Misy antony lehibe hifaliantsika
Rehefa mitia sy mikolokolo ary manompo ny hafa amin’ny fomba bitika sy tsotra ianareo dia mandray anjara am-pahavitrihana amin’ny asa famonjena.
Rehefa nody mandry ny rafozan-dahiko dia nivory niaraka ny fianakaviako niarahaba ireo olona tonga niara-ory taminay. Nandritra ny takariva, teo am-pitafatafana tamin’ny fianakaviana aho dia nahatsikaritra matetika an’i Porter zafikelinay 10 taona nijoro teo akaikin’ny rafozam-baviko—ny “renibeny.” Indraindray izy nijoro taoriany, nikarakara azy. Hitako ny sandriny indray mandeha nifandray tamin’ny an’ny renibeny. Tazako izy nandray ny tanany, namihina kely azy ary nijoro teo akaikiny.
Nandritra ny andro maromaro taorian’ity zava-nitranga ity dia tsy nety afaka tao an-tsaiko ity sary ity. Nisy zavatra nanosika ahy handefa taratasy ho an’i Porter, hilazana aminy izay zavatra tsikaritro. Nandefa email taminy aho ary niteny taminy izay hitako sy tsapako. Nampahatsiahiviko an’i Porter ireo fanekempihavanana nataony tamin’ny batisa, ka nitanisa ireo tenin’i Almà ao amin’ny Môsià toko faha 18 aho::
“Ary ankehitriny, satria maniry ianareo ny ho tonga ao amin’ny valan’Andriamanitra sy hantsoina hoe vahoakany ary te hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairary mba hanamaivana izany;
“Eny, ary te hiara-malahelo amin’izay malahelo; eny, ary hampionona ireo izay mila fampiononana sy hijoro ho vavolombelon’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra izay mety hisy anareo, na dia hatramin’ny fahafatesana aza, … ka hahazoanareo ny fiainana mandrakizay—
“… Raha izany no fanirian’ny fonareo, inona no misakana ny tsy anaovana batisa anareo amin’ny anaran’ny Tompo ho vavolombelona eo anoloany fa efa nanao fanekempihavanana Taminy ianareo, fa hanompo Azy sy hitandrina ny didiny mba hahazoany mampidina bebe kokoa ny Fanahiny aminareo?”1
Nanazava tamin’i Porter aho fa i Almà dia nampianatra fa ireo izay te hatao batisa dia mila vonona hanompo ny Tompo amin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa—mandritra ny androm-piainanao manontolo! Hoy aho hoe: “Tsy fantatro raha azonao an-tsaina fa ny fomba nampisehoanao fitiavana sy fiahiana ho an’i Nenibe dia fitandremana ny fanekempihavananao. Mitandrina ny fanekempihavanantsika isika isan’andro rehefa tsara fanahy sy mampiseho fitiavana ary mifampikolokolo. Tiako ho fantatrao fotsiny fa midera anao aho satria mpitandrina fanekempihavanana ianao! Rehefa mitandrina ny fanekempihavanana nataonao tamin’ny batisa ianao dia ho vonona ny haroso amin’ny fisoronana. Izany fanekempihavanana fanampiny izany dia hanome fahafahana bebe kokoa ho anao hitahiana sy hanompoana ny hafa ary hanampy anao hiomana amin’ireo fanekempihavanana hataonao any amin’ny tempoly. Misaotra anao aho fa tena ohatra tsara ho ahy ianao! Misaotra anao mampiseho ahy hoe ohatry ny ahoana izany olona mpitandrina fanekempihavanana izany!”
Namaly i Porter nanao hoe: “Misaotra anao ry Bebe tamin’ny hafatrao. Rehefa namihina an’i Nenibe hatrany aho dia tsy nahafantatra hoe nitandrina ny fanekempihavanako, kanefa nahatsapa mamaivay tao am-poko aho ary nanana fahatsapana tsara. Fantatro fa ny Fanahy Masina tao am-poko izany.”
Nahatsapa mamaivay ihany koa aho rehefa tonga saina fa takatr’i Porter ny fifandraisana misy eo amin’ny fitandremana fanekempihavanana sy ilay fampanantenana hoe mba “hananan[tsika] mandrakariva ny Fanahy miaraka [amintsika]”2—fampanantenana iray izay tanteraka amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina.
Ry Rahavavy isany, rehefa namangy ny ankamaroanareo nanerana izao tontolo izao aho dia nahatsikaritra fa maro aminareo no mitovy amin’i Porter. Mijoro mangina ianareo amin’ny maha-vavolombelon’Andriamanitra anareo, miara-malahelo amin’izay malahelo, ary mampionona ireo izay mila fampiononana kanefa tsy tonga saina akory ianareo hoe eo am-pitandremana ireo fanekempihavananareo—ireo fanekempihavanana nataonareo tao amin’ny ranon’ny batisa sy tany amin’ny tempoly. Rehefa mitia sy mikolokolo ary manompo ny hafa amin’ny fomba bitika sy tsotra ianareo dia mandray anjara am-pahavitrihana amin’ny asa famonjena, dia ny asan’Andriamanitra hoe “hanatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona.”3
Amin’ny maha “zanakavavin’[ny Tompo] ao amin’ny fanjakany antsika,”4 dia nanao fanekempihavanana masina isika. Mandeha amin’ilay nantsoin’i Nefia hoe ilay “lalana ety sy tery izay mitondra amin’ny fiainana mandrakizay”5 isika. Amin’ny toerana samihafa eo amin’ilay lalana avokoa isika rehetra. Kanefa afaka miara-miasa isika mba hifanampiana “[h]ibo-sesika handroso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy, amin’ny fananana fanantenana mamirapiratra sy lavorary omban’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny olon-drehetra.”6
Manompo amin’ny maha-mpanoro-hevitra ao amin’ny Zatovovavy azy i Jeanne. Volana maro lasa izay dia nahafantatra momba ny fiaraha-mientana iray ho an’ny tanora ao amin’ny paroasiny izy: fihanihana mankany amin’ny toerana iray antsoina hoe Tendron’i Malan. Tsindrindaona izay tsy izy izy satria vao haingana izy no nametraka tanjona hanao izany fihanihana izany.
Rehefa tonga teo amin’ny fiandohan’ilay lalan-kely izy dia nanatona azy i Ashley, namany akaiky. Nisakambina an’i Jeanne izy ary nanolo-tena ny hiara-hihanika aminy, ka niteny hoe, “Hiaraka aminao aho”. Nanana olana ara-batana izay nanakana azy tsy ahafahany hihanika haingana i Ashley, izay 16 taona tamin’izany. Koa nandeha miadana izy sy i Jeanne, nijerijery ireo zava-boaharin’Andriamanitra: ireo vato teny amin’ny tendron’ny tendrombohitra teo ambonin’izy ireo, ary ireo voninkazo manodidina azy ireo. Hoy i Jeanne taty aoriana, “Tsy ela akory dia hadinoko ilay tanjoko hihanika hatrany amin’ilay tendrony, satria nanjary traikefa nahafinaritra iray hafa izany—traikefa nahafinaritra hampisehoana ireo zavatra tsara teny an-dalana, izay mety ho tsy hitako ny ankamaroany raha toa ka nihanika mba hahatratrarana fotsiny ilay tanjon’ny tendron’i Malan aho.”
Rehefa nanohy nihanika i Jeanne sy i Ashley, taty aoriana lavitra ny sisa rehetra tamin’ilay vondrona dia nanampy azy ireo i Emma, zatovovavy iray hafa tao amin’ny paroasy izay nanapa-kevitra hiandry sy hiaraka handeha amin’izy ireo. Nanampy ny fahafinaretan’izy ireo i Emma. Nampianatra hira iray azy ireo izy ary nitondra fanohanana sy famporisihana fanampiny. Hoy i Jeanne nahatsiaro hoe: “Nipetraka sy naka aina izahay, nihira sy niresaka ary nihomehy. Afaka nahafantatra an’i Ashley sy i Emma tamin’ny fomba izay tsy ho azoko natao tamin’ny fomba hafa aho. Tsy momba ilay tendrombohitra no lohalaharana tamin’izay—fa mihoatra lavitra noho izany. Momba ny fifanampiana teny an-dalana, indray mandingana isaky ny namindra.”
Rehefa niara-nihanika sy nihira sy niato ary niara-nihomehy i Jeanne sy Ashley ary Emma dia tsy nieritreritra akory izao izy ireo hoe: “E! mitandrina ny fanekempihavanana nataontsika isika amin’izao fotoana ankehitriny izao.” Kanefa dia eo am-pitandremana ny fanekempihavanana nataony izy ireo. Nifanompo tamim-pitiavana sy fangorahana ary fanoloran-tena izy ireo. Samy nampatanjaka ny finoan’ny tsirairay izy ireo rehefa nifandrisika sy nifampianatra.
Nampianatra ny Loholona Russell M. Nelson hoe: “Rehefa takatsika fa isika dia zanaky ny fanekempihavanana, dia fantatsika hoe iza isika ary inona no andrasan’ Andriamanitra amintsika.”7
Zakavavin’ny fanekempihavanan’Andriamanitra i Maria Kuzina izay mahafantatra hoe iza izy ary inona no andrasan’Andriamanitra aminy. Rehefa nampandroso ahy tao an-tranony izy, tany Omsk, any Rosia, dia nihevitra aho hoe ny hanompo azy no nahatongavako teo, kanefa tsy ela akory dia fantatro fa ny hianatra avy taminy no nahatongavako teo. Niova fo ho amin’ny Fiangonana i Maria, ary miaina araka ny torolalana hita ao amin’ny Lioka 22 hoe: “Rehefa mibebaka hianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao.”8 Izy dia manana finoana an’ireo tenin’ny mpaminanintsika velona, ny Filoha Thomas S. Monson, izay niteny hoe:
“Izao no fotoana tokony hiarahan’ireo mpikambana sy ireo misiônera, miara-miasa, miasa ao amin’ny tanimbolin’ny Tompo mba hitondrana fanahy ho any Aminy. …
“… Rehefa miasa am-pinoana isika dia hasehon’ny Tompo amintsika ny fomba hanamafisana orina ny Fiangonany ao amin’ireo paroasy sy sampana misy antsika. Homba antsika Izy ary ho lasa mpiara-miasa mavitrika eo amin’ny asa fitoriana ataontsika.
“… Ampiharo ny finoanareo … rehefa mandinika ianao hoe iza amin’ireo olona ao amin’ny fianakavianao, amin’ireo namanao, amin’ireo mpiray vodirindrina aminao ary amin’ireo olom-pantatrao no mba tianao hasaina ho ao an-tranonao mba hihaona amin’ireo misiônera, mba hahafahan’izy ireo mandre ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny.”9
Manaraka ity torohevitra ity i Maria amin’ny alalan’ny fikolokoloana sy fanompoana ireo rahavavy izay nasaina ho vangiany ary manao mihoatra noho ny fanatanterahana izany fotsiny ihany izy. Manana namana maro izay malaina sy tsy mbola naheno ny hafatry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny izy. Mampihatra finoana izy isan’andro sy mivavaka mba hahafantarana ireo izay mila ny fanampiany, dia miasa araka ireo bitsika azony izy avy eo. Miantso an-telefaonina izy, maneho ny fitiavany ary miteny amin’ireo namany hoe “Mila anao izahay.” Manao takarivan’ny mpianakavy isan-kerinandro ao an-tranony izy ary manasa mpifanolobodirindrina sy mpikambana ary misiônera mba ho tonga—ary mampisakafo azy ireo. Manasa azy ireo izy mba ho tonga any am-piangonana, miandry ny fahatongavan’izy ireo ary mipetraka eo akaikin’izy ireo rehefa tonga izy ireo.
Takatr’i Maria ilay fampahatsiahivana nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland vao haingana izay fa “ny fanasana iray izay ateraky ny fitiavantsika ny hafa sy ny Tompo Jesoa Kristy … dia tsy ho lazaina ho manafintohina na mitsaratsara na oviana na oviana.”10 Mihazona ny lisitr’ireo olona milaza ho tohina izy ary manohy manompo azy ireo. Koa satria fantatr’izy ireo fa tia azy ireo izy dia afaka miteny azy ireo izy hoe: “Aza tohina. Tsy mitombina izany fihetsika izany!”
Mpianatr’i Jesoa Kristy mpitandrina fanekempihavanana i Maria. Na dia tsy manana mpihazona ny fisoronana ao an-tokantranony aza izy dia mahatsapa ny herin’Andriamanitra isan’andro ho fanatanterahany ireo fanekempihavanana nataony tany amin’ny tempoly rehefa mibosesika amin’ilay lalana, sy maharitra hatramin’ny farany ary manampy ny hafa handray anjara amin’ny asa famonjena mandritra ilay dia.
Rehefa nizara ireo traikefa ireo aho, nahita ny tenanareo ao amin’ny asa famonjena ve ianareo? Makà fotoana iray hieritreretana zanakavavin’Andriamanitra iray hafa izay mila famporisihana mba hiverenany eo amin’ilay lalan’ny fanekempihavanana na mila fanampiana kely mba hijanona eo amin’ilay lalana. Anontanio ny Rainao any an-danitra ny momba azy. Zanany vavy izy. Fantany ny anarany. Fantany ihany koa ianao, ary holazainy aminao izay ilain’io rahavavy io. Mahareta sy mirosoa amim-pinoana ary mivavaha ho azy hatrany, ary manaova zavatra araka ireo bitsika izay azonao. Rehefa manoa ireo bitsika ireo ianao dia hanamafy anao ny Fanahy fa ankasitrahan’ny Tompo ny fanatitrao.
“Rahavavy Eliza R. Snow … dia nankasitraka ireo ezaka ataon’ny rahavavy mba hifampatanjaka. … Nolazainy izy ireo fa na dia tsy mihazona firaketana ireo fanatitra rehetra atao aza ny Fiangonana dia ny Tompo no mihazona firaketana tonga lafatra ny amin’ireo asa famonjena:
“‘… Nilaza ny Filoha Joseph Smith fa naorina mba hamonjy fanahy ity fikambanana ity. Inona [no ataontsika] mba hamerenana indray ireo izay efa niala ny lalana?—mba hanafanana ny fon’ireo izay efa nalaina amin’ny filazantsara?—Misy boky iray hafa hiraketana ny finoanao, ny hatsaram-panahinao, ny asa tsara vitanao ary ny teni[nao]. Misy boky hafa koa raketina. Tsy misy ho very.’”11
Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia miresaka momba ilay antony lehibe tokony hifaliantsika i Amôna. Hoy izy: “Ary ankehitriny, manontany aho, inona no fitahiana lehibe efa natolo[tr’Andriamanitra] antsika? Moa azonareo tenenina?”
Tao anatin’ny hafaliana lehibe nananany dia tsy niandry valinteny i Amôna. Hoy izy, “Indro izaho no hamaly ho anareo; … Izany no fitahiana izay efa natolotra antsika, dia ny efa nanaovana antsika ho fitaovana teo an-tànan’Andriamanitra mba hanatanteraka ity asa lehibe ity.”12
Zanakavavin’ny fanekempihavanana ao amin’ny fanjakan’ny Tompo isika, ary manana fahafahana isika ho tonga fitaovana eo am-pelatanany. Rehefa mandray anjara amin’ny asa famonjena isan’andro amin’ny fomba bitika sy tsotra isika—mifampikarakara sy mifampatanjaka ary mifampianatra—dia hanana fahafahana hifaly miaraka amin’i Amôna izay nanambara hoe:
“Nefa indro, feno ny fifaliako, eny, safononoky ny fifaliana ny foko ary hifaly amin’Andriamanitra aho.
“Eny, fantatro fa tsinontsinona aho; raha ny heriko dia malemy aho; koa tsy hirehareha ny amin’ny tenako aho fa hirehareha kosa ny amin’Andriamanitro, fa amin’ny heriny no ahafahako manao ny zava-drehetra.”13
Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.