Tahirim-pitaovana
Tsarovy ary miasà


Tsarovy ary miasà

Fampitana amin ny alalan ny zanabolana an’ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara•4 Aogôsitra2015

Tamin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana dia nilaza ny Loholona Marlin K.Jensen hoe: “Raha mifantoka tsara amin’ny fampiasana ny teny hoe tsarovy ao amin’ny soratra masina isika dia hahalala fa ny fahatsiarovana amin’ny fomban’ Andriamanitra dia fitsipika fototra sy mitondra famonjena ao amin’ny filazantsara.” Amin’ny fomba ahoana no mahatonga ny fahatsiarovana ho “fitsipika fototra sy mitondra famonjena”? Notohizan’ny Loholona Jensen izany hoe: “Ny antony mahatonga izany dia satria ireo fampitandreman’ny mpaminany hahatsiaro dia matetika no mitaky asa mba hihaino, hahita, hanao, hankato, hibebaka.”1

Mahita ohatra momba izany isika izay voarakitra ao amin ’ny Bokin’i Môrmôna. Nantsoin’i Helamàna hoe Nefia sy Lehia ny zanakalahiny ka nambarany tamin’izy ireo ny antony mahatonga izany:

“Indro, efa nomeko anareo ny anaran’ny ray aman-drenintsika voalohany izay nivoaka avy tao an-tanin’i Jerosalema; ary izany no efa nataoko dia ny hahazoanareo mahatsiaro azy rehefa mahatsiaro ny anaranareo ianareo; ary rehefa mahatsiaro azy ianareo, dia ny hahazoanareo mahatsiaro ny asany; ary rehefa mahatsiaro ny asany ianareo dia ny hahazoanareo mahafantatra fa voalaza ary koa voasoratra fa tsara ireny.

“Noho izany, ry zanako, dia mba tiako ny hanaovanareo izay tsara.”2

Io fomba iray hahatsiarovana io dia azo ampiasaina ho toy ny fitsipika fototra sy mitondra famonjena: afaka manampy antsika hiasa araka ny tokony ho izy sy amin’ny fomba marina izany. Noho io antony io dia amporisihina isika ato amin’ny Fiangonana mba hahatsiaro ireo izay lasana talohantsika: ireo ao amin’ny tantaram-pianakaviantsika, ireo ao amin’ny tantaran’ny Fiangonana, ireo ao amin’ny soratra masina, ary indrindra, mba hahatsiaro ny Mpamonjy Izy Tenany.

Ny vehivavy Jiosy mbola tanora iray izay maty nandritra ny fanenjehana tamin’ny Ady Lehibe Faharoa dia nanome famariparitana mahafinaritra mikasika ny fomba ahafahan’ireo olona tany aloha mitahy ny fiainantsika. Nanoratra izy hoe: “Misy ireo kintana izay hita eto an-tany ny fahazavany na dia efa maty elabe aza. Misy ireo olona izay manohy mamirapiratra ho an’izao tontolo izao ny fahazavany na dia tsy eo anivon’ny velona intsony aza izy ireo. Amin’ny alina maizina no tena mamirapiratra ireny fahazavana ireny. Manazava ny lalana ho an’ny olombelona izy ireo.”3

Miantefa amin’ny tantaran’ny seminera sy institiota koa io fitsipika io. Maro ireo zavatra ao amin’ny tantarantsika izay mendrika hotsarovana. Noho io antony io no nanoratana ny tantaran’ny seminera sy institiota fianarana ny filazantsara. Faly izahay mampilaza fa atsy ho atsy dia ho hita en ligne na hatonta printy ny tahadikan’io tantara io. Manantena izahay fa hovakiana sy ho lasa loharanon-kevitra manan-danja izany mandritra ny fandalinana ataontsika manokana sy iarahan’ny daholobe. Io tantara io dia afaka manampy antsika hianatra avy amin’ireo olona izay nahatonga ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara amin’izao endriny ankehitriny izao. Manohy ny asa izay nataon’izy ireo isika ka migoka ny lova marobe izay navelany ho antsika. Ary na dia maro aza no efa nodimandry efa ela dia mbola afaka ny ho fanilo mitarika ihany izy ireo eo am-pandrosoantsika mankany amin’ny hoavy. Manantena izahay fa rehefa mahatsiaro azy ireo isika dia hitarika antsika hahatsiaro ny asany izany ka hanao zavatra.

Te hizara tantara vitsivitsy avy amin’ireo tantarantsika mandritra ny fotoana fohy aho amin’izao maraina izao. Izy ireo dia tantaraina amim-panantenana fa rehefa mahatsiaro ireo izay nanorina teo alohantsika isika dia te haka tahaka azy ireo—dia ny faniriany sy ny ezaka nataony.

Tao anatin’ny lahateniny hoe “The Charted Course of the Church in Education” ny Filoha J. Reuben Clark Jr. dia nilaza fa ny zavatra takina voalohany amin’ny mpampianatra filazantsara dia ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny tena manokana “fa i Jesoa no Kristy ary mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith.”4 Io fijoroana ho vavolombelona io dia nandrisika ireo mpampianatra filazantsara mahatoky sy ireo fianakaviany hanaiky ireo andraikitra sarotra sy manahirana ary hahafoy ny ankabeazan’ny hambom-po sy ny fifalian’ny tena manokana. Izy ireo dia ohatra maneho Filoha Gordon B. Hinckley izay niresaka momba ny tenany hoe: “Tsy haiko ny fomba ahavitana zavatra raha tsy mandohalika aho ary mitalaho hahazoana fanampiana ary avy eo mitsangana dia mandeha miasa.”5 Iray amin’ny olona toy izany i Ray L. Jones, izay nangatahana mba hanomboka ny fandaharam-pianarana seminera vao maraina ho an’ny Fiangonana.

“Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny aprily 1950 dia nihaona tamin’ny Loholona Joseph Fielding Smith ny filohan’ny tsatòka 10 tao amin’ny vondrom-paritra Los Angeles mba handinihana ny mety hanaovana karazana fandaharam-pianarana seminera ho an’ireo zatovo ao amin’ny vondrom-paritra misy azy ireo.” Tsy azon’izy ireo antoka ny fomba hanaovana izany satria tsy navelan’ny fanjakana natao ny fampianarana filazantsara mandritra ny ora fampianarana mahazatra.

I Franklin L. West, izay tompon’andraikitra ao amin’ny departemantan’ny fampianarana an’ny Fiangonana, dia nahalala ny fisian’ireo kilasin’ny seminera sasantsasany tao Utah izay natao talohan’ny ora fidiran’ny mpianatra any an-tsekoly ka nahita fa mety ho vahaolana amin’ny fangatahana nataon’ny tao amin’ny faritra Atsimon’i Californie io fomba fanao io. “Niangavy an’i Ray L. Jones, izay lehiben’ny seminera tao Logan, [Utah], ilay tompon’andraikitra raha toa ka vonona ny handeha ho any Californie izy hanomboka ilay fandaharam-pianarana. Satria ny Rahalahy Jones dia efa nahazo aina tao amin’ny asa nampanaovina azy tamin’izany fotoana izany sy nipetraka tao amin’ny trano vao novidiana dia naneho fisalasalana … izy raha tokony ho izy tokoa ilay olona hanomboka ilay fandaharanasa.”

Tsindrin-daona ny tompon’andraikitra West mba hanombohana ilay fandaharanasa ka “nanoro hevitra ny Rahalahy Jones fa afaka mamela ny fianakaviany any Logan izy ary ‘mivezivezy’ matetika mankany Los Angeles fotsiny—izay halavirana mihoatra ny 1126.54 kilaometatra. Nony farany dia nanaiky hivavaka mikasika io raharaha io ny Rahalahy Jones. Rehefa avy nandany fotoana nieritreretana izy dia nanapa-kevitra ny hahafoy ny tranony tany Logan ka hifindra tanteraka tany Los Angeles mba hanombohana ilay fandaharanasa.”6

Tahaka an’i Nefia izay nilaza hoe: “Notarihin’[ny] Fanahy aho, tsy nahafantatra mialoha ny zavatra izay tokony hataoko,”7 dia nandeha tany amin’ny faritra Atsimon’i Californie i Ray L. Jones.

Tsy nomen’ny Fiangonana vola izy ho an’ny diany, ka dia niasa ho mpanampy tamin’ny fitondrana fiaran-dalamby mpitondra andian’omby izay nitatitra omby avy any Utah mankany Californie ny Rahalahy Jones. Nony farany dia nafindrany tany Los Angeles ny fianakaviany dia nanampy tamin’ny fandaminana ny filankevi-pitantanan’ny fampianarana teo an-toerana izy. Ny filohan’ny tsatòka teo amin’izany toerana izany, i Howard W. Hunter no lehiben’ilay filankevi-pitantanana, ary ny sisa ambiny dia azonao vinavinaina.8 Ilay fandaharanasa nanomboka tamin’ny 1950 izay nahitana mpianatra 195 tao anatin’ny kilasy fito dia lasa maherin’ny ampahefatry ny mpianatra iray tapitrisa any amin’ny firenena 136 tao anatin’ny 65 taona.

Hita miharihary ombieny ombieny ao am-pon’ireo mpampianatra filazantsara manerana an’izao tontolo izao izany fihetsika feno fanoloran-tena izany. Henoy ity tantaran’ny iray amin’ireo mpampianatsika tany Mongolie ity, izay nandre ny torohevitra avy amin’ny mpitarika azy ao amin’ny fisoronana ka nandeha niasa tao anatin’ny toe-javatra sarotra mba hanatanterahana izany:

Nahazo ny mari-pahaizana Doctorat teo amin’ny sehatry ny ala i Odgerel Ochirjav, izay vao niova fo tato amin’ny Fiangonana, ka niasa ho toy ny mpikaroka tany Mongolie izy rehefa niangaviana hiasa ho mpandrindra amin’ny fotoana feno ny seminera sy institiota. Tamin’ny voalohany dia nandà ilay tolotra izy kanefa tamin’ny farany dia nanaiky ihany. Tamin’ny nôvambra 2008 Rahalahy Odgerel sy i Patrick Cheuck, ny talen’ny faritra misy azy, dia nihaona tamin’ny filohan’ny misiôna. Nanontany ilay filoha hoe nahoana no tsy natao tany Mongolie ireo kilasin’ny seminera vao maraina. Namaly “Rahalahy Ochirjav hoe: ‘Filoha a ! aty Mongolie anie isika e! Mangatsiaka sy feno alika masiaka ary tsy misy fitateram-bahoaka aty.’ Herintaona taty aoriana dia nihaona indray izy telo ka nametraka io fanontaniana io ihany ilay filohan’ny misiôna. Namaly indray Rahalahy Ochirjav hoe: “Mangatsiaka sy feno alika masiaka ary tsy misy fitateram-bahoaka aty.” Taorian’ilay fivoriana dia nantsoin-dRahalahy Cheuck Rahalahy Ochirjav ka hoy izy: “Odgerel, rehefa mangataka anao hanao zavatra iray ireo mpitarika anao ao amin’ny fisoronana dia mila tanterahanao izany!” Dia namaly Rahalahy Odgerel ka nanao hoe: ‘Patrick, tsy azonao mihitsy ny haizina Mongôliana, ny hatsiaka Mongôliana, ny alika Mongôliana, ary ny hoe tsy misy fitateram-bahoaka!’ Dia nifarana teo ilay fifampiresahana.

“Taoriana kelin’izay dia namaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85:8 Rahalahy Ochirjav, ka nisarika ny sainy ilay andian-teny hoe ‘hanohana ny fiaran’ Andriamanitra.’ Namaky … ilay teny nataon’ny Filoha David O. McKay tao amin’ny boky torolalana ho an’ny institiota izy, izay nilaza fa ireo izay mitady “hanohana ny fiaran’ Andriamanitra” dia ho faty ara-panahy tsy ho ela. Nanoratra Rahalahy Ochirjav taty aoriana hoe: ‘Satria tsy te hamoy ny Fanahy aho dia nanomboka nandamina ny fandaharam-pianarana seminera vao maraina ho an’i Mongolie. Nahagaga fa nientanentana momba ilay hevitra ireo mpitarika anay tao amin’ny fisoronana’”9 Tamin’ny volana septambra 2009 dia nanomboka tamin’ny mpianatra 140 izy ireo ary tamin’ny volana martsa dia 352 no nanatrika, ka niaritra ny ririnina faran’izay mamirifiry indrindra tao Mongolie tao anatin’ny 30 taona—ririnina izay eo amin’ny miiba 32 degrés eo ny salan’ny maripana.

Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana iray dia nilaza ny Eveka Victor L. Brown hoe: “Eo amin’izao tontolo izao dia maro ireo fikambanana na governemanta, eny fa na ny fiangonana, na ireo fianakaviana aza dia mitsipozipozy satria matahotra ny hangataka ny olona hanao fahafoizan-tena izy ireo. Tena zava-dehibe ny tsy hanaovantsika fahadisoana tahaka izany.”10

Mamelà ahy ianareo haka fotoana fohy hisaorana anareo, amin’ny anaran’ny fitantanana, noho ireo fahafoizan-tena izay ataonareo rehetra. Maro amin’ireo zavatra manan-danja indrindra ataonareo mba hitahiana ireo tanora no tsy voatsikaritra ary tsy hiseho na oviana na oviana any anaty tatitra. Mino aho fa hitombo hatrany ny asa fanompoana sy ny fahafoizan-tena ato amin’ny fikambanantsika. Misaotra. Rehefa mihira ny iray amin’ireo fihiranantsika isika dia enga anie “ny fahasoavana hirotsaka tokoa”11 eo aminareo sy amin’ny olon-tianareo vokatry ny fahafoizan-tenanareo.

Ireo fandaharam-pianarana seminera sy institiota mahomby dia mitaky lalandava an’ireo mpampianatra filazantsara mba hanana fiaraha-miasa tsara amin’ny hafa, anisan’izany ireo ray aman-dreny sy ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana, ny mpiandraikitra ao am-pianarana ary ireo mpikambana ao amin’ny fiarahamonina. Tsy maintsy maneho mandrakariva amin’ny alalan’ny ohatra ny Fanahin’i Kristy sy ny filazantsarany ny fitondrantenantsika sy ny fiarahantsika miasa amin’ny hafa.

Hoy ny Loholona Robert D. Hales: “Ny fomba itondrantsika ny fianakaviantsika, ny mpifanolobodirindrina amintsika, ny mpiara-miombon’antoka amintsika, ary ireo rehetra izay mifanena amintsika dia samy hanambara avokoa raha toa ka nandray ny anarany eo amintsika isika ka mahatsiaro Azy mandrakariva.”12 Io karazana fitondrantena io dia hita niharihary teny amin’ilay talen’ny institiota voalohany indrindra, dia Rahalahy J. Wyley Sessions.

Rehefa avy filohan’ny misiôna tao Afrika Atsimo nandritra ny fito taona Rahalahy Sessions dia niangavian’ny Fiadidiana Voalohany izy sy Rahavavy Sessions mba hifindra monina tany Moscow, Idaho, mba hanomboka ny fandaharam-pianarana institiota. “Raha nandray an-tanan-droa an-dRahalahy Sessions sy ny fianakaviany ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Moscow, Idaho dia nandray azy tamim-piahiahiana kosa ny vondron’olona sasany teo amin’ny fiarahamonina. Nampitombo ilay tsy fifampitokiana ny tsy tena fahafantarana marina ny asa nampanaovina azy tao Moscow. … Naniraka kômity iray mihitsy aza ireo mpandraharaha maromaro teo an-toerana mba hiambina azy sy haka antoka fa tsy hanao izay hampidirana an-keriny ny ‘fampianarana Môrmôna’ tao amin’ilay oniversite izy.

Niditra ho mpikambana tao amin’ny fikambanana ara-piarahamonina maromaro Rahalahy Sessions mba hifandraisany tamin’ireo olona izay tsy vonona ny hiresaka aminy raha tsy amin’izay fomba izay ihany. Taorian’ny fifanesen’ny fisakafoanana fanao indroa isan-kerinandro nataon’ny Antenimieran’ny Varotra dia niezaka izy ny hipetraka teo akaikinʼilay lehilahy izay lehiben’ny kômity notendrena hanohitra ny asany. Tamin’ny iray tamin’ireo fisakafoanana ireo dia hoy io lehilahy io: ‘…Olona mahavariana ianao ity. Notendrena ho ao amin’ny kômity misahana ny fandroahana anao hiala an’i Moscow aho, ary isaky ny mahita anao dia tonga eto ianao feno halemem-panahy hany ka mihatiako bebe kokoa foana ianao.’ Namaly Rahalahy Sessions hoe: “Tsy niova aho. Tokony ho mpinamana fotsiny isika.” Nitantara Rahalahy Sessions fa lasa iray tamin’ireo namany akaiky indrindra io lehilahy io nandritra ny fijanonany tao Moscow.”13

Hoy ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: “Ary tsy misy afaka manampy amin’ity asa ity, raha tsy manetry tena izy ary feno fitiavana.”14 Tsy afaka manao ny asan’ny mpampianatra filazantsara isika raha tsy atosiky ny fitiavana: ny fitiavana ny Tompo, ny fianakaviantsika, ny mpianatsika, ary ireo izay miara-miasa amintsika.

Tamin’ny 1978 dia niresaka tamin’ireo mpiasa ao amin’ny departemantan’ny fampianarana an’ny Fiangonana ny Loholona Gordon B. Hinckley ka nilaza hoe:

Aoka ny fitiavana no fitsipika hitarika anareo. Io no hery faran’izay lehibe indrindra eto an-tany. …

Voleo … ao am-ponareo ny fitiavana ireo [mpianatra] izay ampianarinareo indrindra indrindra fa ireo izay tena sarotra hifandraisana. Tena mila anareo izy ireo, ary ny fahagagana izay ho tonga eo amin’ny fiainany rehefa miara-miasa amin’izy ireo ao anatin’ny fanahy feno fankaherezana sy halemem-panahy ianareo dia hitondra fifaliana sy fahafaham-po eo aminareo mandritra ny androm-piainanareo ary tanjaka sy finoana mbamin’ny fijoroana ho vavolombelona ho azy ireo.”15

Indraindray dia mety sarotra ho antsika ny mitia ny mpianatra sasantsasany na ireo olona hafa izay miara-miasa amintsika. Dia inona no tokony hatao amin’izany toe-javatra izany? Ananantsika ao anatin’ny tantarantsika ny tantaran’ny mpitantana iray teo aloha sy ny fahasarotana nananany tamin’ny fitiavana ireo izay nasaina niara-niasa taminy. Mariho kely azafady ao anatin’ity tantara ity ny hoe inona ny zavatra namela azy hitia nony farany.

Rehefa nivelatra teo amin’ny lafiny iraisam-pirenena ny Fiangonana, ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara dia niatrika ny fanamby mba hanome fampianarana ara-pilazantsara tany amin’ny firenena sy kolontsaina ary fiteny vaovao. Tamin’ny voalohandohan’ny taona 70 dia naverina narafitra ny fitantanana ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara ka nomena faritra iraisam-pirenena mba harahana maso ireo mpitantana mpanampy.

I Frank Day izay iray amin’ireo mpitantana mpanampy dia miaramila tamin’ny Ady Lehibe faha II. Niady tany Pasifika Atsimo izy ary nampianarina hankahala ny fahavalony. Niahiahy Rahalahy Day tamin’izay fa mety hotendrena hiasa miaraka amin’ny olona any Azia izy.

Toy izay efa natahorany dia nangataka azy Rahalahy Joe J. Christensen, izay tompon’andraikitra mpanampy misahana ny departemantan’ny fampianaran’ny Fiangonana, mba hanara-maso ny faritra Pasifika Atsimo sy Azia. Rehefa nisidina namakivaky ny Ranomasimbe Pasifika nankany Japana Rahalahy Day dia mbola nivaivay tao anatiny ny fahatsapana nananany nandritra ilay ady, na dia nivavaka tamin-kitsimpo aza izy mba hitsaharan’izany. Rehefa niomana ny hidina ny fiaramanidina Rahalahy Day dia feno tebiteby izy. Nandeha namakivaky ilay seranam-piaramanidina izy ka nanatona ny filohan’ny misiôna. Rehefa nijery ny endrik’ilay filohan’ny misiôna izy dia nahita fitiavana nisoritra teny ka heniky ny fahatsapana fitiavana koa. Nitsahatra avokoa ny fahatsapana ratsy rehetra nananany teo aloha.16

Nilaza Rahalahy Day fa nivavaka tamin-kitsimpo izy ary ny Fanahin’ny Tompo no nitondra fitiavana tao am-pony izay tsy nisy ara-boajanahary tao. Afaka manao tahaka izany isika. Nanoro hevitra i Môrmôna hoe: “Mivavaha amin’ny Ray amin’ny herin’ny fo manontolo mba hahazoana mameno anareo amin’izany fitiavana izany.”17

Io Fanahy io dia afaka mankahery sy mampitraka antsika ihany koa rehefa tonga ny fotoana ahatsapantsika ho irery, na tsy ankasitrahana na kivy.

I Bob sy i Gwenda Arnold dia nasaina nifindra monina tany Guatemala mba hanomboka ny fandaharam-pianarana seminera sy institiota tany. Toy izao ny fanoritsoritan-dRahalahy Arnold ny fahatsapana nananany teny an-dalam-podiana taorian’ny fahavitany ilay asa nampanaovina azy: “Mety ho tamin’ny roa ambiny folo sasany alina na tamin’ny iray maraina tamin’izay. Tamin’izay aho dia nahatsiaro tena ho irery ka nahatsapa hoe tsy nisy olona teto amin’izao tontolo izao nahalala ny nisy ahy. Nieritreritra ny fianakaviako fa natory tany amin’ny toerana iray aho. Tsy nahafantatra ny zavatra nataoko ny olona tany Etazonia. Nahatsapa tena ho irery tokoa aho. Rehefa namily fiara namakivaky ny [faritra feno ala] mahafinaritra iray aho, sady feno kintana mamirapiratra ny lanitra, dia nanopy maso tany ambony ka nibitsika ny Fanahy hoe: ‘Fantatro ny misy anao.’ Nisinda ilay fanirery ka nitomany fatratra aho nandritra ny dia sisa ambiny tamin’ny fandehanana mody. Ilay fahatsapana fifaliana sy fiadanana dia avy amin’ny fahafantarana fa ny Raiko any An-danitra dia nahalala ny momba ahy sy momba ny zavatra izay nataoko.”18

Raha mampianatra zavatra iray antsika ny tantaran’ny seminera sy institiota dia azo antoka fa izany dia ny fananana fankasitrahana noho ny tombontsoa lehibe azontsika amin’ny fiarahana amin’ireo zatovo mahatoky sy mino ato amin’ny Fiangonana. Maneran-tany dia mampiseho ny fanahin’ny finoana sy ny fahafoizan-tena ireny mpianatra ireny. Ohatra: nifoha tamin’ny 3:15 isa-maraina ny zatovolahy iray mba hahatongavany ara-potoana any amin’ny seminera. Nila nandeha an-tongotra nankeny amin’ny toeram-piantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka izy tamin’izany, avy eo nitaingina ilay bus nandritra ny 15 minitra, dia niandry bus faharoa ka nitaingina izany bus izany indray, ary avy eo nandeha an-tongotra nanitsy ny andian-trano efatra nankany amin’ny tranon’ny Fiangonana. Mazàna tao anatin’ny orana sy ny hatsiaka no nanaovany izany. Tany amin’ny fiafaran’ny taona dia maherin’ny 90 isan-jato ny fanatrehany ny kilasy ary tsy nisy fahatarana izany.

Hanome ohatra iray fanampiny aho hanehoana ny hoe tena feno fanoloran-tena ireo mpianatsika.

I Steve Iba, izay mpitantana mpanampy teo aloha, dia misiônera tany Philippines ary avy eo dia niverina tany taona maro taty aoriana mba hanampy amin’ny fanombohana ny seminera tany. Niresaka momba ny fitsidihana ny fianakaviana iray izay fantany fony izy misiônera izy—fianakaviana izay nahitana zanakavavy iray roa ambin’ny folo taona nantsoina hoe Maria. Nanoratra Rahalahy Iba hoe:

“Nandondona ilay varavaran’ny trano vita amin’ny simenitra aho … ka ilay reny no namoha ny varavarana. …̕̕̕̕ [Nolazaiko] azy ny antony niverenako ary nohazavaiko ilay fandaharam-pianarana seminera atao any an-trano.

“Nanontany aho hoe aiza i Maria, izay tokony ho sivy ambiny folo taona eo. Nosintonin’ilay renim-pianakaviana ilay lamba nanasaraka ilay efitrano ka indro i Maria nandry teo amin’ny fandrian-jaza tahaka ny saribakoly, nilanja teo ho eo amin’ny 23 na 28 kilao eo, tao anatin’ny dingana mahafaty faran’ny homamiadana. Nisava ny endriny niaraka tamin’izay tsiky mahafinaritra izay ary ireo maso mamirapiratra rehefa nandeha nankeo akaikiny aho.

“Nanontany izy raha afaka manomboka ny fianarany seminera. Enim-bolana sisa no hany hahavelomany ka tiany ny hiomana tsara kokoa hampianatra ireo fianakaviany any amin’ny tontolon’ny fanahy. Nampanantena aho fa vantany vao tonga tany Manille ireo fitaovana dia izy no ho voalohany hahazo izany. Rehefa niverina aho afaka herinandron’iny dia vonona ny hianatra i Maria.

“Ny rainy, izay lasa mpikambana sady filohan’ny sampana izao, dia nametraka fitaratra teo ambony lohany mba hahafahany mikaroka sy mamaky ary manoratra. Noho ny toe-pahasalamany izay tena narefo tokoa dia tsy afaka nipetraka izy. Herinandro talohan’ny nahafatesany … dia nahavita ny fampiasana farany tao amin’ny fandaharam-pianarana any an-trano ho an’ny Bokin’i Môrmôna izy—asa naharitra sivy volana, nisy pejy mihoatra ny arivo, ny teny tsirairay avy, ny pejy fotsy tsirairay avy.”19

Manantena izahay fa rehefa azo jerena io tantara io dia hamaky izany ianareo sy hanaiky ireo lesona izay azontsika tsoahina avy amin’izany ary—indrindra indrindra—ho rohy matanjaka ao amin’ilay rojon’ny tantarantsika izay ampahafantarina ny rehetra.

Hoy ny Filoha Dieter F. Uchtdorf:

“Indraindray isika mihevitra ny Famerenana ny Filazantsara amin’ny laoniny ho toy ny efa vita sy efa nitranga tany aloha. … Kanefa raha ny marina dia zavatra mitohy ny Famerenana amin’ny laoniny, ary miaina ao anatiny mihitsy isika amin’izao fotoana izao. …

“Izao no anisan’ireo vanim-potoana miavaka indrindra eo amin’ny tantaran’izao tontolo izao!”

Mba hanazavana izany dia nanoro hevitra antsika ny Filoha Uchtdorf mba “tsy ho sondrian-tory mandritra ny Famerenana amin’ny laoniny.”20

Samy vavolombelona avokoa isika rehetra ny amin’ny fomba hanafainganan’ny [Tompo] ny asa famonjeny. Hoy ny Loholona Quentin L. Cook: “Ny ankamaroan’ireo asa sarotra amin’ny fanafainganana ilay asa famonjena ho an’ny velona sy ny maty dia [ny] tanora no hanao azy.”21 Amin’ny maha-mpampianatra filazantsara antsika dia afaka manampy azy ireo hanao izany asa sarotra izany isika. Afaka manampy azy ireo tsaratsara kokoa isika, araka ny torohevitry ny Filoha Eyring taona maro lasa izay, amin’ny fangatahana asa misimisy kokoa avy amin’izy ireo fa tsy latsak’izay.22

Rehefa asondrotr’ireo mpianatra ny fianarany amin’ny alalan’ny fanatrehana tsy tapaka ny fotoam-pianarana, amin’ny alalan’ny famakiana boky sy soratra masina any ivelan’ny kilasy ary amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ny fitsapam-pahaizana dia ho voaomana tahaka ireo taranaka tany aloha izy ireo.

Indray andro ilay mpanoratra sady mpiaro ny fivavahana Kristianina C. S. Lewis dia nanoratra hoe: “Tsy ho voasoratra ao anatin’ny boky tantara avokoa ireo tranga goavana indrindra nandritra ny vanim-potoan’ny tantara tsirairay.”23 Efa zato taona mahery izay no nisian’ireo olona tao amin’ny seminera sy institiota izay niasa mangina sy nanao fahafoizan-tena mba hanampiana ireo tanora hanatona an’i Kristy. Tsy ho voasoratra ao anaty boky na oviana na oviana ny ankamaroan’ireny olona ireny sy ny tantarany. Saingy afaka matoky isika fa misy mahita izy ireny. “Mandray an-tsoratra amim-pahanginana ireo anjely any an-danitra,”24 ary misy boky iray izay tazonina any ho any izay hahitana ny asa tsirairay—ao anatin’izany ny anareo—izay manampy ny Tompo hanatanteraka ny asany.

Niresaka fohifohy momba ny tantarantsika isika androany. Kanefa rehefa mijery sy miatrika ny hoavy isika dia tsara ny mahatsiaro ilay fanamarihana nataon’ny Loholona James E. Talmage. Hoy izy: “Ny faminaniana dia rakitsoratry ny zavatra alohan’ny hitrangan’izany. Ny tantara kosa dia rakitsoratra momba azy ireny taorian’ny nitrangany. Ary amin’ireo roa ireo dia ny faminaniana no azo itokiana bebe kokoa eo amin’ny fahamarinany noho ny tantara.”25

Ary inona no ambaran’ny faminaniana momba ny hoavintsika? Nilaza tamintsika ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Tsy hisy tanan’ny ratsy fanahy afaka hanakana ny fandrosoan’ity asa ity. … Ny fahamarinan’ Andriamanitra dia handroso amim-pahasahiana, amim-boninahitra ary tsy hiankina amin-javatra hafa, mandra-panenik’izany ireo kaontinanta rehetra, hitsidihan’izany ny toetrandro rehetra, handalovany ny firenena rehetra ary hikasihan’izany ny sofina rehetra, ka ho tanteraka ny tanjon’ Andriamanitra ary hilaza ilay Jehovah Lehibe fa vita ny asa.”26

Enga anie ka hitahy ny tsirairay amintsika ny Tompo ao anatin’ny ezaka ataontsika amin’ny fampiasana ny tantarantsika mba hahatsiarovana—sy hanaovana zavatra—rehefa manampy amin’ny fanatanterahana ny fandresena be voninahitra an’ny asan’ny Tompo isika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Marlin K. Jensen, “Remember and Perish Not,” Ensign na Liahona, Apr. 2007, 36.

  2. Helamàna 5:6–7.

  3. Hannah Senesh, quoted in Danel W. Bachman, “Joseph Smith, a True Martyr,” in Susan Easton Black and Charles D. Tate Jr., eds., Joseph Smith: The Prophet, the Man (1993), 330.

  4. J. Reuben Clark Jr., “The Charted Course of the Church in Education,” rev. ed. (1994), 6.

  5. Gordon B. Hinckley, teny nindramin’i Russell M. Nelson, “Spiritual Capacity,” Ensign, Nôv. 1997, 16.

  6. By Study and Also by Faith: One Hundred Years of Seminaries and Institutes of Religion (2015), 124.

  7. 1 Nefia 4:6.

  8. Jereo ny By Study and Also by Faith, 125–26.

  9. By Study and Also by Faith, 397–99.

  10. Victor L. Brown, “The Vision of the Aaronic Priesthood,” Ensign, Nôv. 1975, 68.

  11. Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, pejy 100, “Dera ho an’ilay nandre an’i Jehovah”.

  12. Robert D. Hales, “In Remembrance of Jesus,” Ensign, Nôv. 1997, 25.

  13. By Study and Also by Faith, 66–67.

  14. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12:8.

  15. Gordon B. Hinckley, “Four Imperatives for Religious Educators” (address to religious educators, 15 sept. 1978), 3–4, si.lds.org.

  16. Jereo ny By Study and Also by Faith, 237–38.

  17. Môrônia 7:48.

  18. Robert B. Arnold, quoted in By Study and Also by Faith, 244.

  19. Stephen K. Iba, “Our Legacy of Religious Education” (undated and unpublished talk), 8; spelling and punctuation standardized.

  20. Dieter F. Uchtdorf, “Are You Sleeping through the Restoration?” Ensign na Liahona, Mey 2014, 59, 62.

  21. Quentin L. Cook, “Roots and Branches,” Ensign na Liahona, Mey 2014, 46.

  22. Jereo ny Henry B. Eyring, “Raising Expectations” (Church Educational System satellite training broadcast, Aug. 4, 2004), si.lds.org.

  23. C. S. Lewis, The Dark Tower and Other Stories (1977), 17.

  24. Fihirana sy Hiran’ny Ankizya pejy 68, “Manaova ny marina”.

  25. James E. Talmage, The Great Apostasy (1958), 35.

  26. Joseph Smith, in History of the Church, 4:540.