Indro ny reninao
Tsy misy fitiavana eto an-tany ho tonga tahaka ny fitiavana madion’i Jesoa Kristy noho ny fitiavana tsy misy fitiavan-tena ananan’ny reny feno fanolorantena iray ho an’ny zanany.
Mamelà ahy hiara-handray aminareo am-pitiavana ny Loholona Ronald A. Rasband, Loholona Gary E. Stevenson, sy ny Loholona Dale G. Renlund sy ireo vadiny avy amin’ity fiaraha-manompo mamy indrindra tsy azon’izy ireo veroka ity.
Raha naminany momba ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy i Isaia dia nanoratra hoe: “Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika.”1 Nanamafy ny fahitana iray miavaka tamin’ny andro farany fa “tonga teo amin’izao tontolo izao … i Jesoa mba … hitondra ny fahotan’izao tontolo izao.”2 Samy mijoro ho vavolombelona avokoa ny soratra masina fahiny sy ny soratra masina maoderina fa “navotany izy ireo sy nenti[ny] ary novimbini[ny] tamin’ny andro taloha ela rehetra.”3 Misy hira be mpitia anankiray izay miangavy antsika mba “hihaino ny feon[’ny] Mpanafaka lehibe!”4
Mitondra, entina, mivimbina, manafaka. Izy ireo dia teny mafonja sy manome fanantenana ilazana ny Mesia. Mitondra fanampiana sy fanantenana hahafahana mifindra soa aman-tsara izy ireo, miainga eo amin’ny toerana misy antsika mankany amin’ny toerana tokony halehantsika—izay tsy tongantsika raha tsy misy fanampiana. Ireo teny ireo koa dia mifono hoe vesatra sy tolona ary harerahana—teny tena mety hamaritana ny asa nanirahana Azy izay, amin’ny vidiny tsy hay sandaina, dia mampitraka antsika rehefa lavo isika, mitondra antsika handroso rehefa lany hery, manatitra antsika soa aman-tsara any an-trano rehefa toa lavitra tsy azontsika takarina ny fiarovana. “Naniraka Ahy ny Raiko,” hoy Izy, “mba hahazoana manandratra Ahy eo amin’ny hazofijaliana; … ka toy ny efa [nanandratana] … Ahy, dia toy izany koa no hanandratan’ny Ray ny olona [ho] eo anoloako.”5
Saingy ao anatin’io fiteny io koa ve ianao afaka maheno sehatra iray hafa fanaovan’ny olona zavatra izay hampiasantsika ny teny toy ny hoe mitondra sy entina,mivimbina sy mibata,miasa mafy sy manafaka? Toy ny nilazan’i Jesoa an’i Jaona teo am-panaovana ny Sorompanavotana no ilazany amintsika ihany koa hoe: “Indro ny reninao!”6
Androany aho dia hanambara avy ety amin’ny polipitra zavatra izay efa nolazaina teto tany aloha: fa tsy misy fitiavana eto an-tany ho tonga tahaka ny fitiavana madion’i Jesoa Kristy noho ny fitiavana tsy misy fitiavan-tena ananan’ny reny feno fanolorantena iray ho an’ny zanany. Rehefa niresaka momba ny Mesia i Isaia ka nanoritsoritra ny fitiavan’i Jehovah dia nampiasa ohatra maneho ny fanolorantenan’ny reny iray izy. “Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy?” hoy ny fanontaniany. Tena tsy mitombina ny zavatra anontaniany, saingy tsy mihoatra noho ny mieritreritra an’i Kristy hoe hanadino antsika na oviana na oviana.7
Io karazana fitiavana mafy orina io “dia mahari-po sady malemy fanahy, … tsy mikatsaka ny ho azy, … fa … mizaka ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, miaritra ny zavatra rehetra.”8 Ny tena mampahery tokoa amin’izy rehetra dia ny hoe, “tsy ho levona mandrakizay” ny fahatokiana toy izany.9 “Fa hiainga ny tendrombohitra, ary hafindra ny havoana,” hoy i Jehovah, “fa tsy hiala aminao kosa ny hatsaram-poko.”10 Torak’izany koa no lazain’ireo renintsika.
Hitanareo fa tsy hoe mitondra antsika am-bohoka fotsiny izy ireo fa mbola manohy mitondra miaraka amintsika ny enta-mavesatsika. Tsy ilay fitondrana tao an-kibo fotsiny fa fitondrana mandritra ny fiainana no mahatonga ny maha-reny ho zavatra mampiaiky. Marina fa misy zavatra mahavaky fo indraindray, saingy ny ankamaroan’ny reny dia mahafantatra ho azy, tsy mila mianatra, fa izany dia lamim-pahatokisana masina avo indrindra. Ny vesatry ny fahatsapana izany indrindra eo an-tsorok’ireo reny tanora dia mety tena miteraka tahotra.
Nisy reny tanora iray vao tsy ela nanoratra tamiko hoe: “Ahoana no mahatonga ny olombelona iray hitia lalina tokoa ny zanany ka hanomezany an-tsitrapo ho azy ny ampahany betsaka amin’ny fahafahany? Ahoana no mahatonga ny fitiavan’ny olombelona ho mafy tokoa ka hanekeny an-tsitrapo ny andraikitra, ny loza, ny ahiahy ary ny ratram-po dia mbola mampiseho fitiavana hatrany hatrany na dia eo aza ireo? Karazana fitiavan’olombelona manao ahoana no hahatonga anao hahatsapa hoe tsy anao intsony ny fiainanao rehefa manan-janaka ianao? Tsy maintsy hoe avy amin’ Andriamanitra izany ny fitiavan’ny reny. Tsy misy fanazavana hafa ankoatra izany. Ny zavatra ataon’ny reny dia singa manan-danja ao amin’ny asan’i Kristy. Ny fahafantarana izany dia tokony ho ampy hilazana amintsika fa ny fiantraikan’ny fitiavana toy izany dia ho voasokajy eo anelanelan’ny hoe tsy zaka sy ny hoe tsy takatry ny saina, izay miverimberina mandra-pahazoan’ny ankizy farany indrindra eto ambonin’ny tany fiarovana sy famonjena, amin’izay isika ka ahafahantsika [avy eo] miaraka miteny amin’i Jesoa hoe: ‘[Ray ô!] Vitako ny asa nomenao Ahy hataoko.’11”
Eo am-pieritreretana ny hajan’izany taratasy izany, dia mamelà ahy ianareo hizara traikefa telo izay maneho ny hery mitarika miavaka entin’ny reny izay hitako tamin’ny asa fanompoako tao anatin’ny herinandro vitsivitsy lasa:
Ny tantarako voalohany dia mifono fampitandremana ka mampahatsiahy antsika fa tsy ny ezaka rehetra ataon’ny reny akory dia miafara tsara toy ny ao anatin’ny tantara hita anaty boky, farafaharatsiny hoe tsy eo no ho eo ihany. Io fampahatsiahivana io dia nivoaka avy amin’ny resaka nifanaovako tamin’ny namana malala mihoatra ny 50 taona iray izay nanakaiky ny fahafatesana nefa nanalavitra ilay Fiangonana izay fantany tao am-pony fa marina. Na inona na inona zavatra nezahiko natao mba hankaherezana azy dia toa tsy nitondra fiadanana ho azy aho. Farany dia nanafatra ahy izy. “Ry Jeff,” hoy izy, “na maharary tahaka ny ahoana aza ho ahy ny mijoro eo anoloan’ Andriamanitra, dia tsy ho zakako ny mieritreritra hoe hitsangana eo anoloan’ny reniko aho. Ny filazantsara sy ireo zanany no nanan-danja ambonin’ny zava-drehetra taminy. Fantatro fa nahavaky ny fony aho, ary vaky ny foko mieritreritra an’izany.”
Ankehitriny, azoko antoka tanteraka fa rehefa nodimandry ilay namako dia noraisin’ny reniny tamin’ny sandry mivelatra sy feno fitiavana. Izany no fanaon’ny ray aman-dreny. Saingy ny fampitandremana hita ao amin’ny ampahan’ity tantara ity dia ny hoe afaka mandratra ny fon’ny reniny ny zanaka. Eto koa isika dia mahita fampitahana iray amin’ilay masina. Tsy ilaiko ny mampahatsiahy anareo fa i Jesoa dia maty tao anatin’ny faharatran’ny fo, harerahana ary trotraka tamin’ny fizakana ny fahotan’izao tontolo. Noho izany raha sendra mitady ho tratran’ny fakam-panahy dia enga anie isika “hijery ny renintsika” ary ny koa ny Mpamonjy antsika ka hanao izay tsy hampizakana azy ireo ny fahoriana avy amin’ny fahotantsika.
Faharoa, dia hiresaka momba ny zatovolahy iray izay niditra tamim-pahamendrehana tany amin’ny sahan’ny misiôna aho, izay nisafidy ny hody alohan’ny fotoana noho izy voasarika amin’ny lehilahy mitovy aminy sy noho ny ratra izay niainany avy tamin’izany. Mbola mendrika izy, saingy efa narefo dia narefo ny finoany, niha-tsy zaka ny vesatry ny zavatra tsapany, ary nihamafy hatrany ny fahoriany ara-panahy. Nifandimby tonga teo aminy ny ratram-po, ny fisafotofotoan-tsaina, ny fahatezerana ary ny fahakiviana.
Nandany ora maro ny filohan’ny misiônany sy ny filohan’ny tsatòkany ary ny evekany nikaroka sy nitomany ary nanome tsodrano rehefa nanampy azy, saingy maro tamin’ireo ratra nahazo azy no tena an’ny tena manokana loatra ka mbola nisy ampahany tamin’izany izay tsy azony nambara azy ireo. Ilay ray malala ao amin’ity tantara ity dia nanolotra ny fanahiny manontolo hanampiana io zaza io, saingy noho ny toe-javatra niainany teo amin’ny asany izay tena mitaky zavatra henjana avy aminy dia matetika ilay zazalahy sy ny reniny no niatrika irery ireo alina lava sy maizina izay nijalian’ny fanahiny. Nandritra ny andro sy ny alina, nandritra ny herinandro maro tamin’ny voalohany, avy eo dia volana maro izay nivadika ho taona maro, dia niaraka nikatsaka fahasitranana izy ireo. Nandritra ireo fotoana nisian’ny fahatezerana (izy indrindra indrindra no tratran’izany fa indraindray vao ny reniny) sy ny fahatahorana tsy nisy fiafarany (ny reniny indrindra indrindra no tratran’izany fa indraindray vao izy), dia nizara—izay ilay teny tsara sy manan-danja indray—ny fijoroana ho vavolombelona izay nananany mikasika ny herin’ Andriamanitra sy ny Fiangonany tamin’ny zanany lahy izy fa indrindra indrindra mikasika ny fitiavany an’io zaza io. Sady nijoro ho vavolombelona ihany koa izy ny amin’ny fitiavany azy tsy voahozongozona ary tsy mety maty. Mba hampiarahany ireo zavatra roa manan-danja indrindra tamin’ny fiainany ireo—ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny fianakaviany—dia nivavaka tsy tapaka izy. Nifady hanina izy dia nitomany, nitomany dia nifady hanina, avy eo dia nihaino foana rehefa namerimberina nilaza taminy ilay zanany lahy hoe vaky ny fony. Dia notohanany—indray—izy fa tamin’ity indray mitoraka ity dia tsy nandritra ny sivy volana. Tamin’ity indray mitoraka ity dia noeritreretiny haharitra mandrakizay ny fikelezany aina nanampy azy mba ho tafavoaka amin’ilay olana ara-panahy henjana nahazo azy.
Fa noho ny fahasoavan’ Andriamanitra sy ny fikirizany ary ny fanampian’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, namana, havana ary ireo olona matihanina maro dia hitan’io reny nitambezo io ny fiverenan’ny zanany indray ho ao amin’ny tany nampanantenaina. Ny mampalahelo dia manaiky isika fa tsy ny ray aman-dreny rehetra izay mitebiteby amin’ireo zava-miseho isan-karazany amin’ny zanany akory no mahazo fitahiana toy izany, na farafaharatsiny hoe mbola tsy tonga izany kanefa, eto, dia misy ny fanantenana. Ary tsy maintsy ambarako, ny fironan’ity zanakalahy ity ho voasarika amina lehilahy dia tsy niova tamin’ny fomba mahagaga akory—tsy nisy nilaza hoe hitranga izany. Fa niova tsikelikely ny fony.
Nanomboka niverina tany am-piangonana indray izy. Nisafidy ny handray an-tsirapo sy am-pahamendrehana ny fanasan’ny Tompo izy. Nahazo ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly indray izy ary nanaiky ny antso ho mpampianatra seminera vao maraina, izay nahitany fahombiazana tena mahatalanjona. Ary ankehitriny, dimy taona taty aoriana, tamin’ny alalan’ny fangatahany manokana sy ny fanampiana lehibe nataon’ny Fiangonana, dia niditra indray ny sahan’ny misiôna izy mba hamita ny asa fanompoany ny Tompo. Nampitomany ahy ny herimpo sy ny fahamarinan-toetra ary ny fahavononan’ity tovolahy ity sy ny fianakaviany hamaha ireo olany sy hanampy azy hihazona ny finoany. Fantany fa mila manonitra ny zavatra nataon’olona maro taminy izy, saingy fantany fa ny zavatra nataon’olona anankiroa izay toy ny mesia taminy no tena ilainy onerana. Olona roa izay nitondra sy nivimbina azy, niasa fatratra ho azy ary nanafaka azy—dia ny Mpamonjy Azy, Jesoa Kristy Tompo, sy ny reniny izay nanana fahavononana, nanavotra ary tena masina tokoa.
Farany, ity dia avy tamin’ny famerenana ny fanokanana ny Tempolin’i Mexico, Mexico City vao telo herinandro lasa. Tao no nahitako niaraka tamin’ny Filoha Henry B. Eyring an’i Lisa Tuttle Pieper namana malalanay nijoro tao anatin’izany fivoriana fanokanana izay nampihetsi-po izany. Saingy nitsangana tamin-kasarotana izy satria ny tanany ilany dia nibata an’i Dora zanakavavy malalany izay sembana, raha ny tanany ilany hafa kosa nanetsiketsika ny tanana ankavanan’i Dora izay tsy dia afaka miasa mba hahafahan’ity zanakavavy sarobidy mandrakizain’ Andriamanitra izay tsy afaka kanefa tsara tarehy ity hikopaka mosara fotsy ka hikiaka amin’ny feo tsy mazava, ary ireo anjelin’ny lanitra, manao hoe: “Hosana, Hosana, Hosana ho an’ Andriamanitra sy ny Zanak’ondry.”12
Ho an’ny renintsika rehetra na aiza na aiza, na ny efa lasa, na ny amin’izao fotoana izao, na ny ho avy, dia hoy aho hoe: “Misaotra anareo. Misaotra anareo niteraka, namolavola fanahy, nanamboatra toetra ary nampiseho ny fitiavana madion’i Kristy.” Ho an’i Neny Eva, Saraha, Rebeka, Rahely, Maria avy any Nazareta ary ho an’ny Reny izay any An-danitra, dia hoy aho hoe: “Misaotra anareo aho noho ny andraikitra lehibe izay nosahaninareo tamin’ny fanatanterahana ireo tanjon’ny mandrakizay.” Ho an’ireo reny rehetra, na inona na inona toe-javatra iainany, tafiditra ao anatin’izany ireo izay miady mafy—sy ireo rehetra—, dia hoy aho hoe: “Fiadanana ho aminareo. Minoa an’ Andriamanitra sy ny tenanareo. Efa manao tsara mihoatra noho izay eritreretinareo ianareo. Raha ny marina dia ianareo no mpamonjy ao an-tendrombohitra Ziona,13 ary tahaka ilay Mpampianatra arahinareo dia ‘tsy ho levona mandrakizay’ ny fitiavanareo.14” Tsy misy olona hafa azoko omena voninahitra ambony kokoa noho izany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.