Te ho sitrana va hianao?
Noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, raha misafidy ny hibebaka isika ary mampitodika tanteraka ny fontsika amin’ny Mpamonjy, dia hanasitrana antsika ara-panahy Izy.
Volana vitsivitsy tao anatin’ny asa fitoriany, dia teo am-pamitana ny fandalinan’izy ireo ny zanakay faralahy sy ny misiônera mpiara-manompo aminy no nahatsapa fanaintainana tsy tapaka tao amin’ny lohany ny zanakay lahy. Nahatsapa ho hafahafa be izy. Tamin’ny voalohany dia tsy voabaikony intsony ny tanany havia, dia donto be avy eo ny lelany. Nanomboka niroraka ny ila-tavany havia. Tsy afaka niteny tsara izy. Fantany fa nisy zavatra tsy nety tao. Ny zavatra tsy fantany dia tena tratran’ny fahatapahan’ny lalandrà tao amin’ny faritra telo tao amin’ny atidohany izy. Nanomboka natahotra izy rehefa nanomboka nalemy ny ampahany tamin’ny vatany. Ny hafainganan’ny fahazoan’ny olona tapaka lalandrà iray fitsaboana dia afaka hanana fiantraikany lehibe eo amin’ny halehibeazan’ny fahasitranany. Nanao zavatra haingana ilay misiônera mahatoky mpiara-mitory aminy. Rehefa avy niantso ny 911 izy dia nanome azy tsodrano. Tena fahagagana fa dimy minitra niala teo no nisy an’ilay fiara mpitondra marary.
Rehefa avy nentina haingana tany amin’ny hôpitaly ny zanakay dia nanombantombana haingana ny toe-javatra ireo mpitsabo ary nanapa-kevitra fa tokony hanome fanafody an’ilay zanakay izy ireo, izay mety ho afaka ny hanaisotra tsikelikely ny fahalemen’ny vatana naterak’ilay fahatapahan’ny lalandrà.1 Kanefa raha tsy tapaka lalandrà ilay zanakay, dia mety ho nisy fiantraikany ratsy be ilay fanafody, toy ny mandeha rà ao amin’ny atidoha. Tsy maintsy nisafidy ny zanakay. Nifidy ny hanaiky ilay fanafody izy. Raha nitaky fandidiana misimisy sy volana maromaro ny fahasitranana tanteraka, taty aoriana ilay zanakay dia nody ary nahavita ny asa fitoriany rehefa tafaverina tamin’ny laoniny ny ankabetsahan’ny vokan’ny fahatapahan’ny lalandràny.
Ny Raintsika any An-danitra dia mahefa ny zava-drehetra sy mahafantatra ny zava-drehetra. Fantany ny zava-manahirana antsika ara-batana. Fantany ny fanaintainantsika ara-batana noho ny faharariana, ny aretina, ny fahanterana, ny loza, na ny tsy fahatomombanana ara-batana hatrany am-bohoka. Fantany ny fisian’ireo tolona ara-pihetseham-po mifandray amin’ny tebiteby, ny fanirery, ny harerahan-tsaina amam-panahy, na ny aretin-tsaina. Fantany ny olona tsirairay izay efa niharan’ny tsy rariny na efa niharan’ny fanararaotana. Fantany ny fahalementsika sy ny fironana ary ny fakam-panahy manahirana antsika.
Tsapaina isika mandritra ny fiainana an-tany mba hijerena raha hisafidy ny tsara toy izay ny ratsy. Ireo izay mitandrina ny didiny dia hiara-hiaina Aminy “ao amin’ ny toetry ny fahasambarana tsy mifarana na oviana na oviana.”2 Mba hanampiana antsika amin’ny fivoarantsika ho tonga tahaka Azy, ny Ray any An-danitra dia nanome ny hery sy ny fahalalana rehetra ho an’i Jesoa Kristy Zanany. Tsy misy rofy ara-batana, ara-pihetseham-po, na ara-panahy tsy azon’i Kristy sitranina.3
Avy tamin’ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teto an-tany dia mitantara trangan-javatra mahagaga maro izay nampiasain’i Jesoa Kristy ny heriny masina mba hanasitranana ireo izay nijaly ara-batana ny soratra masina.
Ny Filazantsaran’i Jaona dia mitantara ny tantaran’ny lehilahy iray izay tratran’ny aretina nampalemy azy nandritra ny 38 taona.
“Raha nahita azy mandry Jesosy ka nahalala fa efa toy izany ela izy, dia hoy Izy taminy: Te ho sitrana va hianao?”
Namaly ilay lehilahy efa reraka fa tsy nisy olona nanodidina azy mba hanampy azy tamin’ny fotoana izay tena nilany fanampiana.
“Hoy Jesosy taminy: Mitsangàna, ento ny fandrianao, ka mandehana.
“Ary niaraka tamin’izay dia sitrana ralehilahy ka nitondra ny fandriany, dia lasa nandeha.”4
Mba saintsaino raha atao ny fampitahana ny halavan’ny fotoana nijalian’io lehilahy io samirery (38 taona) sy ny hafainganan’ny fitrangan’ilay fahasitranana raha vantany vao nirotsahan’ny Mpamonjy. Nitranga “teo no ho eo” ilay fahasitranana.
Ao anatin’ny toe-javatra iray hafa, dia nisy vehivavy iray nandeha ra nandritra ny 12 taona, izay “efa nandany [ny] fananany rehetra tamin’ny mpanao fanafody, … dia nankao ivohon’i Jesosy ravehivavy ka nanendry ny somotraviavin-dambany, ary niaraka tamin’izay dia [nijanona] ny aretiny. …
“Ary hoy Jesosy: Nisy olona nanendry Ahy: fa fantatro fa nisy hery nivoaka avy tamiko.
“Ary rehefa hitan-dravehivavy fa tsy takona Azy izy, … dia nanambara teo anatrehan’ny vahoaka rehetra izy … ny amin’ izay nahasitranany niaraka tamin’izay.”5
Nandritra ny asa fanompoany dia nampianatra i Kristy fa nanana hery tamin’ny vatana azo tsapain-tanana Izy. Tsy voafehintsika ny fotoana hitrangan’ny fanasitranan’i Kristy ny rofin’ny vatantsika. Mitranga araka ny sitrapony sy ny fahendreny ny fahasitranana. Ny olona sasany ao amin’ny soratra masina dia nijaly am-polo taonany, ary ny sasany dia nandritra ny androm-piainany. Ny rofintsika eto an-tany dia afaka manatsara antsika ary mampitombo ny fianteherantsika amin’ Andriamanitra. Fa rehefa avelantsika mandray anjara i Kristy dia hampatanjaka antsika ara-panahy mandrakariva Izy mba hahafahantsika manana hery bebe kokoa hizaka ny enta-mavesatsika.
Amin’ny farany dia fantatsika fa ny rofy, na ny aretina, na ny tsy fahatanterahan’ny vatana rehetra dia hositranina mandritra ny Fitsanganana amin’ny maty. Fanomezana ho an’ny olon-drehetra avy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izany.6
Afaka manasitrana zavatra hafa ankoatra ny vatantsika fotsiny i Jesoa Kristy. Afaka manasitrana ny fanahintsika koa Izy. Ianarantsika manerana ny soratra masina ny fomba nanampian’i Kristy an’ireo izay osa ara-panahy sy ny nanasitranany azy ireny.7 Rehefa misaintsaina ireny traikefa ireny isika dia mitombo ny fanantenantsika sy ny finoantsika ny herin’ny Mpamonjy mba hitahy ny fiainantsika. I Jesoa Kristy dia afaka manova ny fontsika, manasitrana antsika amin’ny vokatry ny tsy rariny na ny fanararaotana izay mety iainantsika, ary hampatanjaka ny fahafahantsika mizaka ny famoizan-javatra sy ny ratram-po, mitondra fiadanana ho antsika mba hanampiana antsika hiaritra ireo fitsapana eo amin’ny fiainantsika.
Afaka manasitrana antsika koa i Kristy rehefa manota isika. Manota isika rehefa minia mandika ny iray amin’ireo lalàn’ Andriamanitra.8 Rehefa manota isika dia lasa tsy madio ny fanahintsika. Tsy misy zavatra tsy madio afaka mitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra.9 “Ny tonga madio amin’ny fahotana dia [midika hoe] sitrana ara-panahy.”10
Fantatr’ Andriamanitra Ray fa hanota isika, kanefa nanomana fomba iray Izy mba hanavotana antsika. Nampianatra ny Loholona Lynn G. Robbins hoe: “Ny fibebahana dia tsy hoe drafitr[’ Andriamanitra] atao fiandry sao dia ho lavo isika. Ny fibebahana no drafiny, satria fantany fa hanao fahadisoana isika.”11 Rehefa manota isika dia manana fahafahana ny hisafidy ny tsara avy amin’ny ratsy. Misafidy ny tsara isika rehefa mibebaka rehefa avy nanota. Afaka ny ho avotra amin’ny fahotantsika sy entina miverina ho eo anatrehan’ Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy ny sorom-panavotany isika raha mibebaka. Tsy avy amin’ny Mpamonjy irery ny fanasitranana ara-panahy, mitaky ny hery manavotry ny Mpamonjy sy ny fibebahana amin-kitsim-po avy amin’ilay mpanota izany. Ireo izay misafidy ny tsy hibebaka, izy ireo dia mandà ny fanasitranana atolotr’i Kristy. Ho azy ireo dia toy ny tsy nisy fanavotana natao.12
Rehefa nifampiresaka tamin’ireo olona nikatsaka ny hibebaka aho, dia talanjona aho fa sahirana tamin’ny fandraisana fanapahan-kevitra tsara ny olona izay niaina tao anatin’ny fahotana. Namela azy ireo irery ny Fanahy Masina, ary matetika izy ireo no sahirana tamin’ny fanaovana safidy izay hitondra azy ireo hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra. Nitolona nandritra ny volana maro na taona maro mihitsy aza izy ireo, menatra na natahotra tamin’ny vokatry ny fahotan’izy ireo. Matetika izy ireo no nahatsapa fa tsy afaka ny hiova na ho voavela heloka intsony. Matetika aho no nandre azy ireo nizara ny tahony fa raha fantatr’ireo havan-tiany ny zavatra nataon’izy ireo, dia tsy ho tia azy ireo intsony ireo olona ireo na handao azy ireo. Rehefa nanaraka izany eritreritra izany izy ireo dia nanapa-kevitra ny hangina fotsiny ary nampihemotra ny fibebahany. Nanana fahatsapana diso izy ireo fa tsara kokoa ny tsy mibebaka aloha amin’izao mba tsy handratran’izy ireo bebe kokoa an’ireo olon-tian’izy ireo. Nieritreritra izy ireo fa mety kokoa ny mijaly aorian’izao fiainana izao toy izay hanao ny dingan’ny fibebahana dieny izao. Ry Rahalahy sy ranabavy, tsy hevitra tsara velively ny fampihemorana ny fibebahanareo. Matetika ny fahavalo no mampiasa tahotra mba hanakanana antsika tsy hampihatra avy hatrany ny finoantsika an’i Jesoa Kristy.
Rehefa mahafantatra ny fahamarinana momba ny fitondran-tena feno fahotana izay natao ireo havan-tiana, raha mety hoe hahatsapa ho voaratra lalina izy ireo, dia matetika izy ireo no te hanampy an’ilay mpanota tena mibebaka marina mba hiova sy hihavana amin’ Andriamanitra. Mazava ho azy fa tonga faingana ny fahasitranana ara-panahy rehefa mibaboka ilay mpanota ary hotronin’ireo olona tia azy ireo sy ampian’izy ireo mba hahafoy ny fahotany. Mba tsarovy fa mahery i Jesoa Kristy satria manasitrana ihany koa ireo tsy manan-tsiny niharam-boina noho ny fahotan’ny hafa izay mitodika Aminy Izy.13
Hoy ny Filoha Boyd K. Packer hoe: “Maratra ny fanahintsika rehefa manao fahadisoana sy manota isika. Saingy rehefa vita ny dingan’ny fibebahana dia tsy mba misy holatra tavela, toy ny amin’ny vatantsika, noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Ny fampanantenana dia hoe: ‘Indro, izay efa nibebaka tamin’ny fahotany, dia izy no voavela, ary Izaho Tompo dia tsy mahatsiaro izany intsony’ [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42].”14
Rehefa mibebaka “amin’ny fo feno finiavana,”15 isika dia “eo no ho eo no ahatanteraka amin[tsika] ny drafitra lehiben’ ny famonjena” eo amin’ny fiainantsika.16 Hanasitrana antsika ny Mpamonjy.
Nandray andraikitra haingana ilay misiônera mpiara-mitory sy ireo mpitsapo izay nanampy an’ilay zanakay lahy tratran’ny fahatapahan’ny lalandrà tany amin’ny sahan’ny misiôna. Nisafidy ny handray ilay fanafody manaisotra ny fiantraikan’ilay fahatapahana lalandrà ny zanakay lahy. Niova ho fahasitranana ilay fahalemena nateraky ny fahatapahan’ny lalandrany izay mety ho nisy fiantraikany taminy teny foana nandritra ny andro sisa niainany teto an-tany. Tahaka izany koa, arakaraka ny hibebahantsika haingana sy hitondrantsika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainantsika no maha-haingana ny fahafahantsika ho sitrana amin’ny vokatry ny fahotana.
Nanolotra izao fanasana izao ny Filoha Russell M. Nelson: “Raha niala teo amin’ilay lalana ianao, … dia manasa anao aho … mba hiverina. Na inona na inona olana, na inona na inona fanamby atrehanao dia misy toerana iray ho anao ato, ny Fiangonan’ny Tompo. Ianao sy ireo taranaka mbola tsy teraka dia ho voatahy amin’ny alalan’ny asa ataonao ankehitriny mba hiverina eo amin’ilay lalan’ny fanekempihavanana.”17
Ny fahasitranantsika ara-panahy dia mitaky ny hanoavantsika ireo fepetra izay nohazavain’ny Mpamonjy. Tsy tokony hangatak’andro isika! Tokony hanao asa isika androany! Mandraisa andraikitra dieny izao mba tsy hanakanan’ny fahalemena ara-panahy ny fivoaranao mandrakizay. Nandritra ny fotoana nitenenako, raha nahatsapa ianao fa mila mangataka famelan-keloka avy amin’ny olona iray nanaovanao ratsy dia manasa anao aho handray andraikitra. Lazao azy ireo ny zavatra izay nataonao. Mangataka famelana avy amin’izy ireo. Raha nanao fahotana izay misy fiantraikany amin’ny fahamendrehanao hiditra ny tempoly ianao, dia manasa anao aho mba hifampiresaka amin’ny evekanao—anio. Aza mangataka andro.
Ry rahalahiko sy ranabaviko, Andriamanitra no Raintsika any An-danitra be fitiavana. Nomeny an’i Jesoa Kristy Zanany Malalany ny hery sy ny fahalalana rehetra. Noho Izy, dia ho sitrana amin’ny rofin’ny vatana ny olona rehetra indray andro any rahatrizay. Noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, raha misafidy ny hibebaka isika ary mampitodika tanteraka ny fontsika amin’ny Mpamonjy, dia hanasitrana antsika ara-panahy Izy. Afaka manomboka eo no ho eo izany fahasitranana izany. Antsika ny safidy.. Ho sitrana ve isika?
Mijoro ho vavolombelona aho fa nefain’i Jesoa Kristy ny sarany mba hanasitranana antsika. Saingy tsy maintsy misafidy ny handray izany fanafody manasitrana atolony izany isika. Raiso anio izany. Aza mangataka andro. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.