Tsy misy aloha loatra na tara loatra izany
Tsy misy aloha loatra na tara loatra izany—raha hitarika sy hitari-dalana ary hiara-handeha amin’ireo zanatsika satria mandrakizay ny fianakaviana.
Ry rahalahy sy anabavy, ao anatin’ny ady amin’izao tontolo izao isika. Taloha izao tontolo izao dia nifaninana ny mba hananan’ireo zana-tsika hery sy fotoana. Ankehitriny, dia miady kosa izy mba hahafantaran’izy ireo ny tenany sy ny zavatra tokony ho eritreretiny. Feo mafy sy misongadina maro no miezaka mamaritra hoe iza ireo zanatsika ireo ary inona no tokony hinoany. Tsy afaka hamela ny fiaraha-monina hanova ny fianakaviantsika ho tahaka an’izao tontolo izao isika. Tsy maintsy mandresy ity ady ity isika. Miankina amin’izany ny zava-drehetra.
Ny ankizy ato am-piangonana dia mihira hira iray izay mampianatra azy ireo mikasika ny hoe iza marina izy ireo: “Zanaky ny Ray aho, Napetrany etỳ. Nomeny fianakaviana aho, Ray aman-dreny tia.” Avy eo dia arahan’ny fiangavian’ireo ankizy manao hoe: “Tariho, ampio, miaraha eo anilanay. … Ampianaro ahy ny teniny hahaizako mandeha.”1
Nampianatra antsika ny Filoha Russell M. Nelson tamin’ny fihaonambentsika farany teo fa manomboka izao dia tsy maintsy mirotsaka ho “ray aman-dreny amin’ny nahim-po” isika.2 Andro mahory izao. Saingy ny vaovao tsara dia efa fantatr’ Andriamanitra fa ho izany tokoa, ary efa nanome torohevitra ho antsika Izy ao amin’ny soratra masina mba hahafantarantsika ny fomba hanampiana ireo zanatsika sy ireo zafikelintsika.
Ao amin’ny Bokin’ny Môrmôna dia niseho tamin’ireo Nefita ny Mpamonjy. Nangoniny mba hanodidina Azy ireo ankizy. Nitsodrano azy ireo sy nivavaka ho azy ireo ary nitomany azy ireo Izy.3 Avy eo dia hoy Izy tamin’ireo ray aman-dreny: “Jereo ny madinikareo.”4
Inona no tian’i Jesoa hojeren’ireo ray aman-dreny ao amin’ny madinin’izy ireo? Moa ve tiany ho hitan’izy ireo ilay hery anaty araka an’ Andriamanitra ananan’ny zanany?
Rehefa mijery an’ireo zanatsika sy ireo zafikelintsika isika izao, dia inona no tian’ny Mpamonjy ho hitantsika ao amin’izy ireo? Moa ve tsapatsika fa ireo zanatsika ireo no vondrona lehibe indrindra mpanadihady momba ny Fiangonana? Inona no tokony hataontsika mba hahatonga azy ireo hanana fiovampo maharitra?
Ao amin’ny bokin’i Matio, ny Mpamonjy dia mampianatra antsika mikasika ny fiovampo maharitra. Nisy andian’olona maro nivory teo akaikin’ny Ranomasin’i Galilia mba hihaino Azy nampianatra.
Tamin’io fotoana io i Jesoa dia nanambara tantara iray momba ny fambolena voa—ny fanoharana mikasika ilay mpamafy voa.5 Hoy Izy rehefa nanazava izany tamin’ny mpianany, ary tamin’ny farany tamintsika hoe: “Raha misy mandre ny tenin’ ny fanjakana, fa tsy mahalala, dia avy ilay ratsy ka manaisotra izay nafafy tao am-pony.”6 Mazava ny hafatra ho an’ny ray aman-dreny: misy fahasamihafana ny mandre sy ny mahatakatra. Raha toa ka mandre fotsiny fa tsy mahatakatra ny filazantsara ny zanatsika, dia hanokatra ny varavarana ho an’i Satana hanala ireo fahamarinana ireo avy ao am-pony izy.
Kanefa, raha toa ka afaka manampy azy ireo hampitombo fiovampo mahery vaika isika dia, mandritra ireo fotoana tena mahasahirana, rehefa mihamafy ny fiainana, ary ho mafy tokoa izany, ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia afaka hanome azy ireo zavatra ao anatin’izany izay tsy ho voahozongozon’ny any ivelany. Ahoana no ahafahantsika mahazo antoka fa tsy hiditra fotsiny ao amin’ny sofina iray dia hivoaka any amin’ny ilany ireo fahamarinana mahery vaika ireo? Mety tsy ampy ny fihainoana fotsiny ireo teny.
Fantatsika rehetra fa ny teny dia miovaova. Indraindray isika milaza zavatra iray kanefa hafa ny fahazoany izany. Mety hiteny amin’ny zanakareo ianareo hoe: “Miverimberina toy ny kapila misy simba ireny ny zavatra lazainao.” Dia mety hamaly izy hoe: “Fa inona izany kapila izany ry dada?”
Tian’ny Raintsika any An-danitra hahomby isika satria raha ny tena marina, rehefa dinihina tokoa dia zanany aloha izy ireo talohan’ny naha-zanatsika azy. Amin’ny maha-ray aman-dreny ao Ziona anareo, dia efa nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina ianareo. Rehefa mivavaka mba hahazo fitarihana ianareo, “dia Izy no hampiseho aminareo ny zavatra rehetra izay tokony hataonareo”7 amin’ny fampianarana ny zanakareo. Rehefa mandrindra fomba fianarana ianareo, dia “ny herin’ny Fanahy Masina [no] mitondra izany hankany am-pon’ny [zanaka].”8
Tsy mahita ohatra tsara kokoa momba ny fanampiana ny olona iray hahazo fahatakarana noho ny tantaran’i Helen Keller aho. Jamba sy marenina izy ary nitoetra tao anatin’ny tontolo iray izay maizina sy mangina. Nisy mpampianatra iray izay nantsoina hoe Anne Sullivan tonga nanampy azy. Ahoana no hampianaranao ankizy izay tsy mahare na mahita anao akory?
Nandritra ny fotoana maharitra dia nanahirana an’i Anne ny nifandray tamin’i Helen. Indray andro, tokony ho tamin’ny mitataovovonana, dia nentiny nivoaka ho eny amin’ny paompin-drano izy. Nataony teo amin’ny fivoahan’ny rano ny tanan’i Helen iray ka nanomboka nandefa ny rano izy. Avy eo dia nosoratan’i Anne teo amin’ny tanan’i Helen ilany ny teny hoe R-A-N-O. Tsy nisy zavatra nitranga. Dia nandramany indray. R-A-N-O. Nofihinin’i Helen ny tanan’i Anne satria nanomboka azony izany. Nahay teny miisa 30 izy mandra-pahariva ny andro. Tao anatin’ny volana vitsivitsy dia teny miisa 600 no hainy ary afaka namaky ny soratra Braille izy. Notohizan’i Hellen Keller izany ka nahazo mari-pahaizana tany amin’ny oniversite izy ary nanampy tamin’ny fanovana ny tontolon’ireo olona izay sady tsy mahita no tsy mandre.9 Fahagagana izany ary ilay mpampianatra azy no nahatanteraka ilay fahagagana, toa anareo koa, izay ray aman-dreny.
Nahita ny vokatra nentin’ny mpampianatra lehibe iray hafa aho fony filohan’ny tsatòkan’ny tanora tokan-tena tao BYU–Idaho. Nanova ny fiainako izany zavatra niseho izany. Indray talata hariva izay aho dia nifampidinika tamin’ny zatovolahy iray nantsoina hoe Pablo, avy any Mexico City, izay nanam-paniriana hitory ny filazantsara. Nanontany azy momba ny fijoroana ho vavolombelona izay nananany sy ny faniriany hanompo aho. Tena tsara ireo valim-panontaniana nomeny ahy. Avy eo dia nanontany azy momba ny fahamendrehany aho. Marina avokoa ny valinteniny. Raha ny marina dia tena tsara avokoa izy ireo ka nanontany tena aho hoe: “Angamba mety tsy azony ny zavatra izay anontaniako azy.” Ka dia naveriko indray ireo fanontaninana ireo ary hitako fa fantany tsara ny zavatra tiako hanontaniana ary marin-toetra tanteraka izy.
Tena nahavariana ahy ity zatovolahy ity ka nanontaniako hoe: “Ry Pablo, fa iza no nanampy anao ho tonga amin’izao toerana toerana misy anao eo amin’ny fiainanao izao, mijoro araka ny hitsiny tokoa eo anoloan’Andriamanitra?”
“Ny dadako,” hoy izy.
Dia hoy aho: “Mba tantarao ahy ry Pablo ny tantaranao.”
Dia notohizan’ny Pablo hoe: “Fony aho sivy taona dia nentin’ny dadako nitokana aho ka hoy izy, ‘Ry Pablo, efa nandalo sivy taona koa aho. Ireto misy zavatra vitsivitsy izay mety ho atrehinao. Hahita olona hampiasa hafetsifetsen-dratsy ianao amin’ny fanadinana any an-tsekoly. Mety ho hodidinin’ny olona izay miteny ratsy ianao. Mety hisy fotoana izay hampalaina anao ho any am-piangonana. Koa rehefa mitranga ireo zavatra ireo—na izay zavatra hafa manahirana anao—dia tiako hanatona ahy ianao ka hiresaka amiko, dia hampiako ianao mba ho tafavoaka amin’izany. Ary avy eo dia holazaiko anao ny zavatra hitranga manaraka.’”
“Dia inona ry Pablo ny zavatra nolazainy anao rehefa feno 10 taona ianao?”
“Nampitandrina ahy ny amin’ny pôrnôgrafia sy ny vazivazy maloto izy.”
“Dia inona indray rehefa feno 11 taona ianao?” Hoy aho nanontany.
“Nampitandrina ahy ny amin’ny zavatra izay mety hampiankin-doha izy ary nampahatsiahy ahy mikasika ny fampiasana ny fahafahako misafidy.”
Ity dia ray izay nanampy ny zanany lahy tsy handre fotsiny ihany fa hahatakatra koa, nandritra ny taona maro, “fitsipika anampy fitsipika; kely etỳ, ary kely erỳ”10. Fantatry ny rain’i Pablo fa mianatra ny ankizy rehefa vonona hianatra izy ireo, fa tsy rehefa vonona ny hampianatra azy fotsiny isika. Nidera ny zavatra nataon’i Pablo aho rehefa nalefanay ny taratasy fangatahany hirotsaka ho misiônera ny alin’io, saingy nidera bebe kokoa ny rainy aza aho noho ny zavatra nataony.
Rehefa namily fiara nody aho tamin’io alina io dia nanontany tena hoe: “Mba ho karazana ray tahaka ny ahoana re i Pablo e?” Mazava be ny valiny: ho tahaka ny rainy ihany izy. Hoy i Jesoa: “Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon’ ny Ray.”11 Izany no fomba nitahian’ny Ray any An-danitra ny zanany tao anatin’ny taranaka nifandimby.
Teo am-pieritreretako momba ilay zavatra niainako niaraka tamin’i Pablo dia nalahelo aho satria efa lehibe ireo zanako vavy efatra ary ireo zafikeliko sivy dia tsy nipetraka teo akaiky teo tamin’izany fotoana izany. Dia nieritreritra aho avy eo hoe: “Hataoko ahoana re ny hanampy azy ireny amin’ny fomba izay nanampian’i rain’i Pablo an’i Pablo? Efa lasa loatra ve ny fotoana?” Teo am-panolorako vavaka iray tao am-poko dia nibitsika izao fahamarinana lalina izao ny Fanahy: “Tsy misy aloha loatra na tara loatra izany raha hanomboka hanao io dingana lehibe io.” Tonga dia fantatro avy hatrany ny dikan’izany. Tsy andriko ny hahatongavana tany an-trano. Nasaiko niantso an’ireo zanakay rehetra i Sharol vadiko ka hilaza amin’izy ireo fa mila mihaona amin’izy ireo izahay. Manana zavatra tena manan-danja holazaina amin’izy ireo aho. Nanaitra kely azy ireo ny fahamehako.
Natombokay tamin’ny zanakay vavimatoa sy ny vadiny izany. Hoy aho hoe: “Tianay sy ny reninareo ho fantatrareo fa efa nandalo ny taonanareo izahay. Efa nandalo 31 taona izahay ary nanana fianakaviana kely. Fantatray ny zavatra izay mety hatrehanareo. Mety ho fanamby ara-bola na ara-pahasalamana izany. Mety ho fotoana iray izay hisalasalanareo ny amin’ny finoanareo. Mety ho ketraka amin’ny fiainana tsotra izao ianareo. Raha mitranga ireo zavatra ireo dia tianay hanatona sy hiresaka aminay ianareo. Hampianay ho tafavoaka amin’izany ianareo. Ankehitriny, tsy hoe te hiditra amin’ny fiainanareo foana izahay, fa tianay ho fantatrareo hoe manohana anareo foana izahay. Koa satria miaraka eto isika dia tiako ho tantaraina aminareo ny dinidinika nifanaovako tamin’ny zatovolahy iray izay antsoina hoe Pablo.”
Rehefa vita ilay tantara dia hoy aho hoe: “Tsy tianay hitranga ny hoe tsy nanana fahafahana nanampy ny zanakareo sy ny zafikelinay hahatakatra ireo fahamarinana manan-danja ireo ianareo.”
Ry rahalahy sy anabavy, tsapako amin’ny fomba manan-danja kokoa izao ny zavatra andrasan’ny Tompo amiko amin’ny maha-ray sy maha-raibe ahy manoloana ny fanorenana fomba iray hanampiana ny fianakaviako tsy handre fotsiny fa hahatakatra koa.
Rehefa mihalehibe aho dia hitako ny tenako misaintsaina ireto teny ireto:
Ry fotoana, Ry fotoana, miverena any aoriana,
Ary avelao izy ireo mba ho ireo zanako mbola kely mandritra ny indray alina fotsiny!12
Fantatro fa tsy afaka hiverina any aoriana aho, saingy izao no fantatro ankehitriny—Tsy misy aloha loatra na tara loatra izany—raha hitarika sy hitari-dalana ary hiara-handeha amin’ireo zanatsika satria mandrakizay ny fianakaviana.
Mijoro ho vavolombelona aho fa tena tia antsika tokoa ny Raintsika any An-danitra ka naniraka ny Zanany Lahitokana mba hiaina ny fiainan’ny olona eto an-tany izy mba hahafahan’i Jesoa hilaza amintsika hoe: “Efa teo amin’ny toeranareo aho, fantatro izay hitranga manaraka, ary hampiako ianareo ao anatin’ny fandalovana an’izany.” Fantatro fa hanao izany Izy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.