Tahirim-pitaovana
Hianareo no vavolombeloko


Hianareo no vavolombeloko

Fampitana amin’ny alalan’ny zanabolana an’ny Seminera sy Institiota•4Aogositra 2015

Feno fahamasinana ny fanahy tsapa eto ary, tahaka anareo, dia feno fankasitrahana amin’ireo zava-drehetra nampita tamintsika teto aho.

Nampianatra i Môrmôna tao anatin’ny iray amin’ireo epistiliny farany hoe:

“Fa indro, noho Andriamanitra mahalala ny zavatra rehetra, satria efa hatrizay hatrizay Izy ka ho mandrakizay, dia indro, nirahiny ny anjely hanompo ny zanak’olombelona, mba hampiseho ny momba ny fiavian’i Kristy; ary ao amin’i Kristy no hiavian’ny zavatra tsara rehetra. …

“Koa, tamin’ny fitahian’ny anjely sy tamin’ny teny rehetra izay niloaka ny vavan’ Andriamanitra, dia manomboka nampihatra ny finoana an’i Kristy ny olona; ary dia tamin’ny finoana toy izany no nihazonany ny zavatra tsara rehetra.”1

Araka ny hevitro, ianareo, ry mpampianatra seminera sy instiota, izay mampianatra vao maraina sy amin’ny fotoana malalaka, any an-trano, any am-piangonana, any amin’ny sekoly ary any amin’ny oniversite, dia anisan’ireo anjely izay nirahin’ Andriamanitra hanompo ny zanany mba hahafahany mampihatra ny finoana an’i Kristy sy mihazona ny zavatra tsara rehetra. Maneho fankasitrahana anareo aho noho ny fampianarana ny fotopampianarany madio amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina. Misaotra noho ny maha-eo anareo isan’andro, vao maraina sy hariva be, manambara ny tenin’ Andriamanitra izay “herin’ Andriamanitra ho famonjena.”2 Maneho fankasitrahana aho noho ny vadinareo izay miavaka no sady anjely koa noho ny hatsaram-panahiny feno fitiavana ary ny hery manohana entiny.

Tombontsoa masina sy lehibe ny manambara ny tenin’ Andriamanitra—Mijoro ho toy ny iray amin’ireo vavolombelony sy mampianatra fahamarinana mandrakizay. Nanambara ny tenin’ny Tompo tamin’ny vahoakan’ny fanekempihavanany rehetra ny mpaminany Isaia:

“Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, …

fa … Izaho dia Izaho ihany no Jehovah ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho. …

“…  Dia hianareo no vavolombeloko hoy Jehovah, ary Izaho no Andriamanitra.”3

Tombontsoa masina ny manampy ny taranaka vao misondrotra hianatra ny tenin’ Andriamanitra mba hahafahan’izy ireo koa hampihatra finoana sy ho tonga vavolombelon’i Kristy.

Nanao fanekempihavanana ny hitia an’ Andriamanitra sy hanompo azy ary hijoro ho vavolombelony ny zatovolahy sy ny zatovovavy izay manatrika ny fotoam-pianaran’ny seminera sy institiota manerana an’izao tontolo izao. Natao batisa izy ireo tamin’ny alalan’ny finoany an’i Kristy ary nandray ny Fanahy Masina mba hahafantaran’izy ireo ny fahamarinana sy hahafahany miteny amin’ny fitenin’ny anjely.4 Zanak’ireo mpaminany izy ireo—avy amin’ny mpianakavin’i Isiraely. “Avy amin’ny fanekempihavanana izay nataon’ny Ray [izy ireo] … , izay nilaza tamin’i Abrahama hoe: … Ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra amin’ny tany.”5

Manana fahafahana hiteny amin’ny anaran’i Kristy amin’ny alalan’ny fanahy ny zatovolahy sy ny zatovovavy rehetra amin’ny alalan’ny finoana ary “hijoro ho vavolombelo[ny] amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra ary any amin’ny toerana rehetra.”6

Ankehitriny dia ndeha isika handinika ny zavatra afaka mitranga ao anatin’ny kilasin’ny seminera na institiota iray mba hanampiana ny taranaka vao misondrotra ho lasa vavolombelon’ Andriamanitra marina. Tena manana faniriana ny ho tonga amin’izany izy ireo.

Ny volana mey tamin’ity taona ity dia nandefa fanontaniana miisa 11.000 mahery ny zatovo manerana an’izao tontolo izao ho fanomanana ilay fotoana hoe Face to Face Facebook (Fifanatrehana amin’ny facebook) niarahana tamin’ny Loholona David A. Bednar sy ny vadiny, Susan. Maro ireo fanontaniana mikasika ny fomba hamaliana ireo namana sy olona ao amin’ny fianakaviana rehefa hizara sy hanohana ary hiaro ireo fampianaran’ny filazantsaran’i Kristy. Te hahafantatra ny zavatra tokony holazaina sy hatao izy ireo. Nanazava ny Loholona Bednar fa tsy ho afaka ny hamaly ny fanontaniana rehetra izy sy ny vadiny satria sady tsy tena manam-pahalalana be no tsy tena manan-traikefa be akory izy ireo hoy izy. Saingy nilaza tamin’ny zatovo izy fa rehefa mifampiresaka izy ireo ka mikatsaka ny hanana ny Fanahy Masina ho namana dia hahazo hevitra ao an-tsaina sy fahatsapan-javatra ary fitaomam-panahy amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.7

Ny Fanahy Masina no mpampianatra. Adidy masina nampiandraiketina Azy ny hampianatra sy hijoro ho vavolombelona momba ny Ray sy ny Zanaka8 ary hanambara “ny fahamarinan’ny zava-drehetra.”9 Tena fanomezana lehibe ho an’ny zatovo iray ny mandray fahalalana azo antoka amin’ny alalan’ny Fanahy fa Rainy Andriamanitra ary fantany sy tiany izy ireo ary manana drafitra mahavariana ho azy ireo Izy! Tena fanomezana lehibe ho an’ny zatovo iray ny mandray fahalalana azo antoka amin’ny alalan’ny Fanahy fa Zanak’ Andriamanitra i Jesoa Kristy ary amin’ny alalan’ny finoana Azy sy ny Sorompanavotany dia afaka mibebaka sy afaka ny ho voadio amin’ny fahotana rehetra izy ireo ary ho sitrana amin’ny fanaintainana sy ny fijaliana rehetra ka hanana fahafahana hivoatra sy hivelatra ary hahazo ilay anjarany masina! Ny Fanahy no fiteny mampita ny fitiavan’ Andriamanitra. Mitory ny filazantsara amin’ny alalan’ny Fanahy isika mba hahafahan’ny zatovolahintsika sy ny zatovovavintsika mandray amin’ny alalan’ny Fanahy,10 mba hahafahany mahita, mahatsapa sy mahafantatra ary ho vavolombelona manambara ny Mpamonjy sy mijoro ho vavolombelony araka ny efa nambaran’ireo mpaminany mialoha.11

Ry rahalahy sy rahavavy, betsaka ireo zavatra tokony hianarako mikasika ny fampianarana sy ny fianarana saingy izao no fantatro: Ampisehoan’ireo mpaminanintsika sy mpahitantsika ary mpanambarantsika antsika fa afaka mampianatra sy mianatra miaraka amin’ny hery lehibe kokoa mitondra fiovampo sy miaraka amin’ny tanjona manan-danja lavitra kokoa isika. Vao haingana aho tao amin’ny Foibe Fanofanana Misiônera tao Provo, Utah no nijery ireo Apôstôlin’ny Tompo nandroso fitsipika enti-mampianatra sy enti-mianatra izay nanome fahafahana ny Fanahy Masina hiteny tao am-po sy tao an-tsain’ny tsirairay tamin’ireo filohan’ny misiôna sy ireo vadiny sy hamaly ny fanontanian’izy ireo ary hampitsika ao amin’izy ireo ilay fitaomam-panahy mifanandrify amin’ny zavatra ilainy. Tsy nijoro fotsiny teny amin’ny polipitra mba hanao lahateny ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, izay izany mihitsy no tokony ho izy ao anatin’ny toe-javatra sasantsasany. Nampiseho lamina napetraky ny Tompo ho an’ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana izy ireo.”12 Nanome torolalana ny Tompo hoe: “Manendre mpampianatra iray eo anivonareo, ary aoka tsy indray ho mpitondra teny ny rehetra; fa aoka hiteny tsirairay ary hihaino izay lazaina ny rehetra, ka rehefa avy miteny ny rehetra, dia ho azo aorina ny rehetra amin’ny alalan’ny rehetra mba hananan’ny olona tsirairay zo mitovy.”13

Ny tanjon’ny fianarana araka ny namaritan’ny Tompo azy dia ny hanasa ny Fanahy mba ho mpampianatra mba hahafahan’ny zatovontsika hahazo fitaomam-panahy hamaliana ny fanontanian’izy ireo ary mba “[hampisehoan’ny Fanahy Masina azy ireo] ny zavatra rehetra tokony hataon’[izy ireo] .”14

1. Miomàna hianatra

Voalohany, miomàna hianatra. Mitaky fiomanana mialoha ny ankamaroan’ny zavatra ataontsika eo amin’ny fiainana. Tokony hanao zavatra bebe kokoa noho ny fanatrehana fotoam-pianarana fotsiny isika mba hahazoana fahalalana mandrakizay. Nampianatra ny vahoaka Nefita ny Mpamonjy fa tokony hisaintsaina ny teniny sy hivavaka izy ireo mba hahazoana fahatakarana.15 Fony izy mbola zatovolahy dia nahita an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy i Joseph Smith tao anatin’ny fahitana satria namaky ny soratra masina izy ary nieritreritra “ombieny ombieny”16 ireo teny tao anatin’izany. Nahita ny fanavotana ny maty tao anatin’ny fahitana ny Filoha Joseph F. Smith noho ny fisaintsainany andinin-tsoratra masina izay novakiny sy nohalalininy.17

Na dia alohan’ny hidirana ny efitrano fianarana aza dia manasa ny mpianatra isika mba hivavaka sy hieritreritra ireo tenin’i Kristy mba ho vonona ny handray fahalalana amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina ny fony sy ny sainy. Hoy ny Tompo hoe: “Katsaho aloha ny hahazo ny teniko, ary amin’izay dia hovahana ny lelanao; amin’izay raha irinao, dia hanana ny Fanahiko sy ny teniko ianao, eny, ny herin’ Andriamanitra ho fandresen-dahatra ny olona.”18

2. Mifampiresaha hanazavana ny saina amam-panahy

Faharoa, mifampiresaha hanazavana ny saina amam-panahy. Manome fahafahana ny zatovo hiteny isika rehefa manome fahafahana ny mpianatra mba handray anjara. Rehefa miara-mianatra ny tenin’ny mpaminany izy ireo sy mamaly fanontaniana miavaka ary mifanakalo hevitra momba ireo heviny sy ny zavatra tsapany ary mamaly ny fanontaniana sy ny olan’ireo mpiara-mianatra aminy dia manazava ny sainy ny Fanahin’ny Tompo ary mampivelatra ny fahatakarany.19 Mianatra miresaka amin’ny anaran’ny Tompo “amim-piheverana sy amin’ny faneren’ny Fanahy”20 izy ireo. Ny fizaran’izy ireo ny zavatra nampianaran’ny Fanahin’ny Tompo azy ireo dia manampy azy ireo handresy ny tahony sy hifanome hery eo amin’ny fiarovana ny fitsipi-pitondrantena ambony sy ny fahamarinan-toetra. Miomana mba hamaly ireo izay miahiahy ny amin’ny finoany na manaraby azy ireo na miampanga azy ireo ho toy ny olona nilaozan’ny toetr’andro na tery saina izy ireo.

Tena mahavariana ny mijery ao anatin’ny soratra masina hoe impiry ilay mpaminany vao voantso iray no nahatsapa hoe tsy mahay miteny izy. Nihiaka i Enoka hoe: “Mbola zatovolahy … aho ary mankahala ahy ny vahoaka rehetra.”21 Saingy toa tsy niahiahy be loatra mikasika izay mety ho fahalemena na sakantsakana ny Tompo. Namaly Izy hoe: “Mandehana ary ataovy izay efa nandidiako anao. … Sokafy ny vavanao dia hofenoina izany ary homeko izay holazainao.”22

Manantena ny rehetra izay mitandrina ny fanekempihavanany ny Tompo mba hijoro ho vavolombelo[ny]. Hoy izy hoe: “Sokafy ny vavanareo, dia hofenoina izany, ary ianareo ho tonga tahaka an’i Nefia fahiny.”23

Nanazava mikasika an’i Nefia fahiny i Lehia Rainy hoe: “Tsy izy fa ny Fanahin’ny Tompo kosa izay tao aminy no nanokatra ny vavany mba hiteny ka dia tsy hainy nakombona izany.”24

Ankoatra ny any an-trano dia tsy misy toerana tsara kokoa angamba hanafiana hery ny zatovo mba hiteny amin’ny anaran’ny Tompo “amin’ny fahononam-po, amin’ny fanahin’ny fahamorana,”25 noho ny miaraka amin’ny mpiara-mianatra aminy ao amin’ny kilasin’ny seminera sy institiota. Manasa azy ireo isika mba hifampiresaka hanazavana ny saina amam-panahy mba hahafahan’izy ireo ho “vonona mandrakariva hamaly izay manontany … ny amin’ny anton’ny fanantenana izay ao anatin’[izy ireo] nefa amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana.”26

3. Manolora fanasana handray andraikitra

Fahatelo, manolora fanasana handray andraikitra. Ao anatin’ny fiainana ny filazantsara no mampisy lanjany izay teny nolazain’ny zatovolahy iray na zatovovavy iray. Ny fanasana mba handray andraikitra dia fanasana mba hanajan’izy ireo ny fanekempihavanany hanaraka ny Mpamonjy sy handray andraikitra izay “[tsy atao amin’ny] fihatsarambelatsihy sady tsy misy fitaka eo anatrehan’ Andriamanitra.”27 Ny fanasana atolotra ny zatovontsika dia ny mba handraisany andraikitra eo anatrehan’ny bitsiky ny Fanahy sy ny hampiharany ireo fitsipiky ny filazantsara amin’ny fomba tsotra. Nampianatra ny Mpamonjy hoe: “Raha misy olona ta-hanao ny sitrapon [’ Andriamanitra], dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy.”28 Tsy maintsy miaina mifanaraka amin’izay zavatra fantany ny zatovontsika raha ho vavolombelon’ Andriamanitra.

Izaho dia nandinika tahaka anareo ny finoan’ny zatovontsika izay mahatakatra ny dikan’ny hoe mirotsaka an-tsehatra amim-pahavononana sy “[m]anao zavatra … ka hahatonga fahamarinana fatratra.”29 Ohatra iray amin’izany ny tany amin’ny fanaovana diaben’ny mpisava lalana iray izay natrehako.

Nitarika sarety tarihin-tanana teny amin’ny ampahan’ilay lalana nodiavin’ireo mpisava lalana tany am-piandohana tany Wyoming, Etazonia ireo zatovo. Tonga teo Gravel Hill izy ireo izay “fidinana lava sy misolampy indrindra… hatramin’ny [nialana] tany Winter Quarters.”30 Taona maro tany aloha, tamin’ny 9 Jolay 1847, ny vondron’olona mpisava lalana tany am-piandohana niaraka tamin’i Brigham Young dia nanisy rojo vy matevina teo amin’ny kodiarany mba hanakanana azy ireo tsy hivadika ka hahafahana mandeha amin’ilay fidinana. Saingy ho an’ireto fianakaviana mpisava lalana mbola tanora ireto izay nitarika sarety tamin’io andro io dia nisy mpikambana vitsy avy ao amin’ny vondrona tsirairay nitarika ny sarety avy eny aloha ary ny ankamaroan’izy ireo dia nijoro tany aoriana nihazona izany mba tsy hikodiadia tsy hisy fijanonany eo amin’ilay fidinana misolampy.

Nampahatahotra izany. Tsy dia tena nahazo toerana tsara ny tongotra sy mety nibolisatra ary ny famikirana ireo sarety tarihin-tanana koa dia nitaky ny hery rehetra nananan’izy ireo. Tsy afaka nanampy na tamin’ny inona na tamin’ny inona aho ka dia nijoro teny am-pototr’ilay havoana nijery niaraka tamin’ny fanaovana vavaka mafy tao am-poko fa hizotra tsara ny zava-drehetra.

Tafidina soa aman-tsara ny sarety tarihin-tanana voalohany rehefa avy nandalo teo ambonin’ny vato lehibe iray. Raha iny nitodika hijery ny fidinan’ny sarety manaraka iny aho dia nahita zatovolahy efatra nihazakazaka nandalo teo amiko niverina niakatra teny amin’ilay havoana. Nanganohano ny masoko ary feno fankasitrahana ny foko rehefa nahita fa raha vao tafapetraka soa aman-tsara teny amin’ny tany lemaka ny saretin’izy ireo dia tsy nisy resaka fa tonga dia niverina nihazakazaka indray nanampy ilay sarety manaraka ireto zatovolahy mahatoky ireto. Niverimberina nanampy tamin’ny fampidinana soa aman-tsara ireo sarety tarihin-tanana rehetra izy ireo. Nanentana zatovo maro hafa mba hanao toy izany ny ezaka nataon’izy ireo ary fotoana fohy taorian’izany dia teny an-dalana nankany amin’ny toeram-pilasiana ny hariva ireo sarety tarihin-tanana rehetra.

Ny zavatra tsy fantatry ny zatovontsika dia ny hoe fijoroana ho vavolombelona ho an’ny zatovolahy iray tsy mpikambana ato amin’ny Fiangonantsika ny ohatra tsara nasehon’izy ireo tany Gravel Hill sy ireo ohatra maneho fijoroana ho vavolombelona teny an-dalana na tamin’ny alalan’ny teny izany na tamin’ny alalan’ny asa. Nilaza i Jack taty aoriana hoe rehefa nandray anjara tamin’ilay dia izy dia nahafantatra fa tsy mpihatsaravelatsihy araka ny nieritreretany azy ny Môrmôna. Hitany sy tsapany fa tena misy izy ireo. Miaina izay zavatra inoany izy ireo. Nahatsapa ny Fanahy i Jack ary mikasa ny hanaraka ireo lesona zarain’ny misiônera.

Tsy mila mitarika sarety tarihin-tanana midina amin’ny havoana vatovatoana vao ho vavolombelon’ Andriamanitra ny zatovontsika, saingy miatrika fanoherana lehibe izy ireo matetika eo am-piezahany amin-kerimpo mba hijoro amin’ny fahamarinana. Afaka manampy ny zatovolahy sy ny zatovovavy tsirairay mba hampihatra finoana an’i Kristy sy handray ny Fanahy Masina ny mpampianatra ao an-dakilasy. Ampio izy ireo hianatra amin’ny alalan’ny fivokisana amin’ny tenin’i Kristy. Mifampiresaha hanazavana ny saina amam-panahy amin’ny alalan’ny firesahana ny tenin’i Kristy. Ary manolora fanasana mba handray andraikitra amin’ny alalan’ny fankatoavana ny tenin’i Kristy mba hahafahan’izy ireo ho feno ny Fanahin’ny Tompo. Ary amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina dia afaka ny ho vavolombelon’i Kristy izy ireo izay milaza izay mety ho nolazainy sy manao izay mety ho nataony ary ho tonga tahaka Azy mihitsy aza.

Mijoro ho vavolombelona aho fa Raintsika Andriamanitra ary tonga lafatra ny fitiavany antsika tsirairay avy. Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy dia Zanakalahy masin’ Andriamanitra, Mpamonjy sy Mpanavotra antsika ary tonga lafatra ny fitiavany antsika. Mijoro ho vavolombelona aho fa tao anatin’ny fitiavana tonga lafatra dia niseho tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ny Ray sy ny Zanaka ary namerina ireo lalàna sy ôrdônansin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy teto an-tany. Mpaminany marina izay mitarika ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ankehitriny ny Filoha Thomas S. Monson. Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa mampihatra finoana an’i Kristy sy mandray ny Fanahy Masina isika dia afaka miaraka mijoro daholo mba ho vavolombelony. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy