2010–2019
Vavolombelona iray
Oktobra 2011


2:3

Vavolombelona iray

Ny Bokin’ i Môrmôna no taridalana tsara indrindra hanombantombanana ny ataontsika sy ny fomba ahafahantsika mihatsara kokoa.

Voninahitra ho ahy ny hiresaka aminareo amin’ ity Sabatan’ ny fihaonamben’ Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany ity. Samy nomena andraikitra masina mitovy ny mpikambana tsirairay ato amin’ ny Fiangonana. Nanaiky izany isika ary nampanantena fa hivoatra amin’ izany rehefa noraisina tamin’ ny batisa. Hianarantsika avy amin’ ny tenin’ i Almà, mpaminany lehibe ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna, ny toetra izay ampanantenaintsika an’ Andriamanitra fa ho ananantsika dia ny: “Hiara-malahelo amin’ izay malahelo; eny, ary hampionona ireo izay mila fampiononana sy hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra amin’ ny fotoana rehetra sy amin’ ny zava-drehetra ary amin’ ny toerana rehetra izay mety hisy anareo, na dia hatramin’ ny fahafatesana aza, mba hahatonga anareo ho voavotr’ Andriamanitra ary ho voaisa miaraka amin’ ireo ao amin’ ny fitsanganana amin’ ny maty voalohany, ka hahazoanareo ny fiainana mandrakizay.”1

Andraikitra goavana izany ary fampanantenana be voninahitra avy amin’ Andriamanitra. Ny hafatra tiako hozaraina anio dia hafatra mifono fankaherezana. Raha toa ka ataon’ ny Bokin’ i Môrmôna mazava tsara amintsika ny andraikitra mipetraka amintsika dia mitarika ny lalantsika handroso mankany amin’ ny fiainana mandrakizay koa anefa izany.

Voalohany, nampanantena ny hiantra olona isika. Faharoa, nampanantena ny ho vavolombelona isika. Ary fahatelo, nampanantena ny haharitra isika. Ny Bokin’ i Môrmôna no taridalana tsara indrindra hanombantombanana ny ataontsika sy ny fomba ahafahantsika mihatsara kokoa.

Handeha atombontsika amin’ ilay hoe hiantra olona izany. Ho tantaraiko zavatra niainana vao haingana ianareo. Maro taminareo no nandray anjara tamin’ ny andro iray fanaovana asa fanompoana. Nisy an’ arivony maro tamin’ izany no natao manerana an’ izao tontolo izao.

Nisy filan-kevitry ny Olomasina namanareo nivavaka mba hahafantarana ny asa fanompoana ho atao. Nanontany an’ Andriamanitra izy ireo mba hahalalana hoe iza no hotompoina, inona no fanompoana hatao, ary iza no hasaina handray anjara. Mety nivavaka mihitsy aza izy ireo ny mba tsy hanadinoana ireo fandraofambe sy ny rano fisotro. Fa ambonin’ ny zava-drehetra dia nivavaka izy ireo mba hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra ireo rehetra izay manompo sy mandray izany koa.

Fantatro fa voavaly ireo vavaka, farafahakeliny tao amin’ity paroasy iray ity. Nilatsaka an-tsitrapo ny mpikambana mihoatra ny 120 mba hanampy. Tao anatin’ ny ora telo dia novain’ izy ireo endrika ny tokontanin’ ny fiangonana iray teo amin’ ny fiaraha-monina nisy azy ireo. Asa mafy izany kanefa nahafaly. Nankasitraka ny nataon’ izy ireo ny mpitondra fivavahana tao amin’ io fiangonana io. Nahatsapa firaisan-kina sy fitiavana bebe kokoa ireo izay niara-niasa tamin’ io andro io. Nisy mihitsy aza no niteny hoe faly izy ireo nanala ahi-dratsy sy nandrantsana hazo.

Nanampy azy ireo hahafantatra ny anton’ izany fifaliana tsapan’ izy ireo izany ireo teny avy ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna. Ny Mpanjaka Benjamina no niteny tamin’ ny vahoakany hoe: “Mba hahazoanareo mianatra fa rehefa eo amin’ ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo.”2 Ary i Môrmôna no nampianatra araka ny teniny ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna hoe: “Ny fiantrana kosa dia ny fitiavana madion’ i Kristy ary maharitra mandrakizay izany; ary na zovy na zovy no hita ho manana izany amin’ ny andro farany, dia soa ho azy izany.”3

Mitandrina ny fampanantenana nataony taminareo ny Tompo rehefa manao izany koa ianareo. Rehefa manompo ny hafa ho Azy ianareo dia avelany hahatsapa ny fitiavany. Ary rehefa mandeha ny fotoana dia ho lasa ampahany tena lalim-paka ao aminareo izany toetra miantra olona izany. Ary ho tsapanareo ao am-po ny fahatanterahan’ ilay fanomezana antoka nataon’ i Môrmôna hoe rehefa mikiry manompo ny hafa ianareo dia hilamina ny momba anareo.

Toy ny nampanantenainareo an’ Andriamanitra ny hiantra olona dia nampanantena ny ho vavolombelony amin’ ny toerana rehetra koa ianareo mandritra ny androm-piainanareo. Mbola ny Bokin’ i Môrmôna ihany no torolalana tsara indrindra fantatro fa hanampy antsika hitandrina izany fampanantenana izany.

Voasa aho indray mandeha handaha-teny mandritra ny fotoana fivoahan’ ny mpianatra tany amin’ny oniversite malaza iray izay. Ny Filoha Gordon B. Hinckley no nirian’ ilay filohan’ ny oniversite ho asaina, saingy tsy afaka izy tamin’ izay. Ka dia nivarina nankaty amiko ilay fanasana. Tamin’ izany aho dia mbola mpikambana farany indrindra tao amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo.

Nanomboka nitebiteby ilay olona izay nanasa ahy rehefa nahafantatra bebe kokoa momba ny anjara andraikitro amin’ ny maha Apôstôly ahy izy. Niantso ahy an-telefaonina izy ary niteny hoe azony tsara izao fa ny andraikitro dia ny ho vavolombelon’ i Jesoa Kristy.

Tamin’ ny teny tena hentitra no nitenenany tamiko fa tsy mahazo alalana ny hanao izany aho rehefa hanao lahateny any. Nanazava izy fa manaja ny olona avy amin’ ny finoana rehetra ilay oniversite, hatramin’ ireo mandà ny fisian’ Andriamanitra koa. Naveriny indray hoe: “Tsy afaka ny hanao izany andraikitrao izany ianao aty.”

Namarana ilay antso an-telefaonina aho ary nisy fanontaniana manan-danja maro nipetraka tao an-tsaiko. Tokony hilaza amin’ilay oniversite ve aho fa tsy hanao indray ilay lahateny efa nekeko ho atao? Nefa efa ho herinandro vitsivitsy sisa dia ho tonga ilay fotoana. Efa navoaka ny filazana ny fanatrehako izany. Inona no mety ho fiantraikan’ ny tsy fahatanterahako ny andraikitro manoloana ny laza tsaran’ ny Fiangonana?

Nivavaka aho mba hahafantatra izay tian’ Andriamanitra ho ataoko. Tamin’ ny fomba mahagaga ny nahatongavan’ ny valin’ ny vavaka tamiko. Tonga saina aho fa izao toerana nahazo ahy izao mihitsy no ohatra nitranga tamin’ i Nefia, Abinadia, Almà, Amioleka ary ireo zanakalahin’ i Môsià. Vavolombelona feno fahasahiana momba an’ i Jesoa Kristy eo anatrehan’ ny loza nihatra aman’aina izy ireo.

Ka dia tsy nisy safidy azo natao ankoatran’ izay fomba tokony hiomanana. Nikaroka izay zavatra rehetra azoko nofantarina mikasika ilay oniversite aho. Rehefa nihananatona ilay andro hanaovako ilay lahateny dia nihamafy ny tebitebiko ary nihamafy koa ny vavaka fangatahiko.

Tao anatin’ ny fahagagana toy ny nanasarahana ny Ranomasina Mena no nahitako lahatsoratra iray tamin’ ny vaovao. Efa nahazo fankasitrahana ilay oniversite noho ny fanaovany ny zavatra toy ny fanaon’ ny Fiangonana eo amin’ ny ezaka fanampiana olona manerana an’ izao tontolo izao. Koa dia nofariparitako tao amin’ ny lahateniko ny zavatra izay efa nataontsika sy izay efa nataon’ izy ireo mba hampaherezana ireo olona tena mila fanampiana. Nolazaiko fa fantatro fa i Jesoa Kristy no loharanon’ ireo fitahiana izay tonga teo amin’ ny fiainan’ ireo izay notompointsika sy notompoin’ izy ireo.

Taorian’ ilay fivoriana dia nitsangana sady nitehatehaka mafy ny mpanatrika, izay zavatra somary tsy dia mahazatra loatra ahy. Tanlanjona aho kanefa mbola nitebiteby kely ihany. Nahatsiaro ny zavatra nitranga tamin’ i Abinadia aho. I Almà ihany no nandray ny fijoroany ho vavolombelona. Fa tamin’ izany alina izany kosa, nandritra ny fiaraha-misakafo ôfisialy miezinezina dia nandre ny filohan’ ilay oniversite aho nilaza fa ny tenin’ Andriamanitra no henony tao anatin’ ny zavatra nolazaiko.

Tsy dia mateti-pitranga ny vokatra mifono fahagagana toy izany teo amin’ ny zavatra niainako tamin’ ny maha-vavolombelon’ i Kristy ahy. Kanefa ny vokatry ny Bokin’ i Môrmôna eo amin’ ny toetranareo sy ny herinareo, ary ny herimponareo ny mba ho vavolombelon’ Andriamanitra dia azo antoka. Hankahery, sy hitarika ary hanome fahatokiana ho anareo ny fotopampianarana sy ireo ohatra mifono herimpo ao amin’ io boky io.

Hotahiana amin’ ny alalan’ ny fivokisana isan’ andro ny Bokin’ i Môrmôna ireo mpitory filazantsara tsirairay izay mitory ny anaran’ i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Ireo ray aman-dreny izay miezaka ny handatsaka ao am-pon’ ny zanaka iray ny tenivavolombelon’ ny Mpamonjy dia hahazo fanampiana eo am-pikatsahan’ izy ireo fomba hitondrana ny teny ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna sy ny fanahy entiny ho ao an-tokantranony sy ao amin’ ny fiainan’ ireo rehetra ao amin’ ny fianakaviany. Voaporofo teo amintsika fa marina izany.

Hitako ny fisehon’ izany any amin’ny fivoriana fanasan’ ny Tompo tsirairay ary amin’ ny kilasy tsirairay ao am-piangonana izay atrehiko. Ireo mpandaha-teny sy ireo mpampianatra dia maneho fitiavana sy fahatakarana ampy an’ ireo soratra masina indrindra ny Bokin’ i Môrmôna. Ary hita mazava fa avy any am-po lalin’ izy ireo ny fijoroana ho vavolombelona manokana ananany. Mampianatra amim-paharesen-dahatra be izy ireo ary mijoro ho vavolombelona amin-kery.

Hitako porofo koa fa mihatsara kokoa isika eo amin’ ny ampahany fahatelo amin’ ilay fampanantenana izay nataontsika rehetra tamin’ ny batisa. Nanao fanekempihavanana isika ny haharitra, ny hitandrina ny didin’ Andriamanitra raha mbola velon’ aina koa.

Notsidihako tany amin’ ny hôpitaly ny namana fahiny iray izay nahitana fa efa amin’ ny dingana farany ny aretina homamiadana nahazo azy. Nentiko niaraka tamiko ny zanako vavy roa. Tsy nampoiziko ho fantany izy ireo. Nijoro nanodidina ny fandriany koa ny fianakaviany raha niditra iny izahay.

Nitraka izy nijery sady nitsiky. Hotsaroako hatrany ilay fijeriny rehefa hitany fa nitondra ny zanakay roa vavy niaraka tamiko aho. Nanao fihetsika izy hiantsoana azy ireo hanatona azy akaikikaiky kokoa. Niarina izy, dia namihina azy ireo ary nampahafantatra azy ireo tamin’ ny fianakaviany. Nilaza ny amin’ ny hatsaran’ ireto zazavavy kely roa ireto izy. Toy ireny hoe manolotra andriambavy eo anoloan’ ny lapan’ ny mpanjaka ireny izy.

Noheveriko fa ho vetivety ilay famangianay. Nieritreritra aho fa tsy maintsy ho reraka izy. Kanefa teo am-pitazanako azy dia hitako fa toa tsy hita akory ny vesatry ny taona. Miramirana ny endriny ary hita mazava fa heniky ny fitiavana anay rehetra.

Toa nankafy ilay fotoana izy, toy ireny hoe nitsahatra ireny ny fikorian’ ny fotoana. Nandany ny ankamaroan’ ny androm-piainany izy nanampiana ireo zanaky ny Tompo. Fantany avy tamin’ ny tantara ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna fa ny Mpamonjy, izay efa nitsangana tamin’ ny maty, dia namihina ireo zaza madinika tsirairay, nitsodrano azy ireo, ary avy eo dia heniky ny ranomasom-pifaliana.4 Efa niaina imbetsaka izany fifaliana izany izy ka afaka ny haharitra hatramin’ ny farany eo amin’ ny fanompoany Azy am-pitiavana.

Nahita fahagagana toy izany koa aho tao amin’ny efitrano fandrian’ ny lehilahy iray izay nahavita asa fanompoana tamim-pahatokiana betsaka ka nahatonga ahy hieritreritra hoe efa ampy ny vitany ka efa afaka maka aina izy.

Fantatro fa nandalo fitsaboana naharitra sy nampijalijaly izy noho ny aretina iray izay efa nolazain’ ny dokotera fa tsy misy fanafany intsony. Efa tsy nisy fitsaboana nasain’ izy ireo natao intsony ary tsy nisy antenaina intsony koa.

Nentin’ ny vadiny tao amin’ ny efitrano fandriany aho tany an-tranon’ izy ireo. Indro izy mitsilany teo ambonin’ ny fandriana tsara voatra. Nitafy lobaka fotsy vao avy nopasohina sy karavato ary kiraro vaovao.

Tsikariny ny hatairako ka nihomehy malefaka izy ary nanazava fa “Aorian’ ny tsodrano izay omeko azy rehefa avy eo, dia te-ho vonona izy hamaly ny antso ary hibata ny fandriany ary handeha hiasa.” Hitako mazava anefa fa izy dia efa vonona amin’ilay tafa sy dinika izay ho ataony atsy ho atsy amin’ ilay Mpampianatra, izay notompoiny tamim-pahatokiana tokoa.

Ohatra iray izy amin’ ireo Olomasin’ ny Andro Farany niova fo tanteraka izay mihaona amiko matetika aorian’ ny nanoloran’ izy ireo fiainana feno fanoloran-tena. Mandroso hatrany izy ireo.

Nofaritan’ ny Filoha Marion G. Romney toy izao izany: “Ho an’ ireo izay tena niova fo tanteraka, dia ho faty ny faniriana ny zavatra [mifanohitra] amin’ ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy, ary soloin’ ny fitiavana an’ Andriamanitra izany izay miaraka amin’ ny faharesen-dahatra tsy mihozongozona ny hitandrina ny didiny.”5

Izany faharesen-dahatra tsy voahozongozona izany no hitako matetika kokoa hatrany eo amin’ ireo mpianatr’ i Jesoa Kristy efa ampy traikefa. Toy ilay rahavavy izay nandray ny zanako vavy sy ilay lehilahy nanao kiraro vaovao izay vonona ny hitsangana sy handeha, dia manaraka ny didin’ ny Mpamonjy hatramin’ ny farany izy ireo. Efa samy nahita izany ianareo rehetra.

Afaka mijery izany indray ianareo ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna. Mbola mahatsapa fankasitrahana ao am-poko foana aho isaky ny mamaky ireo teny avy amin’ ny mpanompon’ Andriamanitra feno fahamatorana sy faharesen-dahatra manao hoe: “Fa na dia amin’ izao fotoana izao aza, ny vatako manontolo dia mangozohozo izaitsizy tokoa raha mbola eo am-piezahana ny hiteny aminareo aho; saingy ny Tompo … manohana ahy sy efa namela ahy hiteny aminareo.”6

Afaka mahazo herimpo ianareo tahaka ahy avy amin’ ireo ohatry ny faharetana nasehon’ i Môrônia tamintsika. Irery izy teo am-panompoana. Fantany fa efa akaiky ny farany ho azy. Kanefa dia henoy ny zavatra nosoratany ho an’ ny olona izay tsy mbola teraka sy ireo taranaky ny fahavalony teto an-tany: “Eny, manatòna an’ i Kristy, ary aoka hatao tanteraka ao Aminy, ary holavin’ ny tenanareo ny toetra tsy araka an’ Andriamanitra rehetra; ary raha mandà ny toetra tsy araka an’ Andriamanitra rehetra ny tenanareo, ary tia an’ Andriamanitra amin’ ny herinareo, ny sainareo ary ny tanjakareo rehetra ianareo, amin’ izany dia ampy ho anareo ny fahasoavany, fa amin’ ny fahasoavany no hahatonga anareo ho tanteraka ao amin’ i Kristy.”7

Nanao izany fijoroana ho vavolombelona izany i Môrônia ho teny fanaovam-beloma teo amin’ ny asa fanompoany. Namporisika ny fiantrana izy tahaka ny nataon’ ireo mpaminany tao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna iray manontolo. Nampiany an’ilay fijoroany ho vavolombelona momba ny Mpamonjy izany rehefa nananontanona azy ny fahafatesana. Tena zanak’ Andriamanitra niova fo tokoa izy, ary afaka ny ho toy izany koa isika: heniky ny fiantrana, tsy miova sy tsy saro-tahotra amin’ ny maha-vavolombelon’ ny Mpamonjy sy ny Filazantsarany azy, ary tapa-kevitra ny haharitra hatramin’ ny farany.

Nambaran’ i Môrônia ny zavatra takian’ izany amintsika. Nilaza izy fa ny dingana voalohany hitarika antsika amin’ ny fiovam-po tanteraka dia ny finoana. Ny fandalinana amim-bavaka ny Bokin’ i Môrmôna dia hanorina finoana an’ Andriamanitra Ray, ny Zanaka Malalany ary ny Filazantsarany. Hanorina ny finoanareo ireo mpaminanin’ Andriamanitra fahiny sy ankehitriny izany.

Afaka mampanatona anareo akaikikaiky kokoa an’ Andriamanitra izany boky izany mihoatra noho ireo boky hafa. Afaka manova ny fiainana ho amin’ ny tsaratsara kokoa izany. Manentana anareo aho hanao toy ny nataon’ ilay mpiara-mitory ny filazantsara tamiko. Rehefa nandositra nivoaka ny tranony izy fony izy tanora dia nisy olona nametraka Bokin’ i Môrmôna iray tao anatin’ ny baoritra iray izay nentiny niaraka taminy teo am-pikatsahany fahasambarana bebe kokoa.

Nandeha ny taona. Nifindrafindra toerana nanerana an’ izao tontolo izao izy. Irery sy tsy nahita fifaliana izy indray andro kanjo nitopy tany amin’ ilay baoritra ny masony. Feno ireo zavatra izay nentiny niaraka taminy ilay baoritra. Tany amin’ ny farany ambany dia nahita ilay Bokin’ i Môrmôna izy. Novakiany ilay fampanantenana tao anatiny ary nandramany natao. Nahafantatra izy fa marina izany. Nanova ny fiainany izany fijoroana ho vavolombelona izany. Nahita fahasambarana izy nihoatra noho ny nofinofy rehetra noeritreretiny.

Mety ho tsara afina tsy hitan’ ny masonao ny Bokin’ i Môrmônanao noho ireo andraikitra sy zava-manahirana anao isan’ andro. Miangavy aho ny mba handalinanareo matetika avy amin’ ny pejin’ io boky io. Mitahiry ny fahafenoan’ ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy izany, izay hany lalana hiverenantsika hody any amin’ Andriamanitra.

Zaraiko aminareo ilay fijoroako ho vavolombelona azo antoka fa velona Andriamanitra ary hamaly ny vavaka ataonareo Izy. I Jesoa Kristy no Mpamonjy an’ izao tontolo izao. Ny Bokin’ i Môrmôna dia vavolombelona marina fa velona Izy ary Izy no Mpamonjy antsika izay efa nitsangana tamin’ ny maty ary velona.

Vavolombelona sarobidy ny Bokin’ i Môrmôna. Apetrako aminareo ankehitriny ny fijoroako ho vavolombelona amin’ ny anarana masin’ i Jesoa Kristy, amena.