2010–2019
Ny fahamarinana sy ilay drafitra
Ôktôbra 2018


15:49

Ny fahamarinana sy ilay drafitra

Rehefa mikatsaka ny marina momba ny fivavahana isika dia tokony hampiasa fomba ara-panahy mifanaraka amin’izany fikarohana izany.

Ny fanambarana maoderina dia mamaritra ny fahamarinana ho ny “fahalalana ny zavatra araka ny maha-izy azy, sy araka ny naha-izy azy ary araka ny haha-izy azy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:24). Izany dia famaritana tonga lafatra ho an’ny drafitry ny famonjena sy “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao.”

Isika dia miaina ao anatin’ny fotoana izay iparitahan’ny fampahalalana sy ivelarany lehibe tokoa. Saingy tsy marina avokoa izany fampahalalana rehetra izany. Mila mailo isika rehefa mikatsaka fahamarinana sy misafidy ireo loharano ho an’izany fikarohana izany. Tsy tokony heverintsika ho loharanom-pahamarinana azo antoka ny zavatra manan-danja na manam-pahefana amin’izao tontolo izao. Tokony ho mailo isika amin’ny fianteherana amin’ny fampahalalana na ny torohevitra atolotr’ireo olo-malaza na mpanao fanatanjahan-tena fanta-daza na loharano tsy fanta-pihaviana ao amin’ny internet. Ny fahaizana amin’ny sehatra iray dia tsy tokony horaisina ho fahaizana momba ny fahamarinana amin’ny lohahevitra hafa.

Tokony ho mailo ihany koa isika ny amin’ny antony nanosika ny olona iray izay mamoaka fampahalalana. Izany no antony mahatonga ny soratra masina mampitandrina antsika amin’ny komiberaky ny mpisorona (jereo ny 2 Nefia 26:29). Raha tsy fantatra anarana na tsy fantatra ilay loharano dia mety hampiahiahy ihany koa ilay fampahalalana.

Ny fanapahan-kevitsika manokana dia tokony hifototra amin’ny fampahalalana avy amin’ny loharano azo antoka ho an’ilay lohahevitra ary tsy amin’ny faniriana feno fitiavan-tena.

I.

Rehefa mikatsaka ny marina momba ny fivavahana isika dia tokony hampiasa fomba ara-panahy mifanaraka amin’izany fikarohana izany: ny vavaka sy ny tenivavolombelon’ny Fanahy Masina ary ny fandalinana ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany maoderina. Malahelo foana aho rehefa mahare olona mitatitra fahaverezan’ny finoana noho ny fampianaran’izao tontolo izao. Ireo izay efa nanana fahitana ara-panahy dia mety hampahorian’ny fahajambana ara-panahy izay nataon’ny tenany ihany. Araka izay nolazain’ny Filoha Henry B. Eyring manao hoe, “Ny olan’izy ireo dia tsy ao anatin’ny zavatra izay eritreretin’izy ireo fa takany; fa ao anatin’ny zavatra izay mbola tsy takatr’izy ireo.”1

Ny fomban’ny siansa dia mitarika antsika amin’ilay antsointsika hoe fahamarinana ara-tsiansa. Saingy tsy ny “fahamarinana ara-tsiansa” no tanjon’ny fiainana iray manontolo. Ireo izay tsy mianatra “amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118) dia mametra ny fahatakarany ny fahamarinana amin’izay azony hamarinina amin’ny alalan’ny siansa. Izany dia mametraka fetra artifisialy eo amin’ny fikarohan’izy ireo ny fahamarinana.

Nilaza ny Filoha James E. Faust hoe: “Ireo izay efa vita [batisa] dia mametraka ny fanahiny mandrakizay ho tandindomin-doza amin’ny fanarahana tsy amim-piraharahiana loharanom-pianarana avy amin’izao tontolo izao fotsiny. Mino isika fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia manana ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Kristy, izany filazantsara izany no ampahany lehibe ao amin’ny fahamarinana sy ny fahalalana mandrakizay.”2

Mahita fifaliana marina sy maharitra isika rehefa mahafantatra sy manao zavatra araka ny fahamarinana momba antsika sy ny antom-pisian’ny fiainana an-tany ary ny toerana halehantsika rehefa maty. Ireo fahamarinana ireo dia tsy afaka ianarana amin’ny fomba siantifika na an’izao tontolo izao.

II.

Izao aho dia hiresaka momba ny fahamarinan’ny filazantsara tafaverina amin’ny laoniny izay fototry ny fotopampianaran’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Mba asio lanjany tsara ireo fahamarinana ireo. Manazava betsaka momba ny fotopampianarantsika sy ny fanaontsika izy ireny, izay mety mbola zavatra tsy takatra ny sasany.

Misy Andriamanitra, izay Ray be fitiavana an’ny fanahin’ireo rehetra izay niaina sy mbola hiaina eto an-tany.

Ny maha-lahy sy ny maha-vavy dia mandrakizay. Talohan’ny nahaterahantsika teto amin’ity tany ity, isika rehetra dia niaina teo anatrehan’ Andriamanitra tamin’ny naha-fanahy vavy sy lahy antsika.

Vao teo isika no nandre ny amboaram-peon’ny Tabernakely eto amin’ny Foiben’ny Fihaonambe nihira ny “Je veux suivre le plan de Dieu.”3 Izany no drafitra naorin’ Andriamanitra mba hahafahan’ny zanany ara-panahy rehetra hivoatra mandrakizay. Izany drafitra izany dia iankinan’ny fiainantsika tsirairay avy.

Ao anatin’izany drafitra izany, Andriamanitra dia namorona ity tany ity ho toerana hahafahan’ireo zanany ara-panahy malalany ho teraka ao amin’ny fiainana mety maty mba handray vatana ara-nofo sy hanana fahafahana hivoatra mandrakizay amin’ny fanaovana safidy tsara.

Mba hisy dikany dia tsy maintsy natao teo amin’ny hery anankiroa mifanohitra ireo safidy eto an-tany, dia ny tsara sy ny ratsy. Tsy maintsy nisy ny fifanoherana, ary noho izany ilay fahavalo izay voaroaka noho ny fikomiana dia navela haka fanahy ireo zanak’ Andriamanitra mba hanao zavatra mifanohitra amin’ny drafitr’ Andriamanitra.

Ny tanjon’ny drafitr’ Andriamanitra dia ny hanome an’ireo zanany ny fahafahana hifidy ny fiainana mandrakizay. Amin’ny alalan’ny traikefa iainana eto an-tany ihany no ahafahana manatanteraka izany, ary aorian’ny fahafatesana dia amin’ny alalan’ny fivoarana aorian’ny fahafatesana any amin’ny tontolon’ny fanahy.

Mandritra ny fiainana an-tany, dia ho voaloton’ny fahotana avokoa isika rehefa manaiky ho voafitaky ny fakam-panahin’ny fahavalo, ary amin’ny farany dia ho faty. Nekentsika ireny fanamby ireny noho ny fianteherana tamin’ny fanomezan-tokin’ilay drafitra fa Andriamanitra, ilay Raintsika mandrakizay dia hanome antsika Mpamonjy iray, ny Zanany Lahitokana, izay hamonjy antsika amin’ny fitsanganan’ny rehetra amin’ny maty ho amin’ny fiainana misy vatana aorian’ny fahafatesana. Ilay Mpamonjy dia hanolotra Sorompanavotana ihany koa mba hanefana ny sarany ho an’ny rehetra mba ho voadio amin’ny fahotana rehefa manaraka ny fepetra izay nomeny. Tafiditra ao amin’izany fepetra izany ny finoana an’i Jesoa Kristy, ny fibebahana, ny batisa, ny fanomezana ny Fanahy Masina, ary ireo ôrdônansy hafa tanterahina amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana.

Ny drafitra lehiben’ny fahasambaran’ Andriamanitra dia manome fifandanjana tanteraka eo amin’ny fahamarinana sy ny famindram-po izay azontsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Izany ihany koa dia manome fahafahana antsika hiova ho lasa olom-baovao ao amin’i Kristy izany.

Misy Andriamanitra be fitiavana iray manolo-tanana antsika tsirairay. Fantatsika fa amin’ny alalan’ny fitiavany sy noho ny Sorompanavotanan’ny Zanany Lahitokana, dia “azo vonjena ny olombelona rehetra amin’ny fankatoavana ireo lalàna sy ôrdônansin’ny Filazantsara[ny]” (Ireo fanekem-pinoana 1:3; nampiana fanamafisana).

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia fantatra tsara amin’ny hoe Fiangonana mpanome sehatra ny fiainana sy fianarana ireo zavatra ara-panahy eny anivon’ny fianakaviana. Saingy ny zavatra tsy tena takatra tsara dia hoe fanomezana sehatra ny fiainana sy fianarana ireo zavatra ara-panahy eny anivon’ny fianakaviana dia mifantoka amin’ny zavatra mihoatra ireo fifandraisana amin’ny samy mbola mety maty. Zava-dehibe amin’ny teôlôjiantsika ihany koa ny fifandraisana mandrakizay. “Ny fianakaviana dia tendrin’Andriamanitra.”4 Eo ambanin’ny drafitra lehiben’ilay Mpahary antsika be fitia, ny asa nanirahana ny Fiangonana tafaverina amin’ny laoniny dia ny hanampy ny zanak’ Andriamanitra hahazo ny fitahiana masin’ny fisandratana ao amin’ny fanjakana selestialy izay tsy afaka ny ho azo raha tsy amin’ny alalan’ny fanambadiana mandrakizay eo amin’ny lehilahy iray sy vehivavy iray ihany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–3). Hamafisinay ireo fampianaran’ny Tompo fa ny “maha-lahy na ny maha-vavy dia toetra fototra iray mamaritra ny maha-izy azy ny olona tsirairay sy ny tanjony tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana sy amin’izao fiainana an-tany izao, ary any amin’ny mandrakizay” ary koa fa ny “fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy vehivavy iray dia fototry ny drafitra mandrakizainy.”5

Farany dia lehibe tokoa ny fitiavan’ Andriamanitra ka nomeny anjara voninahitra avokoa ny zanany rehetra afa-tsy ireo vitsy izay ninia ho lasa zanaky ny fahaverezana. “Ny zanany rehetra” tafiditra ao anatin’izany ireo rehetra izay efa maty. Manatanteraka ôrdônansy ho azy ireo isika amin’ny alalan’ny fisoloan-tena any amin’ireo tempolintsika. Ny tanjon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia ny hanampiana ireo zanany ho mendrika ny ambaratongam-boninahitra ambony indrindra, dia ny fisandratana na ny fiainana mandrakizay. Ho an’ireo izay tsy maniry na tsy mendrika an’izany, Andriamanitra dia efa nanomana fanjakam-boninahitra hafa, na dia ambanimbany kokoa aza, dia fanjakam-boninahitra.

Izay rehetra mahatakatra ireo fahamarinana mandrakizay ireo dia afaka mahatakatra ny antony mahatonga antsika mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany mieritreritra sy manao zavatra toy ny ataontsika.

III.

Izao aho dia hilaza fampiharana sasantsasany an’ireo fahamarinana mandrakizay ireo izay tsy ho azo raha tsy mahatakatra ny drafitr’ Andriamanitra ihany.

Voalohany, manaja ny fahafahan’ny tsirairay misafidy isika. Betsaka no mahafantatra ny ezaka lehibe ataon’ny Fiangonana tafaverina amin’ny laoniny mba hampivoitra ny fahalalahana ara-pivavahana eto Etazonia sy manerana izao tontolo izao. Ireo ezaka ireo dia tsy hoe mampivoitra izay mahakasika antsika fotsiny ihany fa araka ilay drafiny dia mikatsaka ny hanampy ny zanak’ Andriamanitra rehetra hankafy ny fahafahana manao safidy malalaka.

Faharoa, isika dia vahoaka mpitory ny filazantsara. Anontaniana isika indraindray hoe nahoana isika no mandefa misiônera any amin’ny firenena marobe, eny, hatrany anivon’ireo vahoaka Kristianina. Mahazo fanontaniana tahaka izany isika momba ny antony anomezantsika vola an-tapitrisany maro hanaovana asa enti-miantra olona ho an’ireo olona izay tsy mpikamban’ny Fiangonana sy ny antony tsy hampifandraisantsika io asa enti-miantra io amin’ny ezaka ataontsika hitoriana ny filazantsara. Manao izany isika satria amintsika ny olombelona rehetra dia zanak’ Andriamanitra—rahalahintsika sy anabavintsika—ary te hizara ny firoboroboantsika ara-panahy sy ara-batana amin’ny olon-drehetra isika.

Fahatelo, masina amintsika ny fiainana an-tany. Ny fanolorantenantsika amin’ny drafitr’ Andriamanitra dia mitaky antsika hanohitra ny fanalan-jaza sy ny fahamora-pahafaty (euthanasie).

Fahefatra, ny sasany dia sahirana amin’ireo fomba fijerin’ny Fiangonana sasany mahakasika ny fanambadiana sy ny zanaka. Ny fahalalantsika ny drafitr’ Andriamanitra izay nambara dia mitaky antsika mba hanohitra ny fanerena ara-piarahamonina sy araka ny lalàna mba hialana amin’ny fanambadiana nentim-paharazana ary hanao fanovana izay mampisavoritaka na manova ny maha-lahy sy ny maha-vavy na manaisotra ny fahasamihafana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy. Fantatsika fa ny fifandraisana sy ny fananana ny maha-izy azy ary ny anjara asan’ny lehilahy sy ny vehivavy dia tena ilaina mba hanatanterahana ny drafitra lehiben’ Andriamanitra.

Fahadimy, manana fomba fijery miavaka ihany koa isika momba ny zanaka. Raisintsika ho anisan’ny drafitr’ Andriamanitra ny fananan-janaka sy ny fitaizana zanaka ary andraikitra mahafinaritra sy masina ho an’ireo izay nomena hery handray anjara amin’izany. Harena manan-danja indrindra eto an-tany sy any an-danitra no fahitantsika ireo zanatsika sy ireo taranatsika. Noho izany dia tsy maintsy mampianatra sy miaro ireo fitsipika sy fomba fanao izay manolotra fepetra tsara indrindra ho an’ny firoboroboana sy ny fahasambaran’ireo zanaka isika—ny zanaka rehetra izany.

Farany, isika dia zanaka malalan’ny Ray any An-danitra izay nampianatra antsika fa ny maha-vavy sy ny maha-lahy, sy ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray, ary ny fananan-janaka sy ny fitaizana zanaka dia samy tena manan-danja avokoa amin’ilay drafitra lehiben’ny fahasambarana. Ny toerana misy antsika eo amin’ireo hevitra fototra ireo matetika dia miteraka fanoherana ny Fiangonana. Raisintsika ho zavatra tsy azo ialana izany. Ny fanoherana dia tafiditra ao amin’ilay drafitra, ary ny fanoherana mahery vaika indrindra ataon’i Satana dia mikendry izay tena manan-danja indrindra amin’ny drafitr’ Andriamanitra. Mikatsaka ny handrava ny asan’ Andriamanitra izy. Ny tena tetiny voalohany indrindra dia ny hanaratsy ny Mpamonjy sy ny fahefany masina, ny hanafoana ny vokatry ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ny hampihemotra ny fibebahana, ny handiso ny fanambarana, ary ny hanohitra ny andraikitry ny tsirairay. Mikatsaka ny hampikorontana ny maha-lahy sy ny maha-vavy ihany koa izy, ny hanimba ny fanambadiana, ary ny hampihemotra ny fananan-janaka indrindra fa izay avy amin’ny ray aman-dreny izay hitaiza zanaka ao amin’ny fahamarinana.

IV.

Ny asan’ny Tompo dia mandroso na dia eo aza ny fanoherana tsara rindra sy tsy tapaka izay mifanehatra amintsika eo am-piezahantsika mampihatra ireo fampianaran’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Ho an’ireo izay manomboka ho marefo eo ambanin’izany fanoherana izany dia manome ireto torohevitra ireto aho.

Tsarovy ny fitsipiky ny fibebahana izay misy amin’ny alalan’ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Namporisika ny Loholona Neal A. Maxwell hoe aza mba anisan’ireo “izay mitady hanova ny Fiangonana fa tsy mba ny tenany.”6

Araka ny namporisihan’ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe:

“Mifikira amin’izay efa fantatrareo ary mijoroa mafy mandra-pahatongan’ny fahalalana fanampiny.

Ato amin’ity Fiangonana ity, ny zavatra izay fantatsika dia hanan-danja kokoa hatrany noho izay mety ho zavatra tsy fantatsika.” 7

Ampiharo ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo, izay fitsipika voalohan’ny filazantsara.

Farany, mikatsaha fanampiana. Ireo mpitarika antsika ato amin’ny Fiangonana dia tia anao sy mikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy mba hanampiana anao. Izahay dia manome loharano maro toy ireo izay hitanao ao amin’ny LDS.org sy ireo fanohanana hafa ho an’ny fandalinana ny filazantsara any an-tokantrano. Isika ihany koa dia manana rahalahy sy rahavavy mpanompo izay nantsoina mba hanome fanampiana feno fitiavana.

Ny Raintsika any An-danitra be fitiavana dia maniry ny hananan’ny zanany ny fifaliana izay tanjon’ny nahariana antsika. Izany anjara mahafinaritra izany dia ny fiainana mandrakizay, izay afaka ny ho azontsika rehefa mibosesika mandroso amin’ny fiorenana amin’izay antsoin’ny mpaminanintsika matetika, dia ny Filoha Russell M. Nelson hoe “ny lalan’ny fanekempihavanana” isika. Izao no zavatra nolazainy tao amin’ny hafany voalohany tamin’ny naha-Filohan’ny Fiangonana azy: “Mijanòna eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Ny fanolorantenanao mba hanaraka ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fanaovana fanekempihavanana Aminy ary avy eo ny fitandremana ireo fanekempihavanana ireo dia hanokatra ny varavarana hahazoana ireo fitahiana ara-panahy rehetra sy ireo tombontsoa natokana ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy na aiza na aiza.”8

Amin’ny fomba hentitra no ijoroako ho vavolombelona fa ireo zavatra nolazaiko ireo dia marina, ary tontosa ireny amin’ny alalan’ireo fampianarana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izay manatanteraka ny zava-drehetra eo ambanin’ilay drafitra lehiben’ Andriamanitra, ny Raintsika Mandrakizay. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.