2010–2019
Miezaha, miezaha, miezaha
Ôktôbra 2018


15:60

Miezaha, miezaha, miezaha

Mametraka ny anarany ao am-ponareo ny Mpamonjy. Ka mahatsapa ny fitiavana madion’i Kristy ho an’ny hafa sy ho an’ny tenanareo ianareo.

Ry rahalahy sy ranabavy malalako, feno fankasitrahana aho noho ny fahafahana miresaka aminareo. Tena nampientana sy nampiorina ahy ity fihaonambe ity. Ny Fanahy Masina no nitondra ny hira sy ny teny nambara ho ao am-pontsika. Mivavaka aho mba io Fanahy io ihany no hitondra izay zavatra ambarako hipaka any aminareo.

Taona maro lasa izay dia mpanolotsaina voalohan’ny filohan’ny distrika iray tany atsinanan’i Etazonia aho. Mihoatra noho ny indray mandeha izy no niteny tamiko rehefa izahay ho any amin’ireo sampana kely tao amin’ny distrikanay hoe: “Hal a! rehefa mihaona amin’olona ianao, ka mandray azy ho toy ny hoe ao anaty fahasahiranana lalina, dia matetika ianao no tsy ho diso fihevitra.” Tsy vitan’ny hoe marina ny azy, fa hitako tao anatin’ireo taona nifandimby fa mbola ambany loatra aza ny tombantombana nataony. Anio aho dia maniry ny hankahery anareo eo amin’ny fahasahiranana izay atrehanareo.

Ny fiainantsika eto an-tany dia narafitry ny Andriamanitra iray feno fitiavana mba ho fitsapana sy ho loharanom-pivoarana ho antsika tsirairay. Tsaroanareo ny tenin’ Andriamanitra mahakasika ireo zanany tamin’ny nahariana an’izao tontolo izao hoe: “Dia hosedraintsika amin’izany izy ireo, hahitana raha toa izy ireo hanao ny zava-drehetra handidian’ny Tompo Andriamaniny azy ireo.”1

Hatrany am-piandohana dia tsy mora mihitsy ireo fitsapana. Miatrika fisedrana isika noho ny fananana vatana mety maty. Isika rehetra dia miaina ao anaty tontolo iray izay ahitana fa mihamafy ny ady ataon’i Satana hanoherana ny fahamarinana sy ny fahasambarantsika. Mety ho tsapanao ho toy ny ao anatin’ny korontana kokoa hatrany izao tontolo izao sy ny fiainanao manokana.

Izao no fanomezan-toky omeko: ilay Andriamanitra be fitiavana izay namela anao hiatrika ireo fitsapana ireo dia namolavola ihany koa fomba iray azo antoka handresena izany. Tian’ny Ray any An-danitra tokoa izao tontolo izao ka nalefany ny Zanany Malalany hanampy antsika.2 I Jesoa Kristy Zanakalahiny, dia nanolotra ny ainy ho antsika. Nozakain’i Jesoa Kristy tao Getsemane sy teo amin’ny hazofijaliana ny vesatry ny fahotantsika rehetra. Niainany avokoa ireo fahoriana, fanaintainana ary ny vokatry ny fahotantsika mba hahafahany mankahery sy mampatanjaka antsika ao anatin’ny fitsapana rehetra eo amin’ny fiainana.3

Tsaroanareo fa nilaza tamin’ireo mpanompony ny Tompo hoe:

“Ary ny Raiko sy Izaho dia iray. Izaho ao amin’ ny Ray ary ny Ray ato Amiko, ary raha efa nandray Ahy ianareo, dia ianareo ato Amiko ary Izaho ao aminareo.

“Koa eo afovoanareo Aho, ary Izaho no mpiandry tsara sy vatolampin’i Isiraely. Izay manorina eo ambonin’ity vatolampy ity dia tsy hianjera na oviana na oviana.”4

Ny mpaminanintsika, Filoha Russell M. Nelson, dia nanome koa toky mitovy amin’izany. Ankoatra izay dia namariparitra fomba iray izy ahafahantsika manorina eo ambonin’io vatolampy io sy mametraka ny anaran’ny Tompo ao am-pontsika mba hitarihana antsika eo am-piatrehana ireo fitsapana mahazo antsika.

Hoy Izy: “Ianao izay mety hahatsapa hakiviana mandalo, dia tsarovy fa tsy natao ho mora ny fiainana. Tsy maintsy mandalo fitsapana sy mizaka fahoriana mandritra ny fiainana. Raha mahatsiaro ianao fa ‘miaraka amin’ Andriamanitra tsy misy zavatra tsy hainy ho tanterahana’ (Lioka 1:37, dikanteny ara-bakitenin’ny ao amin’ny Baiboly King James), dia fantaro fa Rainao Izy. Ianao dia zanakalahiny na zanakavaviny nohariana araka ny endriny, manan-jo noho ny fahamendrehanao handray fanambarana hanampy anao amin’ireo zavatra rariny katsahinao. Azonao raisina eo aminao ny anarana masin’ny Tompo. Afaka ny ho mendrika ianao hiteny amin’ny anarana masin’ Andriamanitra ( jereo ny F&F 1:20).”5

Ny tenin’ny Filoha Nelson dia mampahatsiahy antsika an’ilay fampanantenana atao ao amin’ny vavaky ny fanasan’ny Tompo, fampanantenana izay tanterahan’ny Raintsika any An-danitra rehefa tanterahantsika ny zavatra hampanantenaintsika koa.

Henoy ireo tonony: “Andriamanitra Ray Mandrakizay ô, mangataka Anao izahay, amin’ ny anaran’ ny Zanakao Jesoa Kristy hitahy sy hanamasina ity mofo ity ho an’ ny fanahin’ ireo rehetra izay mandray amin’ izany, mba hahazoany mihinana ho fahatsiarovana ny vatan’ ny Zanakao sy hijoroany ho vavolombelona Aminao, Andriamanitra Ray Mandrakizay ô, fa vonona izy ireo ny hitondra ny anaran’ ny Zanakao, ny hahatsiaro Azy mandrakariva ary ny hitandrina ny didiny izay efa nomeny azy ireo; mba hananany mandrakariva ny Fanahiny miaraka aminy. Amena.”6

Isaky ny manonona ilay teny hoe amena sika rehefa tononina ho antsika io vavaka io, dia mampanantena amin’ny alalan’ny fandraisana ny mofo isika fa vonona ny hitondra eo amintsika ny anarana masin’i Jesoa Kristy, sy ny hahatsiaro Azy mandrakariva, ary ny hitandrina ny didiny. Etsy ankilany dia ampanantenaina antsika fa afaka manana mandrakariva ny Fanahiny miaraka amintsika isika. Noho ireo fampanantenana ireo, dia ny Mpamonjy no ilay vatolampy izay azontsika ijoroana soa aman-tsara sy tsy amin-tahotra eo amboniny mandritra ny fisedrana rehetra izay atrehantsika.

Rehefa nandinika ireo teny ao amin’ilay fanekempihavanana aho sy ireo fitahiana ampanantenaina mifandraika amin’izany, dia nanontany tena hoe inona no hevitry ny hoe vonona ny hitondra ny anaran’i Jesoa Kristy.

Nanazava ny Filoha Dallin H. Oaks hoe: “Manan-danja ilay hoe rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia tsy mijoro ho vavolombelona hoe mitondra ny anaran’i Jesoa Kristy. Fa mijoro ho vavolombelona fa ho vonona hanao izany. (Jereo ny F&F 20:77.) Ilay hoe ny fahavononantsika fotsiny no ijoroantsika ho vavolombelona dia maneho fa misy zavatra hafa tokony mbola hitranga mialoha ny tena hitondrantsika io anarana masina io amin’ny lafiny manan-danja indrindra.”7

Ilay filazana hoe “vonona [isika] hitondra” ny anarany dia manambara amintsika fa raha sambany isika no nitondra ny anaran’ny Mpamonjy tamintsika natao batisa, dia tsy mbola vita tamin’ny batisa akory ny fitondrana ny anarany. Tsy maintsy miezaka tsy tapaka isika hitondra ny anarany mandritra ny androm-piainantsika, anisan’izany rehefa manavao fanekempihavanana eo am-pandraisana ny fanasan’ny Tompo, sy rehefa manao fanekempihavanana any amin’ny tempoly masin’ny Tompo.

Koa misy fanontaniana manan-danja anankiroa izany ho antsika tsirairay dia hoe “Inona no tsy maintsy ataoko mba hitondrana ny anarany?” ary koa hoe “Ahoana no ahafantarako fa mivoatra aho?”

Maneho valin-teny maha-velom-panantenana ny zavatra nolazain’ny Filoha Nelson. Nilaza izy fa afaka mitondra ny anaran’ny Mpamonjy isika ary afaka miteny eo amin’ny toerany. Rehefa miteny eo amin’ny toerany isika dia manompo Azy. “Fa ahoana moa no ahalalan’ny olona iray ny tompo izay tsy notompoiny sy izay vahiny aminy ary lavitry ny eritreriny sy ny fikasan’ ny fony?”8

Ny hoe miteny eo amin’ny toerany dia mitaky vavaka amim-pinoana. Mitaky vavaka amin-kitsim-po amin’ny Ray any An-danitra ny fahafantarana hoe inona no teny azontsika ambara mba hanampiana ny Mpamonjy eo amin’ny asany. Tsy maintsy mendrika isika vao mahazo ilay fampanantenana hoe: “Na amin’ny alalan’ny feoko na amin’ny alalan’ny feon’ny mpanompoko, dia iray ihany izany.”9

Kanefa mitaky mihoatra noho ny miteny eo amin’ny toerany izany hoe mitondra ny anarany izany. Misy fahatsapana izay tsy maintsy ananantsika ao am-pontsika izay isika vao mendrika ny ho mpanompony.

Nosoritsoritan’i Môrmôna mpaminany ireo fahatsapana izay maha-mendrika antsika sy ahafahantsika mitondra ny anarany. Ireo fahatsapana ireo dia ahitana ny finoana sy ny fanantenana ary ny fiantrana, izay ny fitiavana madion’i Kristy.

Nanazava i Môrmôna hoe:

“Satria tsaraiko fa manam-pinoana an’ i Kristy ianareo noho ny fietrenareo; fa raha tsy manam-pinoana Azy ianareo, dia tsy mendrika ianareo amin’ izany ny voaisa ho eo anivon’ ny vahoakan’ ny fiangonany.

“Ary koa, ry rahalahiko malala, mba te hiresaka aminareo ny momba ny fanantenana aho. Ahoana no ahatongavanareo amin’ ny finoana, raha tsy manana fanantenana ianareo?

“Ary inona no hantenainareo? Indro, lazaiko aminareo fa hanana fanantenana ianareo amin’ ny alalan’ ny sorompanavotan’ i Kristy sy ny herin’ ny fitsanganany amin’ ny maty mba hatsangana ho amin’ ny fiainana mandrakizay, ary izany dia noho ny finoanareo Azy araka ny fampanantenana.

“Koa, raha manam-pinoana ny olona iray dia tsy maintsy ilaina ny hananany fanantenana; fa raha tsy misy finoana dia tsy mety hisy fanantenana.

“Ary koa, indro lazaiko aminareo fa tsy afaka ny hanana finoana sy fanantenana izy raha tsy malemy fanahy sy mietry am-po.

“Raha tsy izany dia foana ny finoany sy ny fanantenany, fa tsy misy azo ekena eo anoloan’ Andriamanitra afa-tsy ny malemy fanahy sy ny mietry am-po; ary raha malemy fanahy sy mietry am-po ny olona iray, ary miaiky amin’ ny alalan’ ny herin’ ny Fanahy Masina fa i Jesoa no Kristy, dia tsy maintsy ilaina ny hananany fiantrana; fa raha tsy manana fiantrana izy dia tsinontsinona; koa tsy maintsy ilaina ny hananany fiantrana.”

Rehefa avy nanoritsoritra ny fiantrana i Môrmôna dia nanohy niteny hoe:

“Fa ny fiantrana kosa dia ny fitiavana madion’i Kristy ary maharitra mandrakizay izany; ary na zovy na zovy no hita ho manana izany amin’ny andro farany, dia soa ho azy izany.

“Noho izany ry rahalahiko malala dia mivavaha amin’ ny Ray amin’ ny herin’ ny fo manontolo mba hahazoana mameno anareo amin’ izany fitiavana izany, izay efa natolony ireo rehetra izay mpanaradia marina an’ i Jesoa Kristy Zanany; mba hahatonga anareo ho zanak’ Andriamanitra; ka rehefa hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy tahaka ny maha-Izy Azy; mba hananantsika izany fanantenana izany; mba hahazoana manadio antsika tahaka Azy izay madio. Amena.”10

Ny fijoroako ho vavolombelona dia hoe mametraka ny Anarany ao am-ponareo ny Mpamonjy. Ho an’ny ankamaroanareo dia mitombo ny finoanareo Azy. Mahatsapa fanantenana kokoa ianareo sy mijery kokoa ny lafy tsaran-javatra. Ka mahatsapa ny fitiavana madion’i Kristy ho an’ny hafa sy ho an’ny tenanareo ianareo.

Hitako izany eo amin’ireo misiônera manompo manerana izao tontolo izao. Hitako izany eo amin’ireo mpikambana izay miresaka amin’ny naman’izy ireo sy ny fianakavian’izy ireo momba Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Ireo lehilahy, ireo vehivavy, ireo zatovo, eny fa na ireo ankizy aza dia manompo noho ny fitiavany ny Mpamonjy sy ny mpiara-belona amin’izy ireo.

Vantany vao tonga ny tatitra mahakasika voina na aiza na aiza eto an-tany, dia mpikambana maro no manao drafitra handeha hamonjy, indraindray miampita ranomasimbe, tsy misy maniraka akory. Indraindray izy ireo dia tsy mahatombina eo am-piandrasana ny fotoana ahafahan’ireo faritra tra-boina mandray azy ireo amin’izay.

Azoko an-tsaina fa ny sasany aminareo izay mihaino eto androany dia mety mahatsapa fa resin’ny olana mahazo anareo ny finoanareo sy ny fanantenanareo. Ary mety maniry hahatsapa fitiavana ianareo.

Ry rahalahy sy ranabavy isany, misy fahafahana maro avy amin’ny Tompo tsy lavitra anareo hahafahanareo mahatsapa sy mizara ny Fitiavany. Afaka mivavaka ianareo, amim-pahatokiana fa hitarika anareo ny Tompo hitia olona iray eo amin’ny toerany. Mamaly ny vavaka ataon’ireo tsara sitrapo be fietrena toa anareo Izy. Ho tsapanareo ny fitiavan’ Andriamanitra anareo sy an’ilay olona izay tompoinareo amin’ny anarany. Rehefa manampy ireo zanak’ Andriamanitra ao anatin’ny fahoriany ianareo, dia ho lasa maivana kokoa ny fahorianareo manokana. Ho lasa mahery kokoa ny finoanareo sy ny fanantenanareo.

Vavolombelona nanatri-maso an’izany fahamarinana izany aho. Nandritra ny androm-piainany ny vadiko dia niteny ho an’ny Tompo ary nanompo olona ho Azy. Araka izay efa nolazaiko teo aloha, dia nilaza tamiko ny iray tamin’ireo evekanay indray mandeha hoe: “Tena talanjona aho. Isaky ny mahare olona iray ato amin’ny paroasy aho hoe manana olana, dia tonga faingana aho hanampy. Kanefa amin’ny fotoana ahatongavako, dia toa efa tonga teo foana ny vadinao.” Marina izany tany amin’ireo toerana rehetra izay niainanay nandritra ny 56 taona.

Ankehitriny izy dia tsy afaka miteny afa-tsy teny vitsivitsy monja isan’andro. Olona maro izay notiaviny teo amin’ny toeran’ny Tompo no tonga mamangy azy. Isan-kariva sy isa-maraina aho dia miara-mihira aminy, dia mivavaka izahay. Tsy maintsy izaho no manonona ny vavaka sy re mihira. Indraindray dia hitako ny molony mihetsiketsika toa manonona ireo tonon-kira. Ireo hiran’ny ankizy no tiany kokoa. Ny fahatsapana izay toa tiany indrindra dia voafehy ao amin’ilay hira hoe: “Miezaka ny ho toa an’i Jesoa aho.”11

Indray mandeha, rehefa avy nihira ny isan’andininy hoe “Aoka ianareo mba hifankatia, [Miezaha] ho tsara fanahy sy ho feno fitia,” dia niteny mora izy kanefa mazava tsara hoe: “Miezaha, miezaha, miezaha.” Mino aho fa ho tsapany, rehefa hahita ny Mpamonjy izy, fa napetraky ny Mpamonjy tao am-pony ny anarany ary efa tonga tahaka Azy izy. Mitrotro azy Izy ankehitriny ao anatin’ireo olany, tahaka ny hitrotroany anao manoloana ny anao ihany koa.

Mijoro ho vavolombelona aminao aho fa mahafantatra anao ny Mpamonjy ary tia anao. Fantany ny anaranao tahaka ny hahafantaranao ny Azy. Fantany ny fahorianao. Efa niainany ireny. Tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany no nandreseny an’izao tontolo izao. Amin’ny alalan’ny fahavononanao handray ny anarany eo aminao no hanamaivananao ny enta-mavesatr’olon-kafa tsy tambo isaina. Ary ho hitanao any aoriana fa ho fantatrao kokoa ny Mpamonjy ary ho tia Azy kokoa ianao. Ho ao am-ponao ny anarany, ary tsy ho afaka ao an-tsainao. Izany no anarana izay hiantsoana anao. Izany ho ijoroako ho vavolombelona amim-pankasitrahana noho ny fitiavana feno hatsaram-panahy nomeny ahy, sy an’ireo olon-tiako, ary ho anao, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.