2010–2019
Mitodiha any Aminy dia hahazo valiny ianao
Oktobra 2015


10:28

Mitodiha any Aminy dia hahazo valiny ianao

Aoka ianareo ho mpankatò, tsarovy ireo fotoana izay nahatsapanareo ny Fanahy taloha, ary mangataha amim-pinoana. Hahazo valiny ianareo.

Fony aho mbola zatovolahy, dia niditra ho mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny ray aman-dreniko. Nahafantatra izahay fa nampianarin’ny misiônera izy ireo, saingy ny ray aman-dreniko ihany no nanaraka ny lesona nampianarin’ny misiônera.

Taorian’io vaovao tsy nampoizina io, dia nanomboka nihaino ireo misiônera ihany koa izaho sy ireo rahalahiko, ary nandray ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny tamim-pifaliana izy ireo. Na dia liana aza aho, dia tsy nanam-paniriana lalina ny hanova ny fiainako. Nekeko anefa ilay fanasana nomena ahy mba hivavaka raha hoe tenin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna sa tsia, saingy tsy nahazo valiny aho.

Mety hanontany ianareo hoe nahoana ny Ray any An-danitra no tsy namaly izany vavaka izany; nanontany tena mihitsy aho. Nanomboka teo dia fantatro hoe marina ilay fampanantenana nataon’i Môrônia. Tena mamaly ny vavaka ataontsika momba ny fahamarinan’ny filazantsara Andriamanitra, saingy mamaly izany Izy rehefa ao amintsika ny “[h]itsimpo” sy “omban’ny tena finiavana.”1 Tsy mamaly mba hampahafantatra izay mahaliana antsika fotsiny Izy.

Mety manana fanontaniana ianao momba ny zavatra iray eo amin’ny fiainanao. Mety misy olana iray izay tsy fantatrao loatra hoe ahoana no hamaliana izany. Anio aho dia te hizara hevitra vitsivitsy izay mety hanampy anao hahazo ny valiny na hanampy anao amin’ny fikatsahanao izany. Atomboka amin’ny fiovampo ho amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izany dingana izany.

Miankina amin’ny toetoetra sy ny fikasan’ny fontsika ny fandraisana ny fanambarana

Nieritreritra momba ny tantaran’olona maro tao amin’ny soratra masina aho. Raiso ohatra i Lamana sy i Lemoela. Tahaka an’i Nefia, izy ireo dia “nateraka ray aman-dreny tsongoin’olom-bolo” ary nampianarina azy ireo “[avokoa] ny fahalalan’ny rain[y].”2 Kanefa dia nimonomonona izy ireo satria olon’ny fahitana ny rainy. Araka ny fijeriny, dia tsy nitombina ny fanapahan-kevitra nataony, satria tsy nahafantatra ny zavatr’ Andriamanitra izy ireo, noho izany dia tsy nety nino izy ireo.3

Mahaliana ny mahita fa ny safidy nataon’izy ireo dia nanome fahafahana azy ireo hiaina toe-javatra mampiorina ny finoan’izy ireo raha saintsainina. Nilaozan’izy ireo ny tranony sy ny hareny. Nijaly izy ireo nandritra ny diany tany an-tany foana. Nony farany dia nanampy tamin’ny fanamboarana sambo izy ireo, ary nanaiky ny handeha ho any amin’ny tany tsy fantatra.

Niaina toe-javatra nitovy tamin’ireo i Nefia. Saingy nampiorina ny finoan’izy ireo ve ireo zavatra natao ireo? Nihanatanjaka ny finoan’i Nefia fa ny an’i Lamana sy i Lemoela kosa dia nitombo bebe kokoa ny fahakelezan’ny finoany sy ny fahatezerany. Izy mirahalahy ireo dia efa nahita sy nahare anjely mihitsy aza, saingy indrisy fa mbola nisalasala ihany izy ireo.4

Tsy mora amintsika rehetra ny fiainana ety an-tany. Apetraka ety an-tany isika mba hozahan-toetra sy hosedraina. Ny zavatra ataontsika eo anatrehan’ireo toe-javatra iainantsika eo amin’ny fiainana dia matetika hisy fiantraikany lehibe amin’ny fijoroantsika ho vavolombelona. Diniho ny sasany amin’ny fihetsik’i Lamana sy i Lemoela: Nimonomonona izy ireo rehefa nasain’ny rainy hanao zavatra sarotra.5 Nanandrana naka ireo takela-barahina izy ireo, kanefa rehefa tsy nahomby, dia nilavo lefona. Ny fihetsiny dia maneho hoe: “Efa nanandrana izahay, inona koa no mbola azonay atao?”6

Nisy fotoana mihitsy aza nalahelo noho ny tsy nety nataony izy ireo ka nangataka famelana.7 Nivavaka izy ireo ary navela ny helony. Kanefa dia voalaza ao amin’ny soratra masina fa niverina nimenomenona indray izy ireo taty aoriana ka tsy nety nivavaka. Nankany amin’i Nefia izy ireo ary nilaza fa “tsy mety azon[y] ny teny izay efa nolazain’ny rain[y].”8 Nanontany azy ireo i Nefia raha toa izy ireo efa “nanadina ny Tompo.”9 Jereo ny valintenin’izy ireo: “Tsy nanao izany izahay; satria tsy mampahafantatra anay ny zavatra toy izany ny Tompo.”10

Manome fahafahana antsika mba hahazo valiny ny fanohizana ny fankatoavana

Ny valinteny nomen’i Nefia ireo rahalahiny dia fitsipika manan-danja mba handraisantsika valiny tsy tapaka amin’ireo vavaka ataontsika:

“Nahoana ianareo no tsy mitandrina ny didin’ny Tompo? Nahoana no te ho faty ianareo noho ny hamafin’ny fonareo?

“Moa tsy tsaroanareo va ny zavatra izay efa nolazain’ny Tompo?—Raha tsy manamafy ny fonareo ianareo ary mangataka Amiko amin’ny finoana, sady matoky fa hahazo izany, no mazoto amin’ny fankatoavana ny didiko, dia hampahafantarina anareo marimarina tokoa ireo zavatra ireo.”11

Mahafantatra misiônera sasany nahavita ny asa fitoriana aho izay tsy azo lavina fa nanana traikefa ara-panahy, saingy ny tsy fahampian’ny fahazarana ara-panahy sasantsasany dia toa nahatonga azy ireo hanadino ny fotoana izay niresahan’ Andriamanitra taminy. Ho an’ireo misiônera nahavita ny asa fitoriana ireo sy ho antsika rehetra, raha toa ianareo efa “nahatsiaro ny hikalo ny hiran’ny fitiavana manavotra, dia hanontany aho, tsapanareo ve izany ankehitriny?”12 Raha tsy mahatsapa izany ianareo ankehitriny, dia afaka hahatsapa izany indray ianareo, fa diniho ny torohevitr’i Nefia. Aoka ianareo ho mpankatò, tsarovy ireo fotoana izay nahatsapanareo ny Fanahy taloha, ary mangataha amim-pinoana. Hahazo valiny ianareo, ary ho tsapanareo ny fitiavana sy ny fiadanan’ny Mpamonjy. Mety tsy ho vetivety izany ary mety tsy ho araka izay fitrangany nirianao, saingy ho avy ilay valiny. Aza milavo lefona! Aza milavo lefona mihitsy!

Ndeha ampitahaintsika amin’ireo zanakalahin’i Môsià i Lamana sy i Lemoela. Ireo andian’olona roa ireo dia samy nobeazina tao amin’ny fianakaviana marin-toetra, kanefa dia samy nania. Samy nantsoin’ny anjely mba hibebaka izy ireo, saingy inona no niavaka tamin’ny zavatra niainan’ireo zanakalahin’i Môsià?

Hampiorina ny finoantsika ny fitsapana

Tsy hay hadinoana ny fahombiazan’izy ireo tamin’ny asa fitoriana nataony. An’arivony no niova fo ho amin’ny fomban’ny Tompo. Na izany aza, indraindray isika dia manadino fa tamin’izy ireo nanomboka ny asa fitoriany dia “kivy ny fo[ny] ary efa saika hiverina ilalana [izy ireo], [kanefa] nampahery [azy ireo] ny Tompo.” Nanoro hevitra azy ireo ny Tompo mba “[hizaka] amim-paharetana ny fahoria[ny].”13

Milaza amintsika ny sitrapon’ Andriamanitra ny fandalinana ny soratra masina

Nahoana ireo fitsapana nanjo ny zanakalahin’i Môsià no nampahatanjaka ny finoany sy ny fanolorantenany fa tsy nahatonga azy ireo himonomonona na hisalasala na hitaraina? Ny fanalahidy dia hoe “efa nihanahery tamin’ny fahalalana ny marina izy ireo; fa izy ireo dia olon’ny fahalalana tsy misy tomika ary efa nodinihiny tamim-pahazotoana tokoa ny soratra masina hahazoany mahalala ny tenin’ Andriamanitra.”14 Izany dia sombim-pahamarinana manan-danja izay hitondra hery lehibe ho antsika. Hiatrika fitsapana sy hanana fanontaniana isika rehetra, kanefa tsarovy fa isika dia tokony “[h]ihazona mafy [hatrany] ny anja-by.”15 “Hilaza [amintsika] ny zava-drehetra tokony hataon[tsika] ny tenin’i Kristy.”16 Tokony hampidirintsika ao amin’ny fiainantsika andavanandro ny fandalinana ny soratra masina, satria izany no hanokatra varavarana ho an’ny fanambarana.

Ny vavaka ampiarahana amin’ny fifadian-kanina dia manasa ny fanambarana

Ho an’ireo zanakalahin’i Môsià dia “tsy izay ihany; efa nanoka-tena ho amin’ny fivavahana fatratra sy ny fifadian-kanina izy ireo; noho izany dia nananany ny fanahin’ny faminaniana, sy ny fanahin’ny fanambarana.”17 Ny vavaka sy ny fifadian-kanina dia hahatonga antsika ho mora handray ireo bitsika ara-panahy. Ny fifandraisana amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny tsy fihinanana sakafo sy fisotroana zava-pisotro ho amin’ny tanjona iray, dia mamela antsika “hamaha ny famatoran’ny faharatsiana sy hanaboraka ny fehin’ny zioga.”18 Ny vavaka, ampiarahana amin’ny fifadian-kanina no hahatonga ny hoe rehefa “[m]iantso [isika], … [dia] Jehovah hamaly; … [ary rehefa] manandratra ny feo[ntsika isika], … [dia] Izy hanao hoe: Inty Aho.”19

Mitodiha any Aminy

Ireo fahazarana ara-panahin’ny tena manokana ireo—fankatoavana, fandalinana ny soratra masina, vavaka, ary fifadian-kanina—dia nampahatanjaka ireo zanakalahin’i Môsià. Ny tsy fahampian’ireo fahazarana ara-panahin’ny tena manokana ireo dia antony lehibe izay nahatonga an’i Lamana sy i Lemoela ho mora handairan’ny fakam-panahy himonomonona sy hisalasala.

Raha toa ianao efa nalaim-panahy himonomonona, raha toa ianao efa nanana fisalasalana izay mitondra ho amin’ny tsy finoana, raha toa ireo fitsapana toa mihoatra noho izay zakanao, mitodiha any Aminy. Raha toa ianao efa nania, na nanamarina ny fitondran-tenanao, na namela ny fisalasalana hanalavitra anao amin’ny fahamarinana, mitodiha any Aminy. Tsaroanao ve Izy “nilaza … tamin’ny sainao? Inona no vavolombelona lehibe kokoa mety ho azonao noho izay avy amin’ Andriamanitra?”20 Manontania tena hoe: “Moa ve amin’izao fotoana izao ny fomba iainako efa manakaiky ilay fomba niainan’i Kristy tahaka ny niainako taloha?” Miangavy aho, mitodiha any Aminy.

Ndeha aho hiverina amin’ilay tantarako manokana. Tamin’ny farany, dia nanomboka nahitsy fo sy saina aho. Tsaroako rehefa nanontany ahy ilay misiônera nampianatra ahy raha vonona ny hatao batisa ve aho, dia namaly aho hoe mbola manana ahiahy vitsivitsy aho. Niteny tamiko io misiônera hendry io hoe afaka mamaly ireo fanontaniako izy saingy mila mamaly ny fanontaniany aloha aho. Nanontaniany aho raha marina ny Bokin’i Môrmôna ary raha mpaminany i Joseph Smith. Nolazaiko izy hoe tsy fantatro, kanefa te hahafantatra aho.

Nampitombo ny finoako ireo fanontaniako. Tsy indray mandeha tonga ny valiny raha ho ahy fa nandeha tsikelikely. Tsikaritro fa rehefa nanao ny “fanandramana ny [teny]” aho ary nanomboka “[n]ampihatra sombiny amin’ny finoana,” dia lasa “fy amiko” ny Bokin’i Môrmôna ary “[n]anazava ny fahazavan-tsaiko [izany]” ary tena “mampivelatra ny fanahiko.” Tamin’ny farany aho dia niaina ilay zavatra faritan’ny soratra masina ho [m]androbona ao an-tratranareo.21 Tamin’izay fotoana izay no naniriako hatao batisa sy hanolotra ny fiainako ho an’i Jesoa Kristy.

Fantatro marina fa tenin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna. Fantatro fa mpaminany i Joseph Smith. Marina hoe mbola misy ihany zavatra tsy takatro, kanefa ny fijoroako ho vavolombelona momba ny fahamarinana dia mampanakaiky ahy bebe kokoa amin’ny Mpamonjy ary mampiorina ny finoako.

Ry rahalahy sy anabavy isany, tsarovy i Nefia sy ireo zanakalahin’i Môsià, izay nanana traikefa ara-panahy ka nandray andraikitra tamim-pinoana teo anatrehan’izany mba hahazoany valiny sy hitomboan’ny fahatokiany. Ampitahao amin’i Lamana sy i Lemoela izany, izay nisalasala sy nimonomonona. Na dia nanao zavatra tamim-pahamendrehana aza izy ireo indraindray, ny finoana tsy misy asa dia tsy vanona. Tokony hanana finoana arahina asa isika mba handraisantsika valiny.

Manantena aho hoe rehefa nihaino ianareo tamin’ity maraina ity dia narotsaky ny Fanahy tao an-tsainareo sy tao am-ponareo ny zavatra tokony hataonareo mba hahazoanareo ny valin’ny fanontanianareo na hahitanareo vahaolana nentanim-panahy ho an’ny olana izay atrehanareo. Mijoro ho vavolombelona amin’ny fomba lehibe aho fa i Jesoa no Kristy. Mitodiha any Aminy. Hamaly ny vavakareo Izy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.