy tanteraka kokoa eo amin’ny fiainantsika ireo fampianaran’ny Mpamonjy. Amin’izay rehefa mitantana fandaharam-pampianarana isika, na rehefa mamolavola fitaovam-pampianarana, na mampihatra fomba fampianarana vaovao, na mandray na miantso ka manofana mpampianatra vaovao, na manoro hevitra an’ireo mpianatra, na manao drafitra trano vaovao, na manokatra faritra vaovao, na mandroso ao amin’ny kilasy iray hampianatra ireo zanak’Andriamanitra—dia handray ilay fanambarana izay ilaintsika, ary hanao ilay asa omban’ny fitiavana madio an’i Kristy amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina. Ary dia hianatra lalina ireo taranaka vao misondrotra, ka hifoha!

Fantatsika fa hitranga izany. Fantatsika ny fomba hifaranan’izany rehetra izany. Ho avy i Jesoa Kristy Tompo, ary dia ho vonona handray azy ny vahoakany sy ny Fiangonany.

Rehefa mieritreritra anareo aho sy izay zavatra ho ataonareo ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra, dia mahatsiaro an’ilay zava-nitranga mahatalanjona voafaritra ao amin’ny 3 Nefia toko faha 17, raha nampivorian’ny Mpamonjy nanodidina azy ireo ankizy madinika. Tiako ianareo haka sary an-tsaina io tantara io satria ao anatin’io tantara io ianareo. Nitondra an’ireo zanany sarobidy ho any amin’ny Mpamonjy ireo ray aman-dreny. Nampivoriany manodidina Azy izy ireo; Izy no teo afovoany. Nivavaka ho azy ireo sy ho an’ireo ray aman-dreniny tamin’ny fomba feno fahagagana Izy, ary dia notsofiny rano ireo ankizy tsirairay. Nidina avy tany an-danitra ireo anjely avy eo “miova tsy ny teo afovoan’ny afo”16 ka nanompo an’ireo ankizy, ary dia nohodidin’ny afo ireo ankizy.

Amin’ny heviny tena mahery dia izany no ataontsika ao amin’ny seminera sy ao amin’ny institiota. Eny tokoa, ity no Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana. Entin’ireo ray aman-dreny aty amintsika ireo zanany. Ny Mpamonjy no eo afovoany, eo anivon’ny zava-drehetra izay mitranga amin’ireo ankizy. Mivavaka ho azy ireo Izy ary ho antsika koa; Izy no mpisolovava antsika ao amin’ny Ray. Nilaza ny rahavavy McConkie hoe: “Isika no ireo anjely—ianareo no anjely—izay tonga hanompo ireo ankizy ao anatin’ny afo masina ireo.” Izany ry rahalahiko sy anabaviko malala no tokony hahatongavantsika.

Ary ho lasa tahaka izany isika satria misy Andriamanitra any an-danitra. Raintsika Izy. Ny Zananilahy, i Jesoa Kristy Tompo, no Mpamonjy sy Mpanavotra ny zanak’olombelona rehetra. Velona Izy! Mijoro ho vavolombelon’ny anarany masina aho. Nahita ny fiasany aho, fantatro ny famindrampony sy ny fahasoavany, ary tsapako ny fitiavany. Manana ny hery rehetra Izy hanadiovana antsika amin’ny fahotana, sy hanovana ny fontsika ka hampanatona antsika Azy ary hampahatanjaka antsika mba ho lasa izay rehetra tiany hahatongavantsika. Fantatro fa raha mitodika any amin’i Kristy isika, izay mijoro mandrakariva mandray antsika, dia hitahy antsika Izy mba ho lasa tsara kokoa ary hahavita bebe kokoa ao amin’ity asany masina ity. Mijoro ho vavolombelona momba izany aho, amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100:16.

  2. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:64.

  3. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:31.

  4. Thomas S. Monson, “Looking Back and Moving Forward,” Ensign na Liahona, Mey 2008, 90.

  5. Thomas S. Monson, “True Shepherds,” Ensign na Liahona, Nôv. 2013, 68.

  6. Thomas S. Monson, “Willing and Worthy to Serve,” Ensign na Liahona,Mey 2012, 69.

  7. Thomas S. Monson, “Welcome to Conference,” Ensign na Liahona,Nôv. 2012, 4–5.

  8. Thomas S. Monson, “Come, All Ye Sons of God,” Ensign na Liahona, Mey 2013, 66.

  9. Thomas S. Monson, “Welcome to Conference,” Ensign na Liahona, Nôv. 2013, 4.

  10. Thomas S. Monson, “To the Rescue,” Ensign, Mey 2001, 49.

  11. Thomas S. Monson, “Be of Good Cheer,” Ensign na Liahona, Mey 2009, 92.

  12. Kim B. Clark, “Learning and Teaching: To Know, to Do, and to Become” (remarks to faculty at faculty meeting, BYU–Idaho, Sept. 6, 2011), byui.edu/presentations.

  13. Russell M. Nelson, “Face the Future with Faith,” Ensign na Liahona, Mey 2011, 35–36.

  14. Efesiana 6:12.

  15. Efesiana 6:10–11.

  16. 3 Nefia 17:24.

Hamoaka printy