2010–2019
Ny fifaliana entin’ny fanompoana tsy misy fitiavan-tena
Ôktôbra 2018


10:57

Ny fifaliana entin’ny fanompoana tsy misy tambiny

Nampanantena ny Raintsika any An-danitra isika fa hanompo Azy sy ny hafa am-pitiavana ary hanao ny sitrapony amin’ny zava-drehetra.

Taorian’ny fihaonambe farany teo dia maro no nametraka fanontaniana mitovy tamiko hoe: “Mba hahazoana aina ve ireny sezan’ny manam-pahefana ambony ireny?” Nitovy hatrany ny valin-teniko: “Tena hahazoana aina ireny rehefa tsy manana anjara fitenenana ianao.” Sa tsy marina izany? Tsy hahazoana aina ny sezako tamin’ity fihaonambe ity kanefa feno fankasitrahana tokoa aho ny amin’ny fitahiana sy voninahitra ny hiteny aminareo amin’ity takariva ity.

Indraindray rehefa manompo isika dia omena toerana samihafa. Ny sasany tena hahazoana aina ary ny sasany tsy hahazoana aina, saingy nampanantena ny Raintsika any An-danitra isika fa hanompo Azy sy ny hafa am-pitiavana ary hanao ny sitrapony amin’ny zava-drehetra.

Taona vitsy lasa izay dia nisy tanoran’ny Fiangonana iray nianatra fa “rehefa -mirotsaka amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra- ianao [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:2] dia mandray anjara amin’ilay dia lehibe indrindra. Manampy an’ Andriamanitra hanafaingana ny asany ianao, ary traikefa lehibe sy mahafaly ary mahatalanjona izany.”1 Dia iray misokatra ho an’ny rehetra tsy ankanava-taona izany ary dia iray koa izay mitondra antsika eo amin’ilay nantsoin’ny mpaminany malalantsika hoe “lalan’ny fanekempihavanana.”2

Indrisy anefa fa isika dia miaina eo amin’ny tontolo tia tena ahitana olona manontany lava hoe: “Inona no tombontsoako amin’izany?” raha tokony hanontany hoe: “Iza no azoko hampiana androany?” na: “Ahoana no hanompoako ny Tompo tsaratsara kokoa amin’ny antsoko?” na: “Manome ny avy amiko rehetra ho an’ny Tompo ve aho?”

Ny Rahavavy sy Rahalahy Antonietti
Victoria Antonietti

Ohatra iray lehibe amin’ny fanompoana tsy misy tambiny ny Rahavavy Victoria Antonietti. I Victoria dia iray amin’ireo mpampianatra ao amin’ny Kilonga tao amin’ny sampana izay naha-lehibe ahy tany Argentine. Isaky ny talata tolakandro mandritra ny fivorian’ny Kilonga dia itondrany mofomamy misy sokolà izahay. Tian’ny rehetra, ankoatra ahy, ilay mofomamy. Tsy tiako mihitsy ny mofomamy misy sokolà tamin’izany! Ary na dia miezaka ny nanome ahy amin’ilay mofomamy aza izy dia nolaviko hatrany.

Indray andro taorian’ny nizarany ny mofomamy misy sokolà tamin’ny ankizy hafa dia nanontaniako izy hoe: “Fa maninona ianao no tsy mitondra tsiro hafa toy ny voasary na lavanila?”

Rehefa avy nihomehy kely izy dia nanontaniany aho hoe: “Maninona angaha ianao raha manandrana silany kely? Vita tamin’ny laron-tsakafo miavaka ity mofomamy ity ary mampanantena anao aho fa ho tianao io raha andramanao!”

Nijery manodidina aho ary nahagaga ahy fa toa nankafy ilay mofomamy ny rehetra. Nanaiky ny hihinana silany kely aho. Fantatrao ve hoe inona no nitranga? Tiako ilay izy. Izay no fotoana voalohany indrindra nankafizako mofomamy misy sokolà.

Tsy nitranga izany raha tsy efa nahafantatra ny laron-tsakafo miafina tao amin’ny mofomamy misy sokolà an-drahavavy Antonietti aho. Izaho sy ireo zanako dia miara-mamangy ny reniko isan-kerinandro. Nankafy silaka mofomamy misy sokolà iray izaho sy ny reniko tamin’ny iray tamin’ireo fitsidihana ireo ka notantaraiko azy ny fotoana voalohany niantombohako ho tia ilay mofomamy. Avy eo izy dia nampahiratra ny saiko avy tamin’ny zavatra niainako.

“Cris!” hoy ny reniko, “Tokony ho takatrao fa sahirana ry Victoria mianakavy kanefa isan-kerinandro izy dia tsy maintsy nanao safidy handoa ny saran-dalany sy ny zanany efatra hanatrehana ny kilasin’ny Kilonga sa hividy laron-tsakafo hanaovana mofomamy misy sokolà ho an’ny Kilonga mpianany. Naleony foana nividy ireo laron-tsakafo hanaovana mofomamy misy sokolà toy izay handoa ny saran-dalana ka nandeha an-tongotra telo kilaometatra mandroso sy miverina izy sy ny zanany, na toy ny ahoana na toy ny ahoana ny toetrandro.”

Tamin’izay aho dia nankasitraka kokoa ny mofomamy misy sokolà namboariny. Nianatra mihoatra an’izany aho fa ny laron-tsakafo miafina tao amin’ny mofomamy misy sokolà an’i Victoria dia ny fitiavany ireo izay notompoiny ary ny fahafoizantenany tsy misy tambiny ho anay.

Ny fieritreretana momba ny mofomamy nataon’i Victoria dia mampatsiahy ahy fahafoizantena tsy misy tambiny tamin’ny lesona mandrakizay nampianarin’ny Tompo ny mpianany teny an-dalana ho any amin’ny toerana fitehirizam-bolan’ny tempoly. Efa fantatrareo ilay tantara. Nampianatra ny Loholona James E. Talmage fa nisy vata niisa 13 “ary tao amin’ny vata tsirairay ny olona no nandrotsaka ny anjara birikiny ho amin’ny tanjona [samihafa] voalazan’ny soratra eo amin’ireo boaty.” Nandinika ny filaharan’ireo mpanome izay nahitana karazan’olona rehetra i Jesoa. Ny sasany nanolotra ny fanatiny tamin’ny “fikasana marina” raha ny hafa kosa nandatsaka “volafotsy sy volamena be” manantena ny hisy hahita, hahatsikaritra sy hoderaina amin’ny fanatiny.

“Teo anivon’ny olona maro dia nisy mpitondratena malahelo, izay … vola madinika kely alimo roa izay fantatra amin’ny hoe farantsakely no nalatsany tao amin’ny fandatsahan-drakitra; tsy mihoatra ny ampahazaton’ny dolara amerikana iray ny fandraisan’anjarany. Niantso ireo mpianany hanatona Azy ny Tompo ka nampitodika azy ireo tany amin’ny fahantran’ilay mpitondratena sy ny hakelin’ny rakitra nataony ary nilaza hoe: -Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra. Fa ireo rehetra ireo, dia tamin’ny haben’ny fananany no nandatsahany tao; fa izy kosa, tamin’ny alahelony no nandatsahany tao izay rehetra nananany dia ny fivelomany rehetra- [Marka 12:43–44].”3

Ireo farantsa roan’ilay mpitondratena

Toa tsy nanana toerana lehibe teo amin’ny fiarahamonina tamin’ny fotoan’androny ilay mpitondratena. Raha ny marina izy dia nanana zavatra manan-danja kokoa: madio ny fikasany ary nanome izay rehetra azony nomena izy. Angamba mety ho kely sy tsy manaitra firy, ary samihafa noho ny an’ny hafa ny nomeny. Amin’ny sasany, ny zavatra nomeny dia tsy misy dikany kanefa tamin’ny Mpamonjy izay “mahay manavaka ny eritreritreritra sy ny fikasan’ny fo,”4 izy dia nanome izay nananany rehetra.

Ry rahavavy, manome manontolo ny Tompo izay rehetra ananantsika ve isika? Moa ve isika manome amin’ny fotoantsika sy mampiasa ny talentantsika mba hahafahan’ireo taranaka vao misondrontra mianatra mitia ny Tompo sy mitandrina ny didiny? Moa ve isika manompo am-pahavitrihana ireo manodidina antsika sy ireo izay nampiandraiketina mba hotompointsika ka mahafoy fotoana sy tanjaka izay mety azo nampiasaina tamin’ny zavatra hafa? Moa ve isika miaina ireo didy roa lehibe indrindra dia ny mitia an’ Andriamanitra sy mitia ireo zanany?5 Matetika izany fitiavana izany dia miseho amin’ny alalan’ny asa fanompoana.

Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks hoe: “Nanolo-tena tanteraka tamin’ny asa fanompoana ny Mpamonjy antsika. Nampianatra izy fa tokony hanaraka azy isika tsirairay amin’ny alalan’ny fandavantsika ny tenantsika mba tsy ho tia tena ka hanompo ny hafa.”

Notohizany hoe:

“Ohatra iray mahazatra amin’ny fandavana ny tena amin’ny fanompoana ny hafa … dia ny fahafoizantena ataon’ny ray aman-dreny izany ho an’ny zanany. Miaritra ny fijaliana noho ny fandavana ny laharam-pahamehany sy ny fiadanam-piainany ny reny. Ny ray kosa manamboatra ny fiainany mba hamelomana ny fianakaviana. …

“… Mifaly ihany koa isika amin’ireo izay mikarakara ny fianakaviany izay manana fahasembanana na manana ray aman-dreny efa be antitra. Tsy misy amin’ireo fanompoana ireo no azo anontaniana hoe: Inona no mety ho tombontsoako amin’izany? Izany rehetra izany dia atao tsy misy tambiny. …

“Izany rehetra izany dia mampiseho ilay fitsipika mandrakizay hoe faly sy afa-po isika rehefa manao asa sy manompo amin’ny alalan’ny zavatra omentsika fa tsy amin’ny alalan’ny zavatra azontsika.

“Manentana antsika ny Mpamonjy mba hanaraka Azy, tafiditra ao anatin’izany ny fahafoizantena izay ilaina amin’ny firotsahana amin’ny asa fanompoana tsy misy tambiny.”6

Nampianatra torak’izany koa ny Filoha Thomas S. Monson fa “angamba rehefa hifanatri-tava amin’ilay Mpahary antsika isika, dia tsy hanontaniana antsika ny hoe -Firy ny toerana nohazoninao?- fa ny hoe -Firy ny olona nampianao?- Raha ny tena marina, dia tsy afaka ny hitia ny Tompo na oviana na oviana ianao mandra-pahatonga anao hanompo Azy amin’ny alalan’ny fanompoana ny zanany.”7

Midika izany ry rahavavy fa tsy manan-danja ny fipetrahantsika amin’ireo seza hahazoana aina na ny tsy fahazoantsika aina mandritra ny fivoriana fa mipetraka eo ambonin’ny seza miforitra harafesina any amin’ny farany aoriana. Tsy hampaninona akory raha toa isika, noho ny fahaterena, ka mandao ny fivoriana mba hampionona zazakely iray mitomany. Ny zavatra hanan-danja dia ny fahatongavantsika omban’ny faniriana hanompo, ny fahitantsika ireo izay notompointsika sy ny fiarahabantsika azy ireny am-pifaliana, ary ny fampahafantarantsika ny tenantsika amin’ireo mipetraka mifanila amintsika ka manolotra finamanana na dia tsy voatendry hanompo azy ireo aza isika. Ary hanan-danja tokoa ny fanaovantsika ny zavatra ataontsika rehetra arahin’ny laro miavaky ny asa fanompoana ombam-pitiavana sy fahafoizantena.

Nanjary fantatro fa tsy voatery hanamboatra mofomamy vita amin’ny sokolà isika mba ho mpampianatra mahomby na be fanolorantena ao amin’ny Kilonga, satria tsy ilay mofomamy no zava-dehibe ao amin’ilay izy. Ilay fitiavana tao ambadik’ilay asa no tena zava-dehibe.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny fitiavana dia hamasinina amin’ny alalan’ny fahafoizantena, dia ny fahafoizantenan’ny mpampianatra iray ary hamasinina lavitra kokoa amin’ny alalan’ny fahafoizantena faratampony sy mandrakizay an’ilay Zanak’ Andriamanitra. Mijoro ho vavolombelona aho fa velona Izy. Tiako Izy ary maniry aho ny hanaisotra ireo faniriana feno fitiavan-tena mba hahafahako mitia sy manompo tahaka Azy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.