Manome araka ny Fomban’ ny Tompo
Ny fitsipiky ny fifanampiana an’ ny Fiangonana dia tsy hevitra tsara fotsiny ihany. Fahamarinana nambara avy tamin’ Andriamanitra izy ireny—ireny no Fombany hanampiana ireo sahirana.
Dimy amby enimpolo taona lasa izay, fotoana fohy taorian’ ny Ady Lehibe Faha II, dia niaina ireo fitahiana avy amin’ ny fandaharan’ asan’ ny fifanampian’ ny Fiangonana aho. Na dia mbola zaza aza ny tenako tamin’ izany, dia mbola tsaroako tsara ny hamamin’ ilay paiso am-bifotsy sy serealy masaka ary ny fofon’ ireo akanjo natao fanomezana ho an’ireo Olomasina Alemana taorian’ny ady avy tamin’ireo mpikamban’ ny Fiangonana tia mikarakara avy aty Etazonia. Tsy hohadinoiko na oviana na oviana ary ho lalaiko mandrakizay izany asam-pitiavana sy hatsaram-panahy natao ho anay tena sahirana izany.
Izany zavatra niainan’ny tena manokana izany sy ny tsingerintaona faha-75 ny drafitry ny fifanampiana nentanim-panahy dia mampatsiahy ahy indray ireo fitsipika fototry ny fikarakarana ny mahantra sy ny sahirana, ny fizakan-tena, ary ny fanompoana ny mpiara-belona amintsika.
Ao amin’ ny Fakan’ ny Finoantsika
Indraindray ny fijerintsika ny fifanampiana dia toa ny hoe lohahevitra iray hafa fotsiny ao amin’ ny filazantsara—iray amin’ ireo sampana marobe an’ ilay hazon’ ny filazantsara. Kanefa izaho dia mino fa ao amin’ ny drafitry ny Tompo, ny fanoloran-tenantsika amin’ ny fitsipiky ny fifanampiana dia tokony ho tena any amin’ ny fakan’ ny finoantsika sy ny fanoloran-tenantsika Aminy.
Hatramin’ ny fiantombohan’ izao tontolo izao, ny Raintsika any an-danitra dia niresaka mazava tsara momba io lohahevitra io: manomboka amin’ ny fangatahana malefaka, toy ny hoe: “Raha tia Ahy ianao … hahatsiaro ny mahantra ianao ary hanokana ny fanananao ka tokony hozarainao ho azy ho fanohanana azy”1 mankany amin’ny ny didy mivantana hoe: “Ary tsarovy amin’ ny zavatra rehetra ny mahantra sy ny sahirana, ny marary sy ny ory, fa izay tsy manao ireo zavatra ireo dia tsy mpianatro”2 ary koa mankany amin’ny fampitandremana mahery vaika manao hoe: “Koa raha misy olona maka amin’ ny habetsahana izay efa nataoko ary tsy manome amin’ ny anjarany, araka ny lalàn’ ny filazantsarako, ho an’ ny mahantra sy ny sahirana, dia hanandratra ny masony ao amin’ ny helo miaraka amin’ ny olon-dratsy izy, ao amin’ ny fijaliana.”3
Mifamatotra ny Ara-nofo sy ny Ara-panahy
Ireo didy roa lehibe—tia an’ Andriamanitra sy ny namantsika—no mampiaraka ny ara-nofo sy ny ara-panahy. Zava-dehibe ny manamarika fa ireo didy roa ireo dia nantsoina hoe “lehibe” satria ny didy hafa rehetra dia miankina amin’ izy ireo.4 Amin’ ny teny hafa izany dia hoe, ny laharampahamehan’ ny tenantsika, sy ny an’ ny fianakaviantsika ary ny an’ ny Fiangonana dia manomboka eto. Ny tanjona sy ny asa hafa rehetra dia tokony hikoriana avy amin’ ny loharanon’ ireo didy lehibe roa ireo—avy amin’ ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy ny namantsika.
Tahaka ny lafiny roa amin’ ny vola madinika, ny ara-nofo sy ny ara-panahy dia tsy afa-misaraka.
Ilay Mpanome ny fiainana rehetra dia efa nanambara hoe “fa ho Ahy ny zavatra rehetra dia ara-panahy, ary tsy nisy fotoana nanomezako ho anareo ny lalàna izay ara-nofo.”5 Midika izany amiko fa “ny fiainana ara-panahy dia voalohany amin’ ny fiainana rehetra. Tsy zavatra ilaina ho fantatra na ilaina hianarana izany, fa hiainana.”6
Indrisy anefa fa misy ireo izay manamaivana ny “ara-nofo” satria mieritreritra izy ireo fa tsy dia manan-danja izany. Homen’ izy ireo lanja kokoa ny ara-panahy ary tsinontsinoaviny ny ara-nofo. Raha tena zava-dehibe tokoa ny mampitodika ny eritrerintsika mankany amin’ ny lanitra, dia tsy ho hitantsika kosa ilay tena maha-izy azy ny fivavahantsika raha toa ka tsy malala-tanana amin’ ny mpiara-belona amintsika koa isika.
Ohatra, i Enoka dia nanangana ny fiaraha-monin’ i Ziona tamin’ ny alalan’ ny dingana ara-panahy hoe hamoronana vahoaka iray izay iray fo sy iray saina sy tamin’ny alalan’ilay asa ara-nofo hakana antoka fa “tsy nisy nahantra teo anivon’ [izy ireo].”7
Araka ny mahazatra, dia afaka mijery ilay ohatra tonga lafatra ho antsika isika, dia i Jesoa Kristy, mba ho ho alaina tahaka. Nampianatra ny Filoha J. Reuben Clark Zanany hoe: “Rehefa tonga teto an-tany ny Mpamonjy dia nanana iraka roa lehibe Izy; ny iray dia ny hanao ny asa amin’ ny maha Mesia azy, hanao ny sorompanavotana noho ny fahalavoana, sy hanatanteraka ny lalàna. Ny iray hafa kosa dia ny asa izay nataony tamin’ ireo rahalahiny sy anabaviny araka ny nofo, tamin’ ny fomba hanamaivanana ny fijalian’ izy ireo.”8
Mitovitovy amin’ izany koa, ny fivoarantsika ara-panahy dia mifamatotra tsy afa-misaraka amin’ ny fanompoana ara-nofo ataontsika amin’ ny hafa.
Mifameno izy ireo. Raha mandeha irery ny iray amin’ izy ireo dia lasa drafitry ny fahasambarana sandoka izay manova ilay drafitry ny fahasambarana nataon’ Andriamanitra.
Ny Fomban’ ny Tompo
Maro ny olona sy fikambanana tsara manerana izao tontolo izao izay miezaka manome ireo zavatra ilain’ireo mahantra sy sahirana mafy eny rehetra eny. Feno fankasitrahana isika ny amin’ izany, kanefa ny fomban’ ny Tompo entina hikarakarana ireo izay mila fanampiana dia mifanohitra amin’ ny fomban’ izao tontolo izao. Nilaza ny Tompo hoe “Tsy maintsy ilaina ny hanaovana izany araka ny fombako.”9 Tsy ny zavatra ilaintsika eo no eo ihany no mahaliana Azy; fa tena miahiahy ny amin’ny fivoarantsika mandrakizay ihany koa Izy. Noho izany antony izany, ny fomban’ ny Tompo dia tsy maintsy ahitana ny fizakan-tena sy ny fanompoana ny namantsika ho fanampin’ ny fikarakarana ireo mahantra.
Tamin’ ny taona 1941 dia tondraka ny reniranon’ i Gila ary nanondraka ny lohasahan’ i Duncan tao Arizona. Nisy filohan’ ny tsatòka vao herotrerony nantsoina hoe Spencer W. Kimball izay nihaona tamin’ ny mpanolotsainy, nanombantombana ny zavatra simban’izany izy ireo, ary nandefa telegrama tany Salt Lake City nangataka lelavola goavana.
Raha tokony ho nandefa vola ny Filoha Heber J. Grant dia naleony nandefa lehilahy anankitelo: Henry D. Moyle, sy Marion G. Romney, ary Harold B. Lee. Nihaona tamin’ ny Filoha Kimball izy ireo ary nampianatra azy lesona iray tena manan-danja: “Izy ity dia tsy fandaharan’ asa hoe ‘omeo omeo,’” hoy izy. “fandaharan’ asan’ ny ‘fifanampiana’ izy ity.”
Taona maro taty aoriana, dia nilaza ny Filoha Kimball hoe: “Mety ho zavatra mora tamin’ ireo Rahalahy, araka ny eritreritro, ny nandefa taty aminay [ilay vola] ary tsy ho sarotra loatra taminay ny nipetraka tao amin’ ny biraonay ary nizara izany vola izany; kanefa akory ny hatsaran’ ny zavatra tonga taminay satria an-jatony [izahay] no nandeha nankany Duncan ary nanangana fefy sy nanangona ny mololo ary nampiakatra ny ranontany sy nanao ny zavatra rehetra nilaina natao. Izany no atao hoe fifanampiana.”10
Tamin’ ny fanarahana ny fomban’ ny Tompo no nahazoan’ ireo mpikamban’ ny tsatòkan’ ny Filoha Kimball avy hatrany tsy hoe ny zavatra nilain’ izy ireo ihany fa afaka ihany koa izy ireo nahazo fizakan-tena, nanamaivana ny fijaliana, ary nitombo tao amin’ ny fitiavana sy ny firaisan-kina rehefa nifanompo izy ireo.
Mpandray Anjara Avokoa Isika
Amin’ izao fotoana izao dia maro ireo mpikamban’ ny Fiangonana no mijaly. Noana izy ireo, manana olana ara-bola, ary sahirana amin’ ny olana ara-nofo, sy ara-pihetsehampo, ary ara-panahy. Mivavaka amin’ ny herimpo rehetra ananany izy ireo mba hahazo vonjy, sy fanampiana.
Ry rahalahy, aza mihevitra ianareo fa andraikitr’ olon-kafa izany. Andraikitro izany ary andraikitrareo. Mandray anjara avokoa isika rehetra. Ny dikan’ ny hoe “Rehetra” dia rehetra—ny mpihazona ny Fisoronana Aharôna sy Melkizedeka tsirairay, na manan-karena na mahantra, any amin’ ny firenena rehetra. Ao amin’ny drafitry ny Tompo, dia misy zavatra izay hitondrany ny anjara birikiny.11
Ny lesona ianarantsika isaky ny taranaka nifandimby dia ny hoe na ny manan-karena na ny mahantra dia samy eo ambanin’ ny andraikitra masina dia ny hanampy ireo namany. Mitaky ny fiaraha-miasantsika rehetra miaraka ny hampahomby ny fitsipiky ny fifanampiana sy ny fizakan-tena.
Matetika loatra isika no mahatsikaritra ireo filàna manodidina antsika ary manantena fa hisy olona iray avy lavitra any hiseho amim-pahagagana mba hanome ireo zavatra ilaina ireo. Angamba isika miandry matihanina manana fahalalana manokana mba hamaha olana miavaka tsara. Rehefa manao izany isika, dia manaisotra amin’ ny namantsika ilay asa fanompoana izay azontsika atao, ary manaisotra amin’ ny tenantsika ny fahafahana manompo. Marina fa tsy misy maharatsy ny maha-matihanina, fa ndao hatrehina izany: tsy ho ampy mihitsy izy ireny hamahana ny olana rehetra. Fa napetraky ny Tompo eo amin’ ny tokonam-baravarantsika any amin’ny firenena rehetra izay misy ny Fiangonana kosa ny fisoronany sy ny fikambanany. Ary tena teo akaikiny teo no nametrahany ny Fikambanana Ifanampiana. Ary araka ny efa fantatsika mpihazona ny fisoronana, dia tsy misy ezaka fifanampiana hahomby raha toa ka tsy ampiasaina ny fanomezam-pahasoavana mahagaga sy ny talentan’ ireo anabavintsika ireo.
Ny fomban’ ny Tompo dia tsy ny mijanona eo amoron’ ny koriandrano ary miandry ny rano mba ho tapitra izay vao miampita. Fa miara-miasa kosa, mampiakatra ny tanan’ akanjo, mandeha miasa, ary manamboatra tetezana na sambo ahafahana miampita ny ranon’ ny fanamby. Ianareo ry lehilahin’ i Ziona, ianareo ry mpihazona ny fisoronana no afaka hitarika sy hitondra fanamaivanana ho an’ ireo Olomasina amin’ ny fampiharana ny fitsipika nentanim-panahy izay an’ ny fandaharan’ asan’ ny fifanampiana! Andraikitrareo ny manokatra ny masonareo, mampiasa ny fisoronanareo, ary mandeha miasa amin’ ny fomban’ ny Tompo.
Fikambanana Lehibe Indrindra eto An-tany
Nandritra ny fitotonganana ara-toe-karena naneran-tany, dia nasain’ ireo Rahalahy i Harold B. Lee, izay filohan’ ny tsatòka tamin’ izany, hikaroka vahaolana tamin’ ireo fahantrana mahakivy, sy fahoriana, ary hanoanana izay niparitaka tokoa naneran-tany tamin’ izany fotoana izany. Sahirana izy nikaroka vahaolana ka dia nentiny teo anatrehan’ny Tompo izany ary nanontany izy hoe, “Karazana fikambanana toy inona no ilainay ananana, … mba hahavitana izany?”
Ary “tahaka ny hoe niteny [taminy] toy izao ny Tompo hoe: ’Jereo tsara ry zanako, tsy mila rafitra hafa ianao. Efa nomeko anao ny rafitra lehibe indrindra eto ambonin’ ny tany. Tsy misy lehibe mihoatra ny rafitry ny fisoronana. Ny hany zavatra ilainao atao dia ny manao izay hiasan’ ny fisoronana. Izay ihany.’”12
Izay ihany koa no teboka fanombohana amin’ izao androntsika izao. Efa manana ny rafitry ny Tompo mipetraka tsara isika. Ny fanamby ho antsika dia ny mamaritra ny fomba hampiasana izany.
Ny hanombohana izany dia fiezahantsika mahafantatra izay efa nambaran’ ny Tompo. Tsy tokony hihevitra isika hoe haintsika izany. Mila miatrika izany lafin-javatra izany amin’ ny alalan’ny fanetren-tena ananan’ny ankizy isika. Ny taranaka rehetra dia tsy maintsy mianatra indray ny fotopampianarana izay iorenan’ ny fomban’ ny Tompo eo amin’ ny fikarakarana ny sahirana. Tahaka ny nampianarin’ ireo mpaminany maro antsika nandritra ny taona maro, ny fitsipiky ny fifanampiana an’ ny Fiangonana dia tsy hevitra tsara fotsiny ihany. Fahamarinana nambara avy tamin’ Andriamanitra izy ireny—ireny no Fombany hanampiana ireo sahirana.
Ry rahalahy, ianaro aloha ireo fitsipika sy fotopampianarana nambara. Vakio ireo boky torolalana mahakasika ny fifanampiana an’ny Fiangonana;13 araraoty ny tranonkala ao amin’ny Internet hoe providentliving.org; avereno vakiana ny lahatsoratra ao amin’ ny Liahona Jiona 2011 mikasika ny drafitry ny fifanampiana ato amin’ny Fiangonana. Karohy ny fomban’ ny Tompo entina hanampiana ny Olomasiny. Ianaro ny fomba mampifameno ny fikarakarana ny sahirana, ny fanompoana ny namana, ary ny fizakan-tena. Ny fomban’ ny Tompo hatratrarana ny fizakan-tena dia ahitana lafiny maro ao amin’ ny fiainana izay mifandanja tsara ka ao anatin’izany ny fianarana, ny fahasalamana, ny asa, ny fitantanam-bolan’ ny fianakaviana, ary ny tanjaka ara-panahy. Fantaro ny fandaharan’ asan’ ny fifanampiana maoderina an’ ny Fiangonana.14
Rehefa avy nandalina ny fotopampianarana sy ny fitsipiky ny fifanampiana an’ny Fiangonana ianao, dia katsaho ny hampihatra izay nianaranao hanomezana izay ilain’ ireo olona iandraiketanao. Ny dikan’ izany, amin’ ny ankapobeny, dia tsy maintsy mamaha izany samirery ianao. Ny fianakaviana rehetra, ny mpivavaka rehetra ny faritra rehetra eto amin’ izao tontolo izao dia manana ny fahasamihafany. Tsy misy valiny iray monja mety ho an’ny rehetra ao amin’ilay fifanampiana ato amin’ ny Fiangonana. Izany dia fandaharan’ asa manampy ny olona tsirairay ho tompon’ andraikitra amin’ ny fizakan-tenany manokana. Ny loharano izay ananantsika dia ahitana ny vavaka manokana, ny talenta manokana nomen’ Andriamanitra sy ny fahaiza-manao, sy ny zavatra maro ananantsika amin’ ny alalan’ ny fianakaviantsika sy ny havantsika, sy ny loharano samihafa avy eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika, ary mazava ho azy ny fanohanana feno fitiavana atolotry ny kôlejin’ ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana. Izany dia hitarika antsika any amin’ ilay lamina nentanim-panahin’ny fizakan-tena.
Ianao dia hanao drafitra mifanaraka amin’ ny fotopampianaran’ ny Tompo ary mifanaraka amin’ ny zava-misy eo amin’ ny faritra misy anao. Rehefa mampihatra ireo fitsipika masin’ny fifanampiana ianao dia tsy mila miantehitra foana amin’ny aty Salt Lake City. Fa kosa mila mijery ireo boky torolalana ianao, mijery ao amin’ ny fonao, ary mijery ny lanitra. Matokia ny fitaomam-panahin’ ny Tompo ary manaraha ny Fombany.
Amin’ ny farany dia tsy maintsy manao izay nataon’ ny mpianatry ny Tompo nandritra ny fotoampitantanana rehetra ianao any amin’ny faritra misy anao: miaraka mifanakalo hevitra, mampiasa ireo loharano rehetra misy, mikatsaka fitaomam-panahy avy amin’ ny Fanahy Masina, mangataka amin’ ny Tompo ny fankatoavany, ary dia mampiakatra ny tanan’ akanjonao ary mandeha miasa.
Mampanantena anareo aho: fa raha manaraka izany lamina izany ianareo, dia hahazo fitarihana manokana mikasika ny hoe iza, inona, rahoviana, ary aiza eo amin’ ny fanomezan-javatra amin’ ny fomban’ ny Tompo.
Ny Fitahiana avy amin’ny Fanomezana araka ny Fomban’ ny Tompo
Ireo fampanantenana ara-paminaniana sy ireo fitahiana avy amin’ny fifanampiana an’ny Fiangonana mikasika ny fanomezana araka ny fomban’ ny Tompo, no anisan’ ireo zavatra mahatalanjona sy ambony indrindra nolazain’ ny Tompo tamin’ ireo zanany. Hoy izy: “Ary afoinao ho an’ ny noana izay hanina tianao, ka mahavoky ny ory ianao, dia hiposaka ao amin’ ny maizina ny fahazavanao, ary ny aizim-pitonao ho tahaka ny mitataovovonana: Ary Jehovah hitari-dalana anao mandrakariva.”15
Na manan-karena isika na mahantra, na aiza na aiza misy antsika, dia mila mifanampy isika, fa amin’ ny alalan’ ny fahafoizana ny fotoana, sy ny talenta, ary ny fananantsika no hahamatotra ny fanahintsika sy hampadio antsika.
Ity asa fanomezana araka ny fomban’ ny Tompo ity dia tsy hoe lafin-javatra iray ao anatin’ ny fandaharan’ asan’ ny Fiangonana fotsiny. Tsy azo atao tsinontsinona na atao an-jorombala izany. Ivon’ ny fotopampianarantsika izany; ary tena hanitry ny fivavahantsika. Ry rahalahy, tombotsoa lehibe sy manokana ho antsika amin’ ny maha mpihazona ny fisoronana antsika ny mampiasa ny fisoronana. Isika dia tsy tokony hanao izay tsy hifantohan’ny fontsika na ny saintsika amin’ny fahatongavana ho mizaka tena bebe kokoa sy amin’ny fikarakarana bebe kokoa ny olona sahirana, ary amin’ny fanatanterahana asa fanompoana am-pitiavana.
Ny zavatra ara-nofo dia mifamatotra amin’ ny zavatra ara-panahy. Nomen’ Andriamanitra ity fiainana an-tany ity sy ny fanamby ara-nofo izay miaraka aminy isika mba ho toy ny trano fikarohana ahafahantsika mivoatra ho tonga tahaka izay irian’ ny Ray any an-danitra hahatongavantsika. Enga anie isika hahatakatra ny adidy sy fitahiana goavana izay tonga avy amin’ ny alalan’ ny fanarahana sy fanomezana araka ny fomban’ ny Tompo, izany no vavaka ataoko amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.