2010–2019
Fotoam-pahavaratra niaraka tamin’i Bebe Rose
Oktobra 2015


21:4

Fotoam-pahavaratra niaraka tamin’i Bebe Rose

Eo am-pandehananareo amin’ilay lalana mavazan’ny maha-mpianatra dia mivavaka aho mba hampatanjahan’ny finoana ny famindranareo eny an-dalana.

Ry anabaviko sy namako malala isany, fifaliana ho ahy ny miaraka aminareo. Manjombona isika noho ny fahalasanan’ireo namana tsy foy sy Apôstôly marin’ny Tompo telo. Malahelo ny Filoha Packer, Loholona Perry, ary ny Loholona Scott isika. Tiantsika izy ireo. Mivavaka ho an’ireo fianakaviany sy namany isika.

Miandrandra foana ity fivoriana iray ao anatin’ny fihaonambe ity aho—nampiavosa ny Fanahy ny hira mahafinaritra sy ny torohevitra avy tamin’ireo rahavavintsika nentanin’ny fanahy. Lasa olona tsara kokoa aho rehefa niaraka taminareo.

Rehefa nisaintsaina ny zavatra tokony holazaiko aminareo androany aho, dia tany amin’ny fomba nampianaran’ny Mpamonjy no nalehan’ny eritreritro. Mahavariana ny fomba nahafahany nampianatra fahamarinana faran’izay lehibe tamin’ny alalan’ny fampiasana tantara tsotra. Nanasa ny mpianany mba handray fahamarinana tsy amin’ny alalan’ny sainy fotsiny fa amin’ny alalan’ny fony koa ireo fanoharany ary mba hampifandray ireo fitsipika mandrakizay amin’ny fiainany isan’andro.1 Tena havanana tokoa amin’ny fampianarana amin’ny alalan’ny zavatra niainan’ny tena manokana koa ny Filoha Monson malalantsika.2

Manana tantara hozaraina koa aho androany. Manasa anareo aho mba hihaino amin’ny alalan’ny Fanahy. Hanampy anareo hahita ilay hafatra ho anareo ao anatin’ity fanoharana ity ny Fanahy Masina.

Bebe Rose

Momba ny ankizivavy iray nantsoina hoe Eva ny tantara. Misy zavatra manan-danja anankiroa tokony ho fantatreo mikasika an’i Eva. Ny voalohany dia 11 taona izy tao anatin’ity tantara ity. Ary ny manaraka dia tena tsy te handeha ho an’ny amin’i Bebe Rose sy hipetraka any izy raha ny marina. Tsy naniry an’izany mihitsy izy.

Handalo fandidiana anefa ny renin’i Eva ka mitaky fotoana lava ny fahasitranany. Noho izany dia halefan’ny ray aman-dreniny handany ny fotoam-pahavaratra miaraka amin’i Bebe Rose i Eva.

Nisy antony an’arivony tao an-tsain’i Eva izay nanamarina ny maha-tsy hevitra tsara an’izany. Ny zavatra anankiray aloha dia hidika izany fa ho lavitra ny reniny izy. Hidika koa izany fa handao ny fianakaviany sy ny namany izy. Ary ankoatra izay dia tsy fantany akory i Bebe Rose. Mety amin’i Eva hono ny misy azy amin’izao fa misaotra betsaka e!

Saingy tsy nisy afaka nanova ilay fanapahan-kevitra izay mety ho fanamarinan-kevitra na fangarihana maro natao. Noho izany dia nampidirin’i Eva tao anatin’ny valizy ny entany ary nanao ilay dia lavitra tamin’ny fiara niaraka tamin’ny rainy nankany an-tranon’i Bebe Rose izy.

Vao niditra tao an-trano i Eva dia tonga dia tsy tiany izany.

Efa tranainy be daholo ny zava-drehetra! Feno boky tranainy, tavoahangy miloko hafahafa, fitoeran-javatra vita amin’ny plastika izay feno perla, ruban, ary bokotra.

Nipetraka irery tao i Bebe Rose ary tsy nanambady mihitsy izy. Ny hany hafa nipetraka tao dia ilay saka mivolombatolalaka izay tia nitady ny faritra ambony indrindra any amin’ny efitrano rehetra dia mihanika eny sy mibanjina ny zavatra rehetra ety ambany toy ny tigra noana.

Na ilay trano aza toy ny manirery izany. Tany ambanivohitra no toerana nisy izany ary mifanalavitra ireo trano rehefa any. Tsy nisy olona nitovy taona tamin’i Eva mba nipetraka iray kilaometatra niala ny tranony. Nahatonga an’i Eva ho manirery koa izany.

Tsy dia niraharaha loatra an’i Bebe Rose izy tamin’ny voalohany. Ny reniny no tena noeritreretiny. Taitra izy amin’ny alina indraindray dia mivavaka amin’ny fony manontolo mba ho sitrana ny reniny. Ary na dia tsy tonga dia nitranga teo no ho eo aza izany dia nanomboka nahatsapa i Eva fa mikarakara ny reniny Andriamanitra.

Tonga ihany tamin’ny farany ny vaovao fa nahomby ny fandidiana ary ny hany zavatra sisa hataon’i Eva tamin’izay dia ny miaritra hatramin’ny faran’ny fotoam-pahavaratra. Saingy tena tsy tiany ilay hoe hiaritra!

Nanomboka niraharaha kely an’i Bebe Rose i Eva rehefa nilamin-tsaina mikasika ny reniny. Vehivavy vaventy izy—hita amin’ny zavatra rehetra mahakasika azy izany halehibeny izany: be feo, be tsikitsiky, manan-toetra lehibe tena miavaka. Tsy mora ho azy ny mandehandeha tao an-trano saingy mihira sy mihomehy foana izy eo am-piasana ary mameno trano ny fihomehezany. Mipetraka eo amin’ilay sezalava matevina izy isaky ny alina dia mamoaka ny soratra masiny ary mamaky mafy izany. Rehefa mamaky izy dia indraindray manao fanamarihana toy ny hoe “Tsy tokony nanao izany izy!” na “Tena tiako raha mba teo aho tamin’izany!” na “Tsy izany ve no zavatra tsara indrindra henonao hatramin’izay!” Ary rehefa mandohalika eo amin’ny fandrian’i Eva izy roa mba hivavaka isaky ny hariva dia manolotra vavaka tena kanto i Bebe Rose ka misaotra ny Rainy any An-danitra noho ireo vorona geai manga sy ireo hazo épicéa, sy ny masoandro milentika ary ny kintana sy ny “fifaliana lehibe avy amin’ny fahavelomana.” Toy ireny hoe namana Andriamanitra ho an’i Rose raha ny fahitan’i Eva azy.

Nahita zavatra nahavariana i Eva rehefa nandeha ny fotoana: I Bebe Rose no azo eritreretina ho olona faran’izay faly fantany hatramin’izay!

Saingy ahoana no nahatonga izany?

Inona no antony tokony hahafaly azy?

Tsy nanambady mihitsy izy ary tsy nanan-janaka. Tsy nanana olona hafa mba ho namana miaraka aminy izy afa-tsy ilay saka mampatahotra ary na ny nanao ireo zavatra tsotsotra aza dia nanahirana azy toy ny mamatotra ny hidin-kirarony sy miakatra ny tohatra.

Rehefa miakatra any an-tanàna izy dia manao satroka lehibe miloko marevaka izay mahamenatra. Saingy tsy mihomehy azy ny olona fa mitangorona manodidina azy kosa fa te hiresaka aminy. Mpampianatra tany an-tsekoly i Rose ary efa mahazatra an’ireo mpianany taloha—izay efa lehibe sy manan-janaka—ny mijanona sy miresaka aminy. Misaotra azy izy ireo noho ny zavatra tsara nentiny teo amin’ny fiainan’izy ireo. Indraindray izy ireo mihomehy, indraindray koa mitomany.

Rehefa nandeha teny ny fotoam-pahavaratra dia niaraka bebe kokoa tamin’i Rose i Eva. Nandehandeha an-tongotra lavitra izy ireo ka nahafantatra ny fahasamihafana nisy teo amin’ireo vorona moineau sy pinson i Eva. Nioty baie de sureau mbola manta izy ary nanao confiture tamin’ny voasary laoranjy. Nahafantatra mikasika ny reniben’ny renibeny izy izay nandao ny tanindrazany malalany, dia niampita ranomasimbe ary namakivaky tany lemaka mba hiaraka amin’ireo Olomasina.

Tsy niandry ela indray dia nahita zavatra nahagaga iray hafa i Eva: tsy hoe iray amin’ireo olona faran’izay faly fantany fotsiny i Bebe Rose fa isaky ny miaraka aminy i Eva dia faly kokoa.

Nandeha haingana kokoa amin’izay ireo andron’ny fotoam-pahavaratra. Nilaza talohan’ny nahalalan’i Eva azy i Bebe Rose fa efa manakaiky ny fotoana hodiany. Na dia niandrandra izany fotoana izany aza i Eva nanomboka tamin’ny andro nahatongavany dia tsy fantany tsara hoe inona no tokony ho tsapany momba izany tamin’izay. Tsapany fa halahelo ilay trano hafahafa efa tranainy misy saka mpihaodihaody izy ary halaleho an’i Bebe Rose malalany.

Ny andro nialohan’ny nahatongavan’ny rainy mba haka azy dia nanontanian’i Eva ilay zavatra nampanontany tena azy nandritra ny herinandro maro: “Bebe Rose a! Fa maninona ianao no tena faly foana?”

Nijery tsara azy i Bebe Rose dia nitarika azy teny amin’ny sary hosodoko iray nihantona tao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny. Fanomezana avy tamin’ny namana malala manan-talenta iray izany.

Nanontany izy hoe: “Inona no hitanao eo?”

Ankizivavy iray mpisava lalana izay mitsambikimbikina

Efa hitan’i Eva ilay sary hosodoko teo aloha saingy tsy tena nijery akaiky izany izy. Ankizivavy iray manao akanjolavan’ny mpisava lalana izay mitsambikimbikina manaraka ilay lalana mazava miloko manga. Maitso mavana ny bozaka sy ireo hazo. Hoy i Eva hoe: “Sary hosodoko mampiseho ankizivavy iray izy izany. Toa mitsambikimbikina izy.”

“Eny, ankizivavy mpisava lalana iray mitsambikimbikina amim-pifaliana” hoy i Bebe Rose. “Azoko an-tsaina fa maro ireo andro maizina sy mampalahelo nandalovan’ireo mpisava lalana. Tena mafy ny fiainan’izy ireo—tsy azontsika alaina sary an-tsaina akory. Saingy mazava sy mitondra fanantenana ny zava-drehetra ao anatin’ity sary hosodoko ity. Mailamailaka ery ny famindran’ity ankizivavy ity ary mandroso no mandeha miakatra izy.”

Tsy niteny i Eva ka dia notohizan’i Bebe Rose hoe: “Efa maro ireo zavatra tsy araka ny tokony ho izy miseho eo amin’ny fiainana ka mety ho tafalatsaka ao anatin’ny rano miangon’ny fiheverena ny zava-drehetra ho ratsy sy ny korontan’ny alahelo ny olona. Saingy mahafantatra olona aho, izay na dia rehefa tsy araka ny tokony ho izy aza ny zava-miseho dia mifantoka amin’ireo zava-mahatalajona sy ireo fahagagana miseho eo amin’ny fiainana izy ireo. Ireo olona ireo no faran’izay faly indrindra fantatro.”

“Kanefa tsy afaka ny tonga dia hanova ny alahelo ho lasa fifaliana izany ianao,” hoy i Eva.

“Tsia, tsy afaka angamba,” hoy i Bebe Rose tamim-pitsikiana malefaka, “saingy tsy nanao antsika mba ho malahelo Andriamanitra. Nohariany isika mba hahazo fifaliana!3 Noho izany raha matoky Azy isika dia hanampy antsika hahatsikaritra ny zavatra tsara sy mamirapiratra ary mitondra fanantenana eo amin’ny fiainana Izy. Ary azo antoka fa hamiratra kokoa izao tontolo izao. Tsia, tsy mitranga eo no ho eo ihany izany, fa raha ny marina, firy tokoa ireo zavatra tsara tonga dia mitranga? Ny zavatra tena tsara toy ny mofo amboarina ao an-trano na ny marmelade d’orange dia mitaky faharetana sy asa raha ny hevitro.”

Nieritreritra izany nandritra ny fotoana fohy i Eva dia nilaza hoe: “Angamba mety tsy ho tena mora izany ho an’ny olona izay tsy tonga lafatra ny zavatra rehetra eo amin’ny fiainany.”

“Eva malala a! Moa ve ianao mieritreritra fa tonga lafatra ny fiainako?” Nipetraka niaraka tamin’i Eva teo amin’ilay sezalava matevina izy. “Efa nisy fotoana tena nahakivy ahy ka tsy hitako intsony izay antony tokony hahavelomana.”

“Ianao ve?” hoy i Eva nanontany.

Nanao eny tamin’ny lohany i Bebe Rose. “Tena maro ireo zavatra niriako teo amin’ny fiainako.” Nisy alahelo niditra tao amin’ny feony teo am-piresahana ary tsy mbola henon’i Eva velively izany teo aloha. “Tsy nitranga mihitsy ny ankamaroan’izy ireo. Nisesisesy ny alahelo. Tsapako indray andro fa tsy ho toy ny hieritreretako azy velively ny fiainako. Lazaiko aminao fa andro nandreraka ny saina amam-panahy izany. Efa nivonona ny hilavo levona sy ho fadiranovana aho.”

“Dia inona no nataonao?”

“Tsy nanao na inona na inona aho tao anatin’ny fotoana maharitra. Tezitra tsotra izao aho. Tena tsy tian’ny olona ny niaraka tamiko.” Dia nihomehy kely izy saingy tsy toy ilay fihomehezany be mameno ny efitrano toy ny mahazatra. “‘Tsy rariny izao’ hoy ilay hira niverimberina tao an-dohako. Saingy nahita zavatra iray izay nanova ny fiainako iray manontolo aho.”

“Inona izany?”

“Finoana,” hoy i Bebe Rose nitsiky. “Nahazo finoana aho. Ny finoana no nitondra tany amin’ny fanantenana. Ary ny finoana sy fanantenana dia nanome ahy fahatokiana fa indray andro any dia hazava ny zava-drehetra ary hilamina ny zavatra tsy mety rehetra noho ny Mpamonjy. Taorian’izay dia hitako fa tsy dia mahakivy sy mamovoka manao ahoana akory ilay lalana teo anoloako. Nanomboka nahita ny manga mamirapiratra sy ny maitso mavana ary ny mena midorehitra aho ka nanapa-kevitra fa afaka misafidy—Na izaho hitanondrika sy hitaritarika ny tongotro eo amin’ilay lalana mamovoky ny fangorahana diso tafahoatra ny tenako, na izaho hanana finoana kely ka hanao ankajolava miloko marevaka sy hampiditra ny kiraroko fitondra mandihy ary hitsambikimbikina eny amin’ny lalan’ny fiainana ka hihirahira eny am-pandehanana.” Nientanentana toy ilay ankizivavy teo amin’ilay sary hosodoko ny feony tamin’izay.

Nanakatra ilay latabatra kely i Bebe Rose dia nosintoniny hankeo ambonin’ny feny ny soratra masiny izay efa tontatonta. “Tsy tratran’ny harerahan-tsaina amam-panahy nila fitsaboana aho raha ny hevitro—Tsy fantatro raha hoe afaka manajanona izany ianao amin’ny alalan’ny fiovan’ny toetra. Saingy tena fantatro fa nanao izay naha-fadiranovana ny tenako aho! Eny tokoa, nandalo andro maizina aho, saingy ny fanjombonana endrika sy ny fitebitebena rehetra niainako dia tsy nanova na inona na inona tamin’izany—vao mainka aza izany nampitombo ny olana. Ny finoana ao amin’ny Mpamonjy dia nampianatra ahy hoe na inona na inona nitranga tamin’ny lasa dia afaka manana fiafarany tsara ny tantarako.”

“Ahoana no ahafantaranao izany?” hoy i Eva nanontany.

Nosokafan’i Bebe Rose ny pejy iray tao amin’ny Baiboliny ary hoy izy hoe, “Izao no voalaza eto:

“‘[Andriamanitra] … hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny.

“Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.’”4

Nijery an’i Eva i Bebe Rose. Feno tsiky izy rehefa nibitsibitsika tamin’ny feo somary nangovingovitra hoe: “Moa ve tsy izany no zavatra faran’izay tsara indrindra henonao hatramin’izay?”

Tena tsara marina tokoa izany hoy i Eva tany an’eritreritra.

Namadika pejy vitsivitsy i Bebe Rose dia nanondro andinin-tsoratra masina iray mba hovakian’i Eva: “Izay tsy mbola hitan’ny maso ary tsy mbola renin’ny sofina, na niditra tao am-pon’ny olona, na inona na inona no efa namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy.”5

“Eo anatrehan’izany hoavy lehibe izany,” hoy i Bebe Rose, “dia nahoana no hanaiky harendrik’ireo zava-niseho taloha na ny zava-miseho amin’izao fotoana izao izay tsy mifanaraka loatra amin’ny nieritreretantsika azy?”

Nikentrona i Eva. “Fa andraso kely aloha!” hoy izy. “Milaza izany ianao fa ny atao hoe faly dia ny miandrandra fotsiny fifaliana any amin’ny ho avy? Any amin’ny mandrakizay izany ny fifaliantsika rehetra vao hitranga? Tsy mba afaka mitranga amin’izao fotoana izao angaha ny sasany?”

Nihoraka i Bebe Rose hoe: “Oay! Mavaza ho azy fa afaka mitranga izany.” “Ry zanako malala, tafiditra ao anatin’ny mandrakizay izao fotoana izao. Tsy manomboka aorian’ny fahafatesantsika fotsiny izany! Hanokatra ny masontsika hahita ny fifaliana apetraka eo anoloantsika amin’izao fotoana izao izany ny finoana sy fanantenana.

“Misy tononkalo iray fantatro izay manao hoe, ‘Ankehitriny maro no manorina ny mandrakizay.’6 Tsy niriako ho ‘Ankehitriny’ maizina sy feno tahotra no hanorina ny mandrakizaiko. Ary tsy naniry ny hiaina izany ao anatin’ny manda kely maizina aho ka hihidy vazana sy hanakimpy ny masoko ary hiaritra ilay fiafarana ratsy ao anatin’ny lolompo. Nanome ahy finoana ilaiko mba hiainana amim-pifaliana ankehitriny ny fanantenana!”

“Dia inona no nataonao izany?” hoy i Eva nanontany.

“Nampihatra ny finoana an’ireo fampanantenan’Andriamanitra aho tamin’ny alalan’ny famenoana zavatra manan-danja ny fiainako. Nandeha nianatra aho. Nahazo fahalalana aho. Nitondra ahy tany amin’ny fananana asa izay tiako izany.”

Nieritreritra kely an’izany i Eva dia nilaza hoe: “Fa azo antoka izany fa tsy ny naha-be atao anao akory no nitondra fifaliana ho anao. Maro ireo olona be atao nefa tsy manam-pifaliana.”

“Ahoana ary no mahatonga anao hanam-pahendrena be toy izao amin’izao ianao mbola tanora izao?” hoy i Bebe Rose nanontany. “Tena marina ny nolazainao. Ary ny ankamaroan’ireo olona be atao sy tsy manam-pifaliana ireo dia nanadino ilay zavatra iray tena manan-danja indrindra eto amin’izao tontolo izao—ilay zavatra nolazain’i Jesoa fa lafiny tena manan-danja indrindra ao amin’ny filazantsarany.”

“Dia inona izany?” hoy i Eva nanontany.

“Ny fitiavana—Ny fitiavana madion’i Kristy,” hoy i Rose. “Hitanao, ny zavatra hafa rehetra ao amin’ny filazantsara—ireo zavatra tokony hatao rehetra sy ireo zavatra tsy maintsy atao rehetra —dia mitondra any amin’ny fitiavana. Rehefa tia an’Andriamanitra isika dia te hanompo Azy. Te hitovy Aminy. Rehefa tia ny namantsika isika dia mijanona tsy mieritreritra be loatra ny olantsika manokana ka manampy ny hafa hamaha ny olana mahazo azy.”7

“Dia izany ve no mitondra fifaliana ho antsika?” hoy i Eva nanontany.

Nanao eny tamin’ny lohany sy nitsiky i Bebe Rose sady vonton-dranomaso. “Eny, ry malalako. Izany no mitondra fifaliana ho antsika.”

Tsy nitovy tamin’ny teo aloha intsony

Nofihinin’i Eva ny ampitson’iny i Bebe Rose ary nisaorany tamin’ny zavatra rehetra nataony. Nody tany amin’ny fianakaviany sy ny namany ary ny mpifanolobodirindrina taminy izy.

Saingy tsy dia nitovy tamin’ny teo aloha intsony izy.

Rehefa nihalehibe i Eva dia nieritreritra matetika ireo teny nolazain’i Bebe Rose. Nanambady i Eva taty aoriana dia nitaiza zanaka ary nanana fiainana nahafinaritra sy naharitra ela.

Ary indray andro raha nijoro tao an-tranony izy teo am-pankafizana sary hosodoko ahitana ankizivavy iray manao akanjolavan’ny mpisava lalana izay mitsambikimbikina manaraka ilay lalana mazava miloko manga dia tsapany fa toy ireny nahatratra ny taonan’i Bebe Rose tamin’ilay fotoam-pahavaratra niavaka iray iny izy.

Ankizivavy iray mpisava lalana izay mitsambikimbikina

Rehefa nahatsapa izany izy dia nisy nanosika azy hanao vavaka manokana tao am-pony. Ka dia feno fankasitrahana i Eva noho ny fiainany, ny fianakaviany, sy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny ary noho ilay fotoam-pahavaratra efa ela dia ela izay nampianaran’i Bebe Rose8 azy mikasika ny finoana, fanantenana ary ny fitiavana.9

Tsodrano

Ry anabavy malalako ao amin’i Kristy, manantena aho sy mivavaka hoe mba nisy zavatra nanohina ny fonareo sy nanentana ny fanahinareo tao anatin’izany tantara izany. Fantatro fa velona ny Andriamanitra ary tia anareo Izy.

Eo am-pandehananareo amin’ilay lalana mavazan’ny maha-mpianatra dia mivavaka aho mba hampatanjahan’ny finoana ny famindranareo eny an-dalana, mba hosokafan’ny fanantenana ny masonareo hahita ireo zava-dehibe nomanin’ny Ray any An-danitra ho anareo, ary hameno ny fonareo ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny zanany rehetra. Amin’ny maha-Apôstôlin’ny Tompo ahy no hametrahako izany fijoroana ho vavolombelona sy tsodrano izany, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo mba hahitana ohatra ny Matio 13:24–30; 18:23–35; 20:1–16; 22:1–14; 25; Lioka 10:25–37; 15:11–32.

  2. Jereo mba hahitana ohatra ny Thomas S. Monson, “Voatarika ka tody soa tany an-trano,” Liahona, Nov. 2014, 67–69; “Ny fitiavana—Fitsipika fototry ny filazantsara,” Liahona, mey 2014, 91–94; “Tsy irery na oviana na oviana isika,” Liahona, nôv. 2013, 121–24; “Mitondra fitahiana ny fankatoavana,” Liahona, mey 2013, 89–92.

  3. Jereo ny 2 Nefia 2:25.

  4. Apokalypsy 21:3–4.

  5. 1 Korintiana 2:9.

  6. Emily Dickinson, “Forever—is composed of Nows,” ao amin’ny Final Harvest: Emily Dickinson’s Poems, nofantenan’i Thomas H. Johnson (1961), 158; jereo koa ny poetryfoundation.org/poem/182912.

  7. Jereo ny Lioka 9:24.

  8. “Often the prickly thorn produces tender roses” (Ovid, Epistulae ex Ponto, book 2, section 2, line 34; “Saepe creat molles aspera spina rosas”).

  9. Jereo ny Môrônia 7:42.