Ny Andro Sabata
Fampitana amin’ny alalan’ny zanabolana an’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara•4aogositra 2015
Fifaliana ho ahy ny miaraka aminareo anio ary nandray fampianarana tsara isika hatreto. Feno fankasitrahana aho tonga eto androany. Manantena aho fa fantatrareo ny fitiavana sy fankasitrahana lalina ary ny fanajana lalina ananako ho an’ny tsirairay aminareo. Faly manokana aho miaraka amin’ny vadiko, Kristi eto. Androany no faha-25 taona fitsingerenan’ny fanambadianay ary hoy izahay hoe hahafinaritra ny hankalaza izany miaraka amin’ireo namanay akaiky miisa 98.000. Mahavariana tokoa ny zava-bitanareo sy ny vadinareo ho an’ity rafitra ity. Misaotra erampo eran-tsaina amin’ny anjara biriky entinareo ary misaotra amin’ny fahatongavanareo eto. Tena mahafinaritra ny mandray anjara amin’ity asa ity miaraka aminareo rehetra.
Nomena niaraka tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana farany teo ny fiofanana ho an’ireo Manampahefana Ambony mikasika ny “fitandremana ny Andro Sabata sy fanaovana izany ho fahafinaretana.” Miray hina ao anatin’ny ezaka lehibe maneran-tany ireo kôlejy mpiahin’ny Fiangonana mba hampianarana any am-piangonana sy any an-tokantrano ny maha-zava-dehibe ny fitandremana ny Andro Sabata. Efa nampianarina tany amin’ireo filankevitry ny vondrom-paritra sy ny filankevi-pitantanana ary ireo filankevitry ny tsatòka izany. Efa nampiofana ireo eveka ireo filohan’ny tsatòka ary hiaraka hanohy hampianatra ireo mpikambana ao amin’ny tsatòkany sy paroasiny izy ireo.
Nomena fampiofanana ireo mpitarika ny Fiangonana
Misy horonantsary maro avy amin’ny Manampahefana Ambony izay hita sy hatao ao amin’ny tranonkalantsika.1 Manantena aho fa hijery tsara sy hamerina hijery ary hampiasa izany loharano manan-danja izany ianareo. Androany dia te hampiseho ampahany amin’ny horonantsary roa avy tamin’izany fiofanana izany aho. Voalohany dia hihaino ny Filoha Russell M. Nelson ianareo. Handimby azy ny Loholona M. Russell Ballard.
Filoha Russell M. Nelson: “Ry rahavavy sy rahalahy malala isany, maneho ny fitiavana sy fankasitrahana lalina ananako ho an’ny tsirairay aminareo aho. Rehefa nampifantoka an’ity maraina ity amin’ilay ahiahy lehibe ananantsika rehetra mikasika ireo izay very sy tsy fantatra ary malaindaina ny Fiadidiana Voalohany. Rehefa mifantoka amin’izany olana izany isika, dia tiantsika ny hifantoka amin’ny fisorohana ireny karazana olana ireny. Koa noho izany dia hifantoka betsaka amin’ny fanorenana finoana an’ Andriamanitra sy ny fanorenana finoana ny Tompo Jesoa Kristy ary ny fanorenana finoana ny Sorompanavotany ireo fivoriana anio sy rahampitso. … Tena feno fankasitrahana aho, amin’ny maha Apôstôly voahosotra ahy, ny amin’ity andraikitra nomena ahy mba hiresaka mikasika ity lohahevitra ity. Andraikitra tena raisintsika amim-pahamatorana sy ara-bakiteny ny didin’ny Tompo mba hanamasina ny andro Sabata sy hitandrina izany ho masina. Raha toa ka tena afaka manao izany isika—raha toa ka tena afaka manao izany—dia hanampy iteo mpikambana ao amintsika mba hanorina finoana ny Tompo isika ka hahatonga ny fiovam-pon’izy ireo Aminy sy amin’ny Fiangonany ho lalim-paka kokoa. … Rehefa mianatra bebe kokoa ny hanamasina ny Andro Sabata isika dia hitombo ny finoana manerana izao tontolo izao.”
Loholona M. Russell Ballard: “Rahalahy sy ranabavy, tena mandray anareo am-pitiavana izahay eto amin’ity fiofanana manan-danja amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana ity. Nandany ora maro nandritra ireo volana maro lasa ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Roambinifololahy tamin’ny famerenana mijery ilay fikarohana izay ananana mikasika ny fotopampianarana sy ireo fitsipiky ny Fiangonana izay mampitombo ny finoana ny Raintsika any An-danitra sy ny Tompo Jesoa Kristy ary ny Sorompanavotany. Araka ny efa fantatrareo dia manohy miahiahy mikasika ny fiovam-po maharitra, sy fitandremana ny fanekempihavanana, ny fianakaviana manana taranaka maro ary mpikamban’ny Fiangonana ampatanjahana ara-panahy isika. Amin’ireo fanovana rehetra teo amin’ny rafitra na ny fitsipi-pifehazana na ny fiofanana momba ny fotopampianarana izay afaka manafaingana ny asa famonjena amin’izao fotoana izao dia hitanay fa ny fampitomboana ny fanahy sy ny herin’ny Andro Sabata no hisy fiantraikany indrindra amin’ny fitondrana ireo mpikambana sy ireo fianakaviana hanakaiky bebe kokoa ny Tompo, Jesoa Kristy.”
Nilaza olana iray mikasika ny fahalainana ny Filoha Nelson sy ny filàna ny fampatanjahana ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. Nampanantena izy fa “rehefa mianatra bebe kokoa ny hanamasina ny Andro Sabata isika dia hitombo ny finoana manerana izao tontolo izao.”
Azoko antoka fa tsikaritrareo izay nolazain’ny Loholona Ballard hoe: “Amin’ireo fanovana rehetra teo amin’ny rafitra na ny fitsipi-pifehazana na ny fiofanana momba ny fotopampianarana izay afaka manafaingana ny asa famonjena amin’izao fotoana izao dia hitanay fa ny fampitomboana ny fanahy sy ny herin’ny Andro Sabata no hisy fiantraikany indrindra amin’ny fitondrana ireo mpikambana sy ireo fianakaviana hanakaiky bebe kokoa ny Tompo, Jesoa Kristy.”2
Ny anjara asain’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara
Ato anatin’ity ezaka maneran-tany ity dia nomen’ny Filankevi-pitantanan’ny Fianaran’ny Fiangonana toromarika manokana ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara mba hanampy amin’ny fanavaozana ny fifantohantsika amin’ny fampianarana ny fitsipiky ny fitandremana ny Andro Sabata sy ny fotopampianarana mifandraika amin’ny fanasan’ny Tompo, ary hamporisika ireo zatovo sy tanoran’ny Fiangonana mba hiezaka hahatakatra sy hiaina bebe kokoa ireny fitsipika ireny. Ataontsika izany amin’ny alalan’ny fanamafisana ireny fitsipika ireny rehefa miseho ho azy any anatin’ny fampianarana ny soratra masina izay ataontsika mifandimby sy ao anatin’ireo famintinana ny lesona izany. Fahafahana mahafinaritra no ananantsika mba hanambatra ireo ezaka ataontsika amin’ireo izay nirahina mba hitarika antsika amin’ny maha-mpaminany sy mpahita ary mpanambara azy ireo. Ary amin’ny fanaovana izany dia hanatanteraka amin’ny fomba tsara kokoa ny tanjontsika amin’ny fanampiana ny zatovo sy ny tanora hahatakatra sy hiantehitra amin’ireo fampianarana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika.
Mba hanehoana ny fomba ahafahantsika mampianatra ireo fitsipika mikasika ny Sabata sy ny fanasan’ny Tompo amin’ny fomba iray izay hampitombo ny finoana an’i Jesoa Kristy dia nisafidy ohatra voalohany avy ao amin’ny Testamenta Taloha aho satria maro aminareo no hampianatra ny Testamenta Taloha ato anatin’ny volana vitsivitsy ho avy.
Ny Andro Sabata
1. Ny Sabata dia famantarana iray avy amin’ny Tompo ho antsika
Ny fitsipika manan-danja iray mikasika ny Andro Sabata dia avy ao amin’ny Eksodosy 31:
“Ny sabatako no tandremo; fa famantarana ho amiko sy ho aminareo hatramin’ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasinana anareo. …
“Dia hotandreman’ny Zanak’Isiraely ny sabata … dia fanekena mandrakizay izany.”3
Ny hevitra dia hoe famantaranana ny fanekempihavanana nataon’ Andriamanitra tamintsika ny Sabata izay manan-danja satria miatrika olana ny tsirairay amintsika, izay hoe “ny zavatra tsy madio dia tsy afaka hiara-mitoetra amin’ Andriamanitra,”4 ary fantatsika fa “fa efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra.”5 Ny vahaolana araka ny voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:7, dia hoe “Haiko ny hahatonga anareo ho masina.” Ary izany dia tontosa, mazava ho azy, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, ilay ivon’ny drafitry ny fanavotan’ny Ray. Ary araka ny nampianarin’i Paoly hoe: “olom-boavidy [isika] .”6
Izany sarany izany dia ny fiainana sy ny fijaliana ary ny fahafatesan’ilay Zanakalahin’ Andriamanitra tonga lafatra. Ary inona no porofon’ilay fividianana? Inona no famantarana fa voaloha ny sarany? Ny Sabata dia famantarana mandrakizay ny fahatanterahan’ny fanekempihavanana nataon’ Andriamanitra tamin’ny zanany, ilay famantarana izay hahatonga antsika ho masina.
2. Ny Sabata dia famantarana iray avy amintsika ho an’ny Tompo
Tsy hoe porofon’ny fividianana ihany ny Sabata, ilay famantarana fa hanamasina antsika ny Tompo, fa famanatarana iray avy amintsika ho Azy ihany koa izany mikasika ny fahatsapantsika momba ny zavatra nataony ho antsika—ny fahatsapantsika momba ny fahafoizantena nataony sy ny fahatsapantsika momba ireo fanekempihavanana nataontsika.
Nampianatra ny Filoha Nelson tao anatin’ny fihaonamben’ny Fiangonana farany teo hoe: “Nandalina ireo lisitra nataon’ny olona hafa mikasika ireo zavatra atao na ireo zavatra tsy atao amin’ny Andro Sabata aho tamin’ny fahatanorako. Taty aoriana aho vao nianatra avy tamin’ny soratra masina fa ny fitondrantenako sy ny fihetsiko amin’ny Sabata dia mandrafitra famantarana teo amiko sy ny Raiko any An-danitra. Tsy nila ireo lisitry ny zavatra atao sy ny zavatra tsy atao intsony aho rehefa nanana izany fahatakarana izany. Rehefa nila nandray fanapahan-kevitra aho momba ny hoe mety sa tsy mety amin’ny Sabata ny zavatra atao iray dia nanontany tsotra aho hoe: ‘Inona no famantarana tiako omena an’ Andriamanitra?’ Nampahazava tsara ny safidiko momba ny Andro Sabata izany fanontaniana izany.”7
An’ny tena manokana ny safidy tsirairay mikasika ny Sabata; ary fanatitra ataon’ny tena manokana izany, famantarana iray momba ny fankasitrahantsika fa vonona ny hahatonga antsika ho masina Izy. Tsy hoe te hanolotra lisitra iray misy ireo zavatra atao sy ireo zavatra tsy atao aho, fa te hilaza aho fa nahita zatovo sy tanora manerana izao tontolo izao izay misafidy ny hitandrina ny Sabata ho masina. Maro ireo nisafidy tsy hiasa amin’ny Alahady, ny hafa dia nametraka tanjona tsy hianatra amin’ny Alahady. Vonona ny hanary ireo namany ny zatovovavy iray tany Thailande satria nisafidy tsy hanatrika ireo hetsika ara-tsôsialy mandritra ny Sabata izy (izay firehan-kevitra tsy mbola henon’ny namany teo aloha). Mahafantatra mpilalao baolina kitra te ho lasa matihanina iray any Californie aho izay, na teo aza ny faneriterena mafy avy tamin’ny namany sy ireo mpanazatra—ka vonona ny hanary ireo vatsim-pianarana lafo vidy mety ho azony—nanapa-kevitra tsy handray anjara amin’ireo hetsika ara-panatanjahantena natao mandritra ny Sabata.
Mahatoky aho fa hanome voninahitra ireny tanora mahafinaritra ireny ny Tompo satria nanome voninahitra Azy izy ireo tamin’ny fisafidianana hitandrina ny androny ho masina. Afaka mampianatra ny mpianatsika isika fa ny fitondrantenantsika sy ny fihetsika asehontsika amin’ny Sabata dia famantarana ho an’ny Tompo momba ny fahatsapantsika mikasika ireo fanekempihavanana nataontsika ary “ny fitandremana ny tena Sabata dia tandindon’ny fitandremana ilay fanekempihavanana manontolo.”8
3. Fahafinaretana ny Sabata
Fitsipika iray hafa avy ao amin’ny Testamenta Taloha:
“Raha miaro ny tongotrao amin’ny Sabata hianao ka tsy manao izay tianao amin’ny androko masina, ary manao ny Sabata hoe Fahafinaretana, ary ny nohamasinin’i Jehovah hoe Miendrika hohajaina ka manome voninahitra Azy ary tsy mandeha amin’ny lalanao, na manao izay tianao, na miteniteny foana:
“Dia hiravoravo amin’i Jehovah hianao.”9
Ny Eksodosy 16 dia fanehoana mahafinaritra izany fitsipika izany. Rehefa nitaraina momba ny hanohanany ny zanak’Isiraely ka te hiverina tamin’ny “fandrahoan-kena” tany Egypta dia niteny ny Tompo hoe:
“Indro Izaho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo; dia hivoaka ny olona hanangona izay sahaza hohaniny isan’andro, hizahako toetra azy, na handeha manaraka ny lalàko izy, na tsia.
“Ary raha mby amin’ny andro fahenina dia hamboariny izay azony; dia hisy indroa toraka izay angoniny isan’andro”10
Misy fitsipika roa fanampiny farafahakeliny ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Ny iray dia mizaha toetra ny fankatoavantsika mandritra ny Sabata ny Tompo. Ny iray hafa dia miaro sy manomana fomba iray ahafahantsika mitandrina ireo didiny ny Tompo. Mieritrereta momba ny fomba hanatanterahan’izany an’ilay fampanantenana momba ny maha-fahafinaretana ny Sabata. Raha toa ka niasa ianao isan’andro, nanangona mana mba ho velon’aina, ary amin’ny iray andro dia niteny ny Tompo hoe: “Tsy mila miasa ianao anio, kanefa mbola hanome sakafo ho anao aho tahaka ny hoe niasa ianao,” tsy ho fahafinaretana ve izany?
Nandre endrik’izany tantara izany amin’ny fomba maoderina aho izay notantarain’ny Rahavavy sy Elder Beecher, misiônera mpivady izay nanompo tany Afrika. Nanoratra izy ireo hoe:
“Mipetraka tany amin’ny faritra tena mahantra tany Kenya teo amoron’i Ouganda izahay. Tantsaha izay nipetraka tamin’ny tananan’ny fianakaviambe ny iray amin’ireo filohan’ny sampanay. Raim-pianakaviana tanora manana zanaka vitsivitsy izy. …
“… Manana mpikambana ao amin’ny sampana misy azy izy izay milaza … fa tsy afaka mankany am-piangonana ny Alahady … satria matahotra ny handao ny fonenany izy ireo sao hangalatra ny voliny … ny mpifanolobodirindrina aminy. Olana TENA misy [izany]. … Raha ny marina … dia miandry ny fambolena amin’ny fotoana hambolen’ny mpifanolobodirindrina aminy ny olona amin’izay tsy hisy afaka haka ny vokatra raha lasa aloha. …”
“[Lazain’izy ireo] ihany koa fa tsy afaka mankany am-piangonana izy ireo ny Alahady satria tsy maintsy miasa izy ireo … satria mahantra.
“Notohizan’ilay filohan’ny sampana hoe: ‘Lazaiko amin’izy ireo hoe: “Mandao ny fonenako aho isaky ny Alahady maraina ary mijanona any am-piangonana mandritra ny ora maro amin’izany andro izany. Tsy miasa aho ny Alahady. Rehefa miverina any an-trano aho dia matetika hitako fa nangalarin’ny mpifanolobodirindrina amiko ny katsako, ny akohoko sy ny atody, ary ny voankazoko satria noana izy ireo ary tsy manan-tsakafo. Mbola hitako foana anefa rehefa tonga ny fijinjana fa notahiana aho satria mamokatra mihoatra ny an’izy ireo ny taniko—na dia miasa isaky ny Alahady aza izy ireo. Mamokatra mihoatra ny taniko, ary notahiana aho satria nitandrina ny andro Sabata ho masina.”’
“Rehefa naheno ny fanamarihana nataon’ity filohan’ny sampana ity ny filoha iray, izay filohan’ny sampana hafa dia niteny hoe: ‘Afaka manambara ny mitovy amin’izany aho. Mamboly katsaka amin’ny tany 2 ara aho. Mamboly amin’ny tany 4 hektara ny mpifanolobodirindrina amiko. Miasa isaky ny Alahady izahay. Tsy manao izany aho. Rehefa tonga ny fotoana fijinjana dia manana betsaka aho. Tonga amiko mangataka sakafo ny mpifanolobodirindrina amiko satria tsy ampy ny azy. Izaho koa dia tahiana noho ny fankatoavako ny lalàn’ny Sabata.’”11
Avo noho ny lalantsika ny lalan’ny Tompo—torak’izany koa ny kajikajiny. Tsy mitovy amin’ny antsika izany. Marina izany raha ny amin’ny fahafolonkarena, sa tsy izany? Amin’ny fahafolonkarena, 10 analana 1 dia tsy manome 9. Mitahy antsika amin’izay ilaintsika ary mihoatra ny Tompo . Marina ihany koa izany raha ny amin’ny Sabata. Misy andro fito ao anatin’ny herinandro, kanefa ny fiasana mandritra ny enina andro ao anatin’ny fito dia manome antsika mihoatra, fa tsy latsaka, ny amin’ireo zavatra tena ilaintsika. Saika afaka maheno ny Tompo miteny izao ianao: “Izahao toetra amin’izany Aho … raha tsy hovohako ny varavaran’ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy anareo.”12
Tsy andro fitsaharana amin’ny asa ara-batana ihany ny Sabata fa andro hamelombelona ny ara-panahy ihany koa izany; andro fitsaharana amin’ireo ahiahin’izao tontolo izao.
Nampianatra ny Filoha Joseph F. Smith fa ny fitsaharan’ny Tompo dia midika hoe “miditra ao amin’ny fahalalana sy fitiavana an’ Andriamanitra, manana finoana amin’ny fikasany sy ny drafiny, … tsy ahilangilan’ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra, na ny saim-petsy ataon’ny olona sy ny fihendriny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana.”13 (Eritrereto ny herin’ izany fampanantenana izany izay mifandray amin’ny laharampahamehantsika hanampy ny mpianatsika mba hikatsaka ny fahamarinana sy hanavaka ny fahamarinana amin’ny fahadisoana.)
Ary tsy maintsy hilaza ny fitahiana iray hafa izay tena manan-danja tokoa avy ao amin’ireto andinin-tsoratra masina ireto aho. Ny Eksodosy 31 dia mampiasa ny andian-teny hoe “hatramin’ny taranakareo fara mandimby,”14 ary ny Isaia 58 dia manao fampanantenana fa ny Tompo dia “[hamahana anao] amin’ny lovan’i Jakoba.”15 Rehefa mandalina ireo andinin-tsoratra masina ireo sy ny fiofanana izay omen’ireo mpitarika antsika ato amin’ny Fiangonana ianareo dia hahafantatra fa anisan’ireo fitahiana lehibe amin’ny fitandremana ny Sabata ho masina ny ho an’ireo zanakareo sy ireo zafikelinareo. Ny Alahady tsirairay dia fahafahana mba hampianarana ny zanakareo izay ataonareo lohalaharana eo amin’ny fiainana ary vonona ny hahafoy ireo fanirianareo manokana ianareo mba hitandremana ireo didin’ny Tompo.
Tena ho fitahiana ho azy ireo izany. Hanampy amin’ny famoronana fianakaviana manana taranaka maro mazoto ato amin’ny Fiangonana izany izay ahitana mpianatra mahatokin’i Jesoa Kristy. Ahoana no tsy ho lasa fahafinaretana izany rehefa mahafantatra ireo sy ireo fitahiana hafa mifandraika amin’ny Sabata?
4. Miaro antsika tsy ho voapentimpentin’izao tontolo izao ny Sabata
Hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fizarana 59 ny fitsipika iray hafa mikasika ny andro Sabata: “Ary mba hahazoanao miaro tanteraka kokoa ny tenanao tsy ho voapentimpentin’izao tontolo izao, dia handeha ho any amin’ny trano fivavahana ianao ary hanatitra ny fanati-pisaoranao amin’ny androko masina.”16
Misy fahafahana maro hampianarana izany fitsipika izany ao amin’ny Testamenta Taloha. Ohatra, rehefa mampianatra ny fanekempihavanana nataon’i Abrahama ianao dia hanana fahafahana hampianatra ny tanorantsika mba ho ao amin’izao tontolo izao izao fa tsy avy amin’izao tontolo izao. Hisy koa ny fahafahana hafa rehefa mampianatra ny 1 Samoela 8 ianao.
Nampiasa ity toko ity ny Filoha Spencer W. Kimball mba hampianarana lesona lalim-paka iray. Hoy izy:
“Kivy sy nalahelo ny Tompo sy i Samoela mpaminaniny … saingy nangataka mpanjaka iray ny vahoaka ‘mba ho tahaka ny firenena rehetra koa izahay.’ …
Tsy dia mifanohitra amin’izany isika ankehitriny! Te hanana ny rehareha sy ny zava-poanan’izao tontolo izao isika ka tsy tonga saina hatrany amin’ireo sazin’ny … hadalantsika. Ny tsy mpikamban’ny Fiangonana [dia mikatsaka fialam-boly amin’ny Sabata, te hampialana voly isika] na dia midika hoe fialana amin’ireo fanao amin’ny Sabata sy fandikana ny andro masin’ny Tompo aza izany. Ny olona mitovy amintsika dia manao mariazy tsy ara-pivavahana—tsy maintsy maka tahaka ny fomba fiainany sy ny lamina arahiny rehetra isika na dia mifantoka amin’ny hakanton’izao tontolo izao aza izany ka tsy mifantoka amin’ny maha-matotra ny tena fanambadiana. …
Noforonin’ny olona tsy maotina sy te hanam-bola ny karazan’akanjo izay lasa tafahoatra loatra ka mahatonga ny akanjo amin’izao fotoana izao ho lany andro. … Aleontsika maty toy izay ’tsy mahara-damaody.’ … ‘Tsy maintsy manana mpanjaka tahaka ny firenena rehetra isika!’
“Miteny ny Tompo fa hanana vahoaka miavaka Izy saingy tsy maniry ny hiavaka isika. …
Rahoaviana, eny rahoviana ny Olomasin’ny Andro Farantsika no hijoro mafy amin’ny tongotr’izy ireo sy hanangana ny fanevan’izy ireo manokana ka hanaraka ireo lamina araka ny tokony ho izy sy hiaina ny fiainana be voninahitr’izy ireo araka ny lamina nasehon’ny filazantsara.”17
Rehefa manana olana amin’ireo firehan-kevitra sy fombafomba araka an’izao tontolo izao sy ireo fitsipika sy lamaodin’izao tontolo izao ny tanorantsika dia ampio izy ireo mba hahita fa tokony ho vahoaka miavaka sy tsy voakasik’ireo fitaoman’izao tontolo izao isika.18 Ampio izy ireo hahita fa ny fitandremana ny Sabata ho masina dia fomba iray hanaovana izany, fomba iray hiaraovana ny tenan’izy ireo tsy ho voapetimpetin’izao tontolo izao.
Ny fanasan’ny Tompo
Ireo tanjon’ny fanasan’ny Tompo
Afaka miampita ve isika ankehitriny ka hiresaka mandritra ny minitra vitsy mikasika ireo tanjon’ny fanasan’ny Tompo?
Mandray ny fanasan’ny Tompo isika ho fahatsiarovana ny vatana sy ny ran’ny Zanakalahy. Izany no ilay antony nanoloran’ny Tompo ny tenany ho amin’ny fanasan’ny Tompo rehefa nanorina izany tany amin’ny Tany Masina sy tany Amerika19 Izy. Tokony ho ampahany manan-danja amin’ny zavatra iainantsika isan-kerinandro izany. Ny fanasan’ny Tompo dia fahafahana iray hahatsiarovana Azy sy izay rehetra asehon’ny vatany sy ny rany mikasika ny Fitsangan’ny tena amin’ny maty ara-bakiteny sy ny fanavotana antsika amin’ny fahotantsika ary ny fahasoavana izay ampy hiatrehana ireo olan’ny fiainana rehetra.
Mijoro ho vavolombelona amin’ Andriamanitra, ilay Ray Mandrakizay isika fa isika dia vonona ny hitondra ny anaran’ny Zanany Lahy sy hitandrina ny didiny, ka manavao ireo fanekempihavanana rehetra nataontsika amin’izany. Azonao alaina sary an-tsaina ve raha toa ka nanao izany tamim-kitsimpo isan-kerinandro ny tsirairay amintsika? Ho fahafahana hitombo ara-panahy ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo izay miafara amin’ny fampanantenan’ny Tompo fa “hanana ny Fanahiny miaraka amintsika” isika, izay mitondra fanantenana, fahasitranana, tanjaka, fiadanana ary famelan-keloka.20
Mila famelan-keloka sy fahasitranana isika rehetra ary mila mamela sy manadino ireo fankahalana izay niotrika ela tao anatintsika ny sasany amintsika. Manome antsika fahafahana hanao izany ankehitriny ny Sorompanavotana sy ny fanasan’ny Tompo.
Misy fahafahana maro hampianarana ireo tanjon’ny fanasan’ny Tompo manerana ny soratra masina sy ireo fandaharam-pianarantsika rehetra. Manome sosokevitra aho mba hitadiavantsika fomba miavaka roa farafahakeliny hanaovantsika izany. Voalohany, isaky ny mampianatra toetra na tandindona iray momba ny Mpamonjy isika dia manana fahafahana hampianatra ireo tanjon’ny fanasan’ny Tompo. Ary faharoa, isaky ny mampianatra ireo fitsipika mifandraika amin’ny fanekempihavanana isika dia manana fahafahana hampifandray ireny fitsipika ireny amin’ny fanasan’ny Tompo.
Aoka aho hizara ohatra iray amin’ny tsirairay amin’ireo karazana fahafahana roa ireo (mbola avy ao amin’ny Testamenta Taloha ihany).
1. Ireo toetra sy tandindona izay manondro antsika mankany amin’i Jesoa Kristy
Ny ohatra voalohany, izay maneho ny fampiasana ireo toetra sy tandindona momba ny Mpamonjy, dia avy ao amin’ny Levitikosy toko voalohany. Tao no nampianaran’ny Tompo ny zanak’Isiraely mba hitondra fanatitra an-tsitrapo ho an’ny Tompo. Biby izay tsy maintsy lahy tsy misy kilema ilay fanatitra, izay ho ekena mba hanaovana sorompanavotana ho an’ilay olona izay tonga mba hitsaoka. Dia novonoin’ilay olona ilay biby, ary atopin’ireo mpisorona manodidina amin’ny lafin’ny alitara ny rany.21
Tsotra ny mahita ilay tandindona sy ireo fifandraisan’izany amin’ny fanasan’ny Tompo ka mahafantatra fa rehefa hamasinina ilay olona dia ny Tompo Izy tenany mihitsy no mitondra ny fahoriany sy ny alahelony ary ny fahotany. Fifanoherana mahazendana izany hoe ny olo-marina dia ireo izay “fotsy ny fitafiana tamin’ny alalan’ny ran’ny Zanakondry.”22 Kanefa “ny Tompo dia hanao akanjo mena” Fa araka ny nolazainy hoe: “Ny rany dia efa nipitipitika tamin’ny fitafiako ka nandoto ny akanjoko rehetra.”23
Ho mahavariana izany, ny mahita ny Tompo manao akanjo mena, voahodidin’ny anjely manao akanjo fotsy. Noho ny fijalian’i Jesoa Kristy, “na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala; na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, dia ho tahaka ny volon’ondry fotsy.”24
Manaraka dia notapatapahina kely ilay fanatitra—ny lohany, ny taovany, ny tongony ary ny saborany.25 Maneho ny eritreritsika ny lohany; ny fontsika sy ireo fahatsapantsika ny taovany; ary ny asantsika ny tongony. Ilay tandindona dia mampahatsiahy antsika ny fanasan’ny Tompo rehefa manolo-tena hitia an’ Andriamanitra amin’ny fo, ny hery, ny saina ary ny tanjatsika manontolo isika.”26
Amin’ny teny hafa, araka ny nampianarin’ny Loholona Neal A. Maxwell, dia “Ny tena fanatitra an’ny tena manokana dia tsy fametrahana biby eo amin’ny alitara velively. Eo amin’ny toeran’izany dia ny fahavononana hametraka eo amin’ny alitara ilay biby ao anatintsika ka mamela izany ho levona!”27
Afaka mampiasa ny anjara asan’ireo mpisorona, “Ireo zanak’i Arona,”28 isika mba hampianarana ireo zatovolahintsika ny maha-zava-dehibe ny anjara asa tanterahin’izy ireo mandritra ny fanasan’ny Tompo. Ampianaro ireo mpisorona antsika fa izy ireo no zanak’i Aharôna, fa tsy maintsy atokana hiala amin’izao tontolo izao izy ireo, fa misolo tena ny Mpamonjy izy ireo. Ampianaro ireo mpampianatra ao amin’ny Fisoronana Aharôna fa mijoro eo amin’ny toeran’i Josefa avy any Arimatia izy ireo, mikarakara ny vatan’i Kristy. Ny sasany aminareo dia efa nanana traikefa masina tamin’ny fikarakarana ny vata-mangatsiaka iray mialoha ny fandevenana. Azonareo sary an-tsaina ve ny traikefa masina nanan’i Josefa avy any Arimatia?26 Ampio ireo zatovolahintsika mba hahatakatra fa ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo dia fivoriam-pahatsiarovana natokana ho an’ny Mpamonjy.
Nampianatra izao hevitra izao tamin’ny kôlejin’ny mpampianatra ny filohan’ny tsatòka iray. Ankehitriny dia asain’ny filohan’ny kôlejin’ny mpampianatra izay 15 taona ho tonga 30 minitra mialoha ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo ny kôlejy iray manontolo isaky ny Alahady, ka miara-mamaky ny soratra masina sy mivavaka izy ireo, ary avy eo dia manomana ny fanasan’ny Tompo izy rehetra.
Afaka mampianatra ireo diakona antsika ny anjara asa tanterahin’izy ireo ihany koa isika. Azonao sary an-tsaina ve izany hoe mpilanja ny vata-paty nisy ny Mpamonjy izany?
Ampio izy rehetra mba hahafantatra fa manaja ny fisoronany izy ireo amin’ireo fomba izay manampy ny tsirairay amintsika hahazo ireo fitahiana vokatry ny rà nalatsaka tao Getsemane sy handray ilay famelan-keloka sy fanasitranana atolotr’izany.
2. Manome fahafahana ho antsika mba hampianatra momba ny fanasan’ny Tompo ny fampianarana momba ireo fanekempihavanana
Fahafahana iray hafa ny hampianatra momba ny fanasan’ny Tompo rehefa mampianatra ireo fitsipika mifandraika amin’ireo fanekempihavanana isika.
Hitantsika ao amin’ny bokin’i Hosea ny ohatra iray momba izany, izay mampiasa ireo tandindon’ny lehilahy iray sy ny vadiny, ny famadihana nataon’ity farany, ary ny fitsapana momba ny fanambadiana ao anatin’ny fanekempihavanana hahafahana mampianatra ny fifandraisantsika amin’ny Raintsika any An-danitra araka ny fanekempihavanana. Nilaza tamin’i Hosea ny Tompo hoe “andeha hianao maka vady izay efa tena janga sy zanaky ny fijangajangana.”30 Dia naka vady an’i Gomera i Hosea. Saingy rehefa avy naka vady azy i Hosea, namelona azy ary nampiseho fitiavana ho azy dia niverina tamin’ny fomba fiainany taloha i Gomera ka namadika azy.
Ahoana no ho fahatsapanao raha toa ka i Hosea ianao? Kanefa henoy ny fomba fihetsika nasehon’i Hosea tamin’izany famadihana izany araka ireto teny ireto:
“Koa indro izaho no hitaona azy ka hitondra azy ho any an-efitra ary hanao teny malefaka hahafinaritra azy.
“Homeko azy ny tanimboalobony.”31
Dia misy fanovana mitranga ao anatin’ilay tantara ao amin’ny soratra masina ka avy tamin’i Hosea sy Gomera no nanjary ny Tompo sy ny zanak’Isiraely nanao fanekempihavanana, rehefa miteny izao amintsika Izy hoe: “Ary hofofoiko ho vadiko mandrakizay hianao; eny, hofofoiko ho vadiko amin’ny rariny sy ny hitsiny ary amin’ny fitiavana sy ny indrafo hianao.”32
Nitahy ahy tokoa ny nahita ny fahatsapana nananan’i Hosea momba ireo fanekempihavanany, ary ny mahafantatra fa izany no fahatsapana ananan’ny Tompo momba ny fanekempihavanany amintsika.
Nianatra nitia izany tantara izany voalohany aho noho ny lahateny nataon’ny Filoha Henry B. Eyring. Teo ny sasany aminareo rehefa niresaka momba ny traikefa nananany teo am-pampianarana ny Testamenta Taloha tao amin’ny seminera izy: “Noho ireo antony maro izay tsy azoko hazavaina, nandritra ireo andro nampianarako ny Hosea, dia nahatsapa zava-baovao aho, zavatra mahery vaika kokoa. Tsy tantara momba ny raharaham-barotra eo amin’ny mpiara-miombonantoka izany. … Tantaram-pitiavana izany. Izany dia tantaran’ny fanambadiana ao anatin’ny fanekempihavanana izay voafatotry ny fitiavana, fitiavana sesehena. Ny zavatra tsapako tamin’izay ary nitombo izany tao anatin’ireo taona maro dia hoe tia ahy sy anao ary ireo izay ampianarintsika amin’ny fitiavana tsy voahozongozona izay mbola mahavariana ahy hatrany sy tiako halaina tahaka amin’ny foko manontolo ny Tompo.”33
Mbola betsaka no azo ambara momba ilay tantara, saingy avelako hojerenareo indray ilay lahateny mampitolagaga nataon’ny Filoha Eyring tamin’ny Fivoariamben’ny DFF tamin’ny 1995. Ny hevitro dia manana fahafahana hampianatra fanekempihavanana isika. Ary rehefa manao izany isika dia andeha hanampy ny mpianatsika mba hahatsapa izay tsapan’ny Filoha Eyring: fa tia antsika Andriamanitra, ary finaritra mitahy antsika amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana ataontsika Izy. Rehefa manjary mahatakatra isika fa ireo ôrdônansy sy ireo fanekempihavanana dia tandindon’ny fitiavan’Andriamantira sy ny faniriana hanandratra antsika, ovaina mandrakizay amin’ny alalan’ny fanasan’ny Tompo isika.
Famaranana
Azonao alaina sary an-tsaina ve ny zavatra hitranga raha toa ka manatrika ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro ny zatovo sy ny tanoran’ny Fiangonana rehetra, ka tena hahatsiaro marina ny Mpamonjy, hahatsapa fankasitrahana noho ny Sorompanavotany, hijoro ho vavolombelona amin’ny Ray fa hitondra ny anaran’ny Mpamonjy isan’andro sy hiezaka hitandrina ny didiny ary hiaina ho mendrika ny fanomezana ny Fanahy Masina? Avy eo, mandritra ny herinandro, dia hanatrika ny kilasin’ny seminera sy institiota izy ireo izay hifantohany amin’ny anjara asa lehiben’ny Mpamonjy ao amin’ny drafitry ny Raintsika any An-danitra be fitiavana sy hampahatsiahivana azy ireo ny fanolorantenany ho mpianatr’i Jesoa Kristy? Ary raha miresaka momba ireny zavatra ireny amin’ny ray aman-dreniny izy ireo any an-tokantranony, ka hanao drafitra miaraka izy ireo mba hanao ny Sabata ho ivon’ny herinandron’izy ireo?34 Tsy ho takatry ny saintsika ireo fitahian’ny Tompo izay miandry antsika.
Aoka hofaranako amin’ny fijoroako ho vavolombelona fa raha toa ka hampianatra izany fotopampianarana izany amin-kery isika dia tsy maintsy miaina izany aloha! Raha toa ka hitandrina ny andro Sabata ho masina isika ka hahatsiaro ny Mpamonjy rehefa manavao ireo fanekempihavanana nataontsika isaky ny Alahady, dia ho lasa fahafinaretana ho antsika ny Sabata ary hitahy antsika sy ny fianakaviantsika hatramin’ny taranaka fara mandimby. Ary hampatanjaka tokoa ny fahafahantsika mitaona fanahy ireo mpianatra malalantsika izany mba hamantarany ny fomba hanampian’ny fitandremana ny andro Sabata ho masina azy ireo mba hahatakatra sy hiantehitra amin’ireo fampianarana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Hahatonga ny fankasitrahany sy ny fanolorantenany amin’ireo fanekempihavanana nataony ho lalim-paka kokoa izany amin’ny maha-mpianatry ny Mpamonjin’izao tontolo izao azy ireo.
Enga anie isika hahatsiaro Azy mandrakariva. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.
© 2015 an’ny Intellectual Reserve, Inc. Zo rehetra voatokana Fankatoavana ny teny anglisy 6/15. Fankatoavana ny fandikan-teny: 6/15. Fandikana ny “The Sabbath Day.” Malagasy. PD10054335 654