2010–2019
Sahia Mijoro Irery
Oktobra 2011


2:3

Sahia Mijoro Irery

Enga anie isika hanana herimpo sy ho vonona ny hijoro amin’ ny zavatra izay inoantsika.

Ry rahalahiko malala, voninahitra lehibe tokoa ny miaraka aminareo eto anio hariva. Mandrafitra fifandraisana sy firahalahiana lehibe isika izay mihazona ny fisoronan’ Andriamanitra.

Vakiantsika ao amin’ ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, fizarana faha-121, andininy faha-36, “fa ireo zon’ ny fisoronana dia mifamatotra tsy azo sarahina amin’ ny herin’ ny lanitra.” Tena fanomezana sarobidy izany nomena antsika izany—dia ny hihazona ny fisoronana, izay “tsy azo sarahina amin’ ny herin’ ny lanitra.” Na dia izany aza, dia tsy ireo fitahiana ihany no entin’ izany fanomezana sarobidy izany, fa eo koa ireo andraikitra lehibe miara-dalana aminy. Mila manao izay maha-mendrika ny fiainantsika isika mba ho mendrika izany fisoronana hazonintsika izany. Isika izao dia miaina ao anatin’ ny fotoana izay maha-voahodidin’ ireo karazan-javatra maro izay natao indrindra hitarihana antsika amin’ ny lalana mankany amin’ ny fahaverezana. Mitaky faharesen-dahatra sy herimpo ny fialana amin’ ny lalana toy izany.

Tsaroako ireo fotoana—ary mety hahatsiaro izany koa ny sasantsany aminareo eto anio—izay mbola nitovian’ ny fitsipi-pitondrantenan’ ny ankamaroan’ ny olona tamin’ ny fitsipika iainantsika. Ankehitriny tsy izany intsony no mitranga. Vao tsy ela aho no namaky lahatsoratra tao amin’ ny New York Times mahakasika ny fikarohana izay natao nandritra ny fotoam-pahavaratry ny taona 2008. Nitarika vondrom-pikarohana hanao fanadihadiana lalina teo amin’ ireo tanora tokan-tena sy efa manambady 230 manerana ny Amerika ny mpahaifiaraha-monina malaza iray tao Notre Dame. Mino aho fa afaka mieritreritra tsara isika fa ny vokatr’ izany dia hitovitovy daholo any amin’ny ankamaroan’ ny toerana rehetra manerana an’ izao tontolo izao.

Hozaraiko aminareo ny ampahany amin’ io lahatsoratra io izay tena ahafantarana zavatra:

“Nametraka fanontaniana mahitsy mahakasika ny tsara sy ny ratsy, ny fanapahan-kevitra saro-bahana ara-pitondrantena ary ny dikan’ ny fiainana ireo mpanao fanadihadiana. Tao anatin’ ny valin-teny misavorovoro, … dia hita fa sahirana ireo tanora miezaka milaza zavatra mba misy dikany mahakasika ireo lohahevitra ireo. Kanefa hita fa tsy manana fahalalana mikasika izany sehatra izany izy ireo na tsy mahita ny voambolana tokony ho ampiasaina.

“Rehefa hametrahana fanontaniana mahakasika izay olana ara-pitondranena saro-bahana atrehany izy ireo, dia na tsy mahavaly ny fanontaniana na mamaritra olana izay tsy misy idiran’ ny ara-pitondrantena akory ny roa ampahatelon’ izy ireo, toy ny filazana hoe tsy afaka nanofa efitrano toy izao izy ireo na koa hoe tsy nanana vola madinika nandoavana ny hofan’ ny fijanonan’ ny fiara eo amin’ ny toeram-piantsonana.”

Dia mitohy ihany ilay lahatsoratra:

“Ilay fihevitra tonga ho azy, izay matetika aroson’ ny ankamaroan’ izy ireo foana foana, dia hoe ny safidy ara-pitondrantena dia miankina amin’ izay tian’ ny tsirairay. ‘Zavatra mahakasika ny tena manokana izany,’ hoy ny famalin’ ireo anontaniana. ’Safidin’ ny tsirairay izany. Fa iza moa izaho no hitsaratsara?’

“Raha mandà ny fankatoavana anjambany ny olona manana fahefana ny ankamaroan’ ireo tanora, dia lasa kosa nivaona amin’ ny zavatra tena mifanohitra amin’ ny tokony ho izy, [toy ny filazana hoe]: ‘Hanao izay fantatro fa mitondra fifaliana ho ahy aho na izay tsapako fa mety. Tsy mahalala fomba hafa aho hahafantarana ny tokony ho ataoko ankoatry ny zavatra tsapako ao anatiko.’”

Ireo izay nanao ilay fanadihadiana dia nanamarika fa ny ankamaroan’ ireo tanora noresahin’ izy ireo dia nilaza fa “tsy mba nanome azy ireo loharanom-pitaizana nahafahan’ izy ireo mikolokolo ny fahaizana manavaka izay tsara sy izay ratsy eo amin’ ny ara-pitondrantena na ny sekoly, na ireo fikambanana, na ny fianakaviana.”1

Ry rahalahy, tsy misy tokony hanana ahiahy mahakasika izay tsara sy izay ratsy raha ny mikasika ny lafiny ara-pitondranten ianareo eto izay mandre ahy, ary tsy tokony hanana ahiahy koa mahakasika izay zavatra andrasana amintsika amin’ ny maha mpihazona ny fisoronan’ Andriamanitra antsika. Efa nampianarina ny lalàn’ Andriamanitra isika ary mbola ho ampianarina foana. Na dia eo aza ireo zavatra hafa mety hitanareo na renareo etsy sy eroa dia tsy miova ireo lalàna ireo.

Eo am-piatrehantsika ny fiainantsika andavanandro dia saika tsy azo hialana ny fisedrana ny finoantsika. Misy fotoana mety voahodidinin’ ireo hafa isika, kanefa mahatsiaro ho vitsivitsy an’ isa na mety ho irery mihitsy aza, raha ny mahakasika izay zavatra azo ekena sy izay tsy azo ekena. Moa ve isika manana herimpo ara-pitondrantena ampy mba hijoroana mafy amin’ ny finoantsika, na dia voatery hijoro irery aza isika noho ny fanaovana izany? Amin’ ny maha-mpihazona ny fisoronan’ Andriamanitra antsika dia zava-dehibe indrindra ny fahafahantsika miatrika—amin-kerimpo—izay ho fanamby rehetra tonga eo amintsika. Tsarovy ny tenin’ i Tennyson: “Toy ny tanjaky ny olona folo ny tanjako, satria madio fo aho.”2

Tsy mitsaha-mitombo ny fahasahian’ ireo olo-malaza sasantsasany sy ireo hafa izay—noho ny antony maro samihafa—mirona amin’ ny fanaratsiana ampahibemaso ny fivavahana, amin’ ny ankapobeny ary, indrindray, ny Fiangonana mihitsy. Raha toa ka tsy lalim-paka tsara ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika, dia mety hahatonga antsika hiahiahy mikasika izay zavatra inoantsika na hihemotra eo anatrehan’ireo fanapahan-kevitra noraisintsika ireo karazana tsikera ireo.

Tao amin’ ny fahitan’ i Lehia ny hazon’ aina, izay hita ao amin’ ny 1 Nefia 8, dia hitan’ i Lehia, teo anivon’ ireo maro hafa, ireo izay nihazona ny anja-by, mandrapahatonga azy teny amin’ilay toerana ary nihinanany ny voan’ ny hazon’ aina, izay fantatsika fa maneho ny fitiavan’ Andriamanitra. Ary avy teo anefa dia nampalahelo, fa taorian’ ny nihinanan’ izy ireo izany voankazo izany, dia menatra ny sasany noho ireo izay tao amin’ ilay “trano mijoalajoala sy malalaka,” izay maneho ny fieboeboan’ ny zanak’ olombelona, izay nanondro azy ireo tamin’ ny rantsantanana sy namingavinga azy ireo. Ary dia nivarina tamin’ ny lalana diso ary very ireo.3 Tena fitaovana mahery vaika ampiasain’ ny fahavalo ny famingavingana sy ny fanesoesoana! Averiko indray ry rahalahy, moa ve isika manana ny herimpo ara-pitondrantena ampy mba hijoroana mafy manoloana ny fanoherana mivaivay tahaka izany?

Mino aho fa tamin’ ny fotoana nanompoako tao amin’ ny Tafika an-dranomasina tamin’ ny fiafaran’ ny Ady Lehibe faha-II no nitranga ny fotoana voalohany nanehoako herimpo mahakasika ny finoako.

Tsy mora tamiko ny zavatra niainako tany amin’ ny tobin’ ny tafika an-dranomasina, ary tsy mora izany ho an’ ireo rehetra niaritra izany. Nandritra ny herinandro telo voalohany dia resy lahatra aho fa notandindomin-doza ny aiko. Tsy ny hanofana ahy no tadiavin’ ireto tato amin’ ny tafika an-dranomasina ireto fa ny hamono ahy mihitsy.

Hotsaroako foana ny nahatongavan’ ny andro Alahady taorian’ ny herinandro voalohany. Nandray vaovao tsara avy tamin’ ny mpampianatra mpiandraikitra an-tsambonay izahay. Teo am-pijoroana nanao jery atrika teo amin’ ny kianja fiofananay ary tao anatin’ ny tsio-drivotra mangatsiakan’ i Californie, no nihainoanay ny baikony hoe: “Androany dia mandeha mivavaka daholo ny rehetra—ny hoe rehetra dia ianareo rehetra, fa izaho tsy ao anatiny. Izaho handeha haka aina!” Avy eo izy dia nihiaka hoe: “Ianareo Katôlika rehetra, ao amin’ ny Toby Decatur no mivavaka—ary aza miverina eto mandra-pahatongan’ ny amin’ ny telo. Miara-mandroso, ’zay!” Nanainga ny andiany iray somary betsabetsaka ihany. Avy eo dia nihiaka indray izy nanao hoe, “Izay Jiosy aminareo dia ao amin’ ny Toby Henry no mivavaka—ary aza miverina eto mandra-pahatonga ny amin’ ny telo. Miara-mandroso, ’zay!” Andiany iray somary vitsivitsy kokoa no niala an-daharana. Dia hoy izy avy teo hoe: “Ianareo ambiny izay Prôtestanta dia ao amin’ ny trano fanaovana lanonana ao amin’ ny Toby Farragut no mivavaka—ary aza miverina eto mandra-pahatonga ny amin’ ny telo. Miara-mandroso, ’zay!”

Teo no ho eo dia tonga tato an-tsaiko ny hoe: “Ô ry Monson a! sady tsy Katôlika ianao, no tsy Jiosy ary tsy Prôtestanta koa. Môrmôna ianao ka noho izany dia mijoro eto fotsiny!” Azoko ambara aminareo fa tena nahatsiaro ho irery tanteraka aho teo. Tena feno herimpo sy resy lahatra, eny—kanefa irery.

Avy eo dia reko ny teny mamy indrindra izay henoko naloakan’ ny vavan’ ilay mpampianatra mpiandraikitra an-tsambo hatramin’ izay. Nitodika tany amiko izy ary nanontany hoe: “Ary ianareo ry zalahy mba inona?” Raha tsy tamin’ io fotoana io dia tsy tonga saina mihitsy aho hoe mety misy olona hafa nijoro teo anilako na tao aoriako teo amin’ ny kianja. Saika iray feo izahay tsirairay namaly hoe: “Môrmôna!” Tsy haiko ny hamaritra ny fifaliana nanenika ny foko raha nitodika aho ka nahita tantsambo vitsivitsy hafa.

Nihaotra ny lohany sady sanganehana ilay mpampianatra mpiandraikitra an-tsambo kanefa nony farany izy dia niteny hoe: “Hay! Mandehana ary ianareo mitady toerana izay tianareo hivavahana. Ary aza miverina eto mandra-pahatonga ny amin’ ny telo. Miara-mandroso, ’zay!”

Teo am-pialanay teo dia tonga tao an-tsaiko ny teny miady rima nianarako tany amin’ ny Kilonga taona maro lasa, manao hoe:

Sahia mijoro amin’ ny maha-Môrmôna;

Sahia mijoro irery.

Sahia manana fanoloran-tena mafy orina;

Sahia mampahafantatra izany amin’ olona.

Na dia tsy araky ny niheverako azy aza ny zavatra nitranga dia efa vonona ny hijoro irery aho raha nilaina izany.

Nanomboka tamin’ io andro io dia maro ireo fotoana izay tsy nisian’ny olona hafa intsony nijoro tao aoriako ka dia tena nijoro irery aho. Tena feno fankasitrahana aho tamin’ ny fanapahako hevitra taloha elabe ny hitoetra matanjaka sy ho mafy orina, ary ho vonona hatrany hiaro ny finoako, rehefa ilaina izany.

Mba tsy hahatonga antsika hahatsiaro ho tsy hahavita ireo andraikitra manoloana antsika ry rahalahy, dia mamelà ahy ianareo hizara ny voalazan’ ny Filoha Ezra Taft Benson, izay Filohan’ ny Fiangonana tamin’ izany, tamin’ ny 1987, raha nanao lahateny manoloana ny mpikambana maro tany Californie izy. Hoy ny Filoha Benson hoe:

“Tamin’ ny vanim-potoana rehetra, dia efa nahita mialoha izao fotoana iainantsika izao ireo mpaminany. Mijery antsika ireo olona an-tapirisany maro izay efa nodimandry ary ireo izay mbola tsy teraka koa. Aza misalasala mikasika izany—taranaka voatokana ianareo. …

“Notehirizin’ Andriamanitra efa ho nandritra ny enina arivo taona ianareo, mba hahafahana mandefa anareo amin’ izao andro farany mialohan’ ny fiavian’ ny Tompo fanindroany izao. Hiala amin’ ny Fiangonana ny olona sasantsasany; kanefa ny fanjakan’ Andriamanitra dia tsy ho rava mba hitsenana ilay mpitarika—dia i Jesoa Kristy.

“Na dia azo ampitoviana amin’ ny andron’ i Noa aza ity taranaka ity eo amin’ ny faharatsiany, tamin’ ny nanadiovan’ ny Tompo ny tany tamin’ ny alalan’ ny safodrano, dia azo lazaina fa misy zavatra lehibe maha-samy hafa azy tamin’ ity indray mitoraka ity: [izany dia hoe] Natokan’ Andriamanitra ho amin’ ny vanim-potoana farany ny sasany amin’ ireo zanany … matanjaka indrindra, izay hanampy hitondra ny fanjakany amim-pandresena.”4

Eny ry rahalahy, misolo tena ny sasany amin’ ireo zanany matanjaka indrindra isika. Andraikitsika ny mitoetra ho mendrika handray ireo fitahiana feno voninahitra natokan’ ny Raintsika any an-danitra ho antsika. Na aiza na aiza toerana alehantsika dia miaraka amintsika ny fisoronana hazonintsika. Moa ve mijoro amin’ ny toerana masina isika? Aoka ho eritreretinareo tsara izay mety ho vokatra hitranga alohan’ ny hanatonanareo ireo loza mananontanona ny tenanareo sy ny fisoronana hazoninareo amin’ ny alalan’ ny fandehandehanana any amin’ ireo karazan-toerana na ny fanaovana zavatra izay tsy sahaza anareo na tsy sahaza ny fisoronana hazoninareo. Efa samy nomena ny Fisoronana Aharôna isika tsirairay. Tamin’ izany dia efa nandray ny fahefana izay hihazonana ny fanalahidin’ ny asa fanompoan’ ny anjely ny tsirairay. Hoy ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe:

“Tsy afaka hanao zavatra izay hiteraka fanalaviran’ny tenanareo amin’ ny asa fanompoan’ ny anjely atao aminareo ianareo.

“Tsy tokony haloto ara-pitondrantena ianareo na amin’ny lafiny inona na amin’ny lafiny inona. Tsy tokony ho olona tsy azo itokiana ianareo. Tsy tokony hanambaka na handainga ianareo. Tsy afaka ny hanonononona foana ny anaran’ Andriamanitra na hiteny ratsy ianareo ka mbola hihevitra fa manana zo handray ny asa fanompoan’ ny anjely.”5

Raha toa ka nisy taminareo no lavo teny an-dalana dia tiako ho takatrareo tsy am-pisalasalana fa misy lalana ahafahana miverina. Antsoina hoe fibebahana izany. Nanolotra ny ainy mba hanomezana anareo sy ho ahy izany fanomezam-pahasoavana lehibe izany ny Mpamonjy antsika. Na dia tsy mora tokoa aza ny lalan’ ny fibebahana dia tena marina ireo fampanantenana avy amin’ izany. Nolazaina isika hoe “Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala.”6 “Ary tsy hotsarovako intsony ny fahota[nareo].”7 Tena fanambarana miavaka izany! Tena fitahiana izany! Fampanantenana be tokoa izany!

Mety misy aminareo mieritreritra mahakasika ny tenanareo, manao hoe: “Tsy miaina ny didy rehetra aho sady tsy manao ny zavatra rehetra tokony ho ataoko koa, kanefa milamina sy mizotra tsara ny fiainako. Mino aho fa afaka sady ho faly aho eo amin’ ny fiainana no tsy voatery hitandrina ny didy.” Ry rahalahy, milaza aminareo aho fa tsy haharitra ela ny zavatra toy izany.

Volana vitsivitsy lasa izay no nandraisako taratasy avy tamin’ ny lehilahy iray izay nihevitra fa afaka niaina tahaka izany. Efa nibebaka izy ankehitriny ary namerina ny fiainany hifanaraka amin’ ny fitsipiky ny filazantsara sy ireo didy. Tiako ny hizara aminareo ny ampahan-dahatsoratra tao anatin’ izany taratasiny izany, satria tena maneho ny fisian’ ny eritreritra voakorontana tokoa ilay izy: “Voatery nianatra nivantana tamin’ ny tenako manokana aho (ary tamin’ ny fomba sarotra) fa tena marina tanteraka ny an’ny Mpamonjy tamin’ Izy niteny hoe: ’ Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’ Andriamanitra sy Mamôna hianareo.’8 Nanandrana mafy araka izay azo natao, nanao azy roa ireo aho. Tamin’ ny farany,” hoy izy “dia azoko daholo ny fahabangana, sy ny haizina ary ny fanirery rehetra izay omen’ i Satana ireo izay mino ny fitaka, sy eritreritra diso ary lainga afafiny.”

Mba hahafahantsika hanana tanjaka sy hahatohitra ireo hery rehetra misintona mankany amin’ ny lalan-diso na ireo feo rehetra mamporisika antsika hivily lalana dia tsy maintsy manana ny fijoroana ho vavolombelona ho an’ ny tenantsika manokana isika. Na 12 taona ianao na 112 taona—na eo anelanelan’ izay—dia afaka mahafantatra ho an’ny tenanareo manokana fa marina ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy. Vakio ny Bokin’ i Môrmôna. Saintsaino ny fampianarana raketiny. Hanontanio amin’ ny Ray any an-danitra raha marina izany. Nahazo fampanantenana isika fa “raha manontany amin-kitsimpo ianareo, omban’ ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’ i Kristy, dia haneho ny fahamarinan’ izany aminareo Izy amin’ ny herin’ ny Fanahy Masina.”9

Rehefa fantatsika fa marina ny Bokin’ i Môrmôna dia manaraka ho azy ny hoe tena mpaminany marina i Joseph Smith ary nahita an’ Andriamanitra Ray Mandrakizay sy i Jesoa Kristy Zanakalahiny. Manaraka ho azy ihany koa ny hoe naverina tamin’ny laoniny ny filazantsara amin’ izao andro farany izao tamin’ ny alalan’ i Joseph Smith—ao anatin’ izany ny famerenana ny Fisoronana Aharôna sy Melkizedeka.

Raha vantany vao manana fijoroana ho vavolombelona isika dia andraikitsika ny mizara izany fijoroana ho vavolombelona izany amin’ ny hafa. Maro aminareo ry rahalahy no nitory filazantsara nanerana an’ izao tontolo izao. Maro aminareo ry zatovolahy no mbola hanompo. Miomana dieny izao ho amin’ izany fahafahana manompo izany. Ataovy azo antoka tsara fa mendrika ny hanompo ianareo.

Raha toa ka vonona ny hizara ny filazantsara isika dia ho vonona hanaraka ny torohevitry ny Apôstôly Petera, izay namporosika antsika hoe: “Aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ ny anton’ ny fanantenana ao anatinareo.”10

Hahazo fahafahana isika mandritra ny androm-piainantsika hizarana ny finoantsika, na dia tsy fantatsika loatra aza hoe rahoviana no ho voantso hanao izany isika. Niseho tamiko izany tamin’ ny 1957 fony aho niasa teo amin’ ny sehatry ny fanotana boky ary nangatahina handeha ho any Dallas, Texas, izay antsoina indraindray hoe: “ilay tanàna be fiangonana,” mba handaha-teny mandritra ny fivoriana iray mahakasika ny fandraharahana. Taorian’ ny fiafaran’ ilay fivoriana dia nitsangantsangana nijery ny tanàna tamin’ ny alalan’ ny fiara fitateram-bahoaka aho. Rehefa nandalo ireo fiangonana maro isan-karazany izahay dia niteny ny mpamilinay hoe: “Eo ankavia no hahitanareo ny fiangonana Metôdista,” na hoe “Io ankavanan-dalana io ny katedraly Katôlika.”

Rehefa nandalo trano fiangonana tsara tarehy vita tamin’ ny biriky miloko mena teo an-tampon’ ny havoana iray izay izahay dia nilaza ilay mpamily hoe: “Io trano fiangonana io no toerana ivavahan’ireo Môrmôna.” Nisy vehivavy iray tany amin’ ny seza farany aoriana tao amin’ ilay fiara niantsoantso hoe: “Afaka milazalaza bebe kokoa momba ireo Môrmôna ve ianao ry mpamily?”

Najanon’ ilay mpamily teo amin’ ny sisin-dalana ilay fiara fitaterana, ary nitodika izy ka namaly hoe: “Madama a! ny hany fantatro mikasika ireo Môrmôna dia hoe ao amin’ io trano fiangonana vita tamin’ ny biriky miloko mena io izy ireo no mivavaka. Misy mahafantatra bebe kokoa mahakasika ireo Môrmôna ve ato amin’ ity fiara ity?”

Niandry aho sao misy hamaly. Nodinihako ny endrik’ ireo olona tsirairay sao mba hahitana famantarana hoe misy maniry ny hilaza zavatra momba izay. Tsy nisy. Tonga saina aho fa anjarako ny manao ilay nolazain’ ny Apôstôly Petera hoe: “aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ ny anton’ ny fanantenana ao anatinareo.” Tsapako koa fa marina ilay fomba fitenenana hoe: “Rehefa mipaika ny fotoana hanapahana hevitra dia efa dify izay ny fotoam-piomanana.”

Nandritra ny 15 minitra teo ho eo taorian’io fotoana io, dia nanana fahafahana aho nizara tamin’ ireo olona tao anaty fiara fitaterana ny fijoroako ho vavolombelona mahakasika ny Fiangonana sy ny zavatra inoantsika. Feno fankasitrahana aho noho ny fijoroako ho vavolombelona sy noho ny fahavononako hizara izany.

Mivavaka amin’ ny foko sy fanahiko manontolo aho ny mba hanajan’ ny lehilahy rehetra izay mihazona ny fisoronana izany fisoronana izany ary ny mba hiorenany mafy amin’ ny fametraham-pitokisana izay nomena azy ireo teo am-pandraisany izany fisoronana izany. Enga anie isika tsirairay izay mihazona izany fisoronan’ Andriamanitra izany hahatakatra ny zavatra inoany. Enga anie isika hanana herimpo sy ho vonona hatrany hijoro amin’ ny zavatra izay inoantsika, ary raha ilaina ny mijoro irery dia enga anie isika hanao izany amin-kerimpo tokoa, ary feno hery noho ny fahafantarana fa raha ny marina dia tsy irery mihitsy isika rehefa mijoro miaraka amin’ ny Raintsika any an-danitra.

Rehefa mandinika ilay fanomezana lehibe natolotra antsika isika—dia “ireo zon’ ny fisoronana [izay] mifamatotra tsy azo sarahina amin’ ny herin’ ny lanitra”—dia enga anie isika ho tapa-kevitra hatrany ho vonona hiaro izany ary ho mendrika ireo fampanantenana lehibe atolony. Ry rahalahy isany, enga anie isika hanaraka ireo torolalan’ ny Mpamonjy izay hita ao amin’ ny 3 Nefia, izay manao hoe: “Koa, aingao ambony ny fahazavanareo mba hamirapiratany eo amin’ izao tontolo izao. Indro, Izaho no fahazavana izay haingainareo ambony—izay efa hitanareo fa nataoko.”11

Ny vavaka sy tsodrano ataoko amin’ ireo rehetra izay maheno ny feoko dia ny hanarahantsika hatrany io fahazavana io ary ny hanaingantsika azy io ho ambony mba ho hitan’ izao tontolo izao, amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.

  1. David Brooks, “If It Feels Right …, ” New York Times, 12 Sept. 2011.

  2. Alfred, Lord Tennyson, “Sir Galahad,” tao amin’ ny Poems of the English Race, nofantenan’i. Raymond Macdonald Alden (1921), 296.

  3. Jereo ny1 Nefia 8:26–28.

  4. Ezra Taft Benson, “In His Steps” (takariva amorom-patana karakarain’ ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 8 Feb. 1987); jereo koa ny “In His Steps,” tao amin’ ny 1979 Devotional Speeches of the Year: BYU Devotional and Fireside Addresses (1980), 59.

  5. Gordon B. Hinckley, “Personal Worthiness to Exercise the Priesthood,” Liahona, Jolay 2002, 59.

  6. Isaia 1:18.

  7. Jeremia 31:34.

  8. Matio 6:24.

  9. Môrônia 10:4.

  10. 1 Petera 3:15.

  11. 3 Nefia 18:24.