Tahaka ny Vilany Ariana
Manao ahoana no mety ho fihetsika tsara indrindra asehonao raha toa ka miatrika olana ara-tsaina na ara-pihetseham-po ianao na ireo izay tianao?
Nanoratra ny Apôstôly Petera fa ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy dia tokony haneho “fiaraha-miory.”1 Ao anatin’izany toe-panahy izany no tiako hiresahana amin’ireo izay mijaly noho ny karazana aretin-tsaina na aretina ara-pihetseham-po sasantsasany, na maivana izany aretina izany na mahery, na mandalo na koa maharitra mandritra ny androm-piainana. Tena takatray ny fahasarotan’ireo lohahevitra ireo rehefa mandre mpitsabo miresaka mikasika ny fikorontanana ara-tsaina na névroses sy ny aretin-tsaina na psychoses, sy mikasika ny vahana ahazoana aretina manaranaka sy ny tsy fahatomombanan’ny selalova, mikasika ny maniaco-dépression, sy ny paranoïa ary ny schizophrénie. Na dia mety ho tsy takatry ny saina aza izany rehetra izany, ireo aretina ireo dia anisan’ireo zava-misy eo amin’ny fiainana an-tany, ary tsy tokony hisy hahamenatra intsony ny fanekena azy ireny mihoatra noho ny fanekena ny ady atao amin’ny fiakaran’ny tosi-drà na ny fipoiran’ny fivontosana iray tampoka miendrika homamiadana.
Eo am-piezahana ny hahita fiadanana sy fahatakarana ny amin’ireo zavatra ireo, dia zava-dehibe ny mahatsiaro fa isika dia miaina—ary nisafidy ny hiaina—ao amin’ny tontolo iray izay lavo, izay hisedrana sy hitsapana hatrany hatrany ny fikatsahantsika fahamasinana, noho ireo tanjon’Andriamanitra. Ny fanomezan-toky lehibe indrindra ao amin’ny drafitr’Andriamanitra dia ny hoe, nisy Mpamonjy iray nampanantenaina, Mpanavotra iray, izay amin’ny alalan’ny finoantsika Azy, dia hanandratra antsika ho mpandresy eo anatrehan’ireo fitsapana sy fisedrana ireo, na dia tsy hay ho refesina aza ny saran’ny fanaovana izany na ho an’ny Ray izay naniraka Azy, na ho an’ny Zanaka izay tonga. Ny fankasitrahana an’io fitiavan’Andriamanitra io ihany no hahatonga ny fijaliantsika kely manokana, ho azo zakaina aloha voalohany indrindra, ary avy eo dia azo takarina, ary farany hitondra fanavotana.
Tsy hiresaka momba ireo aretina tena miavaka izay voalazako teo aho fa hifantoka kosa amin’ny SDM—“syndrome dépressif majeur”—na mahazatra kokoa ny hoe “dépression” na hakiviana lalina. Raha miresaka mikasika an’io aho, dia tsy ny momba ireo andro izay toa tsy misy mety ny atao no tiako horesahana, na ireo fe-potoana farany fandoavan-ketra, na ireo fotoana mahakivy hafa izay lalovantsika rehetra. Ny olona tsirairay dia tsy maintsy hitebiteby na ho kivy tsindraindray eny. Milaza ny Bokin’i Môrmôna fa i Amôna sy ireo rahalahiny dia kivy tamin’ny fotoana iray tena sarotra,2 ary mety ho tojo an’izany koa isika rehetra. Fa androany aho dia hiresaka mikasika ny zavatra iray izay goavana kokoa, mikasika ny aretina iray izay lalina loatra ka mametra ny fahafahan’ny olona iray hiasa tanteraka, lavaka maizina iray ao an-tsaina izay lalina loatra ka tsy misy olona afaka mandroso hevitra amim-pahamatorana hoe azo antoka fa hisinda ho azy izy io raha toa ka mitraka sy mijoro tsara fotsiny ary manamboatra saina hijery kokoa ny lafin-tsaran-javatra ireo olona izay voan’izany—na dia mamporisika tanteraka ny fitrakana sy fijoroana tsara aza aho sy ny fananana saina mijery ny lafin-tsaran-javatra!
Tsia, io alina maizina ao amin’ny saina sy ny fanahy io dia mihoatra noho ny fahakiviana tsotra fotsiny. Hitako izany nitranga tamin’ny lehilahy masina iray rehefa nodimandry ny vady malalany izay vadiny nandritra ny 50 taona. Hitako izany teo amin’ny reny iray vao niteraka izay voan’ny antsoina hoe “alahelon’olona avy niteraka.” Hitako izany namely ireo mpianatra be tebiteby sy ireo miaramila misotro ronono, ary ireo renibe niasa saina ny amin’ny fahasambaran’ireo zanany efa lehibe.
Ary efa hitako izany teo amin’ireo ray vao herotrerony izay miezaka mamelona ny ankohonany. Toy izany no fomba nahitako azy io tamim-pihorohoroana teo amin’ny tenako indray mandeha. Tamin’ny fotoana iray teo amin’ny fiainan-tokantranonay, raha sendra tafaraka tamin’ny harerahana lalina ny tahotra teo amin’ny fitantanam-bola, dia nisy olana ara-pihetseham-po tonga tamiko, izay tsy nampoizina nefa tena nisy. Noho ny famindram-pon’Andriamanitra sy ny fitiavan’ny fianankaviako, dia mbola afaka nanohy niasa hatrany aho saingy na dia efa taona maro aza no lasana dia mbola manohy mahatsapa fangorahana lalina aho ho an’ireo hafa izay hiharan’izany haizina izany amin’ny fomba maharitra kokoa sy lalina kokoa noho ny nahazo ahy. Na izany na tsy izany, dia efa samy naka fankaherezana daholo isika avy tamin’ireo izay araka ny tenin’ny Mpaminany Joseph, “[n]ikaroka … sy [n]andinika ilay lavaka lalina indrindra”3 ary naharitra tamin’izany—tsy kely indrindra tamin’izany ry Abraham Lincoln, sy Winston Churchill, ary ny Loholona George Albert Smith, ity farany izay iray amin’ireo lehilahy malala-tanana sy mitovy amin’i Kristy indrindra amin’izao fotoampitantanana izao, izay niady tamin’ny aretim-pahakiviana lalina niverimberina nandritra ny taona maro talohan’ny nahatonga azy ho ilay mpaminany fahavalo tian’ny rehetra taty aoriana sady Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.
Noho izany, manao ahoana no mety ho fihetsika tsara indrindra asehonao raha toa ka miatrika olana ara-tsaina na ara-pihetseham-po ianao na ireo izay tianao? Ambonin’ny zava-drehetra, aza manary finoana mihitsy an’ny Rainao any An-danitra, izay tia anao mihoatra lavitra noho izay azonao takarina. Toy izao no nolazain’ny Filoha Monson tamin’ireo rahavavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana tamin’ny fomba nampihetsi-po tokoa ny Sabotsy hariva lasa teo: “Tsy miova mihitsy io fitiavana io. … Eo izy io ho anao rehefa malahelo ianao, na sambatra, na kivy na velom-panantenana. Eo ho anao ny fitiavan’Andriamanitra na mahatsapa na tsia hoe mendrika izany ianao. Eo foana fotsiny izy io.”4 Aza miahiahy ny amin’izany na oviana na oviana, ary aza manamafy ny fonao mihitsy. Katsaho amim-pahatokiana ireo fombafomba fitsaohana nosedrain’ny taona izay mitondra ny Fanahin’ny Tompo ho ao amin’ny fiainanao. Katsaho ny torohevitr’ireo izay mihazona fanalahidy ho an’ny fahatomombananao ara-panahy. Mangataha ary ankamamio ireo tsodranon’ny fisoronana. Mandraisa ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro, ary mifikira amin’ireo fampanantenan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izay mahatonga antsika ho tanteraka. Minoa ireo fahagagana. Efa nahita maro tamin’izany aho rehefa maneho ireo fambara rehetra fa very ny fanantenana. Tsy very na oviana na oviana ny fanantenana. Raha toa ka tsy tonga vetivety ireo fahagagana ireo, na tsy tonga manontolo na toa tsy tonga mihitsy, dia tsarovy ilay ohatry ny fijalian’ny Mpamonjy manokana: raha tsy telina ilay kapoaka mangidy, dia sotroy ary mahereza, matokia an’ireo andro maha-sambatra kokoa izay ho avy.5
Mba hisorohana ny aretina isaky ny afaka manao izany, dia diniho ireo fambara maneho faharerahan-tsaina eo amin’ny tenanao sy eo amin’ny hafa izay mety ho azonao ampiana. Toy ny amin’ny fiaranao, aoka ianao ho malina amin’ny fiakaran’ny fahatezerana, sy amin’ny fanenjehana hanao zavatra be loatra, na amin’ny tsy fahampian’ny hery. Rehefa misedra “dépression de surmenage” ianao na fahakiviana lalina noho ny havizanana be loatra dia ahitsio izay tokony hahitsy. Ny havizanana no fahavalo iraisantsika rehetra—koa mandehana mora, mitonia, makà aina, manangòna hery, ary fenoy izany. Mampanantena antsika ireo mpitsabo fa raha tsy maka fotoana isika mba hahasalama antsika dia ho azo antoka fa hanana fotoana isika any aoriana mba harariana.
Raha toa mbola mahavalaka ny fandehan-javatra dia mitadiava ny torohevitry ny olona fanta-daza izay nahazo fiofanana manokana voamarina momba izany, sy matihanina ary manaja ny soatoavina. Aoka ho marin-toetra amin’izy ireo ianao mikasika ny tantaranao sy ny olana mahazo anao. Diniho amim-bavaka sy amim-pahamatorana ny torohevitra sy ny vahaolana omen’izy ireny. Raha toa voan’ny appendicite ianao, dia manantena Andriamanitra fa hangataka tsodranon’ny fisoronana ianao sady handray ny fitsaboana tsara indrindra mety hisy. Tahaka izany ihany koa ny amin’ny aretina ara-pihetseham-po. Miandrandra antsika ny Ray any An-danitra hampiasa ireo fanomezam-pahasoavana mahatalanjona rehetra izay nomeny mandritra ity fotoampitantanana feno voninahitra ity.
Raha toa ka ianao no ilay ory na mitsabo ilay olona ory, dia ezaho ny tsy ho tototry ny habetsaky ny asa miandry anao. Aza mihevitra hoe afaka manamboatra ny zava-drehetra ianao fa amboary izay azonao amboarina. Raha toa izany ka fandresena madinika fotsiny ihany, dia aoka ianao hankasitraka noho ny amin’izy ireo, ary manàna faharetana. Impiry impiry ao amin’ny soratra masina ny Tompo no nandidy olona iray mba “hangina” na “ho tony”—ary hiandry.6 Ny fiaretana amim-paharetana ny zavatra sasany dia anisan’ny fampianarana antsika eto amin’ny fiainana an-tany.
Ho an’ireo mpitsabo, eo amin’ny ezaka feno fanoloran-tena ataonao hikarakarana ny fahasalaman’olona iray hafa dia aza simbana ny fahasalamanao. Manàna fahendrena eo amin’ireo zavatra rehetra ireo. Aza mihazakazaka haingana kokoa noho izay tratry ny hery.7 Na inona na inona zavatra hafa mety ho vitanao na mety tsy ho vitanao ny manolotra azy, dia afaka manolotra vavaka isika sy afaka manolotra “fitiavana tsy mihatsaravelatsihy.”8 “Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; … tsy mora sosotra,… fa … mandefitra ny zavatra rehetra, … manantena ny zavatra rehetra. Ny fiantrana tsy ho levona mandrakizay.”9
Aoka ho tsaroantsika ihany koa fa eo anatrehan’ny aretina na ny olana sarotra rehetra dia mbola betsaka ny zavatra eo amin’ny fiainana izay antony hananana fanantenana sy fankasitrahana. Mihoatra lavitra noho ny tsy fahalavorariantsika na ny fahoriantsika isika! Efa namanay nandritra ny 30 taona mahery i Stephanie Clark Nielson sy ny fianakaviany. Tamin’ny 16 Aogositra 2008 i Stephanie sy i Christian vadiny dia niharan’ny lozam-piaramanidina sy ny firehetan’izany, izay nanimba ny vatany tamin’ny fomba nahatsiravina loatra ka ny hoho tongony voaloko ihany no azo nofantarina rehefa tonga ny fianakaviana mba hamantatra ireo niharam-boina. Saika tsy nisy erijika mihitsy ny ahaveloman’i Stephanie. Taorian’ny telo volana tao anatin’ny tsy fahatsiarovan-tena noho ny fampatoriana natao taminy dia nifoha izy mba hijery ny tenany. Niaraka tamin’izay dia tonga ny ratra ara-tsaina sy ny aretim-pahakiviana nahatsiravina. Noho ny fananany zanaka efatra latsaky ny fito taona, dia tsy tian’i Stephanie ho hitan’izy ireo intsony izy. Nahatsapa izy fa ho tsara kokoa aminy ny tsy miaina. Nihevitra aho fa ho mora kokoa,” hoy i Stephanie tamiko tao amin’ny biraoko indray mandeha, “raha toa ka hadinoin’izy ireo fotsiny aho ary izaho kosa mitsaitsaika mangina mivoaka amin’ny fiainan’izy ireo.”
Saingy noho izy mendri-piderana mandrakizay, sy ny fivavaky ny vadiny sy ny fianakaviany sy ireo namany, sy ireo zanany mahafatifaty efatra, ary ny fahadimy izay nateraky ry Nielson vao 18 volana lasa izay, dia tafavoaka avy tao amin’ny lavaka lalin’ny fandravan-tena i Stephanie ka lasa anisan’ireo “reny mpanoratra blaogy” malaza indrindra manerana an’i Etazonia, manambara amin-kalalahana amin’ireo efatra tapitrisa izay manaraka ny blaoginy fa ny “tanjony masina” eo amin’ny fiainana dia ny ho reny ary ny hankafy ny andro rehetra izay nomena azy eto ambonin’ity tany tsara tarehy ity.
Na inona na inona ady atrehanareo ry rahalahy sy anabaviko isany—na ara-tsaina na ara-pihetseham-po na ara-batana na amin’ny lafiny hafa—aza misafidy hanohitra ny maha-sarobidy ny fiainana amin’ny alalan’ny fanaperana azy! Matokia an’Andriamanitra. Mifikira amin’ny fitiavany. Fantaro fa indray andro any dia hiposaka ny masoandro mamirapiratra ary hisava ireo aloka maizin’ny fiainana an-tany. Na dia mety hahatsiaro tena ho toy ny “vilany ariana” aza isika, araka ny voalazan’ny mpanao Salamo,10 dia tsy maintsy mahatadidy isika fa eo am-pelatanan’ilay Andriamanitra mpanao vilany io vilany io. Azo sitranina ny saina simba, tsy misy hafa amin’ny fanasitranana taolana tapaka sy fo maratra. Rehefa am-perinasa Andriamanitra manao ireo fanamboarana ireo, dia afaka manampy isika amin’ny alalan’ny fanehoana indra-fo sy ny tsy fitsaratsarana, ary hatsaram-panahy.
Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny Fitsanganana masina amin’ny maty, ilay fanomezana tsy hay lazaina toy ny vatofehizoro ao amin’ny Sorompanavotan’ilay Jesoa Kristy Tompo! Mijoro ho vavolombelona miaraka amin’ny Apôstôly Paoly aho fa izay nafafy tamin’ny fahalovana dia atsangana amin’ny tsy fahalovana, ary izay nafafy tamin’ny fahalemena dia atsangana amin’ny hery.11 Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ilay andro izay ahitantsika fa ireo olon-tiantsika izay fantatsika fa nanana fahalemena teto amin’ity fiainana an-tany ity, dia hijoro eo anoloantsika amin’ny vatana mahafinaritra sy feno voninahitra, ary tonga lafatra tanteraka ao anatin’ny vatana sy fanahy feno hatsarana. Tena ho fotoana hahafinaritra tokoa izany! Tsy fantatro raha toa isika ho sambatra kokoa ho an’ny tenantsika noho ny nanatrehantsika maso ny fahagagana toa izany na ho sambatra kokoa ho azy ireo noho izy ireo tonga lafatra tanteraka ary “afaka ihany”12 nony farany. Mandra-pahatonga ny ora izay hampiharihary amintsika rehetra ny fanomezana tanterak’i Kristy, dia enga anie isika hiaina amim-pinoana sy hifikitra amin’ny fanantenana ary haneho “fiaraha-miory,”13 izany no vavaka ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.