Ahoana no ahafahako mahatakatra?
Rehefa mikatsaka ny hianatra sy hifampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amim-kitsimpo sy amim-pahazotoana ary amim-pahamatorana isika, dia afaka hanova fo ireo fampianarana ireo.
Ry rahalahy sy ranabaviko malala, tena fifaliana lehibe ny miaraka aminareo indray amin’ity fihaonambe maneran-tany an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ity izay eo ambany fitarihan’ny mpaminany malalantsika, ny Filoha Russell M. Nelson. Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa hanana fahafahana hihaino ny feon’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika isika mandritra ity fihaonambe ity, amin’ny alalan’ny fampianaran’ireo izay hivavaka sy hihira ary handaha-teny momba ireo zavatra ilaintsika amin’izao androntsika izao.
Araka ny voarakitra ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia nampianatra ny filazantsara tamina tandapa Etiopiana niandraikitra ny harena rehetran’ny mpanjakavavin’i Etiopia i Filipo ilay evanjelista.1 Rehefa niverina avy nitsaoka tany Jerosalema izy dia namaky ny bokin’i Isaia. Nentanin’ny Fanahy i Filipo hanatona azy ary niteny taminy hoe: “Moa fantatrao va izay vakinao?
“Fa hoy [ilay tandampa]: Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra ahy? …
“Ary Filipo niloa-bava, dia nanomboka teo amin’izany Soratra Masina izany nitory an’i Jesosy taminy.”2
Ilay fanontaniana napetrak’io Etiopiana io dia fampahatsiahivana ilay iraka masina nomena antsika mba hikatsaka ny hifampianatra sy hianatra avy amintsika samy isika.3 Raha ny marina, rehefa miresaka fianarana sy fampianarana ny filazantsara, dia indraindray isika tahaka ilay Etiopiana: mila ny fanampian’ny mpampianatra mahatoky sy entanim-panahy isika; ary indraindray isika dia tahaka an’i Filipo: mila mampianatra sy mankahery ny hafa ao amin’ny fiovampony isika.
Ny tanjontsika rehefa mikatsaka ny hianatra sy hampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy ny hoe hampitombo finoana an’ Andriamanitra sy ny drafitra lehiben’ny fahasambarana sy finoana an’i Jesoa Kristy sy ny sorona fanavotana nataony ary hahatratra fiovampo maharitra. Izany fitomboana finoana sy fiovampo izany dia hanampy antsika hanao sy hitandrina fanekempihavanana amin’ Andriamanitra, izay hampatanjaka ny faniriantsika hanaraka an’i Jesoa Kristy ary hitarika fiovana ara-panahy tena izy ao amintsika, izay lazaina ihany koa hoe lasa olom-baovao, araka ny nampianarin’i Paoly Apôstôly ao amin’ny epistiliny ho an’ny Korintiana.4 Izany fiovana izany dia hanome antsika fiainana sambatra, mamokatra, ary mahasoa kokoa ary hanampy antsika hanana fomba fijery mifantoka amin’ny mandrakizay hatrany. Moa ve tsy izany no nitranga tamin’ilay tandapa Etiopiana taorian’ny nianarany momba ny Mpamonjy ary niovany fo ho an’ny filazantsarany? Ny soratra masina dia milaza fa “nandeha tamin’ny nalehany izy sady nifaly.”5
Ilay didy mba hianatra sy hifampianatra ny filazantsara dia tsy zava-baovao; efa nomena tsy tapaka hatrany amin’ny fiantombohan’ny tantaran’ny olombelona izany.6 Tamin’ny fotoana iray, raha tao amin’ny lemak’i Moaba i Mosesy sy ny vahoakany nialoha ny nidirana tao amin’ny tany nampanantenaina, dia nanome aingam-panahy azy ny Tompo mba hananatra ny vahoakany mikasika ny andraikitr’izy ireo hianatra ireo lalàna sy fanekempihavanana noraisin’izy ireo avy tamin’ny Tompo ary hampianatra izany amin’ny taranak’izy ireo,7 izay ny maro tamin’izany dia tsy niaina mivantana ny fiampitana ny Ranomasina Mena na ny fanambarana nomena tao an-Tendrombohitr’i Sinay.
Hoy Mosesy nananatra ny vahoakany:
“Ary ankehitriny, ry Isiraely, mihainoa ny didy sy ny fitsipika izay ampianariko anareo harahinareo, mba ho velona hianareo ka hiditra sy handova ny tany izay omen’i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anareo. …
“… Fa ampahafantaro ny zanakao sy ny zafinao izany.”8
Dia namarana izany i Mosesy tamin’ny filazana hoe: “Dia tandremo ny lalàny sy ny didiny izay andidiako anao anio, mba hahita soa hianao sy ny taranakao mandimby anao, ary mba ho maro andro hianao any amin’ny tany, izay omen’i Jehovah Andriamanitrao ho anao mandrakizay.”9
Ireo mpaminan’ Andriamanitra dia nampianatra tsy tapaka fa mila mitaiza ny fianakaviantsika “amin’ny fanabezana sy ny fananarana araka ny Tompo”10 ary “ao amin’ny fahazavana sy ny fahamarinana” isika .11 Vao tsy ela ny Filoha Nelson no nilaza hoe: “Amin’izao andro hitomboan’ny tsy fahadiovam-pitondrantena sy ny pôrnôgrafia mampiankin-doha izaitsizy izao dia manana andraikitra ireo ray aman-dreny hampianatra ny zanany ny maha-manan-danja an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainan’izy ireo.”12
Ry rahalahy sy ranabavy, ny fampitandreman’ny mpaminany malalantsika dia fampahatsiahivana fanampiny ny amin’ny andraikitsika manokana mba hikatsaka ny hianatra sy hampianatra ao amin’ny fianakaviantsika fa misy ny Ray any An-danitra izay tia antsika sy namolavola drafitry ny fahasambarana masina ho an’ireo zanany; fa i Jesoa Kristy Zanany no Mpanavotra izao tontolo izao; fa ny famonjena dia tonga avy amin’ny finoana ny anarany.13 Mila miorim-paka eo amin’ny vatolampin’i Jesoa Kristy Mpanavotra antsika ny fiainantsika, izay hanampy antsika isam-batan’olona sy fianakaviana hanana ny fahatsapantsika manokana misoratra ao am-pontsika, ka izany dia hanampy antsika haharitra ao amin’ny finoantsika.14
Mety ho tsaroinareo fa mpianatr’i Jaona Mpanao Batisa anankiroa no nanaraka an’i Jesoa Kristy taorian’ny nahenoan’izy ireo an’i Jaona nijoro ho vavolombelona fa i Jesoa no Zanakondrin’ Andriamanitra, dia ilay Mesia. Nanaiky ny fanasan’i Jesoa hoe: “Avia, fa ho hitanareo”15 ireo lehilahy tsara ireo ary nitoetra niaraka Taminy tamin’io andro io. Lasa nahafantatra izy ireo fa i Jesoa no ilay Mesia, ilay Zanak’ Andriamanitra, ary nanaraka Azy nandritra ny fiainan’izy ireo manontolo izy ireo.
Torak’izany koa, rehefa manaiky ny fanasan’ny Mpamonjy hoe: “Avia, fa ho hitanareo” isika dia mila mitoetra ao Aminy, miroboka ao amin’ny soratra masina, mifaly ny amin’izany, mianatra ny fotopampianarany, ary miezaka miaina araka ny fomba niainany. Raha tsy izany isika dia tsy ho tonga amin’ny fahafantarana Azy, i Jesoa Kristy, sy ny feony, mahafantatra fa rehefa manatona Azy isika ary mino Azy dia tsy ho noana na hangetaheta intsony.16 Afaka hamantatra fahamarinana amin’ny fotoana rehetra isika, tahaka izay nitranga tamin’ireo mpianatra roa nitoetra niaraka tamin’i Jesoa tamin’io andro io.
Ry rahalahy sy anabavy, tsy kisendrasendra no hahatanteraka izany. Tsy mora ny mampitovy ny tadin-dokangantsika amin’ireo fitaomana avo indrindran’ny maha-Andriamanitra; mitaky ny fiantsoana an’ Andriamanitra ary ny fianarana mametraka ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ho ivon’ny fiainantsika izany. Raha manao izany isika dia mampanantena anareo aho fa ny fitaoman’ny Fanahy Masina dia hitondra fahamarinana ao am-ponareo sy ao an-tsainareo ary hijoro ho vavolombelona ny amin’izany,17 hampianatra anareo ny zava-drehetra.18
Ny fanontanian’ilay Etiopiana hoe: “Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra ahy?” dia misy dikany manokana ihany koa eo amin’ny sahan-kevitry ny andraikitsika tsirairay avy mba hampihatra ireo fitsipiky ny filazantsara nianarantsika eo amin’ny fiainantsika. Raha ny momba ilay Etiopiana ohatra dia nanao asa araka ny fahamarinana nianarany avy tamin’i Filipo izy. Nangataka mba hatao batisa izy. Lasa nahafantatra izy fa i Jesoa Kristy no Zanak’ Andriamanitra.19
Ry rahalahy sy anabavy, ny zavatra ataontsika dia tsy maintsy hahitana taratra ny zavatra ianarantsika sy ampianarintsika. Mila mampiseho ny zavatra inoantsika isika amin’ny alalan’ny fomba fiainantsika. Ny olona maneho ohatra tsara no mpampianatra tsara indrindra. Ny fampianarana zavatra izay tena iainantsika dia afaka miantefa lalina ao am-pon’ireo izay ampianarintsika. Raha maniry isika ny hiraketan’ny olona, na fianakaviana izany na tsia, amim-pifaliana ny soratra masina sy ny fampianaran’ireo apôstôly sy mpaminany velona amin’ny androntsika, dia mila mahita ny fanahintsika mankamamy izany izy ireo. Torak’izany koa, raha toa isika maniry ny hahafantaran’izy ireo fa ny Filoha Russell M. Nelson no mpaminany sy mpahita ary mpanambara amin’izao androntsika izao, dia mila mahita antsika manangana ny tanantsika mba hanohana azy izy ireo ka ho hahita izy ireo fa manaraka ny fampianarany entanim-panahy isika. Araka ilay fiteny malaza hoe: “Ny toky fitaka fa ny atao no hita.”
Ny sasany aminareo angamba amin’izao fotoana izao mihitsy dia manontany tena hoe: “Ry Loholona Soares, efa nanao ireo zavatra rehetra ireo aho ary nanaraka izany lamina izany na izaho tenako na niaraka tamin’ny fianakaviako, saingy indrisy, ny namako na olon-tiako sasany dia nanalavitra ny Tompo. Inona no tokony hataoko?” Ho anareo izay miaina izany fahatsapana alahelo, fijaliana, ary angamba nenina izany amin’izao fotoana izao, dia fantaro fa tsy tena hoe very tanteraka izy ireo satria ny Tompo dia mahafantatra ny misy azy ireo ary miambina azy ireo. Tsarovy fa zanany ihany koa izy ireo!
Sarotra ny mahatakatra ireo antony rehetra izay nahatonga azy ireo hanjohy lalana hafa. Ny tsara indrindra azontsika atao ao anatin’ireny toe-javatra ireny dia ny mitia sy mamihina azy ireo fotsiny, mivavaka ho an’izay hahasoa azy ireo, ary mikatsaka ny fanampian’ny Tompo mba hahafantatra ny zavatra tokony atao sy lazaina. Ifalio miaraka amin’izy ireo ny fahombiazany; meteza ho namany ary tadiavo izay tsara ao aminy. Tsy tokony hilavo lefona amin’izy ireo na oviana na oviana isika fa tokony hanao kosa izay hampaharitra fifandraisana. Aza atao mihitsy ny manosi-bohontanana na mitsaratsara azy ireo. Tiavo fotsiny izy ireo! Ilay fanoharana momba ilay zanaka adala dia mampianatra antsika fa rehefa tonga saina ny ankizy dia matetika izy ireo no maniry ny hody. Raha mitranga amin’ny olon-tianareo izany dia fenoy fangorahana ny fonareo, mihazakazaha aminy, fihino ny vozony, ary orohy izy, tahaka ny nataon’ny rain’ilay zanaka adala.20
Ataovy hatrany izay hananana fiainana mendrika, ny ho ohatra tsara ho azy ireo amin’ireo zavatra inoanareo, ary ny hanakaiky bebe kokoa an’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika. Mahafantatra sy mahatakatra ireo alahelontsika sy fijaliantsika lalina indrindra Izy, ary Izy dia hitsodrano ny ezaka ataontsika sy ny fanolorantenantsika ho an’ireo olon-tiantsika, raha tsy amin’ity fiainana ity dia amin’ny fiainan-koavy. Tsarovy foana ry rahalahy sy anabavy fa ny fanantenana dia ampahany lehibe ao amin’ny drafitry ny filazantsara.
Nandritra ireo taona maro nanompoana tato amin’ny Fiangonana dia nahita mpikambana mahatoky nampihatra tsy tapaka ireo fitsipika ireo teo amin’ny fiainany aho. Toy izany no nataon’ny reny tokan-tena iray izay hantsoiko hoe “Mary.” Mampalahelo fa nihatrika fisaraham-panambadiana izay nampijaly azy tokoa i Mary. Tamin’izany fotoana izany dia nahatsapa i Mary fa ireo fanapahan-kevitra lehibe indrindra ho raisiny manoloana ny fianakaviany dia amin’ny lafiny ara-panahy. Mbola ho hanan-danja ho azy ve ny vavaka, fandalinana soratra masina, fifadian-kanina, ary ny fandehanana any am-piangonana sy any amin’ny tempoly?
Nahatoky foana i Mary hatrizay, ary tamin’io fotoana nisiam-panovana goavana teo amin’ny fiainany io dia nanapan-kevitra izy ny hifikitra amin’izay efa fantany fa marina. Nankahery azy ny voalaza ao amin’ “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” izay mampianatra fitsipika mahafinaritra maro, ka ny iray amin’izany dia mampianatra fa ny ray aman-dreny dia manana andraikitra masina ny hitaiza ireo zanany amim-pitiavana sy amim-pahamarinana ary hampianatra azy ireo ny hitandrina hatrany ireo didin’ Andriamanitra.21 Nanohy nikaroka valim-panontaniana avy amin’ny Tompo hatrany izy ary nizara izany tamin’ireo zanany efatra nandritra ireo fotoana rehetra hiarahan’ny fianakaviana. Mifanakalo hevitra matetika momba ny filazantsara izy ireo ary mifampizara zavatra niainana sy fijoroana ho vavolombelona.
Na dia teo aza ireo alahelo nianjady tamin’izy ireo, dia nampitombo ny fitiavan’izy ireo ny filazantsaran’i Kristy sy ny faniriana hanompo sy hizara izany amin’ny hafa ireo zanany. Ny telo amin’izy ireo dia nahavita asa fitoriana tamin’ny fotoana feno tamim-pahatokiana, ary ankehitriny ilay zandriny indrindra dia manompo any Amerika Atsimo. Ilay vavimatoa, izay fantatro tsara, izay manambady ankehitriny ary matanjaka ao amin’ny finoany, dia nizara hoe: “Tsy mbola nahatsapa mihitsy aho hoe nitaiza anay irery i neny satria tao an-tokantranonay foana ny Tompo. Rehefa nizara ny fijoroany ho vavolombelona momba Azy taminay izy, dia nanomboka nitodika Taminy izahay tsirairay avy mba hahazoanay ny valin’ny fanontanianay manokana. Feno fankasitrahana aho fa novelombelominy ho anay ny filazantsara.”
Ry rahalahy sy anabavy, io reny tena tsara io dia afaka nanao ny tokantranony ho ivon’ny fianarana ara-panahy. Tahaka ilay fanontaniana napetrak’ilay Etiopiana no nanontanian’i Mary ny tenany imbetsaka hoe: “Hatao[n’ireo zanako] ahoana no fahay, raha tsy misy [ny reniny] mampianatra [azy ireo]?”
Ry namako malala ao amin’ny filazantsara, mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa rehefa mikatsaka ny hianatra sy hifampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amim-kitsimpo sy amim-pahazotoana ary amim-pahamatorana isika, miaraka amin’ny tanjona tena marina ary eo ambany fanentanan’ny Fanahy, dia afaka hanova fo sy hitaona faniriana hiaina araka ireo fahamarinan’ Andriamanitra ireo fampianarana ireo.
Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy an’izao tontolo izao. Izy no Mpanavotra, ary velona Izy. Fantatro fa mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ireo mpaminaniny, mpahitany, ary mpanambarany Izy. Mijoro ho vavolombelona aminareo ihany koa aho fa velona Andriamanitra, tia antsika Izy. Tiany hiverina eo anatrehany isika, isika tsirairay avy. Mihaino ireo vavaka ataontsika Izy. Mijoro ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana ireo aho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.