Hitondra mankaiza izany?
Manao safidy sy mandray fanapahan-kevitra tsaratsara kokoa isika raha mijery ireo safidy misy sy misaintsaina izay hitondran’izany antsika.
Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny dia mamporisika antsika hieritreritra ny ho avy. Manazava ny tanjon’ny fiainana an-tany sy ny tena fisian’ny fiainana aorian’izao fiainana izao izany. Mampianatra hevitra lehibe momba ny ho avy izany mba hitarihana ny asa ataontsika amin’izao fotoana izao.
Mifanohitra amin’izay, isika rehetra dia mahafantatra olona izay tsy mieritreritra afa-tsy ny anio ihany: mandany izay ananana anio, mankafy ny anio, ary tsy mihevitra ny ampitso.
Ho sambatra kokoa ny fiainantsika amin’izao fotoana izao sy amin’ny ho avy raha mihevitra ny ho avy foana isika. Rehefa mandray fanapahan-kevitra isika amin’izao fotoana izao dia tokony hanontany foana hoe: “Hitondra mankaiza izany?”
I.
Ny fanapahan-kevitra sasany dia safidy mikasika ny hoe hanao zavatra iray na tsy hanao na inona na inona. Nahare ohatra iray amin’io karazana safidy io aho tamin’ny fihaonamben’ny tsatòka iray teto Etazonia taona maro lasa izay.
Tao amin’ny faritra tsara tarehy nisy ny oniversite iray no nitrangan’izany. Nisy andiana mpianatra tanora iray nipetraka teo amin’ny bozaka. Ilay mpitantara izay namariparitra io toe-javatra niseho io dia nilaza fa izy ireo dia nitazana karazana vontsira iray tsara tarehy monina ambony hazo izay manana rambo lehibe sy matevim-bolo nilalao teo amin’ny fototry ny hazo be midoroboka iray. Indraindray dia teo amin’ny tany ilay izy ary indraindray dia niaka-nidina nanodidina ilay vatan-kazo. Fa inona ary no antony nahavariana an’ireo mpianatra maro ireo tamin’ny zavatra efa fahita mahazatra toy izany?
Nisy alika setter irlandais nitsotra nivalampatra teo amin’ny bozaka teo akaiky teo. Io alika io no nahaliana ireo mpianatra, ary ilay karazana vontsira no nahaliana an’ilay alika. Isak’izay tsy tazana kely vetivety ilay karazana vontsira rehefa niakatra ilay hazo dia nandady moramora nandroso kely ilay alika ary avy eo dia niverina nivalampatra indray sady mody tsy taitra. Izany no nahavariana ireo mpianatra. Nangina sy tsy nihetsika ireo mpianatra sady nandinika tsara ny zava-nitranga izay nihanazava hatrany hatrany ny ho vokatra haterany.
Nony farany dia tena efa diso akaiky loatra ilay alika ka afaka niantsampy teo amin’ilay karazana vontsira ary nisambotra azy ho ao am-bavany. Nihiaka noho ny horohoro ireo mpianatra, ary dia nihazakazaka nankeny haingana izy rehetra ka niady mafy nanaisotra ilay biby kely teny amin’ilay alika, saingy tara loatra. Maty ilay karazana vontsira.
Na iza na iza tao anatin’izany andiana mpianatra izany dia afaka nampitandrina ilay karazana vontsira tamin’ny fotoana rehetra tamin’ny alalan’ny kopakopa-tanana na ny antsoantso, saingy tsy nisy nanao izany. Nijery fotsiny izy ireo raha iny nihananatona iny ilay voka-dratsy tsy maintsy hitranga. Tsy nisy nanontany hoe: “Hitondra mankaiza izany?” Rehefa nitranga ilay zavatra efa nampoizina dia nihazakazaka ny rehetra mba hanakana ilay vokatra, saingy efa tara loatra. Tsy nisy afa-tsy nenina tamin-dranomaso no azon’izy ireo natolotra.
Karazana fanoharana io tantara tena nisy io. Azo ampiharina amin’ny zavatra mitranga eo amin’ny fiainantsika izany, ary eo amin’ny fiainan’ny olona sy ny toe-javatra misy manodidina antsika. Rehefa mahita ireo loza mananontanona izay mety hamely ireo olona na zavatra tiantsika isika dia manan-tsafidy isika ny hiteny na hanao zavatra na hijanona amin’izao. Tokony hanontany tena isika hoe: “Hitondra mankaiza izany?” Rehefa hita fa miseho eo no ho eo na goavana ny vokatra hiseho dia tsy tokony hijanona tsy hanao na inona na inona isika. Tokony hanome ny fampitandremana sahaza isika na hanohana ireo ezaka fisorohana izay ilaina raha mbola misy ny fotoana.
Ireo fanapahan-kevitra vao avy nofariparitako teo dia ahitana safidy eo amin’ny fanaovana asa na ny tsy fanaovana na inona na inona. Ny tena fahita dia ireo safidy hanao zavatra iray na zavatra iray hafa. Ireo safidy ireo dia ahitana ny safidy eo amin’ny tsara na ny ratsy, fa ny safidy tena miseho matetika dia ny safidy eo amin’ny zavatra roa izay samy tsara. Amin’ity toe-javatra ity koa dia tsara ny manontany hoe hitondra mankaiza izany. Manao safidy maro eo amin’ny zavatra roa samy tsara isika, izay matetika no tafiditra ao anatin’izany ny fomba handaniantsika ny fotoantsika. Tsy misy maharatsy ny milalao jeux vidéo na ny fandefasana hafatra na ny fijerena fahitalavitra na ny firesahana amin’ny finday. Saingy tafiditra ao anatin’ny tsirairay avy amin’izany ilay antsoina hoe “saran’ny fahafaha-manao zavatra iray” izay midika hoe raha mandany fotoana manao zavatra iray isika dia votsotra ny fahafahantsika manao zavatra iray hafa. Azoko antoka fa ianareo dia afaka mahatakatra tsara fa mila mieritreritra tsara ny zavatra ariantsika isika ao anatin’ny fotoana izay laniantsika amin’ny zavatra iray, na dia tena tsara aza ilay izy.
Fotoana maromaro lasa izay dia nanao lahateny iray aho izay mitondra ny lohateny hoe “Tsara, tsaratsara kokoa, na tsara indrindra.” Nilaza aho tao anatin’io lahateny io hoe: “Tsy hoe satria tsara fotsiny akory ny zavatra dia antony ampy hanaovana azy izany. Ny isan’ireo zavatra tsara azontsika atao dia tena betsaka lavitra noho ny fotoana misy hanatanterahantsika azy ireo. Misy zavatra sasantsasany tsara kokoa noho izay tsara, ary ireo zavatra ireo no tokony hifantohan’ny saintsika voalohany eo amin’ny fiainantsika. … Mila mamela ireo zavatra tsara sasany isika mba hisafidianana zavatra hafa izay tsara kokoa na tena tsara.”1
Mijere lavitra. Inona no ho fiantraikan’ireo fanapahankevitra raisintsika amin’izao fotoana izao amin’ny hoavintsika? Tadidio ny maha-zava-dehibe ny fandrantoana fianarana, ny fandalinana ny filazantsara, ny fanavaozana ny fanekempihavanantsika amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo, ary ny fankanesana any amin’ny tempoly.
II.
Ny hoe “Mitondra mankaiza izany?” dia manan-danja ihany koa eo amin’ny fisafidianana ny fomba hiantsoantsika ny tenantsika na hieritreretantsika ny tenantsika. Ny manan-danja indrindra dia hoe zanak’ Andriamanitra afaka ny hahazo ny fiainana mandrakizay ny tsirairay avy amintsika. Ny anarana fiantsoana hafa rehetra, na dia tafiditra ao aza ny asa atao, ny firazanana, ny toetoetry ny vatana na ny voninahitra, dia zavatra mandalo na tsy manan-danja raha jerena amin’ny fomba fijery mandrakizay. Aza misafidy ny hanome anarana ny tenanao na mieritreritra ny tenanao amin’ny fomba izay manisy fetra ny tanjona izay azonao ezahina tratrarina.
Ry rahalahiko sy anabaviko izay mety mijery na mamaky ny zavatra lazaiko eto, manantena aho fa fantatrareo ny antony hanomezan’ireo mpitarika anareo ireo fampianarana sy torohevitra izay omenay anareo. Tianay ianareo, ary tia anareo ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany. Ny drafitr’izy ireo ho antsika dia “ilay drafitra lehiben’ny fahasambarana” (Almà 42:8). Izany drafitra izany sy ireo didiny sy ôrdônansiny ary fanekempihavanany dia mitarika antsika ho amin’ny fahasambarana sy fifaliana lehibe indrindra eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny fiainana ho avy. Amin’ny maha-mpanompon’ ny Ray sy ny Zanaka anay dia mampianatra sy manoro hevitra araka izay natorony anay tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina izahay. Izahay dia tsy manam-paniriana afa-tsy ny hilaza izay marina sy hamporisika anareo hanao ny zavatra nolazain’Izy ireo fa lalana mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay, izay “fanomezana lehibe indrindra amin’ ny fanomezan’ Andriamanitra rehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7).
III.
Indro misy ohatra iray hafa amin’ny fiantraikan’ny fanapahan-kevitra raisintsika amin’izao fotoana izao eo amin’ny ho avy. Io ohatra io dia mahakasika ny safidy mba hanao fahafoizan-tena amin’izao fotoana izao mba hanatratrarana tanjona manan-danja amin’ny ho avy.
Nandritra ny fihaonamben’ny tsatòka iray tao Cali, Colombie, dia nisy rahavavy iray nitantara ny halehiben’ny fanirian’izy sy ny fofombadiny hanambady tany amin’ny tempoly kanefa ny tempoly akaiky indrindra tamin’izany fotoana izany dia tany Pérou izay lavitra tokoa. Nandritra ny fotoana maharitra dia nitahiry ny vola hatao saran-dalana handehanana amin’ny fiarabe fitateram-bahoaka izy ireo. Nony farany dia nandeha tamin’ny fiarabe fitateram-bahoaka nankany Bogotá izy ireo, saingy rehefa tonga tany izy ireo dia nahafantatra fa efa voafandrika avokoa ny toerana rehetra tamin’ny fiarabe nankany Lima Pérou. Afaka nandeha nody tsy vita mariazy izy ireo na nivady ihany fa tsy tany amin’ny tempoly. Soa ihany anefa fa nisy safidy iray hafa azo natao. Afaka nitaingina ilay fiarabe nankany Lima izy ireo raha vonona ny hipetraka ambany tao anatin’ilay fiarabe nandritra ilay dia dimy andro sy dimy alina iray manontolo. Nisafidy ny hanao izany izy ireo. Sarotra ilay izy hoy izy, na dia namela azy ireo nipetraka teo amin’ny sezany aza ny mpandeha sasany indraindray mba hahafahan’izy ireo mitsotsotra eo ambany.
Ny zavatra tena nahavariana ahy tao anatin’ny lahateniny dia ny filazan’io rahavavy io fa feno fankasitrahana izy fa afaka nandeha tany amin’ny tempoly tamin’izany fomba izany izy sy ny vadiny, satria nanova ny zavatra tsapan’izy ireo momba ny filazantsara sy ny zavatra tsapan’izy ireo momba ny fanambadiana any amin’ny tempoly izany. Novalian’ny Tompo soa tamin’ny fitomboana azo avy amin’ny fahafoizan-tena izy ireo. Tsikariny ihany koa fa ny dian’izy ireo nandritra ny dimy andro nankany amin’ny tempoly dia nahatontosa zavatra betsaka kokoa tamin’ny fanorenana ny fiainam-panahin’izy ireo raha oharina amin’ireo fitsidihana natao tany amin’ny tempoly izay tsy nilana nanao fahafoizan-tena.
Tao anatin’ireo taona hatramin’ny nandrenesako izay fijoroana ho vavolombelona izay dia nanontany tena aho hoe mety ho hafa toy ny ahoana ny fiainan’ireo mpivady tanora ireo raha nanao safidy hafa izy ireo, izany hoe tsy nanao ny fahafoizan-tena nilaina mba hanambadiana tany amin’ny tempoly.
Manao safidy maro tsy voatanisa isika eo amin’ny fiainana, izay tena manan-danja ny sasany ary toy ny tsy manan-danja ny sasany. Rehefa manao jery todika isika dia afaka mahita ny halehiben’ny fiovana eo amin’ny fiainantsika izay nentin’ny safidy nataontsika. Manao safidy sy mandray fanapahan-kevitra tsaratsara kokoa isika raha mijery ireo safidy misy sy misaintsaina izay hitondran’izany antsika. Raha manao izany isika dia hanaraka ilay torohevitry ny Filoha Russell M. Nelson mba hanomboka miaraka amin’ny fieritreretana ao an-tsaina ny tanjontsika farany.2 Ho antsika, ny farany dia eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana mandrakariva miainga avy ao amin’ny tempoly mankany amin’ny fiainana mandrakizay, ilay lehibe indrindra amin’ ny fanomezan’ Andriamanitra rehetra.
Mijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy sy ny fiantraikan’ny Sorompanavotany aho ary ny amin’ireo fahamarinana hafa ao amin’ny filazantsarany mandrakizay amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.