2010–2019
Maratra
Ôktôbra 2018


15:29

Maratra

Manàna faharetana miaritra ao anatin’ny memin’ireo fitsapana eto an-tany, dia hitondra hazavana, fahatakarana, fiadanana, ary fanantenana ny hery manasitran’ny Mpamonjy.

Tamin’ny 22 martsa 2016 taloha kelin’ny tamin’ny valo ora maraina dia nisy baomba anankiroa napetraky ny mpampihorohoro nipoaka tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Bruxelles. Nitondra an-dRahavavy Fanny Clain tany amin’ilay seranam-piaramanidina mba handray sidina ho any amin’ny misiônany tany Cleavland Ohio ry Elder Richard Norby sy Elder Mason Wells ary Elder Joseph Empey. Olona roa amby telopolo no namoy ny ainy, ary naratra avokoa ireo misiônera ireo.

Ny tena naratra mafy dia i Elder Richard Norby, 66 taona, izay niara-nanompo tamin-dRahavavy Pam Norby vadiny.

Niresaka momba izany fotoana izany i Elder Richard Norby hoe:

“Tonga dia fantatro teo no ho eo ny zavatra nitranga.

“Nihazakazaka aho hamonjy toerana azo antoka saingy avy hatrany dia nianjera. … Hitako naratra mafy ny tongotro havia. [Tsikaritro] nisy arina mainty mitovy amin’ireny tranon-kala ireny niraraka avy tamin’ny tanako anankiroa. Nendahiko moramora izany kanjo hitako fa tsy arina ilay izy fa ny hoditro may. Nivadika mena ilay lobaka fotsiko noho ny ratra tao an-damosiko.

“Rehefa nanomboka nahatsapa ny zavatra vao nitranga ny saiko dia nanana izao eritreritra mafy izao aho: … fantatry ny Mpamonjy ny toerana nisy ahy sy ny zavatra vao niseho ary [ny zavatra] izay niainako tamin’izay fotoana izay.”1

I Richard Norby tsy mahatsiaro tena ao anaty coma artificiel

Andro sarotra no niandry an’i Richard Norby sy i Pam vadiny taorian’izay fampihorohoroana izay. Nampatoriana tsy hahatsiaro tena izy, narahin’ny fandidiana maro, sy fihomboan’ny otrikaretina, ary fanahiana mafy hoe ho voatana sa tsia ny ainy.

Velona i Richard saingy tsy hitovy amin’ny taloha intsony ny fiainany. Roa taona sy tapany aty aoriana dia mbola eo andalam-pahasitranana ireo ratrany. Misy fitaovana afatotra misolo ny ampahany niala amin’ny tongony. Tsy mitovy amin’ny talohan’ilay fotoana tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Bruxelles tamin’izany fotoana izany ny dingana tsirairay mitranga.

I Richard sy Pam Norby

Nahoana izany no nitranga tamin’i Richard sy i Pam Norby?2 Natoky tamin’ny fanekempihavanany izy ireo, efa nanao asa fanompoana iray tany Côte d’Ivoire talohan’io ary nitaiza ka nahabe fianakaviana mahafinaritra. Mety hiteny avy hatrany ny olona iray hoe “Tsy rariny izany! Tsy mety tsotra izao izany! Namoy ny ainy ho an’ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy izy ireo, koa nahoana izany no nitranga?

Izany no fiainana an-tany

Na dia ho samy hafa aza ny antsipiriany dia mitranga amintsika tsirairay ny loza, ny fitsapana na fanamby tsy nampoizina ara-batana sy ara-panahy satria izany no fiainana an-tany.

Raha nieritreritra momba ireo mpandahateny ho amin’ity fivoriana amin’ny fihaonambe ity fotsiny aho tamin’ity maraina ity dia hitako fa ny anankiroa dia efa namoy zanaka ary ny anankitelo dia namoy zafikely izay niverina any amin’ny fonenany any an-danitra tampoka. Tsy misy afa-bela amin’ny aretina sy ny alahelo, ary araka ny efa voalaza, tamin’ity herinandro ity mihitsy dia nisy anjelin’ny tany izay tena tiantsika, dia Rahavavy Barbara Ballard, niampita tsimoramora ny voaly. Ry Filoha Ballard, tsy hohadinoanay na oviana na oviana ny fijoroana ho vavolombelona nataonao tamin’ity maraina ity.

Mikatsaka fahasambarana isika. Maniry fiadanana isika. Manantena fitiavana isika. Ary ny Tompo dia handrotsaka ranonoram-pitahiana sesehena ho antsika. Saingy misy zavatra iray azo antoka fa mifaningotra amin’ny fifaliana sy ny fahasambarana: tsy maintsy hisy ny fotoana, ora, andro, ary indraindray taona izay hahavoaratra ny fanahinao.

Mampianatra ny soratra masina fa hanandrana ny mangidy sy ny mamy isika3 ary tsy maintsy hisy ny “fifanoherana amin’ny zava-drehetra.”4 Hoy i Jesoa: “[Ny Rainareo any An-danitra dia] mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina.”5

Tsy mitovy ny ratram-po ho an’ny manan-karena sy ny mahantra, ho an’ny kolontsaina na firenena na taranaka iray. Mahazo ny olon-drehetra izany ary ampahany amin’ny fianarana izay raisintsika avy amin’ity fiainana an-tany ity izany.

Ianjadian’izany koa ny olo-marina

Ny hafatro androany dia natokana indrindra ho an’ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra, mitandrina ny fampanantenana nataony tamin’ Andriamanitra, kanefa, tahaka an-dry Norby, na ireo lehilahy sy vehivavy ary ankizy maro eto amin’izao fivoriana maneran-tany izao, dia ianjadian’ny fitsapana sy olana izay tsy ampoizina sy maharary.

Mety ho avy amin’ny loza voajanahary ny ratrantsika na avy amin’ny voina mampalahelo. Mety ho avy amin’ny vady tsy mahatoky izany, izay manakorontana ny fiainan’ny vady sy zanaka miaina am-pahamarinana. Ireo ratra dia mety ho avy amin’ny haizina sy ny alahelo ateraky ny harerahan-tsaina amam-panahy, avy amin’ny aretina tsy nampoizina, avy amin’ny fijaliana na ny fahafatesana aloha loatran’ny olona tiantsika, ny alahelo noho ny olona ao amin’ny fianakaviana izay mandà ny finoany, na ny fanirery noho ny tsy fahafahana mahazo vady mandrakizay, na fahoriana an-jatony maro izay mandratra fo, alahelo tsy hitan’ny maso.6

Samy mahatakatra isika tsirairay fa ny fahasarotana dia ampahan-javatra mandrafitra ny fiainana, saingy rehefa mitranga amintsika mivantana izany dia mety hahaketraka mafy antsika. Tokony ho vonona tsy zohin’ny tahotra isika. Hoy i Paoly Apostoly hoe: “Aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho zavatra mahagaga manjo anareo izany.”7 Voatenona mafy ao amin’ny lamban’ny drafitry ny Raintsika miaraka amin’ireo kofehy marevaky ny fahasambarana sy ny fifaliana ireo kofehy matroky ny fitsapana sy ny fahoriana. Ireo zava-manahirana ireo, na dia sarotra aza, no matetika mampianatra antsika ny lesona tsara indrindra.8

Rehefa mitantara ny tantara mahatalanjon’ireo miaramila 2.060 zatovon’i Helamana isika dia tiantsika ity soratra masina ity: “Araka ny hatsaram-pon’ Andriamanitra, ary fahagagana lehibe ho anay erỳ, ary koa fifalian’ny miaramilanay iray manontolo, fa tsy nisy na dia iray aza taminy maty.”

Dia mitohy ilay fehezan-teny hoe: “Ary tsy nisy koa na dia iray aza teo anivony izay tsy nahazo ratra maro.”9 Samy nahazo ratra ny tsirairay tamin’ireo 2.060 ireo ary ny tsirairay amintsika dia samy haratra amin’ny ady amin’izao fiainana izao, na izany ara-batana, na ara-panahy, na izy roa.

I Jesoa Kristy no Ilay Samaritana tsara fanahy

Aza kivy mihitsy, kanefa na lalina toy ny ahoana aza ny ratran’ny fanahinao, na inona na inona no nahatonga izany, na aiza na aiza ary na oviana na oviana no hitrangany, ary na maharitra hafiriana ny hijanonan’izany eo, dia tsy natao ho resy ara-panahy ianao. Ianao dia natao handresy ara-panahy sy hivelatra ao anatin’ny finoana sy fatokiana an’ Andriamanitra.

Tsy noharian’ Andriamanitra tsy hiankina Aminy ny fanahintsika. I Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika, tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany tsy hay takarina dia tsy vitan’ny hoe mamonjy antsika amin’ny fahafatesana sy manome antsika ny famelana ny fahotantsika amin’ny alalan’ny fibebahana fotsiny, fa vonona ihany koa Izy hamonjy antsika amin’ny alahelo sy ny fijaliana mihatra amin’ny fanahintsika maratra.10

Ilay Samaritana tsara fanahy

Ny Mpamonjy no Samaritana tsara fanahy ho antsika,11 izay nirahina mba “hanafaka izay nampahorina.”12 Manatona antsika Izy raha toa kosa ka mandalo fotsiny antsika ny hafa. Sady feno fangorahana Izy no mametraka ny balsamany manasitrana eo amin’ny ferintsika ary mamatotra izany. Entiny isika. Mikarakara antsika Izy. Mangataka antsika Izy hoe: “[Manatòna] Ahy … ary Izaho hanasitrana [Anareo].”13

“Ary [i Jesoa dia] … hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany; … mba … hitondra eo Aminy ny fanaintainana sy ny aretin’ny olony … [amin’ny fakana ny rofintsika] ho eo Aminy, [sady] feno famindram-po.”14

Manatona ianao izay ory, n’aiza n’aiza ijalianao;

Ho eo amin’ny rako-panavotana, handohalika amin-kitsim-po.

Ento eo ny fo maratra, ka tantarao ny fijalianao.

Fa tsy misy fahoriana an-tany, izay tsy ho sitran’ny Tsitoha.15

Tamin’ny fotoana iray izay nijaliany fatratra dia hoy ny Tompo tamin’ny Mpaminany Joseph Smith: “Ireo zavatra rehetra ireo dia hanome anao traikefa ary ho soa ho anao izany.”16 Ahoana no ahafahan’ny ratra izay maharary ho lasa soa ho antsika? Manàna faharetana miaritra ao anatin’ny memin’ireo fitsapana eto an-tany, dia hitondra hazavana, fahatakarana, fiadanana, ary fanantenana ny hery manasitran’ny Mpamonjy.17

Aza milavo lefona mihitsy

Mivavaha amin’ny fonao manontolo. Ampatanjaho ny finoanao an’i Jesoa Kristy sy ny fisiany ary ny fahasoavany. Mifikira amin’ilay teniny manao hoe: “Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena.”21

Tsarovy fa ny fibebahana dia fanafody ara-panahy mahery vaika.19 Tandremo ny didy ary aoka ho mendrika ilay Mampionona, sady mahatsiaro fa ny Mpamonjy dia nampanantena hoe: “Tsy hamela anareo ho kamboty Aho.”20

Ny fiadanana any amin’ny tempoly dia balsama mitondra fanamaivanana ho an’ireo fanahy maratra. Miverena matetika araka izay azonao atao any amin’ny tranon’ny Tompo miaraka amin’ny fonao maratra sy anaran’ny fianakavianao. Ny tempoly dia manampy antsika hahatakatra ny zavatra mitranga mandritra ny fotoana fohy izay iainantsika eto an-tany amin’ny fijery mibanjina ny mandrakizay.21

Ataovy jery todika ny lasa ary tadidio fa naneho ny fahamendrehanao ianao tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Zanak’ Andriamanitra mendrika ianao, ary afaka mandresy ny ady amin’izao tontolo lavo izao ianao miaraka amin’ny fanampiany. Efa vitanao izany tany aloha tany ary mbola afaka manao izany indray ianao.

Jereo ny hoavy. Tena misy ireo olanao sy ny fahorianao, saingy tsy haharitra mandrakizay izany.22 Hisinda ny haizina eo amin’ny fiainanao, satria “ny Zanaka … [dia nitsangana] miaraka amin’ny fanasitranana ao amin’ny elany.”23

Hoy ry Norby tamiko: “Misy ny fahadisoam-panantenana indraindray saingy tsy navelanay hitoetra velively izany.”24 Hoy i Paoly Apôstôly hoe: “Voageja … nefa tsy tery; very hevitra, nefa tsy mamoy fo; enjehina, nefa tsy nafoy, potraka, nefa tsy maty.”25 Mety ho trotraka ianao saingy aza milavo lefona mihitsy.26

Na dia ao anatin’ny ratra maharary anao aza dia hanolo-tanana ho azy ny hafa ianao sady matoky ilay fampanantenan’ny Mpamonjy hoe: “Na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany.”27 Ireo olona maratra izay mitsabo ny ratran’ny hafa dia anjelin’ Andriamanitra eto an-tany.

Afaka fotoana fohy isika dia hihaino ny mpaminany malalantsika, ny Filoha Russell M. Nelson, lehilahy manana finoana tsy voahozongozona an’i Jesoa Kristy, lehilahin’ny fanantenana sy fiadanana, tian’ Andriamanitra saingy tsy voatsimbina amin’ny ratran’ny fanahy.

Tamin’ny 1995 dia nahitana homamiadana i Emily zanany vavy, izay bevohoka. Nisy ny androm-panantenana sy fifaliana rehefa teraka ilay zanany izay salama tsara. Saingy niverina ilay homamiadana ary nodimandry i Emily malalany roa herinandro monja taorian’ny faha-37 taonany, sady namela ny vady malalany sy ireo zanany dimy mbola kely.

Ny Filoha Nelson nanao lahateny tamin’ny 1995

Nandritra ny fihaonambe maneran-tany, fotoana fohy taorian’ny nahalasany dia namboraka ny Filoha Nelson hoe: “Latsa-dranomason’alahelo aho sady naniry ny ho afaka nanao misimisy kokoa ho an’ilay zanakay vavy. … Raha nanana hery hananganana ny maty aho dia mety ho nalaim-panahy hamerina [azy] indray. … [Saingy] i Jesoa Kristy no mihazona izany fanalahidy izany ary hampiasa izany amin’i Emily … sy ho an’ny olona rehetra amin’ny fotoan’ny Tompo.”28

Ny Filoha Nelson tany Porto Rico

Tamin’ny volana lasa raha namangy ireo Olomasina tany Porto Rico sy nahatsiaro ilay rivo-doza izay nandravarava tamin’ny taon-dasa ny Filoha Nelson dia niresaka tamim-pitiavana sy fangorahana izy hoe:

“Fiainana izany. Izany no ahatongavantsika ety. Tonga ety isika mba hahazo vatana sy hozahan-toetra ary hotsapaina. Ny sasany amin’izany fitsapana izany dia ara-batana, ny sasany ara-panahy, ary ny fizahan-toetranao tety dia sady ara-batana no ara-panahy.”29

“Tsy mbola kivy ianareo. [Tena] faly noho ny aminareo izahay. Efa very zavatra betsaka ianareo ry Olomasina mahatoky, saingy tao anatin’izany rehetra izany dia nampitombo ny finaoanareo an’i Jesoa Kristy Tompo ianareo.”30

“Rehefa mitandrina ny didin’ Andriamanitra isika dia afaka mahita fifaliana eny fa na dia ao anatin’ny toe-javatra ratsy indrindra iainantsika aza.”31

Hofafana ny ranomaso rehetra

Ry rahalahy sy ranabavy, mampanantena anareo aho fa ny fampitomboana ny finoanareo an’i Jesoa Kristy Tompo dia hitondra hery bebe kokoa sy fanantenana lehibe kokoa ho anareo. Ho anareo, ry olo-marina, ilay Mpanasitrana ny fanahintsika no hanasitrana ny ratranareo amin’ny fotoany sy amin’ny fombany.32 Tsy misy tsy fahamarinana, fanoherana, fitsapana, alahelo, ratram-po, fijaliana, fery, na manao ahoana na manao ahoana halaliny, na manao ahoana na manao ahoana harariny, tsy ho tafiditra ao amin’ilay fampiononana sy fiadanana ary fanantenana maharitra omeny, Izy izay handray antsika indray eo anatrehany amin’ny sandriny mivelatra sy ny tanany maratra. Amin’izany andro izany hoy ny Apôstôly Jaona raha nijoro ho vavolombelona, ny marina izay “avy [amin’ ny] fahoriana lehibe”33dia hijoro “miakanjo akanjo fotsy lava … eo anoloan’ny seza fiandrianan’ Andriamanitra.” Ny Zanak’ondry “dia hamelatra ny trano-lainy handrakotra azy … ary hofafan’ Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony.”34 Ho avy izany andro izany. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Amena.

Fanamarihana

  1. Resaka nifanaovana manokana tamin’olona, 26 jan. 2018.

  2. Tao anatin’ny resadresaka iray nifanaovana tamin’ity taona ity i Richard Norby dia nilaza tamiko hoe: “Nanao zavatra mifanaraka amin’izay nomena anay izahay.” Nizara izao manaraka izao izy tao amin’ny diariny: “Ny fitsapana sy ny fizahan-toetra izay tonga amintsika tsirairay dia manome fahafahana hahafantatra tsara kokoa ny Mpamonjy sy hahatakatra amin’ny antsipiriany lalina kokoa ny momba ny sorona fanavotany. Izy no iankinantsika. Izy no katsahintsika. Izy no ianteherantsika. Izy no atokisantsika. Izy no tiantsika amin’ny fontsika manontolo, tsy misy fisalasalana. Efa nanasitrana ireo fanaintainana ara-batana sy ara-pihetseham-po rehetra izay misy eo amin’ny fiainana an-tany ny Mpamonjy. Esoriny ny fanaintainantsika. Hoentiny ireo alahelontsika.”

  3. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:39.

  4. 2 Nefia 2:11.

  5. Matio 5:45.

  6. “Seigneur je te suivrai,” Cantiques, no. 141.

  7. 1 Petera 4:12.

  8. “Dia hosedraintsika amin’izany izy ireo, hahitana raha toa izy ireo ka hanao ny zava-drehetra handidian’ny Tompo Andriamaniny azy ireo” (Abrahama 3:25; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:4–5).

  9. Almà 57:25.

  10. Nanoratra tamiko ny namana iray hoe: “Ny ady amin’ny –haizina sy ny fahoriana– ara-pihetseham-po isan-karazany dia mahatonga anao ho tody hatrany amin’ny fetran’ny fahafahanao manao zavatra, ny fahazotoanao, ny finoanao ary ny faharetanao. Aorian’ny andro maro –hijaliana– dia reraka ianao. Aorian’ny herinandro maro –hijaliana– dia trotraka ianao. Aorian’ny volana maro –hijaliana– dia manomboka malemy ianao. Aorian’ny taona maro –hijaliana– dia miaiky ianao fa mety tsy ho sitrana intsony. Lasa fanomezana sarobidy sy sarotra azo indrindra ny fanantenana. Raha fintinina dia tsy azoko antoka hoe haiko ny hiatrika ity fitsapana ity raha tsy noho [ny Mpamonjy]. Izay ihany no azo hanazavana azy. Tsy haiko hazavaina hoe ahoana no ahaizako izany afa-tsy ny hoe fantatro izany. Noho Izy no nahafahako nandresy tao anatin’izany.”

  11. Jereo ny Lioka 10:30–35.

  12. Lioka 4:18; jereo koa ny Isaia 61:1.

  13. 3 Nefia 18:32.

  14. Almà 7:11–12. “[Nidina] ho ambanin’ny zava-drehetra [Izy], ka [izay no] nahatakarany ny zava-drehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:6).

  15. “Vous qui souffrez, venez,” Cantiques, no. 64.

  16. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:7.

  17. “Fantatrao ny fahalehibeazan’ Andriamanitra; ary Izy hanokana ny fahorianao ho tombontsoanao” (2 Nefia 2:2). “Fantatro fa na zovy na zovy no hametraka ny fitokiany amin’ Andriamanitra dia hotohanana izy amin’ny fizahan-toetra azy sy ny fahasahiranany ary ny fahoriany, ary hasandratra izy amin’ny andro farany” (Almà 36:3).

  18. 2 Korintiana 12:9.

  19. Jereo ny Neil L. Andersen, “The Joy of Becoming CleanEnsign, apr. 1995, 50–53.

  20. Jaona 14:18.

  21. “Raha amin’izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika” (1 Korintiana 15:19).

  22. Ao amin’ny andininy voalohany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna i Nefia dia manazava hoe: “[Efa] nahita fahoriana betsaka aho tamin’ny androko” (1 Nefia 1:1 Nilaza i Nefia taty aoriana hoe: “Na dia teo aza izany dia nitodika tamin’ Andriamanitra aho ary nidera Azy nandritra ny manontolo andro; ary tsy mba nimonomonona ny Tompo aho noho ny fahoriako” (1 Nefia 18:16

  23. 3 Nefia 25:2.

  24. Resaka nifanaovana manokana tamin’olona, 26 jan. 2018.

  25. 2 Korintiana 4:8–9.

  26. Raha nanao fitsidihana tany Isiraely ny Filoha Hugh B. Brown, dia nanontaniana izy hoe nahoana i Abrahama no nodidiana mba hanao sorona ny zanany. Hoy ny navaliny: “Nila nianatra zavatra momba an’i Abrahama i Abrahama” (ao amin’ny Truman G. Madsen, Joseph Smith the Prophet [1989], 93).

  27. Matio 16:25.

  28. Russell M. Nelson, “Children of the Covenant,” Ensign, mey 1995, 32.

  29. Russell M. Nelson, ao amin’ny Jason Swensen, “Better Days Are Ahead for the People of Puerto Rico,” Church News, 9 sept. 2018, 4.

  30. Russell M. Nelson, ao amin’ny Swensen, “Better Days Are Ahead,” 3.

  31. Russell M. Nelson, amin’ny Swensen, “Better Days Are Ahead,” 4.

  32. Jereo ny Russell M. Nelson, “Jesus Christ—the Master Healer,” Liahona, nôv. 2005, 85–88.

  33. Apokalypsy 7:14.

  34. Jereo ny Apokalypsy 7:13, 15, 17.