Andriamanitra no mpanamory
Ny didy sy ny fanekempihavanana dia fahamarinana sy fotopampianarana tsy voavidim-bola izay hita ao amin’ilay Sambo Tsy Tontan’ny Ela atao hoe Ziona, izay Andriamanitra no mpanamory azy.
Tamin’ny fihaonambe natao tamin’ny volana oktôbra teo dia nanasa ireo mpihaino aho hanaraka ny torohevitr’i Brigham Young mba hijanona ao amin’ilay Sambo Tsy Tontan’ny Ela atao hoe Ziona, dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, ka hamikitra amin’ny tanana roa.1 Nanomboka tamin’izay dia faly aho mahafantatra fa nihaino ahy ny olona sasany ao amin’ny fianakaviako sy ny olona hafa ka nanontany ahy ity fanontaniana ity: “Inona no zavatra azontsika ifikirana ao amin’ilay Sambo Tsy Tontan’ny Ela?” Nampahatsiahiviko azy ireo ny zavatra nolazain’ny Filoha Brigham Young: “Ato amin’ilay sambo tsy tontan’ny ela atao hoe Ziona isika. … [Andriamanitra] no mpanamory, ary hijanona eo Izy. … Mibaiko sy manoro lalana Izy ary mitarika. Raha mametra-pitokiana tsy misy fepetra amin’ny Andriamaniny ny vahoaka ary tsy manadino mihitsy ireo fanekempihavanana nataony na ny Andriamaniny dia hitarika antsika tsara Izy.”2
Mazava ho azy fa efa nataon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Tompo tao amin’ilay Sambo Tsy Tontan’ny Ela atao hoe Ziona ireo fahamarinana mandrakizay izay mazava sy tsotra izay hanampy antsika hijanona eo amin’ny lalana rehefa misafotofoto ny onjam-piainana. Indreto misy vitsivitsy amin’izany.
Notarihin’ny mpaminany velona sy ny apôstôly foana hatrizay ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Na dia olombelona mety maty sy tsy lavorary aza ireo mpanompon’ny Tompo dia entanim-panahy izy ireo mba hanampy antsika hisoroka ireo sakana izay mampidi-doza ny fiainana ara-panahy sy hanampy antsika handalo soa aman-tsara ny fiainana an-tany mankany amin’ilay toerana farany ambony indrindra any an-danitra izay halehantsika.
Nandritra izay efa ho 40 taona niarahako niasa akaiky tamin’ireo Manampahefana Ambony izay dia efa nahita maso manokana aho ny amin’ny aingam-panahy mangina sy ny fanambarana lalina izay nitarika ireo mpaminany sy apôstôly, ireo Manampahefana Ambony hafa ary ireo mpitarika ao amin’ny vondrona fanampiny hanao asa. Na dia tsy tonga lafatra sy manao fahadisoana aza ireo lehilahy sy vehivavy ireo, dia efa voatokana tsara izy ireo hampandroso ny asan’ny Tompo araka izay hitarihany azy.
Ary aoka ho fantatrareo fa mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny mpaminany velona sy ny apôstôly ny Tompo. Izany foana hatrizay no fomba nanaovany ny asany. Eny tokoa, hoy ny Mpamonjy nampianatra hoe: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandray izay hirahiko dia mandray Ahy.”3 Tsy azontsika avahana amin’ireo mpanompony i Kristy. Raha tsy nisy an’ireo Apôstôliny voalohany dia tsy ho nanana tantara mikasika ny maro amin’ireo fampianarany, ny asa fanompoany, ny fijaliany tao amin’ny Saha Getsemane ary ny fahafatesany teo amin’ny hazofijaliana izay nosoratan’ny vavolombelona nanatri-maso isika. Raha tsy nisy ny fijoroana ho vavolombelon’izy ireo, dia tsy ho nanana tenivavolombelona avy amin’ny apôstôly momba ilay fasana foana sy ny Fitsanganana amin’ny maty isika.
Hoy izy nandidy ireo Apôstôly voalohany ireo:
“Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ ny anaran’ ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina,
“Sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.”4
Nohavaozina io iraka nomena io amin’izao androntsika izao rehefa niantso an’i Joseph Smith ny Tompo mba hamerina amin’ny laoniny ny Fiangonana, miaraka amin’ny Apôstôly izay voatokana hanambara ny filazantsarany indray mandeha farany mialoha ny hiverenany indray.
Sarotra tamin’izao tontolo izao foana hatrizay ny nanaiky ireo mpaminany velona sy ny Apôstôly, kanefa zava-dehibe ny manao izany mba hahatakarana tanteraka ny Sorompanavotana sy ireo fampianaran’i Jesoa Kristy ka handray ny fahafenoan’ireo fitahian’ny fisoronana izay nomena ireo olona voantsony.
Maro loatra ireo olona izay mieritreritra fa ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana sy ny mpikambana dia tokony ho olona tonga lafatra na efa manakaiky izany. Hadinon’izy ireo fa ny fahasoavan’ny Tompo dia ampy hanatanterahana ny asany amin’ny alalan’ny olombelona. Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia manana fikasana tena tsara saingy isika no manao fahadisoana indraindray. Tsy amin’ny fifandraisana ato am-piangonana ihany no ahitana izany, fa toy izany ihany koa no mitranga amin’ny fifandraisantsika amin’ny namana, ny mpiara-belona, mpiara-miasa, eny na eo amin’ny mpivady sy ao amin’ny fianakaviana aza.
Tena mora ny mitady ny fahalemena ao amin’ny hafa. Kanefa manao fahadisoana lehibe isika raha ny maha-olona ny tsirairay fotsiny no ifantohan’ny saintsika ka tsy mahita ny fiasan’ny tanan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny olona izay nantsoiny.
Ny fifantohana amin’ny fomba hanaingan’ny Tompo ny fanahin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana sy ny fomba hitarihany ny Olomasina hanao zava-mahagaga sy miavaka ao anatin’ny maha-olombelona azy no fomba hifikirantsika amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy hijanona soa aman-tsara ao amin’ilay Sambo Tsy Tontan’ny Ela atao hoe Ziona.
Ny fahamarinana faharoa dia ny fotopampianaran’ ny drafitry ny famonjena. Tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith dia nomen’ Andriamanitra ho an’ny Fiangonana ny Bokin’i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary fampianarana maro fanampiny. Tafiditra ao anatin’izany ny fahalalana mikasika ny drafitry famonjena, izay fanoritsoritana momba ny hoe avy aiza isika, inona no tanjontsika eto an-tany, ary ho aiza isika rehefa maty. Manome antsika fomba fijery miavaka sy mandrakizay ihany koa ilay drafitra fa zanaka ara-panahin’ Andriamanitra isika. Amin’ny alalan’ny fahatakarantsika ny hoe iza ny Raintsika any An-danitra sy ny fifandraisantsika Aminy sy i Jesoa Kristy Zanany malala, dia hanaiky ireo didiny isika ka hanao fanekempihavanana aminy izay hitondra antsika hiverina mandrakizay eo anatrehany.
Isaky ny mihazona zazakely vao teraka aho dia tafanontany tena foana hoe: “Iza ary ianao ry zazakely? Ho lasa inona ary ianao amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?”
Mametraka fanontaniana mampandinika mitovy amin’izany isika rehefa maty ny olona iray izay tiantsika: “Aiza ary izy ireo izao? Inona no zavatra hitany sy iainany? Mbola mitohy ve ny fiainana? Ahoana ary ny ho toetry ny fifandraisantsika izay tena tiana indrindra rehefa any amin’ny tontolo lehiben’ny fanahin’ny maty?”
Manana zafikely vavy anankiroa ny fianakavianay any amin’izany tontolo izany, dia i Sara sy i Emily, ary zafikely lahy anankiray, i Nathan. Tamin’ny nahalasanan’ny tsirairay tamin’ireo zafikely ireo, dia namikitra tamin’ny tanana roa ireo fahamarinan’ny filazantsara izahay mianakavy. Voavaly tamin’ny fomba feno fampiononana sy fanomezan-toky tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ireo fanontanianay. Na dia malahelo ny zafikelinay aza izahay, dia fantatray fa velona izy ireo, ary fantatray fa ho hitanay indray izy ireo. Tena feno fankasitrahana izahay noho io fahatakarana ara-panahy izay manome hery anay ao anatin’ny fotoana izay tsy mampilamina ny fiainanay manokana sy ny fiainan’ny fianakavianay io.
Ny fahamarinana manan-danja iray hafa ato amin’ny Fiangonana dia ny hoe namorona an’i Adama sy i Eva Andriamanitra ho amin’ny tanjona masina. Anjara asan’izy ireo ny manamboatra vatana ho an’ireo zanaka ara-panahin’ Andriamanitra—izay lasa andraikitry ny taranany taty aoriana—mba hahafahan’izy ireo mandray traikefa amin’ny fiainana mety maty. Amin’izany fomba izany no andefasan’ny Ray any An-danitra ireo zanany ara-panahy ho ety an-tany mba hianatra sy hivoatra amin’ny alalan’ireo traikefa azo avy amin’ny fiainana an-tany. Noho ny fitiavany ireo zanany dia nandefa iraka avy any an-danitra sy Apôstôly Andriamanitra mba hampianatra azy ireo mikasika ny anjara asa fototra sahanin’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpamonjy Azy.
Nandritra ny taonjato maro ireo mpaminany dia efa nahavita ny adidiny tamin’ny fampitandremana ny olona ny amin’ny loza izay manoloana azy ireo. Ny Apôstôlin’ny Tompo dia tsy maintsy manara-maso sy mampitandrina ary manolo-tanana mba hanampiana ireo izay mikatsaka valim-panontaniana momba ny fiainana.
Roapolo taona lasa izay, dia namoaka ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao” ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Nofarananay toy izao manaraka izao izany taratasy izany: “Mampitandrina izahay fa ireo izay mandika ny fanekempihavanan’ny fahadiovam-pitondrantena, ireo izay mamono ny vadiny sy ny taranany, na ireo izay tsy mahatanteraka ny andraikiny ao amin’ ny fianakaviana dia hijoro ho tompon’andraikitra eo anatrehan’ Andriamanitra indray andro any. Ankoatr’izany, dia mampitandrina koa izahay fa ny faharavan’ny fianakaviana dia hitondra eo amin’ny tsirairay, eo amin’ny fiaraha-monina, ary eo amin’ny firenena ireo loza izay efa nambaran’ireo mpaminany teo aloha sy ankehitriny.”5
Amin’ny maha-Apôstôly anay dia averinay hamafisina indray izany fampitandremana masina izany ankehitriny. Tsarovy fa ny didy sy ny fanekempihavanana dia fahamarinana sy fotopampianarana tsy voavidim-bola izay hita ao amin’ilay Sambo Tsy Tontan’ny Ela atao hoe Ziona, izay Andriamanitra no mpanamory azy.
Ny fotopampianarana iray hafa manan-danja izay tokony ho fikirina dia ny fitandremana ny andro Sabata. Manampy antsika tsy ho voapentimpetin’izao tontolo izao sy manome antsika fitsaharana ara-batana ary manome antsika ny famelombelomana ny fanahy vokatry ny fitsaohana ny Ray sy ny Zanaka isaky ny alahady izany.6 Mampiseho ny fitiavantsika Azy ireo isika rehefa mahazo fahafinaretana amin’ny andro Sabata.7
Ho anisan’ny ezaka ataonay amin’ny fanaovana ny Sabata ho fahafinaretana, dia efa nangataka ireo mpitarika sy mpikamban’ny Fiangonana amin’ny toerana misy azy izahay mba hahatsiaro fa ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia an’ny Tompo ka tokony hiorina mafy amin’ireo fampianarany. Rehefa manavao ireo fanekempihavanana nataontsika isika ka manamafy ny fitiavantsika ny Mpamonjy ary mahatsiaro ny fahafoizan-tena sy ny Sorompanavotana izay nataony dia maneho ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo.
Tokony hameno ny fivoriana ifadian-kanina sy ijoroana ho vavolombelona fanaontsika isam-bolana ihany koa io fanahin’ny fitsaohana io. Natao ho an’ny mpikambana io fivoriana fanasan’ny Tompo io mba hanehoana fohy ny fisaorana sy ny fitiavana ary ny fankasitrahana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny filazantsara naverina amin’ny laoniny sy mba hizarana ny fijoroana ho vavolombelona manokana momba ireo zavatra ireo. Ny fivoriana ifadian-kanina sy ijoroana ho vavolombelona dia fotoana hizarana ny eritreritra fohy izay mampietana fanahy sy hizarana ny fijoroana ho vavolombelona matanjaka. Tsy fotoana hanaovana lahateny izany.
Tokony ho any amin’ny kilasin’ny Kilonga sy miaraka amin’ny ray aman-dreniny mandritra ny takarivam-pianakaviana no hampiharan’ireo zazakely ny fizarany ny fijoroana ho vavolombelona izay ananany mandra-pahatakarany ny maha-zava-dehibe ny dikan’ny fijoroana ho vavolombelona.
Ilay fanamafisana ny fanaovana ny andro Sabata ho fahafinaretana izay natao vao tsy ela dia vokatra mivantana avy amin’ny tsindrimandrin’ny Tompo ho an’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Tokony hanampy ny episkôpà herinandro maromaro mialoha ireo mpikambana ao amin’ny filankevitry ny paroasy amin’ny fijerena ny hira sy ny lohahevitra izay efa natolotra ho an’ny fivoriana fanasan’ny Tompo tsirairay.
Voatahy isika rehetra raha toa ka fenointsika fitiavana ny Tompo ny Sabata rehefa any an-tokantrano sy any am-piangonana. Rehefa ampianarina amin’ny fomban’ny Tompo ireo zanatsika, dia mianatra mahatsapa sy manaraka ny Fanahy Masina izy ireo. Hanam-paniriana ny hanatrika isika rehetra isaky ny alahady mba handray ny fanasan’ny Tompo rehefa mahatsapa ny Fanahin’ny Tompo. Ary ny olona rehetra, na tanora na antitra, izay mitondra enta-mavesatra, dia hahatsapa ny fanampiana ara-panahy sy ny fampiononana azo avy amin’ny andro Sabata rehefa atokany amin’ny fifantohana tanteraka amin’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Tompo izany.
Soa ihany fa eo akaikintsika foana i Kristy, miandry ary vonona hanampy antsika rehefa mivavaka hangataka fanampiana sy vonona ny hibebaka ary hanatona Azy isika.
Ankehitriny, rehefa saintsainintsika fotsiny ireo fahamarinana vitsivitsy misy ao amin’ilay Sambo Tsy Tontan’ny Ela atao hoe Ziona ireo, dia aoka isika hijanona ao anatiny ka hahatsiaro fa, raha faritana, ny sambo dia fiara, ary ny tanjon’ny fiara iray dia ny hitondra antsika mankany amin’ny toerana iray.
Ny toerana halehan’ny sambontsika dia ireo fitahiana fenon’ny filazantsara, ny fanjakan’ny lanitra, ny voninahitra selestialy ary ny eo anatrehan’ Andriamanitra!
Efa eo ny drafitr’ Andriamanitra. Izy no mpanamory, ary ilay sambony lehibe sy matanjaka dia mitondra antsika mankany amin’ny famonjena sy ny fisandratana. Tsarovy fa tsy afaka ho tonga any isika amin’ny fitsambikinana miala avy ao amin’ilay sambo ka hiezaka ny hilomano ho any avy amin’ny tenantsika.
Ny fisandratana no tanjon’ity dia eto an-tany ity, ary tsy misy olona tonga any raha tsy amin’ny alalan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy—ny Sorompanavotany sy ireo ôrdônansy sy fotopampianara ary fitsipika feno fitarihana izay hita ato am-piangonana.
Ity no Fiangonana izay hianarantsika ireo asan’ Andriamanitra sy hanekentsika ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompo izay mamonjy antsika. Ato anatin’ny Fiangonana no hanaovantsika ireo fanolorantena sy fanekempihavanan’ny fianakaviana mandrakizay izay ahafahantsika mahazo ny fisandratana. Io no ilay Fiangonana izay ampandehanin’ny fisoronana mba hitondra antsika handeha amin’ilay rano tsy hay vinavinaina mialoha an’ny fiainana an-tany.
Aoka isika ho velom-pankasitrahana noho ilay Sambo tsara tarehy Tsy Tontan’ny Ela atao hoe Ziona, fa raha tsy misy azy io isika dia ho very lalana, irery sy tsy manan-kery, entin’ny rano tsy misy familiana na fivoy, ahodinkodin’ny rano noho ny rivotra sy onja maherin’ny fahavalo.
Mihazòna mafy, ry rahalahy sy ranabavy, ary mandeha amin’io sambo be voninahitra io, dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany fa ho tonga any amin’ny toerana halehantsika mandrakizay isika. Izany no fijoroana ho vavolombelona sy vavaka ataoko ho antsika tsirairay amin’ny Anarany, ilay nanomezana anarana an’ilay Sambo Tsy Tontan’ny Ela atao hoe Ziona, dia ny Tompontsika sy Mpanavotra antsika, i Jesoa Kristy, amena.