2010–2019
Tsaratsara Kokoa ny Mitraka
Oktobra 2011


2:3

Tsaratsara Kokoa ny Mitraka

Rehefa mampihatra ny finoantsika isika ary miantehitra amin’ Andriamanitra mba hahazoana fanampiana, tahaka ny Filoha Monson, dia tsy ho sahiran-tsaina noho ny vesatry ny fiainana.

Tamin’ ny fiafaran’ ny andro iray tena namizana tokoa izay tany amin’ ny faran’ ny herinandroko voalohany tamin’ ny naha Manampahefana Ambony ahy, dia tena navesatra be ny kitapoko ary nivezivezy tao an-tsaiko ity fanontaniana ity: “Ahoana no ahafahako manatanteraka an’ ity?” Nivoaka ny biraon’ ny Fitopololahy aho ary niditra tao amin’ ilay ascenseur an’ ny Birao Foiben’ ny Fitantanana ny Fiangonana. Rehefa nidina ilay ascenseur, dia nitanondrika ny lohako ary nibanjina fotsiny tamin’ izao ny tany aho.

Nisokatra ny varavarana ary nisy olona niditra saingy tsy nitraka aho. Rehefa nihidy ny varavarana, dia naheno olona iray nanontany aho hoe: “Inona no jerenao any ambany any?” Fantatro ilay feo—ny Filoha Thomas S. Monson izany.

Nitraka haingana aho ary namaly hoe: “An! an! an! Tsinontsinona ka!” (Azoko antoka fa izany valim-panontaniana mifono hakigan-tsaina izany dia nampiseho fa azo nitokisana ny fahaiza-manaoko!)

Kanefa hitany ilay endriko trotraka sy ny kitapoko navesatra. Nitsiky izy ary nanoro hevitra tamim-pitiavana raha nanondro ny lanitra hoe: “Tsaratsara kokoa ny mitraka!” Raha mbola nidina rihana iray izahay, dia nilaza tamim-pitsikiana izy hoe handeha ho any amin’ ny tempoly izy. Rehefa nanao veloma ahy izy, ny fomba fijeriny ahy dia toy ireny niteny tao am-poko ireny indray hoe: “Ankehitriny, tadidio fa tsara kokoa ny mitraka”.

Rehefa nisaraka izahay dia tonga tao an-tsaiko ny tenin’ ny soratra masina hoe: “Minoa an’ Andriamanitra; minoa fa misy Izy … ; Minoa fa Izy dia manana ny fahendrena rehetra sy ny fahefana rehetra, na any an-danitra na ety an-tany.” 1 Raha nieritreritra ny herin’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy aho, dia hitan’ ny foko amin’ izay ilay fankaherezana izay notadiaviko fatratra teny amin’ ny tany tao amin’ ilay ascenseur nidina.

Nanomboka teo aho dia nisaintsaina izany toe-javatra niseho izany sy ny andraikitry ny mpaminany. Navesatra ny entako ary nitanondrika ny lohako. Rehefa niteny ny mpaminany dia niantehitra taminy aho. Nahitsiny ny saiko hitraka any amin’ Andriamanitra, izay ahafahako mahazo fahasitranana sy tanjaka amin’ ny alalan’ ny Sorompanavotan’ i Kristy. Izany no ataon’ ireo mpaminany amintsika. Mitarika antsika ho any amin’ Andriamanitra izy ireo.2

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Filoha Monson dia tsy mpaminany, sy mpahita ary mpanambara fotsiny ihany, fa izy koa dia ohatra tena tsara maneho ny fiainana ny fitsipiky ny fitrakana. Raha amin’ ny olona rehetra dia izy no tokony hahatsiaro ho vesaran’ ny andraikiny. Kanefa dia mampihatra finoana goavana izy ary feno fanantenana sy fahendrena, ary fitiavana ny hafa. Ny toetrany dia ilay hoe “afaka manao” ary “hanao tokoa.” Matoky ny Tompo izy sy miantehitra Aminy hahazoana tanjaka, ary dia mitahy azy ny Tompo.

Ny zavatra niainako dia nampianatra ahy fa rehefa mampihatra ny finoantsika isika ary miantehitra amin’ Andriamanitra mba hahazoana fanampiana, tahaka ny Filoha Monson, dia tsy ho sahiran-tsaina noho ny vesatry ny fiainana. Tsy hahatsiaro tena ho tsy mahavita izay zavatra niantsoana antsika mba hataontsika na izay zavatra ilaintsika atao isika. Hahazo hery isika, ary ho feno fiadanana sy fifaliana ny fiainantsika.3 Ho tonga saina isika fa ny ankamaroan’ ireo zavatra mampiahiahy antsika dia tsy manana lanjany mandrakizay akory—ary raha toa ka manan-danja izany, dia hanampy antsika ny Tompo. Kanefa tsy maintsy manana finoana ny hitraka isika ary manana herim-po hanaraka ny fitarihany.

Nahoana no sarotra ny mitraka hatrany eo amin’ ny fiainantsika? Angamba isika tsy ampy an’ ilay finoana hoe izany fihetsika tsotra kely izany dia afaka mamaha ny olantsika. Ohatra, rehefa nokaikerin’ ny bibilava nisy poizina ny zanak’ Isiraely, dia nodidiana i Mosesy mba hanao bibilava varahina ka hanantona azy amin’ ny hazo lava. Maneho an’ i Kristy izany bibilava varahina izany. Ireo izay nitraka nijery ilay bibilava araka ny baikon’ ny mpaminany, dia sitrana.4 Kanefa maro ireo tsy nitraka, ary dia maty.5

Nanaiky i Almà fa ny antony tsy nitrakan’ ireo Isiraelita mba hijery ilay bibilava dia ny tsy finoany fa hanasitrana azy ireo ny fanaovany izany. Manan-danja amintsika amin’ izao fotoana izao ny tenin’ i Almà:

“Ry rahalahiko, raha toa ianareo ka azo sitranina amin’ ny fanopazana fotsiny ny masonareo manodidina mba hahasitrana anareo, moa va tsy hijery faingana tokoa ianareo, sa aleonareo manamafy ny fonareo ao amin’ ny tsy finoana ka hanjary malaina … ?

“Raha izany, loza no hanjo anareo; fa raha tsy izany kosa, dia atopazo manodidina ny masonareo amin’ izany ary manomboha mino ny Zanak’ Andriamanitra, fa ho avy Izy hanavotra ny olony ary hijaly sy ho faty Izy mba hanonitra ny fahotany; ary hitsangana amin’ ny maty Izy.”6

Ny famporisihan’ ny Filoha Monson mba hitraka dia fanoharana mba hahatsiarovana an’ i Kristy. Rehefa mahatsiaro Azy isika ary matoky ny heriny, dia mahazo hery amin’ ny alalan’ ny Sorompanavotany. Izany no fomba ahazoantsika fanamaivanana amin’ ny ahiahy sy ny enta-mavesatra ary ny fijaliantsika. Izany no fomba ahafahantsika mahazo famelan-keloka sy fahasitranana amin’ ny fanaintainana ateraky ny fahotantsika. Izany no fomba ahafahantsika mahazo finoana sy hery hiaretana ny zavatra rehetra.7

Vao tsy ela akory izay, izaho sy Rahavavy Cook dia nanatrika ny fihaonambe iray an’ ny vehivavy tany Afrika Atsimo. Rehefa avy nihaino hafatra manentana ny fanahy mikasika ny fampiharana ny Sorompanavotana eo amin’ ny fiainantsika izahay, dia nanasa ny olon-drehetra mba hivoaka any ivelany ny filohan’ ny Fikambanana Ifanampian’ ny tsatòka. Nomena baolina nabontsina tamin’ ny gaza heliôma izahay tsirairay. Nohazavainy fa ny baolinay dia maneho izay rehetra mety ho enta-mavesatra na fahoriana na zava-tsarotra izay mihazona anay tsy handroso eo amin’ ny fiainanay. Rehefa avy nanisa isa, roa, telo, dia samy namotsotra ny baolinay izahay, na ny “enta-mavesatray.” Raha nitraka izahay ary nijery ireo enta-mavesatray nandeha nihevaheva teny, dia nisy feo re nanao hoe “Aaaa!” Ilay fihetsika tsotra hoe mamotsotra ny baolinay dia nanome fampahatsiahivana tena tsara an’ ilay hafaliana tsy hay lazaina izay azo avy amin’ ny fiandrandrana sy fisaintsainana an’ i Kristy.

Tsy mitovy amin’ ny famotsorana baolina nabontsina tamin’ ny gaza heliôma kosa ny fitrakana ara-panahy, fa zavatra tsy vita indray mandeha fotsiny. Isika dia mianatra avy amin’ ny vavaky ny Fanasan’ ny Tompo hoe isika dia tokony hahatsiaro Azy mandrakariva ary hitandrina ny didiny, mba hananantsika ny fanahiny hiaraka amintsika isan’ andro hitarika antsika.8

Raha nirenireny tany an-tany foana ny zanak’ Isiraely, dia nitarika ny dian’ izy ireo isan’ andro ny Tompo rehefa niantehitra taminy izy ireo mba hahazoana fitarihana. Ao amin’ ny Eksodosy isika dia mamaky hoe: “Ary Jehovah nandeha teo alohany tamin’ ny andri-rahona raha antoandro hitari-dàlana azy, ary tamin’ ny andri-afo nony alina ho fahazavana ho azy.”9 Ny fitarihany dia tsy niova, ary zaraiko aminareo ny fijoroako ho vavolombelona feno fanetren-tena fa ny Tompo dia afaka manao izany koa amintsika.

Koa ahoana ary no fomba hitarihany antsika ankehitriny? Amin’ ny alalan’ ireo mpaminany sy ireo apôstôly, ary ireo mpitarika ao amin’ ny fisoronana sy amin’ ny alalan’ ny fahatsapana izay tonga ao amintsika rehefa avy namboraka ireo faniriantsika lalina tamin’ ny Ray any an-danitra tao anatin’ ny vavaka isika. Mitarika antsika Izy rehefa manalavitra ireo zavatr’ izao tontolo izao isika, ary mibebaka sy miova. Mitarika antsika Izy rehefa mitandrina ny didiny isika ary miezaka ny hitovy bebe kokoa Aminy. Ary mitarika antsika amin’ ny alalan’ ny Fanahy Masina Izy.10

Mba hahafahana mahazo fitarihana ao anatin’ ilay dian’ ny fiainana sy mba hananana tsy tapaka ny Fanahy Masina ho namana, dia tsy maintsy manana “sofina mandre” sy “maso mahita” isika ka samy mitodika any ambony izy ireo.11 Tsy maintsy miasa araka izay torolalana omena antsika isika. Tsy maintsy mitraka isika ary miasa avy eo. Ary rehefa manao izany isika, dia fantatro fa ho ravoravo, satria tian’ Andriamanitra ho faly isika.

Zanaky ny Ray any an-danitra isika. Te hanana toerana ao amin’ ny fiainantsika Izy ary hitahy sy hanampy antsika. Hanasitrana ny ratrantsika Izy, hamafa ny ranomasontsika, ary hanampy antsika eny amin’ ilay lalana izay mitondra miverina eo anatrehany. Raha miantehitra Aminy isika, dia hitarika antsika Izy.

Ny Tompo no hazavako; ka nahoana aho no hatahotra?

Eo akaiky eo foana Izy na andro na alina. …

Izy no fifaliako sy hirako.

Na andro na alina dia mitarika ahy … eny foana Izy.12

Mijoro ho vavolombelona aho fa ho voavela ny fahotantsika ary hihamaivana ny enta-mavesantsika rehefa miantehitra amin’ i Kristy isika. “Aoka hotsarovantsika Izy, … ary aoka tsy hitanondrika ny lohantsika,”13 satria hoy ny Filoha Monson hoe, “tsaratsara kokoa ny mitraka.”

Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.