2010–2019
Ilay Ray
Ôktôbra 2018


Ilay Ray

Manana hery anaty isika tsirairay hahatongavana tahaka ny Ray. Mba hahafahana manao izany dia tsy maintsy mitsaoka ny Ray isika amin’ny anaran’ny Zanakalahy.

Nandritra ny androm-piainany manontolo i Melinda vadiko dia niezaka araka izay tratrany ny ho mpanara-dia mahatoky an’i Jesoa Kristy. Saingy nanomboka tamin’izy zatovo dia nahatsiaro ho tsy mendrika ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy ny fitahiany izy noho ny tsy fahatakarany ny toetoetrany. Soa ihany i Melinda fa nanohy nitandrina ny didy na dia teo aza ny alahelo izay tsapany. Taona vitsy lasa izay dia niaina zavatra maro izy izay nanampy azy hahatakatra kokoa ny toetoetran’ Andriamanitra, anisan’izany ny fitiavany ireo zanany sy ny fankasitrahany ny ezaka ataontsika, na dia tsy tonga lafatra aza, hanao ny asany.

Hazavainy ny fiantraikan’izany taminy manao hoe: “Azoko antoka ankehitriny fa mandaitra ny drafitry ny Ray, fa mirotsaka an-tsehatra manokana Izy eo amin’ny fahombiazantsika, ary manome antsika ireo lesona sy traikefa ilaintsika mba hahafahantsika miverina eo anatrehany. Mitovy kokoa amin’ny fijerin’ Andriamanitra antsika ny fijeriko ny tenako sy ny hafa. Afaka mitaiza sy mampianatra ary manompo amim-pitiavana kokoa aho ary tsy amin-tahotra kokoa. Mahatsapa fiadanana sy fahatokian-tena aho fa tsy tebiteby sy tsy filaminana. Tsy mahatsiaro ho tsaratsaraina aho fa mahatsiaro ho misy manohana. Miorina kokoa ny finoako. Matetika kokoa aho no mahatsapa ny fitiavany ary lalina kokoa ny fahatsapako izany.”1

Ny fananana “fahatakarana marina ny toetran’ny [Ray any An-danitra] sy ny fahatanterahany ary ny toetoetrany” dia manan-danja indrindra eo amin’ny fampiharana finoana ampy ahazoana ny fisandratana.2 Ny fahatakarana marina ny toetoetran’ny Ray any An-danitra dia afaka manova ny fomba fijerintsika ny tenantsika sy ny hafa ary manampy antsika hahatakatra ny fitiavana lehiben’ Andriamanitra ho an’ireo zanany sy ny faniriany mafy hanampy antsika ho tonga tahaka Azy. Ny fomba fijery tsy marina momba ny maha-Izy Azy dia mety hahatonga antsika hahatsiaro ho toy ny tsy hahavita mihitsy hiverina eo anatrehany.

Ny tanjoko anio dia ny hampianatra fotopampianarana manan-danja mikasika ny Ray izay ahafahantsika tsirairay, fa indrindra ireo izay manontany tena hoe tia azy ireo ve Andriamanitra, mahatakatra tsara kokoa ny tena toetoetrany marina ary mampihatra finoana lehibe kokoa Azy sy ny Zanany ary ny drafiny ho antsika.

Ny fiainana talohan’ny nahaterahana

Tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana isika dia fanahy nateraky ny Ray aman-dReny any An-danitra ary niaina niaraka tamin’izy ireo toy ny fianakaviana.3 Nahafantatra antsika Izy ireo, nampianatra antsika, ary nitia antsika.4 Naniry mafy isika ny hitovy amin’ny Raintsika any An-danitra isika. Saingy nahafantatra isika fa, mba hahafahana manao izany, dia tsy maintsy:

  1. Mahazo vatana nofo be voninahitra, sy tsy mety maty;5

  2. Manambady ary manorina fianakaviana amin’ny alalan’ny fahefana famehezan’ny fisoronana;6 ary

  3. Mahazo ny fahalalana sy ny hery ary ny toetra rehetra ananan’ Andriamanitra.7

Noho izany dia namorona drafitra ny Ray izay ahafahantsika raha mahafeno fepetra sasantsasany,8 mahazo vatana nofo izay ho lasa tsy mety maty sy feno voninahitra any amin’ny Fitsanganana amin’ny maty; manambady sy manorina fianakaviana mandritra ny fiainana an-tany na, ho an’ireo mahatoky izay tsy nanana io fahafahana io, aorian’ny fiainana an-tany;9 mivoatra mankany amin’ny fahatanterahana; ary amin’ny farany miverina any amin’ireo Ray aman-dRenintsika any An-danitra ary miara-miaina amin’Izy ireo sy ny fianakaviantsika ao anatin’ny fisandratana sy ny fahasambarana mandrakizay.10

Ny soratra masina dia miantso izany hoe ny drafitry ny famonjena.11 Feno fankasitrahana tokoa isika noho io drafitra io ka rehefa nampahafantarina antsika izany dia nihoby isika noho ny hafaliana.12 Nanaiky ireo fepetran’ilay drafitra isika tsirairay, anisan’izany ireo zavatra iainana sy fanamby mandritra ny fiainana an-tany izay hanampy antsika hanana ireo toetran’ Andriamanitra.13

Ny fiainana an-tany

Mandritra ny fiainana an-tany dia omen’ny Ray any An-danitra antsika ireo fepetra ilaintsika hivoarana ao anatin’ny drafiny. Niteraka an’i Jesoa Kristy tao amin’ny nofo ny Ray14 ary nanome Azy fanampiana avy Aminy mba hahafahany manatanteraka ny iraka masina nanirahana Azy teto an-tany. Hanampy antsika tsirairay tahaka izany koa ny Ray any An-danitra raha miezaka mitandrina ny didiny isika.15 Omen’ny Ray fahafahana misafidy isika.16 Eo am-pelatanany ny fiainantsika, ary “fantatra ny andron[tsika]” ary “tsy hahena.”17 Ary miantoka Izy fa amin’ny farany ny zava-drehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia Azy.18

Ny Ray any An-danitra no manome antsika ny hanintsika isan’andro,19 izay sady ahitana ny sakafo hohanintsika no ahitana ny hery ilaintsika hitandremana ny didiny.20 Omen’ny Ray fanomezan-tsoa maro isika.21 Maheno sy mamaly ny vavaka ataontsika Izy.22 Manafaka antsika amin’ny ratsy ny Ray any An-danitra rehefa avelantsika hanao izany.23 Mitomany ho antsika Izy rehefa mijaly isika.24 Amin’ny farany, ny fitahiana rehetra raisintsika dia avy amin’ny Ray daholo.25

Mitarika antsika ny Ray any An-danitra ary manome antsika ny traikefa ilaintsika arakaraka ny tanjatsika sy ny fahalementsika ary ireo safidintsika mba hahafahantsika mamoa voa tsara.26 Faizin’ny Ray isika raha ilaina satria tiany.27 “Lehilahin’ny torohevitra” Izy,28 izay hifanakalo hevitra amintsika raha manontany isika.29

Ny Ray any An-danitra no mandefa ny fitaoman’ny Fanahy Masina sy ny fanomezan’ny Fanahy Masina ho eo amin’ny fiainantsika.30 Afaka mitoetra ao amintsika ny voninahitry ny Ray, na ny faharanitan-tsainy sy ny fahazavany ary ny heriny, amin’ny alalan’ny fanomezan’ny Fanahy Masina.31 Raha mikatsaka ny hitombo amin’ny fahazavana sy ny fahamarinana isika ambara-pahatonga ny masontsika tsy hibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra, dia haniraka ny Fanahy Masin’ny fampanantenana ny Ray any An-danitra hifehy antsika ho amin’ny fiainana mandrakizay ary haneho ny tavany amintsika—na izany amin’ity fiainana ity na amin’ny fiainan-ko avy.32

Fiainana aorian’ny fiainana an-tany

Any amin’ny tontolon’ny fanahy aorian’ny fiainana an-tany dia manohy mandrotsaka ny Fanahy Masina ny Ray any An-danitra ary maniraka misiônera ho any amin’ireo izay mila ny filazantsara. Mamaly vavaka Izy ary manampy ireo izay mbola tsy nandray ireo ordônansin’ny famonjena handray izany amin’ny alalan’ny solontena.33

Nanangana an’i Jesoa Kristy ny Ray ary nanome hery Azy hanatanteraka ny fitsanganana amin’ny maty,34 izay fomba ahafahantsika mahazo vatana tsy mety maty. Ny fanavotana nataon’ny Mpamonjy sy ny fitsanganany tamin’ny maty no mamerina antsika indray ho eo anatrehan’ny Ray, ary eo isika no hotsarain’i Jesoa Kristy.35

Ireo izay miantehitra amin’ny “fahamendrehana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’ny Mesia Masina”36 no handray vatana feno voninahitra tahaka ny Ray37 ary hiara-honina Aminy “ao amin’ny toetry ny fahasambarana tsy mifarana na oviana na oviana.”38 Any dia hofafan’ny Ray ny ranomasontsika rehetra39 ary hanampy antsika Izy hanohy ny diantsika ho tonga tahaka Azy.

Hitanareo amin’izany fa eo mandrakariva ny Ray any An-danitra ho antsika.40

Ny toetran’ny Ray

Mba hahatongavana ho tahaka ny Ray dia tsy maintsy manana ny toetoetrany isika. Ny fahatanterahan’ny Ray sy ny toetoetrany dia ahitana an’ireto manaraka ireto:

  • Ny Ray dia “Tsisy fiafarana sy Mandrakizay.”41

  • Marina tanteraka Izy, mamindra fo, tsara fanahy sy mahari-po, ary tsy mikatsaka afa-tsy izay tsara indrindra ho antsika.42

  • Ny Ray any An-danitra dia fitiavana.43

  • Mitandrina ny fenekempihavanana nataony Izy.44

  • Tsy miovaova Izy.45

  • Tsy afaka handainga Izy.46

  • Tsy mizaha tavan’olona ny Ray.47

  • Mahafantatra ny zavatra rehetra Izy—ny lasa sy ny ankehitry ny ary ny hoavy—hatrany am-piandohana.48

  • Ny Ray any An-danitra dia marani-tsaina49 kokoa noho isika rehetra.50

  • Manana ny fahefana rehetra ny Ray any An-danitra51 ary manao izay rehetra iriany hatao.52

Ry rahalahy sy ranabavy, afaka mahatoky ny Ray isika sy miantehitra Aminy. Satria manana fijery mandrakizay ny Ray any An-danitra, dia afaka mahita ny zavatra izay tsy hitantsika. Ny fifaliany sy ny asany ary ny voninahiny dia ny hanatanteraka ny tsy fahafatesantsika sy ny fiainana mandrakizaintsika.53 Ny zavatra rehetra ataony dia ho tombontsoantsika. “Mikatsaka ny fahasambara[ntsika] mandrakizay [Izy] mihoatra noho ny ikatsaha[ntsika] izany.”54 Ary tsy “mitaky amin[tsika Izy] ny hiaina fotoana iray izay sarotra kokoa noho izay tena ilaina ho an’ny tombontsoan[tsika] na ho an’ny an’ireo izay tian[tsika].”55 Vokatr’izany dia mifantoka amin’ny fanampiana antsika hivoatra Izy, fa tsy amin’ny fitsarana sy ny fanamelohana antsika.56

Ho tonga tahaka ny Raintsika

Amin’ny maha-fanahy zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra antsika tsirairay dia manana hery anaty isika tsirairay hahatongavana tahaka ny Ray. Mba hahafahana manao izany dia tsy maintsy mitsaoka ny Ray isika amin’ny anaran’ny Zanakalahy.57 Manao izany isika amin’ny fiezahana ho mpankatò ny sitrapon’ny Ray, tahaka ny Mpamonjy,58 sy ny fibebahana tsy tapaka.59 Rehefa manao an’ireo isika dia “handray fahasoavana miampy fahasoavana” ambara-pandraisantsika ny fahafenoan’ny Ray60 sy hanafihana antsika amin’ny “toetrany sy ny fahatanterahany ary ny toetoetrany.”61

Noho ny elanelana manasaraka ny misy antsika amin’ny maha-olombelona antsika sy ny efa nahatongavan’ny Ray any An-danitra, dia tsy mahagaga raha misy mahatsapa fa tsy azo tratrarina izany hoe ho tonga tahaka ny Ray izany. Kanefa dia mazava ny soratra masina. Raha mifikitra amim-pinoana amin’i Kristy isika, ka mibebaka sy mikatsaka ny fahasoavan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fankatoavana, dia ho tonga tahaka ny Ray isika amin’ny farany. Mahazo fampaherezana be aho noho ny hoe ireo izay miezaka ho mpankatò dia “handray fahasoavana miampy fahasoavana” ary amin’ ny farany “handray amin’ny fahafenoany.”62 Amin’ny teny hafa, dia tsy ho tonga tahaka ny Ray amin’ny herintsika samirery akory isika.63 Fa ho tanteraka izany amin’ny alalan’ny fanomezana fahasoavana, ny sasany lehibe fa ny ankamaroany madinika, izay hifampitambatra tsikelikely ambara-pahazoantsika fahafenoana. Saingy tsy maintsy ho avy izany ry rahalahy sy ranabavy!

Manasa anao aho hahatoky fa hain’ny Ray any An-danitra ny fomba hanandratana anao, hikatsaka ny fanampiany isan’andro izay manohana, ary hibosesika handroso amim-pinoana an’i Kristy na dia amin’ny fotoana tsy ahatsapanao ny fitiavan’ Andriamanitra aza.

Betsaka ny zavatra tsy takatsika mikasika ny fahatongavana ho tahaka ny Ray.64 Saingy afaka mijoro ho vavolombelona amim-pahatokiana aho fa ny fiezahana ho tonga tahaka ny Ray dia mendrika ny fahafoizantena rehetra.65 Ireo fahafoizana ataontsika eto amin’ny fiainana an-tany, na lehibe tahaka ny inona aza, dia tsy hay oharina amin’ilay fifaliana sy fahasambarana ary fitiavana tsy hay refesina izay ho tsapantsika eo anatrehan’ Andriamanitra.66 Raha miady mafy ianao mba hinoana fa mendrika ny fahafoizana izay asaina ataonao izany, dia miantso anao ny Mpamonjy manao hoe “Tsy mbola takatrareo ny halehiben’ireo fitahiana … nomanin’ [ny Ray] ho anareo; …tsy mahatanty ny zavatra rehetra ianareo ankehitriny; kanefa, matokia fa hitari-dalana anareo Aho.”67

Mijoro ho vavolombelona aho fa tia anareo ny Rainareo any An-danitra ary maniry anareo hiara-hiaina Aminy indray. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy