Nahoana no ilaina ny Fiangonana
Tsy maha-fatiantoka ny maka fotoana handinihana hoe nahoana Izy no misafidy hampiasa fiangonana, ny Fiangonany, mba hanatanterahana ny asany sy ny asan’ny Rainy.
Ireo fihaonamben’ny Fiangonana dia trangan-javatra nampivoatra ara-panahy tokoa teo amin’ny fiainako, ary raha ny Fiangonana manokana dia toerana andraisana fijoroana ho vavolombelona momba ny Tompo. Mahatsapa aho fa misy ireo izay mihevitra ny tenany ho tia mivavaka na masina ara-panahy nefa mandà ny fandraisana anjara amin’ny fiangonana na mandà ny ilàna rafitra toy izany mihitsy aza. Ny fivavahana amin’izy ireo dia zavatra ataon’ny tena manokana fotsiny. Kanefa ny Fiangonana dia zavatra nohariany, Izy izay ifantohan’ny ara-panahintsika—dia i Jesoa Kristy. Tsy maha-fatiantoka ny maka fotoana handinihana hoe nahoana Izy no misafidy hampiasa fiangonana, ny Fiangonany, Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, mba hanatanterahana ny asany sy ny asan’ny Rainy dia “ny [hanatanteraka] ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona.”1
Notoriana nanomboka tamin’i Adama ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ary ireo ôrdônansin’ny famonjena izay tena ilaina, toy ny batisa, dia notanterahina tamin’ny alalan’ny lamim-pianakaviana mifototra amin’ny fisoronana.2 Rehefa nivelatra mihoatra ny fianakaviana akaiky fotsiny ny fiaraha-monina dia niantso mpaminany sy iraka ary mpampianatra hafa koa Andriamanitra. Tamin’ny andron’i Mosesy isika dia mahita rafitra ôfisialy kokoa toy ny loholona sy mpisorona ary mpitsara. Ao amin’ny tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna i Almà dia nanangana fiangonana iray izay misy mpisorona sy mpampianatra.
Avy eo, tamin’ny mitataovovonan’ny fotoana, dia nandamina ny asany i Jesoa Kristy tamin’ny fomba izay ahafahan’ny filazantsara hiara-voaorina eo amin’ny firenena maro sy anivon’ny olona samihafa. Io Fiangonan’i Jesoa Kristy io dia naorina teo ambonin’ny “Apostoly sy ny mpaminany, ary i Kristy Jesoa no fehizoro indrindra.”3 Ahitana mpiandraikitra fanampiny toy ireo fitopololahy, loholona, eveka, mpisorona, mpampianatra ary diakona izany. Nanangana Fiangonana nitovy tamin’izany i Jesoa tany amin’ny Ilam-bolantany Andrefana taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty.
Taorian’ny fihemorana ara-panahy sy ny fisaratsarahana nisy tamin’io Fiangonana io natsangany io fony izy teto an-tany dia nanangana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy indray ny Tompo tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith. Mbola mijanona ilay tanjona taloha ny hitory ny vaovao tsaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny hanatanteraka ireo ôrdônansin’ny famonjena—izany hoe hitondra ny olona mankany amin’i Kristy.4 Ary ankehitriny, amin’ny alalan’ny fampiasana ny rafitra misy ao amin’io Fiangonana io dia mety ho azo ilay fampanantenana fanavotana na dia ho an’ny fanahin’ireo maty izay nahalala kely na tsy nahalala na inona na inona mikasika ny fahasoavan’ny Mpamonjy aza.
Ahoana no hanatanterahan’ny Fiangonany ireo tanjon’ny Tompo? Zava-dehibe ny mahafantatra fa ny tanjon’ Andriamanitra ambony indrindra dia ny fivoarantsika. Ny faniriany dia ny hanohizantsika “ny fahasoavana [miampy] fahasoavana ambara-pandraisa[ntsika] ny [fahafenoan’]”5 izay rehetra azony omena. Izany dia mitaky mihoatra ny hoe tsara fanahy sy mahatsapa tena ho masina ara-panahy fotsiny. Mitaky finoana an’i Jesoa Kristy, fibebahana, batisan’ny rano sy ny Fanahy ary faharetana am-pinoana hatramin’ny farany izany.6 Tsy misy olona afaka hahatanteraka izany ao anatin’ny fijanonana irery ka ny antony lehibe nananganan’ny Tompo Fiangonana dia ny hamoronana fikambanan’ Olomasina izay hifanohana ao amin’ilay “lalana ety sy tery izay mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay.”7
“Ary [i Kristy] no nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra,
“… Ho amin’ ny asan’ ny fanompoana amin’ ny fiangonana, ho amin’ ny fampandrosoana ny tenan’ i Kristy,
“Mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ ny firaisan’ ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’ Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben’ ny fahafenoan’ i Kristy.”8
I Jesoa Kristy no “tompony sy mpanefa ny [finoantsika].”9 Ny fampiraisana ny tenantsika amin’ny tenan’i Kristy—ny Fiangonana—dia ampahany manan-danja amin’ny fitondrana ny anarany.10 Lazaina amintsika fa ny Fiangonana taloha “dia nihaona miaraka matetika mba hifady hanina sy hivavaka ary hifampiresaka amin’izy samy izy ny momba ny fiadanan’ny fanahiny”11 “sy handre ny tenin’ny Tompo.”12 Toy izany koa ny ao amin’ny Fiangonana ankehitriny. Tafaray ao amin’ny finoana, isika dia mampianatra sy mifampatanjaka ary miezaka ny hiaina ny fitsipika ambony indrindra amin’ny maha-mpianatra, “ny ohatry ny halehiben’ ny fahafenoan’ i Kristy.”13 Miezaka ny mifanampy isika tsirairay mba hanatonantsika ny Tompo, mandra-pahatongan’ny andro izay “[tsy hampianarana intsony] ny namana, … [ka hiteny hoe], Mahalalà an’i Jehovah: fa samy mahalala Ahy avokoa izy rehetra, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra, hoy Jehovah.”14
Ato am-piangonana isika dia tsy mianatra ny fotopampianarana masina fotsiny, fa miaina ny fampiharana izany. Amin’ny maha-tenan’i Kristy azy ireo, ny mpikamban’ny Fiangonana dia mifanompo amin’ny zava-misy eo amin’ny fiainana andavanandro. Tsy lavorary avokoa isika rehetra; mety hanao izay hahatafintohina ny hafa isika ary tafintohina koa. Indraindray dia mifampizaha toetra eo anatrehan’ireo fahazarana efa raiki-tampisaka amintsika isika. Ao amin’ny tenan’i Kristy dia tsy maintsy manao zavatra mihoatra ny fianarana ireo hevitra sy teny nasandratra isika ka hanana traikefa mivantana niainan’ny tena manokana rehefa mianatra “[miara-monina] amim-pitiavana.”15
Tsy amin’ny tena manokana ihany no ifantohan’io fivavahana io fa isika rehetra dia nantsoina mba hanompo. Isika no maso, tanana, loha, tongotra ary ireo rantsambatana hafa amin’ny vatan’i Kristy, fa na dia ireo rantsana “izay atao ho malemilemy kokoa noho ny sasany aza … dia tena ilaina.”16 Mila ireo antso ireo isika ary mila manompo.
Lehibe tao anatin’ny tsy fahazoana ny fanohanan’ireo ray aman-dreniny no sady tsy navelan’izy ireo hanao zavatra ao amin’ny Fiangonana koa ny lehilahy iray tao amin’ny paroasiko. Nanao izao fanamarihana izao izy tamin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo iray: “Tsy mety takatry ny raiko hoe nahoana no misy olona mandeha any am-piangonana kanefa afaka mandeha manao ski, saingy izaho dia tena tia tokoa mandeha any am-piangonana. Ato am-piangonana isika dia miray dia, ary entanim-panahy aho ao anatin’izany dia izany amin’ny alalan’ny tanora matanjaka sy ankizy madio ary amin’ny alalan’ny zavatra hitako sy ianarako avy amin’ireo olon-dehibe hafa. Mahazo tanjaka avy amin’izany fifandraisana izany aho ary mifaly amin’ilay fifaliana azo amin’ny fiainana ny filazantsara.”
Amin’izao ireo paroasy sy sampana dia manolotra fiaraha-mivory isan-kerinandro izay hialana sasatra sy hanavaozana, fotoana iray sy toerana iray hialana an’izao tontolo izao—ny Sabata. Andro iray izay “[hiravoravoanao] amin’ i Jehovah,”17 mba hiaina ilay fanasitranana ara-panahy avy amin’ny fanasan’ny Tompo sy mba handray ilay fampanantenana nohavaozina hoe ny Fanahiny hiaraka amintsika.18
Iray amin’ireo fitahiana lehibe indrindra amin’ny maha-isan’ny tenan’i Kristy antsika, na dia tsy hita ho toy ny fitahiana aza izany amin’izao fotoana izao, dia ny fahafahana ho voahitsy amin’ny fahotana sy ny fahadisoana. Mora manala tsiny sy manamarina ny fahadisoantsika isika, ary indraindray isika dia tsy mahafantatra fotsiny tsotra izao hoe aiza no tokony ho hatsaraintsika na hoe ahoana no hanaovana izany. Raha tsy misy an’ireo izay afaka manitsy antsika “eo no ho eo amin’ny fomba henjana rehefa entanin’ny Fanahy Masina,”19 dia mety tsy hanana ny herim-po hiova sy hanaraka tsara kokoa ny Mpampianatra isika. Ny fibebahana dia ho an’ny tsirairay, saingy ny fanohanana amin’ny fiatrehana izany lalana izay matetika maharary izany dia an’ny Fiangonana.20
Amin’ity resaka momba ny Fiangonana izay oharina amin’ny tenan’i Kristy ity isika dia tsy maintsy mahatsiaro zavatra roa ao an-tsaina. Voalohany, tsy miezaka ny hiova fo amin’ny Fiangonana isika fa amin’i Kristy sy ny filazantsarany, fiovampo izay hamorain’ny Fiangonana.21 Ny Bokin’i Môrmôna dia manazava izany tsara rehefa milaza fa ny olona dia “niova fo ho an’ny Tompo sy tafatambatra tamin’ny fiangonan’i Kristy.”22 Faharoa, tsy maintsy mahatsiaro isika fa tany am-piandohana, ny Fiangonana dia ny fianakaviana, ary na dia amin’ny maha-rafitra samy hafa azy aza ankehitriny, ny Fiangonana sy ny fianakaviana dia mifanompo sy mifampahery. Tsy misy afaka misolo ny iray na ny andaniny na ny ankilany, ary azo antoka fa ny Fiangonana, na dia amin’izay farany tsara vitany aza, dia tsy afaka misolo ny ray aman-dreny. Ny tanjon’ny fampianaran’ny filazantsara sy ireo ôrdônansin’ny fisoronana izay tanterahin’ny Fiangonana dia ny hoe afaka ny ho mendrika ny fiainana mandrakizay ny fianakaviana.
Misy antony lehibe iray faharoa mahatonga ny Mpamonjy miasa amin’ny alalan’ny Fiangonana, ny Fiangonany, ary izany dia ny hanatratra zavatra izay tsy ho vitan’olon-tokana na vondrona kely. Ohatra iray mazava amin’izany ny ady amin’ny fahantrana. Marina fa amin’ny maha olon-tokana na fianakaviana dia mikarakara ny filàna ara-batana ilain’ny hafa isika, “[mifampizara] ny ara-nofo sy ny ara-panahy araka izay [ilainy] sy [tadiaviny].”23 Fa rehefa miaraka ao amin’ny Fiangonana, dia mitombo ny fahafahana mikarakara ny mahantra sy ny sahirana mba hahafeno ny filàna lehibe kokoa, ary manantena fa ho tò tokoa ny fizakan-tena ho an’ny olona maro.24 Ankoatra izany, ny Fiangonana, ireo Fikambanana Ifanampiana sy kôlejin’ny loholona, dia manana fahafahana hanome fanampiana ho an’ny olona maro amin’ny toerana maro izay tratran’ny loza voajanahary sy ny ady ary ny fanenjehana.
Raha tsy ny fahafahan’ny Fiangonany voatsangana dia tsy ho tanteraka ilay iraka nampanaovin’ny Mpamonjy ny hitondra ny filazantsara manerana an’izao tontolo izao.25 Tsy ho misy ireo fanalahidy apôstôlika, ny rafitra, ny fitaovana ara-teknolojia, ireo fanampiana ara-bola ary ny fanolorantena sy ny fahafoizan-tenan’ireo misiônera an’alinaliny maro izay ilaina mba hanatanterahana ny asa. Tsarovy fa “ity Filazantsaran’ny Fanjakana ity dia [tsy maintsy] hotorina manerana izao tontolo izao, ho vavolombelona amin’ny firenen-drehetra, ary rehefa izany dia ho avy ny farany.”26
Ny Fiangonana dia afaka manorina sy mampiasa Tempoly, ny tranon’ny Tompo, izay toerana azo hanatanterahana ireo ôrdônansy sy ireo fanekempihavanana tena ilaina. Nilaza i Joseph Smith fa ny tanjon’ Andriamanitra amin’ny fanangonana ny vahoakany amin’ny sokajin-taona rehetra dia “ny hanangana trano ho an’ny Tompo izay ahafahany manambara amin’ny vahoakany ireo ôrdônansy atao any amin’ny tranony sy ireo voninahitry ny fanjakany, ary ny hampianatra amin’ny vahoaka ny lalana mankany amin’ny famonjena; fa misy ireo ôrdônansy sy fitsipika sasany izay, rehefa ampianarina sy ampiharina, dia tsy maintsy atao amin’ny toerana iray na trano naorina ho amin’izany tanjona izany.”27
Raha misy olona mino fa mitondra mankany an-danitra avokoa ny lalana rehetra na koa hoe tsy misy fepetra takiana manokana amin’ny fahazoana ny famonjena, dia tsy ho hitan’izany olona izany ny ilàna ny fitoriana ny filazantsara na ny ilàna ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana ho fanavotana na ny velona na ny maty. Fa isika dia tsy miresaka fotsiny momba ny tsy fahafatesana fa momba ny fiainana mandrakizay ihany koa, ary tena ilaina ny lalan’ny filazantsara sy ireo fanekempihavanan’ny filazantsara raha ho an’izany. Ary mila Fiangonana ny Mpamonjy mba hahatonga azy ireo ho azon’ny zanak’ Andriamanitra rehetra—na ny velona na ny maty.
Ny antony farany izay horesahiko fa nahatonga ny Tompo nanangana ny Fiangonany no tena miavaka indrindra—ny Fiangonana, araka izay rehetra izay, no fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany.
Teo am-pananganana Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tany amin’ny taona 1830 tany dia hoy ny Tompo tamin’ny Mpaminany Joseph Smith: “Asandrato ny fonareo ary mifalia, fa ianareo no nanomezana ny fanjakana, na amin’ny teny hafa, ny fanalahidin’ny fiangonana.”28 Ao anatin’ny fahefana avy amin’ireo fanalahidy ireo no hiarovan’ireo mpiandraikitra amin’ny fisoronana ato amin’ny Fiangonana ny fahadiovan’ny fotopampianaran’ny Mpamonjy sy ny fahamarinan’ireo ôrdônansin’ny famonjena.29 Izy ireo dia manampy ireo izay maniry ny handray azy ireny, mitsara ny fahafahana sy ny fahamendrehan’ireo izay mampihatra ary avy eo manatanteraka azy ireny.
Noho ireo fanalahidin’ny fanjakana, ireo mpanompon’ny Tompo dia afaka mahafantatra ny marina sy ny lainga, ka hiteny amim-pahefana indray hoe “Izao no lazain’ i [Tompo].” Mampalahelo anefa fa tezitra amin’ny Fiangonana ny sasany satria te hamaritra ny fahamarinany manokana izy ireo, kanefa raha ny tena marina dia fitahiana tsy manam-paharoa ny mahazo “fahalalana ny zavatra araka ny maha-izy azy, sy araka ny naha-izy azy ary araka ny haha-izy azy”30 raha toa ka mbola vonona ny hanambara izany ny Tompo.
Rehefa nandika ny nofin’i Nebokadnezara Mpanjakan’i Babylona i Daniela, nampahafantatra ny mpanjaka “izay ho tonga any am-parany,”31 dia nilaza izy fa “Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’ olon-kafa, fa ireo fanjakana [hafa] rehetra […] dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.”32 Ny Fiangonana izany fanjakana amin’ny andro farany voalazan’ny faminaniana izany, izay tsy noforonin’ny olona fa naorin’ Andriamanitra ka nikodiadia toy ny vato nendahana tamin’ny tendrombohitra nefa tsy nendahan-tanana ka nahafeno ny tany.33
Ny anjaran’izany Fiangonana izany dia ny hanangana an’i Ziona amin’ny fiomanana amin’ny fiverenana sy ny fanapahan’i Jesoa Kristy mandritra ny Arivotaona. Mialoha io andro io, dia tsy ho fanjakana amin’ny heviny ara-pôlitika velively izany—araka ny nolazain’ny Mpamonjy hoe: “Ny fanjakako tsy avy amin’ izao tontolo izao.”34 Fa kosa ao no misy ny fahefany eto an-tany, ny mpanatanteraka ireo fanekempihavanany masina, ny mpikirakira ireo tempoliny, ny mpiaro sy mpitory ny fahamarinany, ny toerana fiangonan’ny Isiraely izay miely patrana, ary “fiarovana sy … fialofana amin’ny tafio-drivotra sy amin’ny fisafoahana, rehefa haidina tsy misy fangarony amin’ny tany manontolo izany.”35
Faranako amin’ny fiangaviana sy vavaka nataon’ny Mpaminany:
“Antsoy ny Tompo mba handrosoan’ny fanjakany eto an-tany, mba hahazoan’ny mponina eo aminy mandray izany ary ho vonona ho amin’ny andro ho avy izay hidinan’ny Zanak’Olona mbamin’ny lanitra, mitafy ny famirapiratan’ny voninahiny ka hitsena ny fanjakana Andriamanitra, izay voaorina eto an-tany.
“Koa enga anie ka handroso ny fanjakan’ Andriamanitra, mba hahatongavan’ny fanjakan’ny lanitra, ka Ianao Andriamanitra ô dia homem-boninahitra any an-danitra tahaka ny etỳ an-tany, mba ho resy ny fahavalonao; fa anao ny haja, ny hery ary ny voninahitra, mandrakizay mandrakizay.”36
Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.