Tsy irery ianao eo am-panaovana ny asa
Rehefa mifindra avy amin’ny anjara fanompoana iray ao amin’ny fisoronana ianao mankany amin’ny hafa, dia ho hitanao fa miasa miaraka aminao ny Tompo.
Ry rahalahy, feno fankasitrahana isika fa niantso ny Ronald A. Rasband, Loholona Gary E. Stevenson, ary ny Loholona Dale G. Renlund ho Apôstôlin’i Jesoa Kristy ny Tompo. Manohana azy ireo ny fontsika sy ny vavaka ataontsika ary ny finoantsika.
Fantatsika ny fahaiza-manao lehibe ananan’izy ireo. Saingy mila fanomezan-toky izy ireo eo amin’ny antson’izy ireo, tahaka antsika rehetra, fa miaraka amin’izy ireo ny Tompo eo amin’ny Asany. Mila an’io fanomezan-toky io ny diakona vaovao indrindra, tsy misy hafa amin’ilay mpisorona avo manana traikefa be indrindra izay mandray antso iray vaovao.
Mitombo io fahatokiana io rehefa lasa hitanao fa niantso anao Izy tamin’ny alalan’ireo mpanompony. Ny fampaherezana ataoko dia ny hanampy anao hahafantatra fa rehefa manao ny anjaranao ianao dia ampian’ny Tompo amin’ny heriny ireo ezaka ataonao.
Na inona na inona antso azontsika ato amin’ny fanjakan’ny Tompo dia mitaky mihoatra noho ny fahendren’olombelona ananantsika sy ny herin’ny tenantsika manokana. Ireo antso ireo dia ilàna ny fanampian’ny Tompo, izay ho avy tokoa. Ary na ilay diakona vaovao aza dia hianatra fa marina izany, ary mbola hanohy hianatra izy mandritra ireo taona maro ho avy.
Manatrika eto anio hariva ny iray amin’ireo zafikeliko lahy amin’izao fivoriamben’ny fisoronana voalohany atrehany izao. Enina andro lasa izay no nanokanana azy ho diakona. Mety hihevitra izy fa ny hanatanterahany voalohany ny adidiny ao amin’ny fisoronana dia ny hizara ny fanasan’ny Tompo amin’ny alahady heriny. Mivavaka aho mba ho ho tsapany ny maha-zava-dehibe izany fotoana izany.
Mety mieritreritra izy fa ny asa ataony ho an’ny Tompo dia ny mampitapita ny fitoerana mofo sy rano amin’ny olona mipetraka ao amin’ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo. Saingy ny tanjon’ny Tompo dia tsy hoe izay handraisan’ny olona mofo sy rano fotsiny. Fa ny hitandreman’izy ireo fanekempihavanana iray izay hampivoatra azy ireo eo amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Ary mba hahafahan’izany hitranga dia tsy maintsy manome traikefa ara-panahy ny Tompo ho an’ilay olona izay hanoloran’ilay diakona ny fitoerana mofo sy rano.
Nahita izany nitranga tany amin’ny toeram-pitsaboana iray aho rehefa niroso ny diakona iray nanolotra ny fitoera-mofo sy rano tamin’ny ramatoa fotsy volo iray. Nibanjina ny mofo ilay ramatoa toy ny hoe zavatra sarobidy izany. Tsy adinoko mandrakizay ny tsikiny rehefa nihinana izy, ary avy eo dia nanainga tanana nanakatra ny lohan’ilay diakona sady niteny mora hoe: “Misaotra an!”
Io diakona io dia nanatanteraka tsotra fotsiny ny adidiny ao amin’ny fisoronana. Kanefa dia nampitomboin’ny Tompo ny asa nataon’ilay diakona. Hita mazava fa nahatsiaro ny Mpamonjy ilay ramatoa raha naneho fankasitrahana amin-kitsimpo izy noho ny asa fanompoan’ny diakona anankiray. Nahazo toky izy raha nanolotra ny fanasan’ny Tompo ho azy ilay zazalahy fa hanana ny Fanahy hiaraka aminy izy. Tsy irery izy tao amin’ny toerana fitaizana beantitra tamin’io andro io. Ary tsy irery ihany koa ilay zazalahy teo amin’nyasa fanompoany.
Ny mpampianatra kely iray ao amin’ny Fisoronana Aharôna dia mety tsy mahatsapa akory rehefa mandeha mampianatra fianakaviana iray, fa izy dia mpiara-miasa amin’ny Tompo eo amin’ny asany. Mbola tsaroako ny fijoroana ho vavolombelona tsotra nataon’ny mpampianatra isan-tokantrano kely iray izay tonga tao an-tokantranonay. Nohamafisin’ny Fanahy ny teny nambarany. Mety tsy ho tadidin’ilay zatovolahy io andro io, fa izaho kosa mahatsiaro.
Ny Tompo dia mbola hampitombo indray ireo ezaka ataon’ny zatovolahy iray rehefa antsoina ho lasa mpisorona izy. Ny batisa voalohany izay tanterahiny dia mety ho batisan’olona tanora kely iray izay tsy fantany akory. Mety sahiran-tsaina izy mieritreritra hoe ho voatonony tsara ve ireo teny ary ho vitany ara-dalàna tsara ve ilay ôrdônansy.
Kanefa ny Tompo izay tompoiny dia hampitombo ny fanatitra ataony. Ilay olona izay ataony batisa dia nisafidy ny hihazo ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Ny Tompo dia hanao ny anjarany lehibe. Nataony tamiko izany indray mandeha rehefa niraraka nanaraka ny tarehiny ny ranomason’ny zazalahy iray izay nataoko batisa, ka niteny teo an-tsofiko izy hoe, “madio aho, madio aho.”
Rehefa mifindra avy amin’ny fanompoana iray ao amin’ny fisoronana ianao mankany amin’ny iray hafa, dia ho hitanao fa miasa miaraka aminao ny Tompo. Nianatra an’izany aho tamin’ny nihaonako tamin’ny filohan’ny kôlejin’ny loholona iray nandritra ny fihaonamben’ny tsatòka iray taona maro lasa izay. Nandritra ilay fihaonambe dia anarana lehilahy maherin’ny efapolo izay handray ny Fisoronana Melkizedeka no natolotra.
Nitongilana taty amiko ilay filohan’ny tsatòka ary nibitsibitsika hoe, “Ireo lehilahy ireo dia lehilahy azo aroso ho loholona izay mpikambana nalaindaina avokoa.” Talanjona aho ka nanontany an’ilay filoha hoe inona no nataony ka nahafahana nanavotra an’ ireo lehilahy ireo.
Notondroiny ny tovolahy iray nipetraka tery amin’ny farany aoriana tao amin’ny efitrano fivavahana. Ary hoy izy, “Irý izy irý. Ny ankamaroan’ireo lehilahy ireo dia tafaverina noho io filohan’ny kôlejin’ny loholona io.” Tery amin’ny seza farany aoriana izy, mitafy akanjo tsotra, ny tongony mitsotra eo anoloana ary mifandipatra sady manao baoty efa tonta dia tonta.
Niangavy an’ilay filohan’ny tsatòka aho hampihaona ahy amin’io rahalahy io aorian’ny fivoriana. Rehefa nihaona izahay dia nolazaiko ilay tovolahy fa gaga tamin’ny zavatra nataony aho ary nanontaniako azy izay fomba nanaovany an’izany. Nahetsiny ny sorony. Hita mazava fa tsy nihevi-tena ho mendrika ny ho deraina izy.
Ary avy eo izy dia niteny moramora hoe ‘Fantatro daholo ireo lehilahy malaindaina eto amin’ity tanàna ity. Ny ankabeazan’izy ireo dia manana kamiao fitondrana entana. Izaho koa manana. Any amin’ny toerana fanasan’izy ireo fiara aho no manasa fiara. Taty aoriana dia lasa namako izy ireo.
“Avy eo dia niandry teny aho mandra-pisy olana mitranga eo amin’ny fiainan’izy ireo. Izay foana no nitranga. Noresahan’izy ireo tamiko izany. Mihaino aho ary tsy manome tsiny. Avy eo rehefa miteny izy ireo hoe, ‘Misy zavatra tsy mandeha eo amin’ny fiainako. Tsy maintsy misy zavatra tsara kokoa noho izao iainako izao.’ Nolazaiko azy ireo hoe inona no tsy ampy, ary hoe aiza no toerana ahitan’izy ireo an’izany. Indraindray izy ireo mino ahy, ary rehefa mino ahy izy ireo, dia entiko miaraka amiko.”
Hitanao amin’izany hoe nahoana izy no nanetri-tena. Satria fantany fa nanao izay kely anjarany izy ary ny Tompo no nanao ny ambiny. Ny Tompo no nikasika ny fon’ireo lehilahy ireo tao anatin’ny fahasahiranan’izy ireo. Ny Tompo no nanome fahatsapana azy ireo hoe tsy maintsy misy zavatra tsaratsara kokoa ho azy ireo, sy fanantenana fa afaka mahita izany izy ireo.
Ilay tovolahy, izay—tahaka anareo koa—mpanompon’ny Tompo, dia nino fotsiny fa raha manao izay kely anjarany izy, dia hanampy an’ireo lehilahy ireo ny Tompo hihazo ny lalana mody sy mankany amin’ny fahasambarana izay Izy ihany no afaka manome izany ho azy ireo. Io lehilahy io koa dia nahafantatra fa ny Tompo no niantso azy ho filohan’ny kôlejin’ny loholona satria izy vonona hanao ny anjarany.
Hisy ny fotoana eo amin’ny asa fanompoanao, izay tsy hahazoanao fahombiazana miavaka sy mivaingana toy ity tovolahy filohan’ny kôlejin’ny loholona ity. Amin’izany fotoana izany ianao no mila mahatoky fa ny Tompo, izay mahafantatra fa hanao ny anjaranao ianao ao anatin’ilay asa, no niantso anao tamin’ny alalan’ireo mpanompony nahazo lalana. Ny fananana finoana an’ilay antso avy amin’ny mpanompon’ny Tompo no tena nanan-danja teo amin’ny asa fitoriana nanompoan’ i Henry Eyring dadan’ny dadabeko.
Natao batisa izy tamin’ny 11 Martsa 1855, tao St. Louis, Missouri. Notendren’i Erastus Snow ho ao amin’ny anjara fanompoan’ny mpisorona izy, fotoana fohy taorian’izay. Nantsoin’i John H. Hart, filohan’ny Tsatòkan’i St. Louis, izy mba hanompo any amin’ny misiônan’ny Firenena Cherokee tamin’ny 6 Ôktôbra.1 Notendrena ho loholona izy tamin’ny 11 Ôktôbra. Nitaingin-tsoavaly izy raha handeha handao ho an’ny amin’ny Misionan’i Cherokee tamin’ny 24 Ôktôbra. Roapolo taona izy tamin’izany ary vao fito taona no niova fo.
Raha nisy mpihazona fisoronana tokony ho nanana antony hahatsapana ho tsy mendrika sy tsy vonona, dia i Henry Eyring. Ny hany antony nananany risipo handeha, dia noho izy nahafantatra tao am-pony fa Andriamanitra no niantso azy tamin’ny alalan’ireo mpanompony izay nahazo lalana. Izany no loharanon’ny herimpony. Izany no tsy maintsy ho loharanon’ny herimpontsika ahafahana maharitra, na inona na inona antsontsika ao amin’ny fisoronana.
Rehefa avy nanompo nandritra ny telo taona feno fahasarotana i Elder Eyring ary taorian’ny nahafatesan’ny filohan’ny misiôna, dia nantsoina sy notohanana ho filohan’ilay misiôna i Henry nandritra ny fivoriana iray natao tamin’ny 6 Ôktôbra 1858. Taitra izy ary tohina toy ireny diakona vaovao ireny. Hoy izy raha nanoratra, “Tena tsy nampoiziko ny ho antsoina amin’io andraikitra io, kanefa satria izany no sitrapon’ireo rahalahy dia nekeko tamim-pitiavana izany, sady tsapako niaraka tamin’izay ny fahalemena goavana nananako sy ny tsy fahampian’ny traikefako.”2
Ilay efa filoha Eyring amin’izao dia nankany amin’ireo Firenena Cherokee, sy Creek, ary Choctaw tamin’ny 1859. Tamin’ny alalan’ny ezaka nataony, dia “nampian’ny Tompo”, araka izay voalazan’i Henry, “olona maro tao amin’ny fiangonana.” Nanangana sampana roa izy saingy nanao fanamarihana hoe “vitsy kely no tena niredareda ho an’ny Fiangonana.”3
Herintaona taty aoriana i Henry dia nisedra ilay olana sarotra hoe tsy navelan’ireo mpitondra ara-pôlitika teo amin’ilay vahoaka izay notompoiny hanao ny asany intsony ireo misiônera Olomasin’ny Andro Farany. Raha teo am-pandinihana izay tokony hataony izy dia nahatsiaro torolalana avy tamin’ny filohan’ny misiônany teo aloha izay milaza fa “tokony hohalavainy hatramin’ny 1859 ny asa fanompoany.”4
Ny volana ôktôbra tamin’io taona io dia nanoratra ho an’ny Filoha Brigham Young i Henry mba hahazoana torolalana saingy tsy nahazoany valiny ny fanontaniany. Hoy i Henry, “Rehefa tsy nahenoako na inona na inona ny Fiadidian’ny Fiangonana, dia niantso ny Tompo tamin’ny alalan’ny vavaka aho, nanontany azy mba hanambarany amiko ny eritreriny sy ny sitrapony mikasika ny hijanonako maharitra kokoa na hiakarako any Ziona.”
Notohizany hoe: “Izao nofy manaraka izao no nomena ahy ho valin’ny vavaka nataoko. Nanofy aho hoe tonga tany [Salt Lake] City ary nandeha avy hatrany tao amin’ny biraon’ny [Filoha Brigham] Young, ary hitako tao izy. Hoy aho taminy: [Ry Filoha] Young, nandao ny misiônako aho, ary noho izaho ihany no nahatongavako aty, kanefa raha misy tsy fetezan’izany, dia vonona aho ny hiverina sy hamita ny asa fanompoako.’ Tao amin’ilay nofy dia namaly ilay mpaminany hoe: ‘Efa ampy ny fotoana nijanonanao tany, mety izany.’
Toy izao no nosoratan’i Henry tao amin’ny diariny: “Noho izaho efa imbetsaka no efa nanofy tany aloha tany ka avy eo tanteraka ara-bakiteny dia ampy ny finoako nahafahako nino fa ho tanteraka ihany koa ity indray mitoraka ity, ka noho izany dia niomana avy hatrany ny handeha aho.”
Tonga tany Salt Lake City izy tamin’ny 29 Aogositra 1860, ka dia an-tongotra no nanaovany ny ankamaroan’ny dia. Ny ampitson’io izy dia nandeha nankany amin’ny biraon’ny Filoha Brigham Young.5
Ireto teny ireto no fomba namariparitan’i Henry ny zavatra niainany: “Nihaona tamin’ny [Filoha] Young [aho], izay nandray [ahy] tamin-katsaram-panahy tokoa. Hoy aho taminy, ‘[Filoha] Young, tonga tsy nisy naniraka aho, raha toa ka tsy mety ny zavatra nataoko dia vonona aho ny hiverina sy hamita ny asa fanompoako.’ Namaly i [Brigham Young] hoe; ‘Tsy maninona izany. … Efa niandry ny fahatongavanao izahay.”
Nofaritan’i Henry tamin’izao teny izao ny hafaliany hoe, ‘Araka izany dia tanteraka ara-bakiteny izany ny nofiko.”6
Ny fifaliany dia avy amin’ny fanamafisana fa ny Tompo dia niara-niasa taminy sy nijery azy. Nianatra izay marina ho antsika rehetra izy—dia ny hoe ireo mpanompon’ny Tompo dia entanim-panahy hahafantatra ny sitrapon’ Andriamanitra. Ary namafisin’i Henry Eyring, izay zavatra fantatro tsara ihany koa, fa ny mpaminany, amin’ny maha-filohan’ny fisoronana azy, dia entanin’ Andriamanitra hiahy sy hikarakara ireo mpanompon’ny Tompo.
Na inona na inona antsonao ao amin’ny fisoronana, mety efa nahatsapa ianao indraindray hoe tsy niraharaha anao ny Ray any an-danitra. Afaka mivavaka ianao hahafantaranao ny sitrapony, ary raha manam-paniriana tsy misy fitaka ianao ny hanao na inona na inona angatahiny ho ataonao, dia hahazo valiny ianao.
Havelan’ny Ray any An-danitra ho tsapanao fa hoe mahafantatra anao Izy, hoe mankasitraka ny asa fanompoana ataonao Izy, ary hoe lasa mendrika ianao ny handray ny fankasitrahana avy amin’ny Tompo izay tena tianao ho heno tokoa manao hoe: “Tsara izany ry mpanompo tsara sady mahatoky, nahatoky tamin’ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be: midira amin’ny fifalian’ny tomponao.”7
Mivavaka aho mba hiezaka amim-pinoana ny mpihazona fisoronana tsirairay hanavotra ny fanahy tsirairay izay iandraiketany. Hampian’ Andriamanitra ny heriny ireo ezaka ataon’ireo manompony. Ho maro ny fon’olona ho voataona hanao ireo safidy hitondra azy ireo hihazo ny lalan’ny filazantsara mankany amin’ny fahasambarana ary lavitry ny alahelo.
Mivavaka ihany koa aho mba hahatsapan’ny mpihazona fisoronana tsirairay ny fikarakarana feno fitiavana sy fitandremana ataon’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy ary ny mpaminanin’ Andriamanitra eo amin’ny antsony.
Ambarako aminareo ny fijoroako ho vavolombelona manokana fa isika dia ao anatin’ny asan’i Jesoa Kristy Tompo nitsangana tamin’ny maty. Mijoro ho vavolombelona aho fa Izy no niantso ahy sy ianao hanao ny asany, ary fantany ny fahaizantsika sy ny fanampiana izay ilaintsika. Hotahiany mihoatra noho izay antenaintsika ireo ezaka ataontsika, rehefa manome ny momba antsika rehetra ho an’ny asany isika. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny mpaminanin’ Andriamanitra izay filohan’ny fisoronana rehetra maneran-tany dia tarihan’ Andriamanitra.
Feno fankasitrahana aho noho ireo ohatra asehon’ireo mpihazona fisoronana feno fahatokiana na aiza na aiza. Ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy dia feno fankasitrahana fa nanao ny anjaranao ianao. Fantatr’izy ireo ianareo ary tiany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.