Mijere any aloha ary Minoa
Eo imason’ny Tompo dia tsy dia izay zavatra vitantsika loatra na izay toerana nisy antsika no zava-dehibe fa izay tiantsika haleha.
Fony aho mbola zazalahy, raha niasa tany niaraka tamin’ny reniko aho dia nampianatra ahy ireo lesona manan-danja indrindra eo amin’ny fiainana izy. Efa atoandrotoandro iny tamin’izay, efa niposaka tsara ny masoandro ary teo am-piavana izahay, izay noeritreretiko fa tena haharitra ela tokoa. Niato aho nijery izay zava-bitanay ary niteny tamin’ny reniko nanao hoe: “Jereo ny zavatra efa vitantsika!” Tsy namaly i Neny. Nieritreritra aho hoe tsy naheno ahy izy ka dia naveriko tamin’ny feo mafimafy kokoa izay noteneniko. Tsy mbola namaly ihany izy. Naveriko indray izany ary nampiakariko ambonimbony kokoa ny feoko. Farany dia nitodika taty amiko izy ary niteny hoe: “Edward a! Aza mijery any aoriana na oviana na oviana, jereo ny eto aloha izay mbola tsy maintsy hataontsika.”
Ry rahalahy sy anabaviko malala, ilay fanekempihavanana izay nataontsika tamin’ny Tompo mba “hijoro ho vavolombelon’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra ary amin’ny toerana rehetra izay mety hisy [antsika]” (Môsià 18:9), rehefa natao batisa isika, dia fanoloran-tena atao mandritra ny fiainana iray manontolo. Nanoro hevitra ny Filoha Dieter Uchtdorf hoe: “Ireo izay niditra tao amin’ny ranon’ny batisa sy nandray ny fanomezan’ny Fanahy Masina dia nametraka ny tongotr’izy ireo teo amin’ny lalan’ny mpanara-dia ary didiana mba hanaraka tsy tapaka sy hanaraka tanteraka ny dian’ny Mpamonjy antsika” (“Olomasina Amin’ny Fizaran-taona Rehetra,” Liahona, Sept. 2013, 5). Miantso antsika amin’ny alalan’ny mpanompony mba hanompo ao amin’ireo antso samihafa ny Tompo izay ekentsika amim-panolorantena tanteraka. Rehefa vita ny fisaorana ary misy ny fanomezana ny antso mba hanao asa vaovao hafa iray dia manaiky izany amim-pifaliana isika, sady mahafantatra toy ny nahafantaran’ireo razambentsika fa “rehefa manompo ny Tompo, dia tsy ny toerana hanompoanao no zava-dehibe fa ny fomba hanompoanao” (J. Reuben Clark Jr., ao amin’ny Conference Report, Apr. 1951, 154).
Noho izany rehefa isaorana ny filohan’ny tsatòka na ny eveka iray dia manaiky amim-pifaliana ny fisaorana azy izy, ary rehefa atolotra indray ny antso iray mba hanompo amin’izay tokony hanompoana fotsiny, izay “hitan’ny Tompo fa mety” (Môsià 3:19), amin’ny alalan’ny mpanompony, dia tsy voasakan’ny traikefany teo aloha izy, na koa mijery any aoriana sy mieritreritra fa ampy izay ny asa fanompoana nataony. Tsy “ketraka amin’ny fanaovan-tsoa” izy satria fantany fa “mandatsaka fanorenan’ny asa lehibe” izy miaraka amin’ny fahitana mazava fa mitahy fiainana maro mandrakizay ny ezaka toy izany. Noho izany dia “avy amin’ny zavatra madinika no hivoahan’izay lehibe” (F&F 64:33).
Tokony “hazoto hirotsaka amin’ny tanjona tsara” avokoa isika rehetra “ary hanao zavatra maro amin’ny nahim-pon[tsika] ka hahatonga fahamarinana fatratra” (F&F 58:27).
Nanoro hevitra ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Natao hianarana ny lasa fa tsy hiainana. Mijery any aoriana isika mba hianatra zavatra avy amin’ireo ampahany tsara indrindra tao anatin’ny zavatra niainana fa tsy hamerina hiaina ny lasa akory. Ary rehefa nianatra izay nilaintsika hianarana isika sy nitondra niaraka tamintsika ny tsara indrindra izay niainantsika dia mijery any aloha isika ary mahatsiaro fa manondro mankany amin’ny hoavy foana ny finoana” (“The Best Is Yet to Be,” Liahona, Jan. 2010, 18).
Raha toa ka niompana tamin’ireo ahi-dratsy hita teny an-tsaha ilay leson’ny reniko mikasika ny tokony hijerena any aloha dia bitika ihany izany zava-tsarotra izany raha oharina amin’ny zavatra niainan’ireo Olomasina tany am-piandohana. Nofaritan’ny Loholona Joseph B. Wirthlin tsara izany zava-niseho izany: “Tamin’ny 1846 dia olona mihoatra ny 10.000 no nandao ilay tanàna miroborobon’i Nauvoo izay natsangana teo amoron’ny renirano Mississipi. Tamin’ny finoana ireo mpaminany mpitarika no nandaozan’ireo mpikambana voalohan’ny Fiangonana ilay “Tanàna Tsara Tarehy” an’izy ireo ka dia nandeha tany an-tany foanan’ny faritry ny sisintanin’i Etazonia Andrefana tamin’izany andro izany. Tsy fantatr’izy ireo mazava ny lalana halehan’izy ireo, na hoe firy kilaometatra marina sisa no hodiaviny, na haharitra hafiriana ilay dian’izy ireo, na hoe inona no miandry azy ireo amin’ny hoavy. Kanefa fantatr’izy ireo fa notarihan’ny Tompo sy ny Mpanompony izy ireo. (“Faith of Our Fathers,” Ensign, Mey 1996, 33).
Hain’izy ireo izany hoe mijery any aloha ary mino izany. Dimy ambin’ny folo taona talohan’izany dia teo ny sasany tamin’ireo mpikambana ireo rehefa azo ny fanambarana iray:
“Fa lazaiko aminareo marina tokoa, sambatra izay mitandrina ny didiko, na eo amin’ny fiainana na ao amin’ny fahafatesana, ary izay mahatoky amin’ny fahoriana, dia lehibe kokoa ny valisoany ao amin’ny fanjakan’ny lanitra.
“Tsy hainareo jerena amin’ny masonareo voajanahary amin’izao fotoana izao ny fikasan’Andriamanitrareo momba ireo zavatra izay ho avy rahatrizay ireo, ary ny voninahitra izay hanaraka aorian’ny fahoriana be” (F&F 58:2–3).
Isika ihany koa dia afaka mijery any aloha ary mino. Afaka manaiky feno ny fanasan’ny Tompontsika isika, izay manasa antsika tsy misy fepetra:
“Mankanesa aty Amiko hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho hanome anareo fitsaharana.
“Ento ny ziogako ary mianara Amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho dia hahita fitsaharana ny fanahinareo.
“Fa mora ny ziogako ary maivana ny entako” (Matio 11:28–30).
Nanolotra fanasana ho antsika rehetra mba handray anjara amin’ny asa famonjena ny mpaminany malalantsika, Filoha Thomas S. Monson sy ireo mpanolotsaina azy ary ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Ilaina omena andraikitra mitovy ireo mpikambana vaovao, ireo zatovo, ireo tanora sy ireo izay efa misotro ronono tamin’ny asany ary ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno eo amin’ny fanafainganana ny asa famonjena.
Nanatrika fifaninana fitarihan’ny omby enta-mavesatra ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo indray mandeha, ka nianatra lesona avy tamin’izany izy. Hoy izy mikasika izany zavatra hitany izany hoe: “Kalesy hazo fitondra amin’ny ranomandry iray no nampilanjana vongan-tsimenitra [4.535 kg]—5 taonina. … Ny hanisahan’ilay omby ilay kalesy eo amin’ny [91 sm] no tanjona. … Nahatsikaritra biby goavana roa, manana volon-koditra mifangaroharo, manga sy volombatolalaka tena afaka miaraka tsara aho … [irony] omby manga lehibe tamin’ny andro taloha [irony].”
Hoy izy raha niresaka momba ny vokatr’ilay fifaninanana: “Nihintsana tsirairay ireo ekipa. …Tsy nahazo laharana akory ilay omby manga lehibe! Omby roa kely tsy dia miavaka loatra sy tsy mifanentana tsara ny habeny no nahahetsika ilay kalesy in-telo.”
Dia nomena fanazavana mikasika ilay vokatra nahatalanjona izy avy eo: “Ireo omby manga lehibe dia be velarana kokoa sy matanjaka kokoa ary mifanentana tsara kokoa ny habeny noho ny ekipa hafa. Kanefa nahay niara-niasa sy nifandamina tsara kokoa ireo omby kely. Niaraka nisintona ilay zavatra mavesatra izy ireo. Samy niara-nandroso nisintona tamin’ny fotoana nitovy tsara ireo biby ireo ka nampihetsika ilay zavatra mavesatra ny hery avy amin’izany.” (“Equally Yoked Together,” lahateny natao tamin’ny Semineran’ny mpisolo-tena rejionaly, Apr. 3, 1975; ao amin’ny Teaching Seminary: Preservice Readings [2004], 30).
Rehefa mijery any aloha sy mino isika dia mila fiaraha-miasa mitovy amin’izany koa eo amin’ny fanafainganana ny asa famonjena rehefa manasa ny hafa hanatona an’i Kristy. Miaraka amin’ny fahaiza-manao ananantsika tsirairay dia mila manaraka ny torohevitry ny Filoha Dieter F. Uchtdorf isika mba “hifanakaiky bebe kokoa ary hampiakatra avo izay eo amin’ny tandrifintsika” (“Ampiakaro avo izay eo amin’ny tandrify anao,” Liahona, Nôv. 2008, 56). Afaka mahafantatra ilay hery anaty tena ananantsika marina isika tahaka ny nolazain’ny Loholona L. Tom Perry ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Talanjona amin’ireo zava-tsoa izay mitranga aho rehefa mandeha manerana ny Fiangonana. Saingy tsy mahatsapa velively aho hoe, efa miaina mifanaraka amin’ilay hery anaty ananantsika isika amin’ny maha-vahoaka antsika. Ny zavatra tsapako dia hoe tsy miara-miasa isika indraindray, fa mbola liana loatra amin’ny faniriana voninahitra sy fahombiazana ho an’ny tena manokana, ary zara raha mampiseho fahalianana amin’ilay tanjona iombonana hanorenana ny fanjakan’Andriamanitra” (“United in Building the Kingdom of God,” Ensign, Mey 1987, 35).
Enga anie isika hiray hina amin’ilay tanjona iraisana dia ny “[h]anatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39).
Fantatr’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika tsara, izay mahita ny fiandohana ka hatramin’ny fiafarana, ilay lalana hodiaviny mankany Getsemane sy Gôlgôta rehefa nanambara Izy hoe: “Tsy misy olona mitana fangady tarihina ary miherika ka miendrika ho ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra” (Lioka 9:62). Eo imason’ny Tompo dia tsy dia izay zavatra vitantsika loatra na izay toerana nisy antsika no zava-dehibe fa izay tiantsika haleha.
Nampianarina antsika tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ireo fitsipika mpitarika antsika: “Ireo fitsipika fototry ny finoantsika dia ny fijoroan’ireo Apôstôly sy Mpaminany ho vavolombelona mikasika an’i Jesoa Kristy, dia ny hoe, maty sy nalevina Izy ary nitsangana indray tamin’ny andro fahatelo, sy niakatra tany an-danitra; ary ireo zavatra hafa rehetra izay mifandraika amin’ny fivavahantsika dia zavatra fanampin’izany fotsiny ihany” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith [2007], 49).
Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika isika, ary manangana ny tanantsika arahin’asa amin’ny fanohanana ny mpaminany malalantsika, ny Filoha Thomas S. Monson, dia hahazo fiadanana sy fankaherezana ary fifaliana isika ary “hihinana ny soa amin’ny tany … amin’izao andro farany izao” (F&F 64:34). Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.