2010–2019
Mitarika ireo fanahy
Ôktôbra 2018


15:11

Mitarika ireo fanahy

Manolo-tanana ny hafa amim-pitiavana isika satria izany no nodidin’ny Mpamonjy hataontsika.

Tao anatin’ny resaka nifanaovana vao haingana tamin’ny namako iray, dia nilaza tamiko izy fa fony izy mpikamban’ny Fiangonana vao vita batisa tamin’ny fahatanorany, dia nanomboka nahatsapa tampoka izy fa voailikilika tao amin’ny paroasiny. Efa nafindra toerana ireo misiônera nampianatra azy, ka dia nahatsapa ho tsy noraharahaina izy. Noho izy tsy nanana namana tao amin’ilay paroasy, dia nitady ireo namany taloha izy ary nanomboka niroboka tamin’ny fanaovana zavatra niaraka tamin’izy ireo izay nahatonga azy tsy ho afaka nandray anjara tao amin’ny Fiangonana, ka dia nanomboka nanao safidy izay nitarika azy hanalavitra ny Fiangonana izy. Tamin-dranomaso no nitantarany ny fankasitrahana lalina tsapany rehefa nisy mpikambana mpiara-mivavaka taminy tao amin’ny paroasy nandray azy ho namana ary nanasa azy mba hiverina, tamin-kitsim-po sy tamin’ny fomba feno fitiavana. Tao anatin’ny volana maromaro dia tafaverina nandray anjara mavitrika tao amin’ny Fiangonana izy, nampatanjaka ny hafa sy ny tenany ihany koa. Tena feno fankasitrahana izahay noho ilay mpiandry ondry tany Brésil izay nitady an’io tovolahy io, dia ny Loholona Carlos A. Godoy izany, izay mipetraka ato aoriako ankehitriny, ary mpikambana ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy.

Moa ve tsy tena mahatalanjona ny fomba ahafahan’ny ezaka bitika toy izany hisy fiantraikany maharitra mandrakizay? Io fahamarinana io no ivon’ny asa fanompoana ataon’ny Fiangonana. Afaka maka ireo ezaka tsotra ataontsika isan’andro ny Ray any An-danitra ary mamadika izany ho zavatra mahagaga. Vao enim-bolana izay no nanambaran’ny Filoha Russell M. Nelson hoe “nitondra fivoarana manan-danja eo amin’ny fomba hifanompoana ny Tompo,”1 ary nanazava hoe “Hampihatra fomba iray vaovao kokoa sy masina kokoa hikarakarana sy hanompoana ny hafa isika. Ireny ezaka ireny dia antsointsika hoe ‘manompo.’”2

Nanazava koa ny Filoha Nelson hoe: “Ny toetra iray mampiavaka hatrany ny Fiangonan’ny Tompo izay marina sy velona dia ny asa iray izay voarindra sy misy mitarika hatrany hanompo ny zanak’ Andriamanitra tsirairay sy ny fianakavian’izy ireo avy. Koa satria Fiangonany ity, dia isika, amin’ny maha-mpanompony antsika, no hanompo ny tsirairay tsy misy hafa amin’ny nataony. Hanompo amin’ny anarany isika, miaraka amin’ny heriny sy ny fahefany, ary ilay hatsaram-panahiny feno fitiavana.”3

Hatramin’ny nanaovana ilay filazana dia nahatalanjona ny zavatra nataonareo! Naharay tatitra momba ny fahombiazana lehibe izahay teo amin’ny fampiharana ireo fanovana ireo saika ho isaky ny tsatòka rehetra manerana izao tontolo izao araka izay nasain’ny mpaminanintsika velona natao. Ohatra hoe, nisy rahalahy sy anabavy manompo nasaina niandraikitra fianakaviana, natao ny fandaminana ny mpiara-manompo, ka tafiditra ao anatin’izany ny zatovolahy sy ny zatovovavy, ary efa mandeha ny dinidinika momba ny fanompoana.

Tsy mino aho hoe fifandrifian-javatra ny hoe enim-bolana mialoha ilay filazam-panambarana omaly—“fifandanjana sy fifandraisana vaovao eo amin’ny fampianarana ny filazantsara any an-tokantrano sy any am-piangonana”4—no nanomezana ilay filazam-panambarana mikasika ny fanompoana. Manomboka amin’ny janoary, rehefa mihena adiny iray ny fitsaohantsika any am-piangonana, ny zavatra rehetra nianarantsika tao amin’ny fanompoana dia hanampy antsika hamerina handamina izany fotoana malalaka izany amin’ny alalan’ny fiainana ny andro Sabata amin’ny fomba avo kokoa sy masina kokoa ary mifototra amin’ny tokantrano miaraka amin’ny ankohonana sy ireo olon-tiana.

Rehefa voapetraka ireo rafitra fandaminana ireo dia mety hanontany isika hoe: Ahoana no ahafantarantsika fa manompo araka ny fomban’ny Tompo isika? Manampy ny Mpiandry Tsara amin’ny fomba kasainy hanaovana izany ve isika?”

Tamin’ny resaka nifanaovana vao haingana, ny Filoha Henry B. Eyring dia nidera ny Olomasina izy noho ny fiezahan’izy ireo hanaraka ireo fanovana manan-danja ireo, kanefa nolazainy ihany koa ny fanantenany amin-kitsim-po ny mba haneken’ny mpikambana fa ny manompo dia mihoatra ny hoe “tsara fanahy fotsiny.” Tsy midika akory izany hoe tsy manan-danja ny hoe tsara fanahy, fa ireo izay mahatakatra ny lanjan’ny fanompoana marina dia mahafantatra fa mihoatra lavitra ny hoe tsara fanahy fotsiny izany. Rehefa atao araka ny fomban’ny Tompo ny fanompoana dia afaka misy fiantraikany tsara maharitra izay mitohy hatrany amin’ny mandrakizay, tahaka ny fiantraikan’izany teo amin’ny Loholona Godoy.

“Naneho tamin’ny alalan’ny ohatra ny dikan’ny hoe manompo ny Mpamonjy tamin’ny nanaovany asa fanompoana tamim-pitiavana. … Nampianatra, nivavaka, nampionona, ary nitahy ireo izay nanodidina Azy [Izy], nanasa ny rehetra hanaraka Azy. … Rehefa manompo [amin’ny fomba tsara sy masina kokoa] ireo mpikamban’ny Fiangonana dia mikatsaka amim-bavaka ny hanompo tahaka ny ho ataony izy ireo, dia ny … ‘mitandrina mandrakariva ireo mpikambana ao amin’ny fiangonana ary ny miaraka amin’izy ireo sy ny manatanjaka azy,’ ‘mamangy ny tranon’ny mpikambana tsirairay,’ ary manampy ny rehetra ho lasa mpanara-dia tena izy an’i Jesoa Kristy.”5

Takatsika fa ny mpiandry ondry tena izy dia tia ny ondriny, mahafantatra azy ireo amin’ny anarany, ary “liana amin’ny mahasoa” azy ireny.6

Ondry eny an-tendrombohitra

Misy namako hatry ny ela iray izay mpiompy nandritra ny androm-piainany, niasa mafy niompy omby sy ondry teny amin’ny Montagne Rocheuses feno mikitoantoana. Indray mandeha izy dia nizara tamiko ny olana sy ny loza mifandray amin’ny fiompiana ondry. Nitantara izy fa tamin’ny fiandohan’ny lohataona, rehefa nitsonika ny ankamaroan’ny ranomandry teo ambonin’ireo andian-tendrombohitra midadasika, dia napetrany tany an-tendrombohitra nandritra ny fahavaratra ny andian’ondrin’ny fianakaviany, izay nahitana ondry 2000 (roa arivo) teo ho eo. Niandry ireo ondry teny izy mandra-pahatapitry ny fararano, izay fotoana namindrana azy ireo avy amin’ny tanim-bilona rehefa fahavaratra mankany amin’ny tanim-bilona rehefa ririnina any an-tany hay. Notantarainy ny fahasarotan’ny fikarakarana andian’ondry marobe, izay nitaky andro vao maraina sy alim-be: nifoha mialoha be ny fiposahan’ny masoandro ary alim-be vao nahavita asa. Tsy ho vitany irery mihitsy izany.

Mpiompy miaraka amin’ny ondry

Nisy olona hafa nanampy tamin’ny fikarakarana ireo biby, izay nahitana karazana mpiasa mpiompy manana traikefa nampian’ny mpiasa zandriny izay nahazo tombontsoa avy amin’ny fahendren’ireo namany efa za-draharaha. Niantehitra tamin’ny soavaly roa efa antitra ihany koa izy, sy soavaly lahy tanora roa mbola vao zarina, alika mpiandry ondry efa antitra roa, ary alika mpiandry ondry telo mbola kely. Nandritra ny fahavaratra ilay namako sy ny ekipany dia niaritra rivotra sy oram-baratra, aretina, ratra, hain-tany, ary efa saika izay mety ho zava-tsarotra rehetra azon’ny olona eritreretina mihitsy aza. Ny taona sasany dia tsy maintsy nisintona rano izy ireo nandritra ny fahavaratra mba hihazonana ny ain’ireo ondry fotsiny. Ary avy eo, isan-taona rehefa tapitra ny fararano, rehefa nananontanona ny ririnina ka nesorina teny an-tendrombohitra sy nisaina ireo ondry, dia mazàna no nisy 200 (roanjato) mahery no maty na tsy hita.

Miandry ondry
Andian’ondry

Ilay andian’ondry nahitana ondry 2.000 napetraka teny an-tendrombohitra tamin’ny fiandohan’ny lohataona dia nihena ho 1.800 latsaka isaky ny fiafaran’ny fararano. Ny ankamaroan’ireo ondry tsy hita dia tsy hoe matin’ny aretina na ny fahafatesana voajanahary fa matin’ny biby mpihaza toy ny liona an-tendrombohitra na kôiôty. Ireo biby mpihaza ireo mazàna dia mahita ireo zanak’ondry miala eo amin’ny faritra azo antoka eo anivon’ny andian’ondry, ka nihataka nianalavitra tamin’ny fiarovan’ny mpiandry azy. Azonareo heverina vetivety amin’ny lafiny ara-panahy ve ny zavatra vao notantaraiko teo? Iza ilay mpiandry ondry? Iza no andian’ondry? Iza ireo manampy ny mpiandry ondry?

Ilay Mpiandry Ondry Tsara

I Jesoa Kristy Tompo mihitsy no niteny hoe: “Izaho no Mpiandry Tsara, ary fantatro ny Ahy, … ary Izaho manolotra ny aiko hamonjy ny ondry.”7

I Jesoa mamahana ny ondriny

Ny mpaminany Nefia dia nampianatra ihany koa fa i Jesoa dia “hamahana ny ondriny …, ary ao Aminy no hahitan’ ireo ahi-maitso.”8 Mahita fiadanana maharitra aho noho ny fahafantarako fa “Jehovah no Mpiandry ahy”9 ary fantany sy eo ambany fiahiany isika tsirairay avy. Rehefa miatrika ny rivotra sy ny oram-baratry ny fiainana isika, ny aretina, ny ratra, ary ny hain-tany, dia hanompo antsika ny Tompo, ilay Mpiandry antsika. Hamerina amin’ny laoniny ny fanahintsika Izy.

Tahaka ny nikarakaran’ilay namako ny ondriny, niaraka tamin’ny fanampian’ireo mpiasa mianatra asa sy efa za-draharaha ary soavaly sy alika mpiandry ondry no hitakian’ny Tompo ihany koa fanampiana eo amin’ilay asa sarotra fikarakarana ny ondry ao amin’ny andian’ondriny.

I Jesoa Kristy manompo

Amin’ny maha-zanaky ny Ray any An-danitra be fitiavana sy ondry ao amin’ny andian’ondriny antsika, dia mahazo ilay fitahiana hoe tompoin’i Jesoa Kristy tsirairay isika. Mifanindran-dalana amin’izany, manana andraikitra isika hanome fanampiana mifono fanompoana an’ireo olona hafa manodidina antsika amin’ny maha-mpiandry ondry antsika. Mihaino ny feon’ny Tompo isika manao hoe “hanompo Ahy ianao ary handeha amin’ ny anarako sy hanangona ny ondriko.”10

Iza no mpiandry ondry? Mpiandry ondry ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy rehetra ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Tsy misy antso ôfisialy takina amin’izany. Manomboka amin’ny fotoana ivoahantsika avy ao amin’ny ranon’ny batisa no hanomezana andraikitra antsika hanao io asa io. Manolo-tanana ny hafa amim-pitiavana isika satria izany no nodidin’ny Mpamonjy hataontsika. Fa mpiandry ondry iza eo aminareo no manana ondry maro ka tsy miambina azy mba tsy hidiran’ ny amboa dia hihinana ny andian’ ondriny? Moa tsy hanao izay hampanalavitra izany ve izy?”11 Isak’izay hoe ao anatin’ny fahoriana ara-nofo na ara-panahy ny manodidina antsika dia mihazakazaka manampy azy isika. Mifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay isika mba hanamaivana izany. Miara-malahelo amin’izay malahelo isika. Mampionona ireo izay mila fampiononana.12 Miandry izany avy amintsika amim-pitiavana ny Tompo. Ary ho avy ny fotoana izay hitanana antsika ho tompon’andraikitra amin’ny fikarakarana ataontsika rehefa manompo ny andian’ondriny.13

Nizara singa iray hafa manan-danja eo amin’ny fiambenana ondry teny amin’ny tanim-bilona ilay mpiandry ondry namako. Nohazavainy bebe kokoa fa ireo ondry very no natahorana indrindra ho azon’ireo biby mpihaza. Raha ny marina dia ny 15 isan-jaton’ny fotoany sy ny an’ireo mpiasany no natokana hitadiavana ireo ondry very. Nianatra izy ireo fa arakaraka ny hahitan’izy ireo haingana ny ondry very, alohan’ny hihatahan’ilay ondry lavitra loatra an’ilay andian’ondry, no nampihena ny mety ho fahavoazana nihatra tamin’ilay ondry. Mitaky faharetana sy fifehezan-tena ny fikarohana ireo ondry very.

Taona maro lasa izay dia nahita lahatsoratra tao amin’ny gazety teo an-toerana aho, izay tena nahavariana tokoa ka dia notehiriziko. Nivaky toy izao ny matoan-dohateny teo amin’ny pejy voalohany hoe: “Tsy nanaiky namela ireo ondry very ilay alika be fikirizana.”14 Io lahatsoratra io dia mitantara ondry vitsivitsy an’ny toeram-piompiana iray tsy lavitra ny tranon’ilay namako izay tavela teny amin’ny tanim-bilona nisy azy ireo rehefa fahavaratra. Roa na telo volana taty aoriana dia lasa tafahitsoka sy voagadran’ny oram-panala teny an-tendrombohitra izy ireo. Rehefa tavela tany ireo ondry dia niara-nijanona tamin’izy ireo ilay alika mpiandry ondry, satria andraikiny ny miambina sy miaro an’ireo ondry. Tsy nitsahatra niambina azy ireo izy. Nijanona tany izy, nihodinkodina nanodidina ireo ondry very nandritra ny volana maro tao anatin’ny toetrandro mangatsiaka sy nisy oram-panala, niaro azy ireo tamin’ny kôiôty, na ny liona eny an-tendrombohitra, na izay mety ho biby mpihaza hafa mety handratra ireo ondry. Nijanona tany izy mandra-pahafahany nitarika ireo ondry hiverina ho eo ambany fiarovan’ny mpiandry ondry sy ny andian’ondry. Ny sary hita eto amin’ny pejin’ity lahatsoratra ity dia mampiseho ny toetra hita taratra eo amin’ny maso sy ny fihetsik’ity alikan’ny mpiandry ondry ity.

 Toetra taratra eo amin’ny maso sy fihetsiky ny alikan’ny mpiandry ondry

Ao amin’ny Testamenta Vaovao isika dia mahita fanoharana sy torolalana iray avy amin’ny Mpamonjy izay manome hevi-baovao fanampiny mahakasika ny andraikitsika amin’ny maha-mpiandry ondry, sy anabavy sy rahalahy manompo ondry very antsika:

“Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato, ka very ny anankiray, no tsy mandao ny sivy amby sivi-folo any an-efitra ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy?

“Ary rehefa hitany iny, dia ataony eo an-tsorony, ka dia faly izy.

“Ary rehefa tonga ao an-trano izy, dia mamory ny sakaizany sy ny namany ka manao aminy hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very.”14

Rehefa mamintina ilay lesona ampianarina ao amin’ilay fanoharana isika dia mahita an’ity torohevitra manan-danja ity:

  1. Mila mamantatra ireo ondry very isika.

  2. Mitady azy ireo isika mandra-pahitana azy ireo.

  3. Rehefa hita izy ireo dia mety mila milanja azy ireo eo an-tsoroka isika mba itondrana azy ireo hody.

  4. Omentsika namana maro izy ireo rehefa tafaverina.

Ry rahalahy sy ranabavy, ny olantsika lehibe indrindra sy ny valisoantsika lehibe indrindra dia mety ho tonga eo am-panompoantsika an’ireo ondry very. Ireo mpikamban’ny Fiangonana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia “niahy ny olony sy namahana azy tamin’ ny zavatra mikasika ny fahitsiana.”16 Afaka manaraka ny ohatr’izy ireo isika ary mahatsiaro fa ny fanompoana dia natao ho “tarihin’ny Fanahy, … tsy misy hoe fitakiana efa voafaritra tsara … ampifanarahana amin’ireo zavatra ilain’ny mpikambana tsirairay.” Laharam-pahamehana ihany koa ny “[hikatsahantsika] ny hanampy ny olona sy ny fianakaviana hiomana amin’ny ôrdônansy tokony hatao manaraka sy ny fitandremana ireo fanekempihavana[ny] … , ary ny mba ho lasa mizaka tena.”17

Sarobidy amin’ny Raintsika any An-danitra ny fanahy tsirairay. Ny fanasany manokana hanompo dia faran’izay sarobidy sy manan-danja Aminy, satria izany no asany sy voninahiny. Tena asan’ny mandrakizay ara-bakiteny mihitsy izany. Manana fahafahana tsy voavidim-bola hahavita zavatra daholo ny tsirairay amin’ireo zanany eo imasony. Tia anareo Izy, amin’ny fitiavana tsy hain’ny sainareo takarina akory. Tahaka ilay alika mahatoky, hijanona eny an-tendrombohitra Izy hiaro anareo ao anatin’ny rivotra, ny oram-baratra, ny oram-panala, sy ny sisa.

Nampianatra antsika ny Filoha Russell M. Nelson tamin’ny fihaonambe farany hoe: “Ny hafatsika ho an’izao tontolo izao [ary tiako hampiana hoe “ho an’ny andian’ondry tompointsika”] dia tsotra sy avy amin’ny fo: manasa ny zanak’ Andriamanitra rehetra ao amin’ny lafiny roa amin’ny voaly isika mba hanatona ny Mpamonjy azy ireo, handray ireo fitahian’ny tempoly masina, sy hanana fifaliana maharitra, ary ho mendrika hahazo ny fiainana mandrakizay.18

Enga anie isika hametraka tanjona ambony kokoa amin’io vinan’ny mpaminany io, mba hahafahantsika mitarika ireo fanahy mankany amin’ny tempoly ary any amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy amin’ny farany. Tsy miandrandra antsika hanao fahagagana Izy. Ny hany angatahany dia ny hitondrantsika an’ireo rahalahy sy anabavintsika ho any Aminy, satria manana ny hery hanavotana fanahy Izy. Rehefa manao izany isika dia afaka mahazo ary hahazo ity fampanantenana ity: “Ary rehefa miseho ny Lohan’ny mpiandry, dia hahazo ny satroboninahitra tsy mety simba hianareo.”19 Izany no ijoroako ho vavolombelona—sy i Jesoa Kristy amin’ny maha Mpamonjy sy Mpanavotra antsika Azy —amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.