Ôktôbra 2018 Fivoriana sabotsy maraina Fivoriana sabotsy maraina Russell M. NelsonLahateny fanokafanaNanambara ny Filoha Nelson fa fotoana izao mba hahatonga ny Fiangonana ho mpanome sehatra ny fiainana sy fianarana ireo zavatra ara-panahy any an-tokantrano, izay ho hita taratra amin’ny fandrindrana ny fikambanana entina hanamafy orina ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Quentin L. CookFiovam-po lalina sy maharitra ao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy TompoNanambara fanovana mikasika ny fandaharam-potoan’ny fivoriana isaky ny alahady sy ny fandaharam-pampianarana vaovao ny Loholona Cook, ka izy roa ireo dia samy natao mba hampitovian-danja ny fianarana ny filazantsara any an-tokantrano sy any am-piangonana. M. Joseph BroughAndrandrao ny lohanao ary miravoravoaMampianatra ny Rahalahy Brough fa afaka ny hahita fifaliana isika na dia miatrika zava-tsarotra rehefa miatrika zava-tsarotra amin’ny fomban’ny Tompo. Steven R. BangerterMametraka ny fototra iorenan’ny asa lehibe irayNy Loholona Bangerter dia mampianatra antsika ny fomba ametrahantsika ny fototry ny filazantsara ao amin’ny fianakaviantsika amin’ny alalan’ny fampianarana ireo zanatsika ny filazantsara sy ny fanorenana fombafomba mahazatra feno fahamarinana. Ronald A. RasbandAza matahotraMampahatsiahy antsika ny Loholona Rasband fa na dia miaina ao anaty fotoan-tsarotra aza isika, dia tsy mila matahotra isika raha toa ka manohy mifantoka amin’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy. David A. BednarHanangona ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i KristyNy Loholona Bednar dia mampianatra fa rehefa miaraka ampifandraisintsika ao amin’i Kristy ireo fitsipiky ny filazantsara sy ireo fomba fanao ao amin’ny filazantsara, dia mahazo fomba fijery araka ny tokony ho izy sy fitomboana eo amin’ny fahafahana mahavita zavatra ara-panahy. Dallin H. OaksNy fahamarinana sy ilay drafitraNampianatra ny Filoha Oaks fa isika dia tokony hikatsaka fahamarinana avy amin’ny loharano azo antoka sy mizara ny sasantsany amin’ireo fahamarinana izay manazava ny antony mahatonga ny Olomasin’ny Andro Farany hiaina toy ny iainantsika. Fivoriana Sabotsy Tolakandro Fivoriana Sabotsy Tolakandro Henry B. EyringFanohanana ireo Mpiandraikitra ao amin’ny FiangonanaNanolotra ny anaran’ireo Manampahefana Ambony mba hotohanana ny Filoha Henry B. Eyring. D. Todd ChristoffersonMafy orina sy mifototra ao amin’ny finoana an’i KristyMampianatra ny Loholona Christofferson fa afaka ny ho lasa mafy orina sy mifototra ao amin’ny finoana isika amin’ny alalan’ny fametrahana ny filazantsara ho zavatra fototra hifantohan’ny fiainantsika. Dean M. DaviesAndao hihaino ny feon’ny mpaminanyNy Eveka Dean M. Davies dia mampianatra momba ny anjara asan’ny mpaminany iray sy ireo singa manan-danja ao amin’ny fijoroana ho vavolombelona, ka tafiditra ao anatin’izany ny Bokin’i Môrmôna sy ny finoana an’i Jesoa Kristy. Ulisses SoaresIray ao amin’i KristyMampianatra ny fomba ahafahantsika mampahery sy manampy ary manohana tsara kokoa ireo mpikambana vaovao sy ireo liana amin’ny Fiangonana ny Loholona Soares. Gerrit W. GongAfon-dasin’ny finoantsikaNy Loholona Gong dia mampianatra momba ny famoronana sy ny finoana ary ny fanompoana ary ny fahafahan’ny ezaka ataontsika amin’ireo lafin-javatra ireo manatsara sy mankahery antsika. Paul B. PieperTsy maintsy mitondra eo aminy ny anarana nomen’ny Ray azy ny rehetraNampianatra ny dikan’ny hoe mitondra ny anaran’i Jesoa Kristy eo amintsika ny Loholona Pieper. Dieter F. UchtdorfMinoa, mitiava ary manaova asaNy Loholona Uchtdorf dia mampianatra fa ny Fiangonana dia toerana iray hivoarana, ary ny finoantsika an’ Andriamanitra sy ny fitiavantsika Azy sy ny hafa ary ny fankatoavantsika ao amin’izany toerana izany dia mampahafantatra antsika ny lanjan’ny fiainana sy mitondra fifaliana. Fivoriamben’ny vehivavy maneran-tany Fivoriamben’ny vehivavy maneran-tany Joy D. JonesHo AzyMampianatra ny fomba ahafahantsika manompo ny hafa amin’ny fitiavana sy fanompoana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny Rahavavy Jones. Michelle D. CraigTsy fahafaham-po araka an’ AndriamanitraMamporisika ireo rahavavy ny Rahavavy Graig mba handray an-tanandro ireo fahatsapana tsy fahafaham-po izay mitaona azy ireo hihatsara, izany hoe hanao asa amim-pinoana, hanao ny tsara, ary hiantehitra amin’i Jesoa Kristy. Cristina B. FrancoNy fifaliana entin’ny fanompoana tsy misy fitiavan-tenaMampianatra ny Rahavavy Franco fa tokony manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy eo amin’ny fanompoana sy fahafoizantena ary fitiavana isika. Henry B. EyringNy vehivavy sy ny fianarana ny filazantsara ao an-tokantranoNampianatra ny Filoha Eyring fa miandrandra ny Mpamonjy ho ohatra tonga lafatra ho antsika isika eo am-pilofosantsika mba hanamafy ny fianarana ny filazantsara ao an-tokan-tranontsika. Dallin H. OaksRay aman-dreny sy zanakaNy Filoha Oaks dia mamporisika ireo vehivavy mba hikarakara ireo zanak’ Andriamanitra manerana ny lalan’ny fanekempihavanana, ary nanoro hevitra ireo zatovovavy mba hametra ny fampiasana ny telefaonina finday sy ho tsara fanahy amin’ny hafa. Russell M. NelsonNy fandraisan’ireo rahavavy anjara amin’ny fanangonana an’i IsiraelyMijoro ho vavolombelona momba ny fitaoman’ireo vehivavy sy ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy ananan’izy ireo ny Filoha Nelson. Manasa azy ireo izy hampiasa ireo fanomezam-pahasoafana ananan’izy ireo mba hanampiana amin’ny fanangonana an’Isiraely. Fivoriana alahady maraina Fivoriana alahady maraina M. Russell BallardNy fahitana momba ny fanavotana ny matyNilazalaza ireo trangam-piainana teo amin’ny fiainan’i Joseph F. Smith izay nitarika ny fanambarana momba ny fanavotana ny maty nihatra izay hita ao amin’ny F&F 138 ny Filoha Ballard. Bonnie H. CordonLasa mpiandry ondryMampianatra ny Rahavavy Cordon fa ny fanompoana an’ireo ondrin’ny Tompo dia ahitana ny fahafantarana sy ny fanisana azy ireo, ary ny fiambenana azy ireo sy ny fanangonana azy ireo ho ao amin’ny valan’ Andriamanitra. Jeffrey R. HollandNy fanompoana fampihavananaNy Loholona Holland dia mamporisika antsika mba hamela sy hiara-hiasa amin’ny Mpamonjy amin’ny fitondrana fiadanana, mba hahafahantsika mihavana amin’ Andriamanitra sy amin’isika samy isika. Shayne M. BowenNy anjara asan’ny Bokin’i Môrmôna eo amin’ny fiovam-poNy Loholona Bowens dia mijoro ho vavolombelona mikasika ny herin’ny Bokin’i Môrmôna izay mitondra fiovam-po ary ny maha-fitaovana ahafahana manangona an’i Isiraely an’izany amin’ny andro farany. Neil L. AndersenMaratraMamporisika ireo izay mijaly noho ny ratra ara-batana sy ara-panahy ny Loholona Andersen mba hampitombo ny finoany an’i Jesoa Kristy sy hikatsaka ny heriny manasitrana. Russell M. NelsonNy anarana marin’ny FiangonanaMampianatra antsika ny Filoha Nelson mba hiantso ny Fiangonana amin’ny anarany marina, dia ny Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Fivoriana Alahady Tolakandro Fivoriana Alahady Tolakandro Henry B. EyringMiezaha, miezaha, miezahaMampianatra antsika ny Filoha Eyring fa hitrotro antsika ny Mpamonjy ao anatin’ny fahoriantsika ary hitondra ny anarany isika rehefa mivavaka mba hanana ny fitiavany sy mizara izany amin’ny hafa. Brian K. AshtonIlay RayNy Rahalahy Ashton dia nampianatra ireo fotopampianarana fototra momba ny Ray any An-danitra mba hanampiana antsika hahatakatra bebe kokoa ny tena toetrany marina ary hampihatra finoana Aminy sy amin’ny Zanany Lahy. Robert C. GayMitondra eo amintsika ny anaran’i Jesoa KristyMampianatra ny Loholona Gay fa isika dia afaka maka eo amintsika ny anaran’i Kristy amin’ny alalan’ny fieritreretana ny olona tahaka ny fieritreretany azy ireo, amin’ny alalan’ny fanompoana tahaka ny nanompoany, ary amin’ny alalan’ny fatokiana fa ampy ny fahasoavany. Matthew L. CarpenterTe ho sitrana va hianao?Mampianatra ny Loholona Carpenter fa afaka manasitrana antsika ara-batana sy ara-panahy ny Mpamonjy. Dale G. RenlundMisafidiana ianareo anioNy Loholona Renlund dia mampianatra fa ny fahasambarana mandrakizay dia ho tonga rehefa misafidy ny hanaraka ny drafitr’ Andriamanitra sy miara-miasa Aminy ao amin’ny asany isika. Jack N. GerardIzao no fotoanaMampianatra ny maha-zava-dehibe ny fisarahantsika amin’izao tontolo izao sy ny fandinihana ireo fahamarinan’ny filazantsara ny Loholona Gerard. Gary E. StevensonMitarika ireo fanahyNampianatra ny Loholona Stevenson fa manana andraikitra hanompo ny hafa isika, hitarika azy ireo ho any amin’ny tempoly ary indrindra indrindra amin’ny Mpamonjy. Russell M. NelsonLasa Olomasin’ny Andro Farany maodelyNanambara tempoly 12 vaovao ny Filoha Nelson. Namporisika antsika ihany koa izy mba handalina ireo hafatra nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ary hampihatra izany eo amin’ny fiainantsika.