2010–2019
Ankaherezin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy
Oktobra 2015


15:54

Ankaherezin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy

Koa mahita isika fa noho ny Sorompanavotany dia manana hery mba hamonjena—mba hanampiana—ny fanaintainana sy fahoriana ara-batana tsirairay ny Mpamonjy.

Azo antoka fa misy ny fahafatesana sy ny vesatry ny fahotana mandritra ny fiainana an-tany. Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia manonitra ny vesatr’ireo zavatra roa azo antoka fa misy amin’ny fiainana an-tany ireo. Fa ankoatra ny fahafatesana sy ny fahotana anefa dia miatrika fotoan-tsarotra maro hafa ihany koa isika rehefa mamakivaky ny fiainana. Noho io sorompanavotana io dia afaka manome antsika ny tanjaka ilaintsika mba handresena ireo fotoan-tsarotry ny fiainana ireo ny Mpamonjintsika. Izany no lohahevitry ny lahateniko anio.

I.

Ny ankabeazan’ireo fitantarana ny Sorompanavotana ao amin’ny soratra masina dia mikasika ny namahan’ny Mpamonjy ny fatoran’ny fahafatesana sy ny fijaliany ho an’ny fahotantsika. Nandritra ny toriteny nataony izay noraketina tao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nampianatra ireo fototra iorenana ireo i Almà. Nitondra ho antsika ny fanomezan-toky mazava indrindra avy amin’ny soratra masina ihany koa anefa izy fa ny Mpamonjy dia niaina ihany koa ny fanaintainana sy ny aretina ary ny rofin’ny olony.

Namariparitra io ampahan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy io toy izao i Almà: “Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany; ary izany dia ny mba hahatanteraka ny teny izay milaza fa hitondra eo Aminy ny fanaintainana sy ny aretin’ny olony Izy” (Almà 7:11; jereo koa ny 2 Nefia 9:21).

Eritrereto anie e! Nandritra ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia niaritra “fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany” Izy. Araka ny fanazavan’ny Filoha Boyd K. Packer dia: “Tsy nanan-trosa tokony haloa Izy. Tsy nanao ratsy Izy. Kanefa nozakainy daholo—ny fitambaramben’ny fahamelohana rehetra, ny fahoriana sy ny alahelo, ny fanaintainana sy ny fahafaham-baraka, ny fijaliana ara-tsaina, ara-pihetsehampo ary ara-batana rehetra izay fantatry ny olombelona.”1

Nahoana Izy no niaritra ireo fotoan-tsarotry ny fiainana “isan-karazany” ireo? Nanazava i Almà hoe: “Ary haka ny rofiny ho eo Aminy Izy mba hahatonga ny ao anatiny ho feno famindram-po araka ny nofo, mba hahafantarany araka ny nofo ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny” (Almà 7:12).

Ohatra, ny Apôstôly Paoly dia nilaza fa satria “nalaim-panahy ny [Mpamonjy] tamin’ny fahoriana nentiny dia mahavonjy izay nalaim-panahy koa Izy” (Hebreo 2:18). Tahaka izany koa, ny Filoha James E. Faust dia nampianatra fa: “Satria ny Mpamonjy dia efa niaritra ny zava-drehetra izay mety ho tsapantsika na iainantsika dia afaka manampy ny osa mba hatanjaka Izy.”2

Ny Mpamonjintsika dia niaina sy niaritra ny fahafenoan’ny fotoan-tsarotry ny fiainana rehetra “araka ny nofo” mba hahafantarany “araka ny nofo” ny fomba “hanampiana [izay midika hoe hanamaivana na hamonjy] ny vahoakany arakaraka ny rofiny.” Noho izany dia mahafantatra ny fahasahiranantsika, ny alahelontsika, ny fakam-panahintsika ary ny fijaliantsika Izy, satria niaina izany rehetra izany tamim-tsitrapo ho fanatanterahana ny ampahany lehibe iray amin’ny Sorompanavotany. Koa satria nahavita izany Izy dia manome hery ho Azy mba hanampiana antsika ny Sorompanavotany—mba hanomezana antsika ny hery hahafahana maharitra ny zava-drehetra.

II.

Raha ny fampianaran’i Almà ao amin’ny toko fahafito no hany andalan-tsoratra masina tokana mazava indrindra ao amin’ny soratra masina rehetra momba an’io hery manan-danjan’ny Sorompanavotana io, dia ampianarina manerana ny soratra masina rehetra ihany koa izany.

Teo am-piandohan’ny asa fanompoany dia nanazava i Jesoa fa voairaka “hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo” Izy (Lioka 4:18). Matetika ny Baiboly dia milaza amintsika ny nanasitranany ny olona “tamin’ny aretiny” (Lioka 5:15; 7:21). Voasoratra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny nanasitranany ireo “izay nijaly na manao ahoana na manao ahoana” (3 Nefia 17:9). Ny Filazantsaran’i Matio dia manazava fa nanasitrana ny vahoaka i Jesoa “mba hahatanteraka izay nampilazaina an’ i Isaia mpaminany hoe: Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika” (Matio 8:17).

Nampianatra i Isaia fa ny Mesia dia hitondra ny “aretintsika” sy ny “fahoriantsika” (Isaia 53:4). Nampianatra mikasika ny fankaherezany antsika ihany koa i Isaia: “Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana; fa Izaho no Andriamanitrao; Mampahery anao Aho sady mamonjy anao” (Isaia 41:10).

Ny hirantsika dia manao hoe:

Aza kivy na matahotra ianao,

‘Zaho Andriamanitra manampy anao.

‘Zaho hampahatanjaka sy hampitraka.

Hijoro ianao, eo anatrehako.3

Raha niresaka momba ny sasantsasany tamin’ireo fotoan-tsarotry ny fiainany manokana ny Apôstôly Paoly dia nanoratra izy hoe: “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’ Ilay mampahery ahy” (Filipiana 4:13).

Koa mahita isika fa noho ny Sorompanavotany dia manana hery mba hamonjena—mba hanampiana—ny fanaintainana sy fahoriana ara-batana tsirairay ny Mpamonjy. Indraindray ny heriny dia manasitrana rofy iray, fa ny soratra masina sy ny traikefantsika anefa dia mampianatra fa indraindray dia mamonjy na manampy amin’ny fanomezana hery na faharetana mba hahafahantsika maharitra ny rofintsika Izy.4

III.

Inona avy ireo fanaintainana sy fahoriana ary rofy izay niaretan’ny Mpamonjintsika sy nijaliany?

Vehivavy iray iharan’ny fanaintaina

Miaritra fanaintainana sy fahoriana avokoa isika rehetra na ho ela na ho haingana. Ankoatra ny zavatra iainantsika noho ny fahotantsika dia ahitana fahasahiranana sy alahelo ary fijaliana matetika ny fiainana an-tany.

Fitsidihana ny hôpitaly

Isika na ny olon-tiantsika dia mijaly noho ny aretina. Ny tsirairay avy amintsika, na ho ela na ho haingana dia hiaina ihany koa fanaintainana avy amin’ny ratra izay namela takaitra na avy amin’ny olana ara-batana na ara-tsaina hafa. Isika rehetra dia mijaly na malahelo rehefa nodimandry ny olon-tiana iray. Isika rehetra dia mahatsapa tsy fahalavorariana manoloana ireo andraikintsika manokana, ny fifandraisantsika amin’ny fianakaviantsika na ny asa aman-draharahantsika.

Ray aman-dreny mitaintaina

Rehefa mandà ny zavatra fantatsika fa marina sy mivily amin’ny lalan’ny fahamarinana ny vady na ny zanaka dia miaritra fanaintainana manokana manahiran-tsaina isika, tahaka ny rain’ilay zanaka adala tao amin’ny fanoharana tsy hay hadinoina nataon’i Jesoa (jereo ny Lioka 15:11–32).

Hoy ny mpanao Salamo hoe: “Maro ny fahorian’ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin’izany rehetra izany” (Salamo 34:19).

Ny hirantsika iray dia milaza izao fanomezan-toky tena marina izao: “Tsy misy alahelo eto an-tany tsy hain’ny lanitra sitranina.”5 Ny Mpamonjintsika sy ny Sorompanavotany no manasitrana antsika.

Zatovo maneho fanilikilihana

Ny fahatsapana tena manindrona manokana ny zatovolahy na ny zatovovavy dia ny tsy fanekena azy ireo, rehefa toa miara-mifandray sy miara-mientana amim-pifaliana ny tanora tahaka azy ireo nefa manao fanahy iniana manilika azy ireo. Ny hevitra mibahana mialoha ao an-tsaina noho ny firazanana na ny fiaviana dia miteraka tsy fanekena hafa izay mitondra fanaintainana ho an’ny tanora sy ny olon-dehibe. Ahitana fotoan-tsarotra maro hafa koa ny fiainana, tahaka ny tsy fananan’asa na ny tsy fahatanterahan’ireo drafitra nataontsika.

Ray miaraka amin’ny zanakalahy manana fahasembanana

Mbola miresaka momba ny rofy izay tsy nateraky ny fahotantsika ihany aho. Ny olona sasany dia manana fahasembanana ara-batana na ara-tsaina hatrany am-piterahana izay mahatonga fijaliana ho azy ireo ary fahasahiranana ho an’ireo izay tia sy mikarakara azy ireo. Ho an’ny olona maro dia manaintaina na mitondra kilema maharitra ny rofin’ny fahaketrahana. Ny fahoriana manaintaina iray hafa dia ny maha-irery. Ireo izay mijaly noho io toe-javatra io dia tokony hahatsiaro fa ny Mpamonjintsika ihany koa dia efa niaina io karazana fanaintainana io ary amin’ny alalan’ny Sorompanavotany dia manolotra hery mba hizakana izany Izy.

Vitsy ny fahalemena izay manimba ny fiainantsika ara-nofo sy ara-panahy mihoatra ny fiankinan-doha. Ny sasany amin’izy ireny, toy ny fiankinan-doha amin’ny pôrnôgrafia na amin’ny zava-mahadomelina dia tena mety nateraky ny fitondrantena mpanota. Na dia efa nibebahana aza izany fitondrantena izany dia mety mbola hitoetra ilay fiankinan-doha. Io famikirana mitarika fahalemena io ihany koa dia afaka sitranin’ny tanjaka tsy mitolefika misy noho ny amin’ny Mpamonjy. Tahaka izany ihany koa ireo fotoan-tsarotra mahatsiravina niainan’ireo izay nalefa am-ponja noho ny heloka bevava nataony. Mijoro ho vavolombelona ny amin’ny hery afaka tonga amin’ny olona izay ao anatin’izany toe-javatra izany ny taratasy iray nosoratana vao tsy ela: “Fantatro fa mandeha ao amin’ireo lalantsara ireo ny Mpamonjintsika, ary matetika ny tenako dia mahatsapa fa ny fitiavan’i Kristy dia ao anatin’ireo rindrin’ny tranomaizina ireo.”6

Lehilahy iray ao am-ponja

Tiako ny fijoroana ho vavolombelon’ny poeta sy namantsika Emma Lou Thayne. Tamin’ny alalan’ny teny izay ampiasaintsika ho tononkira ankehitriny dia nanoratra izy hoe:

Inona no loharanom-piadanana?

Aiza no fampiononana

Rehefa tsy azo ianteherana ny any an-kafa?

Rehefa malahelo ny fo ary mitoetra ny hatezerana sy ny lolompo,

Dia mitokana aho,

ka mandinin-tena

Aiza, rehefa mitombo ny fanaintainako,

Aiza, rehefa ketraka aho,

Aiza, rehefa ilaiko ny mahafantatra, aiza no aleha?

Aiza ilay fitaomana mangina mampiadana ny fahoriako?

Iza, iza no afaka mahatakatra izany?

Izy, Ilay Mpamonjy irery ihany.7

Sarivongana Christus

IV.

Iza no afaka ampiana sy ankaherezina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy? Nampianatra i Almà fa ny Mpamonjy dia hitondra eo Aminy “ny fanaintainana sy ny aretin’ ny olony” ary “[hanampy] ny vahoakany” (Almà 7:11–12; nampiana fanamafisana). Iza no “olony” ao amin’io fampanantenana io? Ny olona mety maty rehetra ve—ireo rehetra izay miaina ny fitsanganana amin’ny maty amin’ny alalan’ny Sorompanavotana? Sa ireo mpanompo izay finidy noho ny ôrdônansy sy ny fanekempihavanana?

Ny teny hoe vahoaka dia manambara zavatra maro ao amin’ny soratra masina. Ny dikany mifanaraka indrindra amin’ilay fampianarana fa ny Mpamonjy dia hanampy “ny vahoakany” dia ilay nampiasan’i Almà rehefa nampianatra izy taty aoriana fa “Andriamanitra dia mahatsiaro ny vahoaka tsirairay, na aiza na aiza tany mety misy azy” (Almà 26:37). Izany koa no tian’ireo anjely ambara rehefa nampahafantatra ny nahaterahan’i Kristy zazakely izy ireo, ka nanao hoe: “Milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an’ny olona rehetra” (Lioka 2:10).

Satria niaina sorompanavotana nandritra ny fiainana an-tany ny Mpamonjy dia afaka mampionona, manasitrana sy mankahery ny lehilahy sy vehivavy rehetra n’aiza n’aiza Izy, fa mino aho anefa fa tsy hanao izany raha tsy ho an’ireo izay mitady Azy sy mangataka ny fanampiany Izy. Nampianatra ny Apôstôly Jakoba hoe: “Manetre tena eo anatrehan’ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy” (Jakoba 4:10). Mahafeno ny fepetra takiana mba hahazoana io fitahiana io isika rehefa mino Azy sy mivavaka mba hanampiany antsika.

An-tapitrisany ny olona matahotra an’ Andriamanitra izay mivavaka amin’ Andriamanitra mba hanandratana azy ireo hiala amin’ny fahoriany. Ny Mpamonjintsika dia nanambara fa “nidina ho ambanin’ny zava-drehetra” Izy (F&F 88:6). Nampianatra ny Loholona Neal A. Maxwell hoe: “Rehefa ‘nidina ho ambanin’ny zava-drehetra’ Izy, dia mahatakatra amin’ny antsakany sy andavany ary amin’ny fomba manokana ny fomba rehetra isan-karazany hijalian’ny olombelona.”8 Mety hilaza mihitsy aza isika fa rehefa nidina ho ambanin’ny zava-drehetra Izy dia Izy Tenany no mitoetra tsara indrindra mba hanandratra antsika sy hanome ny tanjaka ilaintsika mba hahafahantsika maharitra fahoriana. Ny hany mila ataontsika fotsiny dia ny mangataka.

Fianakaviana iray miaraka eo amin’ny latabatra

Nilaza ombieny ombieny tamin’ny alalan’ny fanambarana maoderina ny Tompo hoe: “Koa raha mangataka Amiko ianareo dia hahazo, raha mandondona ianareo dia hovohana” (ohatra, F&F 6:5; 11:5; jereo koa ny Matio 7:7). Marina tokoa fa, noho ny fitiavan’ Izy Ireo izay mahafaoka an’izao rehetra izao dia mahare sy mamaly araka ny tokony ho izy ny vavaka ataon’ireo rehetra izay mitady azy ireo amim-pinoana ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanany Malalany, Jesoa Kristy. Nanoratra ny Apôstôly Paoly hoe: “Izahay [dia] manantena an’ Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino” (1 Timoty 4:10).

Fantatro fa marina ireo zavatra ireo. Ny Sorompanavotan’ny Mpamonjintsika dia mitondra zavatra hafa ankoatra ny fanomezana toky antsika ny amin’ny tsy fahafatesana amin’ny alalan’ny fitsanganana amin’ny maty ho an’ny rehetra sy amin’ny fanomezana antsika fahafahana ho voadio amin’ny fahotana amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny batisa. Ny Sorompanavotany ihany koa no manome antsika fahafahana hiantso Azy, Izy izay niaritra ny rofintsika rehetra, mba hanasitranany antsika sy hanomezany antsika ny hery hizakana ireo enta-mavesatry ny fiainana an-tany. Mahafantatra ny fahoriantsika Izy ary afaka manampy antsika Izy. Tahaka ilay Samaritana tsara fanahy dia hamehy ny ferintsika Izy ary hikarakara antsika rehefa mahita antsika maratra eo an-tsisin-dalana (jereo ny Lioka 10:34). Ny hery manasitrana sy mankaherin’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany dia natokana ho antsika rehetra izay hangataka izany. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho ary mijoro ho vavolombelona ny amin’ny Mpamonjintsika, izay mahatonga izany rehetra izany ho azo tanterahina.

Indray andro any ireo enta-mavesatry ny fiainana rehetra dia ho foana ary tsy hisy intsony ny fanaintainana (jereo ny Apokalypsy 21:4). Mivavaka aho ny mba hahatakarantsika rehetra ny fanantenana sy ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjintsika: ny fahazoana antoka ny amin’ny tsy fahafatesana, ny fahafahana mandray ny fiainana mandrakizay, ary ny hery manohana izay azontsika raisina raha toa mangataka izany fotsiny ihany isika, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Boyd K. Packer, “Ilay sorona feno fitiavana sy masina nataon’ny Mpamonjy,” Liahona, apr. 2015, 38.

  2. James E. Faust, “The Atonement: Our Greatest Hope,” Liahona, jan. 2002, 22.

  3. “Fototra Mafy Orina,” Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, lah. 12, andininy 3.

  4. Jereo amin’ny ankapobeny ny, Jeffrey R. Holland, Christ and the New Covenant (1997), 223–34; David A. Bednar, “Ny Sorompanavotana sy ilay dia eto an-tany,” Liahona, apr. 2012; Bruce C. Hafen and Marie K. Hafen, “‘Fear Not, I Am with Thee’: The Redeeming, Strengthening, and Perfecting Blessings of Christ’s Atonement,” Religious Educator, boky 16, lah. 1, 2015, 11, indrindra indrindra ny 18–25; Tad R. Callister, The Infinite Atonement (2000), 206–10.

  5. “Vous qui souffrez, venez,” Cantiques, lah. 64, andininy 2.

  6. Avy tamin’ny taratasy nalefa ny taona 2014 tany amin’ny Eveka Bobby O. Hales, izay nanara-maso ny Henry Branch of the Central Utah Correctional Facility.

  7. “Où pourrais-je chercher?” Cantiques, lah. 129, andininy 1 sy 2.

  8. Neal A. Maxwell, “Applying the Atoning Blood of Christ,” Ensign, nôv. 1997, 23.