2010–2019
Hita tamin’ny alalan’ny herin’ny Bokin’i Môrmôna
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2019


2:3

Hita tamin’ny alalan’ny herin’ny Bokin’i Môrmôna

Tsy maintsy miaina sy hita amin’ny alalan’ny herin’ny fahamarinana voarakitra ao anatin’ny Bokin’i Môrmôna ny rehetra.

Rehefa mitsidika ireo mpikambana niova fo any an-tokantranon’izy ireo aho dia anisan’ireo fanontaniana tiako apetraka matetika amin’izy ireo ny hoe tamin’ny fomba ahoana no nahafantaran’izy ireo sy ny fianakaviany ny Fiangonana ary inona no nahatonga azy ireo hatao batisa. Tsy manan-danja ny hoe mpikambana mazoto na tsy nivavaka nandritra ny taona maro ilay olona amin’io fotoana io. Mitovy hatrany ny valinteny: miaraka amin’ny tsiky sy ny endrik’izy ireo mamiratra, dia manomboka milaza ny tantara nahitana azy izy ireo. Raha ny marina, ny tantaran’ny fiovam-po dia toa ny tantaran’ny fomba nahitana antsika hatrany.

I Jesoa Kristy mihitsy no Tompon’ireo zavatra very. Manan-danja Aminy ireo zavatra very. Izany mihitsy angamba no antony nampianarany momba ireo fanoharana telo hitantsika ao amin’ny toko faha-15 ao amin’ny bokin’i Lioka: ny fanoharana momba ilay ondry very, sy ilay farantsa kely very, ary ilay zanaka adala. Misy zavatra itovizan’ireo tantara rehetra ireo: Tsy manan-danja ny antony naha-very azy ireo. Tsy manan-danja na dia nahafantatra aza izy ireo hoe very. Fahatsapana fifaliana nanambara hoe: “Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very”1 no nanjaka be tao. Amin’ny farany dia tsy misy na inona na inona tena very Aminy.2

Mamelà ahy amin’izao tolakandro izao hizara aminareo ny iray amin’ireo zavatra sarobidy indrindra amiko—ny tantara momba ny nahitana ny tenako.

Talohan’ny naha-15 taona ahy mihitsy dia nasain’i Manuel Bustos dadatoako aho mba hiaraka aminy sy ny fianakaviany ho aty Etazonia. Ho fahafahana lehibe ho ahy hianarako teny anglisy izany. Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana taona maro talohan’izany ny dadatoako, ary tena nanana ny fanahin’ny asa fitoriana izy. Izany angamba no antony niresahan’ny reniko taminy mangingina ka nilazany taminy fa hanaiky ilay fanasana izy miaraka amin’ny fepetra iray: fa tsy hiezaka ny handresy lahatra ahy ny hiditra ho mpikamban’ity Fiangonana ity izy. Katôlika izahay ary efa nandritra ny taranaka mifandimby maro no naha-katôlika anay, ary tsy nisy antony tokony hiovana. Nanaiky tanteraka ny dadatoako ary nitandrina ny teniny ka tsy te-hamaly na ny fanontaniana tsotra indrindra momba ny tempoly azy izy.

Mazava ho azy fa ny zavatra tsy azon’ny dadatoako sy i Marjorie nenitoako nialana dia ny fanehoana ny maha-izy azy ireo.3

Nomena efitra iray izay nisy karazam-boky maro aho. Hitako fa nisy tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna saika ho 200 isa tamin’ny fiteny samy hafa tao anatin’io tranom-boky io, ary tamin’ny teny espaniôla ny 20 tamin’izany.

Indray andro, noho ny faniriana te-hamantatra fotsiny, dia naka tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny teny espaniôla aho.

Bokin’i Môrmôna amin’ny teny espaniôla

Isan’ireny tahadika nisy fonony manga toy ny lanitra, nisy ny sarin’ny anjely Môrônia teo anoloana ireny izany. Rehefa nanokatra izany aho, dia voasoratra tao amin’ny pejy voalohany izao fampanantenana manaraka izao: “Ary rehefa handray ireto zavatra ireto ianareo, dia ta-hamporisika anareo aho ny mba hanontanianareo an’ Andriamanitra, Ilay Ray Mandrakizay, amin’ny anaran’i Kristy, raha tsy marina ireto zavatra ireto; ary raha manontany amin-kitsimpo ianareo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’i Kristy, dia haneho ny fahamarinan’izany aminareo Izy amin’ny herin’ny Fanahy Masina.”

Dia niampy an’izao izany hoe: “Ary amin’ny herin’ ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra.”4

Sarotra ny manazava ny fiantraikan’ireo soratra masina ireo tao an-tsaiko sy tao am-poko. Raha ny marina dia tsy nitady “ny fahamarinana” aho. Mbola vao zatovo, izay faly tamin’ny fiainany, sy nankafy ity kolontsaina vaovao ity aho.

Kanefa, niaraka tamin’izany fampanantenana izany tao an-tsaiko, dia nanomboka namaky an-tsokosoko ilay boky aho. Rehefa namaky bebe kokoa aho dia takatro fa raha toa ka tena te-hahazo zavatra avy amin’izany aho dia tokony hanomboka hivavaka. Ary isika rehetra dia mahafantatra ny zavatra mitranga rehefa manapa-kevitra ny tsy hamaky fotsiny ihany fa ny hivavaka momba ny Bokin’i Môrmôna ihany koa. Tena izany mihitsy no nitranga tamiko. Zavatra tena niavaka sy tsy nanam-paharoa tamiko izany—eny, mitovy amin’ny zava-nitranga tamin’ireo an-tapitrisany maro manerana izao tontolo izao. Nanjary fantatro tamin’ny herin’ny Fanahy Masina fa marina ny Bokin’i Môrmôna.

Dia nanatona ny dadatoako aho mba hanazava aminy izay nitranga ary koa fa vonona ny hatao batisa aho. Tsy tanan’ny dadatoako ny fahagagany. Niditra tao anatin’ny fiarany izy, namily nankany amin’ny seranam-piaramanidina, dia niverina niaraka tamin’ny tapakila hisidinako mody, niaraka tamin’ny taratasy kely ho an’ny reniko izay nilaza tsotra hoe: “Tsy misy hidirako ny amin’ity!”

Amin’ny lafiny iray dia marina ny voalazany. Hita mivantana tamin’ny alalan’ny herin’ny Bokin’i Môrmôna aho.

Mety maro ireo izay hita tamin’ny alalan’ireo misiônera mahafinaritra manerana izao tontolo izao, ary tamin’ny fomba mahagaga ny tranga tsirairay. Na mety hita tamin’ny alalan’ny namana izay ninian’ Andriamanitra napetraka teny amin’ny lalan’izy ireo izy ireo. Ary angamba koa aza mety ho hitan’ny olona iray avy amin’ity taranaka ity izy ireo na tamin’ny alalan’ny iray amin’ireo razambeny.5 Na inona na inona tranga misy, mba handrosoana mankany amin’ny tena fiovam-po marina, na ho haingana na ho ela, dia tsy maintsy miaina sy hita amin’ny alalan’ny herin’ny fahamarinana voarakitra ao anatin’ny Bokin’i Môrmôna ny rehetra. Amin’izay fotoana izay koa dia tsy maintsy manapa-kevitra manokana ny hanao fanoloran-tena matotra amin’ Andriamanitra izy ireo fa hiezaka ny hitandrina ireo didiny.

Rehefa niverina tany Buenos Aires aho dia fantatry ny reniko fa tena naniry ny hatao batisa aho. Satria aho somary nanana toetra mikomy izay, dia niaro ahy tamim-pahendrena izy fa tsy nanohitra ahy. Ary tsy fantany akory fa nanao ny dinidinika ho amin’ny batisako izy. Eny tokoa, mino aho fa ny dinidinika nataony dia mbola lalina kokoa noho ireo izay ataon’ireo misiônerantsika. Hoy izy tamiko: “Raha maniry ny hatao batisa ianao dia hanohana anao aho. Kanefa mialoha izany dia hametraka fanontaniana vitsivitsy aminao aho ary tiako hieritreritra mafy ianao ary hamaly ahy amim-pahamarinan-toetra. Moa ve ianao manolo-tena tanteraka ny hiangona isaky ny alahady?

Hoy aho taminy hoe: “Eny, mazava ho azy, hanao izany aho.”

“Moa ve mba fantatrao hoe hatramin’ny oviana no nisy io fiangonana io?”

“Eny, fantatro,” hoy aho.

Namaly izy hoe: “Raha atao batisa ianao dia ataoko izay hiangonanao.” Dia nanontany ahy izy raha toa ka tena vonona ny tsy hisotro alikaola na hifoka sigara aho.

Namaly aho hoe: “Eny, mazava ho azy, hanaiky izany koa aho.”

Izay nampiany hoe: “Raha atao batisa ianao dia ataoko izay hanaovanao izany.” Dia nanohy toy izany izy saika ho tamin’ny didy rehetra.

Niantso ny reniko ny dadatoako mba hiteny azy tsy hanahy, fa tsy ho ela dia hilamina avokoa izany rehetra izany. Efa-taona taty aoriana, rehefa nahazo ny antsoko mba hanompo tao amin’ny misiônan’i Uruguay Montevideo aho, dia niantso ny dadatoako indray ny reniko nanontany azy hoe rahoviana marina no hilamina avokoa izany rehetra izany. Ny marina dia hatramin’ny fotoana nanaovana batisa ahy dia lasa sambatra kokoa ny reniko.

Nanjary fantatro fa ny Bokin’i Môrmôna dia manan-danja eo amin’ny dingan’ny fiovam-po amin’ny alalan’ny fiainana voalohany ilay fampanantenana fa “hanatona bebe kokoa an’ Andriamanitra ny olona amin’ny fanarahana ny fitsipika ao anatiny.”6

Nanazava ny tanjona fototry ny Bokin’i Môrmôna tamin’izao fomba izao i Nefia:

“Fa miasa araka ny zotom-po isika hanoratra mba handresy lahatra ny zanatsika ary koa ny rahalahintsika mba hinoany an’i Kristy sy hihavanany amin’ Andriamanitra. …

“[Koa] miresaka an’i Kristy isika, mifaly amin’i Kristy, mitory an’i Kristy, [ary] maminany ny amin’i Kristy, … mba hahafantaran’ny zanatsika ny loharano azony andrandraina ho famelana ny fahotany.”7

Ny Bokin’i Môrmôna manontolo dia henik’izany tanjona masina izany.

Noho izany antony izany, izay mpamaky manolo-tena ny handalina izany amin-kitsimpo, miaraka amin’ny fanahin’ny vavaka, dia tsy hianatra fotsiny momba an’i Kristy, fa hianatra koa avy amin’i Kristy, indrindra raha toa ka manapa-kevitra izy ireo ny “hanandrana ny herin’ny teny”8 ary tsy mandroaka izany hivoaka noho ny tsy finoana9 noho izay nolazain’ny hafa momba ireo zavatra izay tsy mbola novakian’izy ireo.

Nilaza ny Filoha Russell M. Nelson hoe : “Rehefa mieritreritra momba ny Bokin’i Môrmôna aho dia mieritreritra momba ny teny hoe hery. Ireo fahamarinana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia manana ny hery manasitrana, mankahery, mamerina amin’ny laoniny, manavotra, mampatanjaka, mampionona, ary mamelombelona ny fanahintsika.”10

Ny fanasana ataoko amintsika tsirairay amin’ity tolakandro ity, na hafiriana na hafiriana no naha-mpikamban’ny Fiangonana antsika, dia ny hamela ny herin’ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna mba hahita antsika sy hamihina antsika indray, ary isan’andro isan’andro rehefa mikatsaka amim-pahazotoana fanambarana ho an’ny tena manokana isika. Hahita antsika izany raha avelantsika hanao izany.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Bokin’i Môrmôna dia mirakitra ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina dia hanamarina ny fahamarinan’izany foana foana amin’izay mikatsaka, amin’ny fo mahitsy, ny fahalalana mba ho famonjena ny fanahin’izy ireo.11 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Lioka 15:6; jereo ihany koa ny Lioka 15:9, 32.

  2. Amin’ny heviny mivelatra kokoa, ny soratra masina dia mitantara ireo faminaniana izay miresaka momba ny fanangonana ny foko verin’i Isiraely (jereo ny Russell M. Nelson, “The Gathering of Scattered Israel,” Liahona, Nov. 2006, 79–82). Na dia very aza izy ireo, dia tsy very izy ireo Aminy (jereo ny 3 Nefia 17:4). Misarika ny saina koa ny manamarika fa izy ireo dia tsy mahafantatra hoe very izy ireo mandra-pahatongan’ny fotoana ahitana azy ireo, indrindra fa rehefa mandray ny tsodranony avy amin’ny patriarika izy ireo.

  3. Nindrana ny tenin’i Masindahy François d’ Assise ny Loholona Dieter F. Uchtdorf rehefa nilaza hoe: “Torio amin’ny fotoana rehetra ny filazantsara, ary raha ilaina dia mampiasà teny” (“Miandry eo amin’ilay lalana mankany Damaskosy,” Liahona, mey 2011, 77; jereo koa ny William Fay and Linda Evans Shepherd, Share Jesus without Fear [1999], 22).

  4. Môrônia 10:4–5.

  5. Tantarantsika ihany koa ny tantaran’ny fiovam-pon’ireo razambentsika. Nampianatra ny Loholona William R. Walker hoe: “Ho mahafinaritra tokoa raha toa ny Olomasin’ny Andro Farany tsirairay avy ka nahafantatra ny tantaran’ny fiovam-pon’ireo razambeny” (“Aoka ianao hiaina ao anatin’ny fifikirana amin’ny finoana,” Liahona, mey 2014, 97). Vokatr’izany, isika rehetra dia azo lazaina fa hita mivantana na tamin’ny alalan’ireo razambentsika, noho ny Raintsika any An-danitra izay mahafantatra ny farany hatrany amin’ny voalohany (jereo ny Abrahama 2:8).

  6. Teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna; jereo ihany koa ny Almà 31:5.

  7. 2 Nefia 25:23, 26.

  8. Almà 31:5.

  9. Jereo ny Almà 32:28.

  10. Russell M. Nelson, “Ny Bokin’i Môrmôna: Hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?Liahona, nôv. 2017, 62.

  11. Jereo ny 3 Nefia 5:20.