Tsy maintsy mitondra eo aminy ny anarana nomen’ny Ray azy ny rehetra
Manana hery miavaka sy manan-danja ny anaran’ny Mpamonjy. Izany ihany no anarana tokana izay mahatanteraka ny famonjena.
Herinandro vitsy lasa izay dia nandray anjara tamin’ny batisan’ny ankizy valo taona maromaro aho. Nanomboka nianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tamin’ny ray aman-dreniny sy ny mpampianatra azy izy ireo. Nanomboka nitombo ny voan’ny finoan’izy ireo Azy. Ary tamin’izay dia naniry ny hanaraka Azy tao amin’ny ranon’ny batisa izy ireo mba ho tonga mpikamban’ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny. Rehefa nijery ny fahamehany aho dia nanontany tena hoe hatraiza ny fahatakaran’izy ireo momba ny lafiny iray manan-danjan’ny fanekempihavanana ataon’izy ireo amin’ny batisa, dia ny fanolorantenan’izy ireo mba hitondra eo amin’izy ireo ny anaran’i Jesoa Kristy.
Hatrany am-piandohana Andriamanitra dia nanambara ny lanjan’ny anaran’i Jesoa Kristy ao amin’ny drafiny ho antsika. Nampianatra an’i Adama raintsika voalohany ny anjely iray hoe: “Koa hataonao amin’ ny anaran’ ny Zanaka izay rehetra ataonao, dia hibebaka ianao ary hiantso an’ Andriamanitra amin’ ny anaran’ ny Zanaka hatrizao.”1
Ny Mpanjaka Benjamina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nampianatra ny vahoakany hoe: “Tsy misy anarana hafa omena na lalan-kafa na fomba izay mety hahatongavan’ny famonjena.”2
Nohamafisin’ny Tompo tamin’ny Mpaminany Joseph Smith io fahamarinana io : “Indro, Jesoa Kristy no anarana izay omen’ ny Ray, ary tsy misy anarana hafa nomena izay ahafahana mamonjy ny olona”3
Amin’izao androntsika izao, ny Filoha Dallin H. Oaks dia nampianatra fa “ireo izay mampihatra finoana amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy … ary miditra ao amin’ny fanekempihavanany … dia afaka miantehitra amin’ny sorona fanavotan’i Jesoa Kristy.”4
Tian’ny Raintsika any An-danitra mba hazava tanteraka fa ny anaran’ny Zanany Lahy, Jesoa Kristy, dia tsy anarana iray eo anivon’ny maro fotsiny ihany. Manana hery miavaka sy manan-danja ny anaran’ny Mpamonjy. Izany ihany no anarana tokana izay mahatanteraka ny famonjena. Amin’ny fanamafisana io fahamarinana io isaky ny fotoam-pitantanana tsirairay, ny Raintsika be fitiavana dia manome toky ny zanany rehetra fa misy lalana miverina any Aminy. Kanefa ny fananana fomba azo antoka iray dia tsy midika fa azo antoka amin’izao ny fiverenantsika. Lazain’ Andriamanitra fa takina ny asantsika: “Koa ny olona rehetra dia tsy maintsy mitondra ilay anarana izay omen’ny Ray.”5
Mba hahazoana ny hery manavotra avy amin’ny anaran’i Jesoa Kristy irery ihany, isika dia tsy maintsy “manetry ny tenan[tsika] eo anoloan’ Andriamanitra … ka manatona amin’ny fo torotoro sy ny fanahy manenina …ary vonona ny hitondra ny anaran’i Jesoa Kristy dia mendrika, tahaka ireo namantsika valo taona ny “horaisina ao amin’ny fiangonany amin’ny alalan’ny batisa”6
Ireo rehetra izay maniry marina ny hitondra ny anaran’ny Mpamonjy eo amin’izy ireo dia tsy maintsy mendrika ny handray ary mandray ireo ôrdônansin’ny batisa ho vavolombelona ara-batana amin’ Andriamanitra momba ny fanapahan-kevitr’izy ireo.7 Kanefa vao fiantombohana fotsiny ihany ny batisa.
Tsy an’ny sehatra na iharana ny matoanteny hoe mitondra. Matoantenin’ny mpanao izy io ary misy famaritana betsaka.8 Torak’izany koa, mitaky asa ary misy lafiny marobe ny fanolorantenantsika hitondra ny anaran’i Jesoa Kristy eo amintsika.
Ohatra, anisan’ny dikan’ny teny hoe mitondra amin’ny teny anglisy ny hoe mandray na mampiditra ao anatin’ny vatana, toy ny misotro zava-pisotro iray. Amin’ny alalan’ny fitondrana ny anaran’i Kristy eo amintsika isika dia manolo-tena ny handray ireo fampianarany, ny toetrany, ary indrindra ny fitiavany, lalina ao anatintsika ka lasa ampahany amin’ny maha-izy antsika izy. Izany no maha-manan-danja ny fanasan’ny Filoha Russell M. Nelson an’ireo tanora mba “[hikatsaka] ombam-bavaka sy mavitrika ny hahatakatra ny dikan’ireo fiantsoana sy anaran’ [ny Mpamonjy] maro ho [azy ireo] manokana”9 izay manampy hevi-baovao sy lalina amin’ireo fampianarana mahery vaika avy amin’ny mpaminanintsika mikasika ny fivokisana amin’ny tenin’i Kristy ao anatin’ny soratra masina, indrindra ny Bokin’i Môrmôna.10
Ny hevitra hafan’ny teny hoe mitondra dia manaiky ny olona iray ho manana anjara asa manokana na mankamamy ny fahamarinan’ny hevitra na fitsipika iray. Rehefa mitondra ny anaran’i Kristy eo amintsika isika dia manaiky Azy ho Mpamonjintsika ary manohy mankamamy ireo fampianarany ho mpitarika antsika eo amin’ny fiainantsika. Amin’ny fanapahan-kevitra manan-danja tsirairay raisintsika dia afaka manaiky ny filazantsara ho marina isika ary miaina izany arahim-pankatoavana amin’ny fontsika rehetra, amin’ny herintsika rehetra sy ny saintsika rehetra ary ny tanjatsika rehetra.
Ny teny hoe mitondra dia mety hidika hoe mampifanandrify ny olona iray amin’ny anarana na tanjona iray. Maro amintsika no efa nanana traikefa amin’ny fandraisana andraikitra any am-piasana na fandraisana andraikitra amin’ny tanjona na hetsika iray. Rehefa mandray eo amin’ny tenantsika ny anaran’i Kristy isika dia mandray ireo andraikitry ny mpianatra marina isika, mandala ny tanjony isika, ary “hijoro ho vavolombelon[y] amin’ ny fotoana rehetra sy amin’ ny zava-drehetra ary amin’ ny toerana rehetra izay mety hisy [antsika].”11 Ny Filoha Nelson dia nanasa ny “zatovovavy tsirairay avy sy ny zatovolahy tsirairay avy mba hirotsaka ao amin’ilay tafiky ny tanoran’ny Tompo mba hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely.”12 Ary isika dia feno fankasitrahana mandray ilay antson’ny mpaminany mba hanambara ny anaran’ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny araka ny nambaran’ny Mpamonjy izy tenany mihitsy: Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.13
Eo amin’ny dingan’ny fandraisana ny anaran’ny Mpamonjy eo amintsika, dia tsy maintsy takatsika fa ny tanjon’i Kristy sy ny an’ny Fiangonana dia tokana sy mitovy ihany. Tsy azo sarahina ireo. Mitovy amin’izany koa, ny maha-mpianatry ny Mpamonjy antsika manokana sy ny maha-mpikambana mavitrika antsika ato amin’ny Fiangonany dia tsy azo sarahina ihany koa. Raha toa ka lavo amin’ny fanolorantenantsika amin’ny iray amin’ireo isika dia mihena ny fanolorantenantsika amin’ilay iray hafa, tahaka ny alina dimbiasin’ny andro.
Ny sasany dia miahotra ny handray ny anaran’i Jesoa Kristy sy ny tanjony satria raisin’izy ireo ho tsy dia mazava loatra, mamepetra, ary manakantsakana izany. Raha ny tena izy ny mitondra ny anaran’i Kristy eo amintsika dia sady manafaka no mampivelatra. Manaitra ny faniriana tsapantsika rehefa nanaiky ny drafitr’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny finoana ny Mpamonjy izany. Miaraka amin’io faniriana io velona ao am-pontsika, dia afaka mahita ny tena tanjon’ireo fanomezam-pahasoavana sy talenta nomen’ Andriamanitra antsika isika, sy miaina ny fitiavany manome hery, ary mivoatra ao amin’ny fikatsahantsika ny mahasoa ny hafa. Ary rehefa mitondra ny anaran’ny Mpamonjy eo amintsika isika, dia tena mihazona ireo zavatra tsara rehetra ary ho tonga toa Azy.14
Manan-danja ny mahatsiaro fa ny fandraisana ny anaran’ny Mpamonjy eo amintsika dia fanolorantena mifono fanekempihavanana, miantomboka amin’ny fanekempihavanana ataontsika amin’ny batisa. Nampianatra ny Filoha Nelson hoe: “Ny fanoloran[tsika] tena mba hanaraka ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fanaovana fanekempihavanana Aminy ary avy eo mitandrina ireo fanekempihavanana ireo dia hanokatra ny varavarana hahazoana ireo fitahiana ara-panahy rehetra sy ireo tombontsoa misy.”15 Anisan’ireo tombontsoa miavaky ny fitondrana ny anaran’ny Mpamonjy eo amintsika tamin’ny alalan’ny batisa ny famelan’izany hiditra ao amin’ny ôrdônansy manaraka ao amin’ny lalan’ny fanekempihavanana, dia ny fandraisana antsika ho mpikambana. Rehefa nanontaniako ny iray tamin’ireo namako valo taona ny dikan’ny hoe mitondra ny anaran’i Kristy aminy, dia namaly tsotra izy hoe: “Midika izany fa afaka manana ny Fanahy Masina aho.” Marina ny azy.
Ny fanomezana ny Fanahy Masina dia azo amin’ny alalan’ny fandraisana ho mpikambana rehefa avy nandray ny ôrdônansin’ny batisa isika. Io fanomezana io dia zo sy fahafahana mba hanana ny Fanahy Masina ho namana mandrakariva. Raha toa ka mihaino sy mankatò ny feony tony sy malefaka isika dia hampijanona antsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana izay nidirantsika tamin’ny alalan’ny batisa izy, hampitandrina antsika rehefa alaim-panahy hiala amin’izany isika, ary hankahery antsika hibebaka sy hanitsy raha ilaina. Ny fifantohantsika aorian’ny batisa dia ny hihazona ny Fanahy Masina hiaraka amintsika mandrakariva mba hahafahantsika manohy mandroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Rehefa mitandrina ny fiainantsika ho masina sy tsy misy fahotana ihany isika vao afaka miaraka amintsika ny Fanahy Masina.
Noho izany antony izany, ny Tompo dia nanome antsika fomba iray hanavaozana tsy tapaka ny fanadiovan’ny batisa nataontsika amin’ny alalan’ny ôrdônansy iray hafa: ny fanasan’ny Tompo. Isan-kerinandro isika dia “mijoro ho vavolombelona … fa vonona ny hitondra eo [amintsika] ny anaran’ny zana[ka]”16 rehefa manakatra sy mandray ireo tandindon’ny vatana sy ran’ny Tompo eo an-tanantsika isika, ny mofo sy rano, ka mandray izany ho ao amin’ny fanahintsika mihitsy. Ho setrin’izany, ny Mpamonjy dia manatanteraka ny fanadiovana antsika indray ka mahatonga antsika ho mendrika ny hanana ny fitaoman’ny Fanahy Masina tsy tapaka. Moa ve izany tsy porofon’ny famindram-po tsy manam-petra izay tsy hita raha tsy ao amin’ny anaran’i Jesoa Kristy ihany? Tahaka antsika izay mitondra ny anarany eo amintsika dia entiny eo Aminy ny fahotantsika sy ny alahelontsika, kanefa ny “sandrin’ny famindram-pony dia mitolotra”17 mba hisakambina antsika amin’ireo sandrim-pitiavany.18
Ny fanasan’ny Tompo dia fampahatsiahivana isan-kerinandro fa ny fitondrana ny anaran’i Jesoa Kristy eo amintsika dia fanolorantena velona sy mitohy, fa tsy zava-mitranga indray mandeha amin’ny andron’ny batisantsika fotsiny ihany.19 Afaka mankamamy tsy tapaka sy miverimberina “‘lay fanavotana tsy takatry ny olona, fa vidin’ny ota, ny ra sy ny nofony”20isika. Mbola mahagaga kely foana hoe isaky ny mahatakatra ireo fitahiana mahery vaika sy ara-panahy izay tonga avy amin’ny fitondrana ny anaran’i Kristy ny zanak’ Andriamanitra, dia fifaliana foana no tsapan’izy ireo ary ny hiditra ao amin’ny fanekempihavanana miaraka amin’ny Andriamanitr’izy ireo foana no faniriany.21
Rehefa manaraka io lalan’ny fanekempihavanana voatendrin’ Andriamanitra io isika, dia hanome tanjaka antsika “hi[tàna ny] anara[ny] ho voasoratra mandrakariva ao am-pon[tsika]”22 ny fanolorantenantsika sy ny ezaka ataontsika mba hitondra ny anaran’i Jesoa Kristy. Ho tia an’ Andriamanitra sy ireo namantsika isika ary hahatsapa faniriana hanompo azy ireny. Hitandrina ireo didiny isika ary hikiry ny ho hanakaiky Azy amin’ny alalan’ny fidirana ao anatin’ny fanekempihavanana fanampiny miaraka Aminy. Ary rehefa malemy isika ka tsy afaka manao asa araka ireo faniriana tsara ananantsika, dia hitalaho ilay tanjaka izay tonga amin’ny anarany ihany isika ary Izy dia ho avy hanampy antsika. Ary rehefa maharitra am-pahatokiana isika dia ho avy ny andro iray izay hahitantsika Azy sy hiarahantsika Aminy, dia ho hitantsika fa nanjary lasa toa Azy isika, ary mendrika ny hiverina eo anatrehan’ny Ray noho izany.
Fa azo antoka ilay fampanantenan’ny Mpamonjy hoe: ireo izay “mino ny anaran’ i Jesoa Kristy ary mitsaoka ny Ray amin’ ny anarany sy maharitra amin’ ny finoana ny anarany hatramin’ ny farany”23 dia hovonjena ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra. Mifaly miaraka aminareo aho natao tanteraka ireo fitahiana tsy manam-paharoa ireo amin’ny alalan’ny fiitondrantsika ny anaran’i Jesoa Kristy eo amintsika, izay ijoroako ho vavolombelona ny Aminy sy amin’ny anarany, amena.