2010–2019
Fitokiana tsy tapaka sy tsy mety lefy
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2019


2:3

Fitokiana tsy tapaka sy tsy mety lefy

Tafiditra ao anatin’ny fatokiana ny Tompo ny fatokiana ny fandaharany ny fotoana ary mitaky faharetana izay ahafahana mamakivaky hatramin’ny farany ireo zava-tsarotra eo amin’ny fiainana izany.

Narary mafy tany amin’ny asa fitoriana nataony tany Afrika i Dan zanakay lahy ka dia nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana iray izay tsy dia ampy fitaovana loatra. Rehefa namaky ny taratasiny voalohany taorian’ny aretiny izahay dia niandry hoe ho kivy izy, saingy izao kosa no nosoratany: “Na dia ilay natory tao amin’ny efitranon’ny sampana vonjy taitra iny aza aho dia nahatsapa fiadanana. Tsy mbola nahatsapa fifaliana tsy tapaka sy tsy mety lefy toy izany aho teo amin’ny fiainako.”

Rehefa namaky ireo teny ireo izahay mivady dia niontam-po tokoa. Faly lalandava sady tsy nety lefy mihitsy. Tsy mbola nahare famaritana ny hafaliana tahaka izany mihitsy izahay, fa toa marina anefa ny teniny. Fantatray fa ny fifaliana nofariparitany dia tsy fahafinaretana fotsiny, na hafaliam-po mitroatra, fa fiadanana sy fifaliana izay tonga rehefa manaiky ny fitarihan’ Andriamanitra isika ary mametraka ny fitokiantsika Aminy amin’ny zava-drehetra.1 Efa nandalo fotoana toy izany koa isika teo amin’ny fiainantsika rehefa nanambara fiadanana tao amin’ny fanahintsika Andriamanitra ary nahatonga antsika hanana fanantenana ao amin’ny Kristy na dia tamin’ny fotoana naha-sarotra ny fiainana sy tsy nahalalana izay hitranga tao anatin’izany aza.2

Mampianatra i Lehia fa raha tsy lavo i Adama sy i Eva “dia ho tafajanona tamin’ny toetry ny tsy fananan-tsiny [izy ireo], tsy nanam-pifaliana satria tsy nahalala fahoriana. …

“Nefa indro fa ny zava-drehetra dia efa natao araka ny fahendren’Ilay mahafantatra ny zava-drehetra.

“Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana.”3

Ohatra an’ny hoe mifanohitra, fa ny fahoriana sy ny alahelo dia manomana antsika hahatsapa fifaliana raha matoky ny Tompo sy ny drafiny ho antsika isika. Voalazan’ny mpahaitononkalo iray tamin’ny taon-jato faha-13 tamin’ny fomba kanto io fahamarinana io: “Manomana anao amin’ny fifaliana ny alahelo. Fafany mafy dia mafy ny zavatra rehetra ao an-tranonao, mba hanome toerana ny fifaliana vaovao hiditra ao. Ahintsany ireo ravi-maina hiala amin’ny sampana ao am-ponao, mba hisoloan’ireo ravi-maintso vaovao toerana azy ireo. Ongotany ireo faka lo, mba hanome toerana ka hampitsiry ireo faka vaovao izay miafina. Na inona na inona esorin’ny alahelo ao am-ponao, dia tsara lavitra noho izany no hisolo toerana azy ao.”4

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Mitohy hatrany ny fifaliana atolotry ny Mpamonjy [antsika], manao izay hahatonga ny -fijalianao tsy haharitra afa-tsy fotoana fohy- [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7] ary hanokana ny fahorianao ho tombontsoanao.”5 Ireo fitsapana sy fahoriana lalovantsika dia afaka manambotra toerana ho an’ny fifaliana lehibe kokoa.6

Ny vaovao mahafalin’ny filazantsara dia tsy fampanantenana fiainana tsy misy alahelo sy fahoriana fa fiainana feno tanjona sy manan-danja: fiainana izay ahafahan’ny alahelo sy ny fahoriantsika ho “voatelina ao amin’ny fifalian’i Kristy.”7 Nambaran’ny Mpamonjy fa: “Aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.”8 Hafatra mitory fanantenana ny filazantsarany. Ny alahelo omban’ny fanantenana ao amin’i Jesoa Kristy dia mitana ilay fampanantenana fifaliana maharitra.

Ny tantaran’ny dian’ny Jaredita nankany amin’ny tany nampanantenaina dia azo ampiasaina toy ny sarin-teny hilazana ny diantsika mandritra ny fiainana an-tany. Nampanantena ny rahalahin’i Jareda sy ny vahoakany ny Tompo fa “handeha eo alohan[‘izy ireo Izy] hankamin’ny tany izay finidy ambonin’ny tany rehetra amin’ny tany.”9 Nodidiny izy ireo hanamboatra sambofiara, ary dia nandeha niasa tamim-pankatoavana nanamboatra izany araka ny torolalana nomen’ny Tompo izy ireo. Kanefa rehefa nandroso ny asa dia nanana ahiahy ny rahalahin’i Jareda satria nisy zavatra tsy ampy tao anatin’ilay rafitra nasain’ny Tompo nanamboarana ireo sambofiara. Niantso mafy izy hoe:

“Tompo ô, efa notontosaiko ny asa izay efa nandidianao ahy, ary efa nataoko ny sambofiara araka izay efa natoronao ahy.

“Ary indro, Tompo ô, ao anatiny dia tsy misy hazavana.”10

“Tompo ô, avelanao va ny hitanay ity rano lehibe ity ao amin’ny haizina?”11

Efa namboraka ny fanahinao toy izany tamin’ Andriamanitra ve ianao? Rehefa miezaka miaina araka izay andidian’ny Tompo kanefa tsy tanteraka ireo zavatra tsara andrandraina, dia moa ve ianao efa nanontany tena raha tokony hamakivaky ny fiainana ao anatin’ny haizina?12

Taorian’izay ny rahalahin’i Jareda dia nilaza olana iray lehibe kokoa noho izany aza mikasika ny fahafahan’izy ireo ho velona ao anatin’ireo sambo. Niantso izy hoe: “Ary ho faty koa izahay, fa ao anatiny dia tsy afaka mifoka afa-tsy ny rivotra izay ao anatiny izahay.”13 Efa nahatonga anao ho sempotra ve ireo zava-tsarotra eo amin’ny fiainana ary nahatonga anao nanontany tena hoe ahoana no hahavitanao miaina ilay tontolo andro, ary mbola sarotra kokoa noho izany, ny fomba hiverenanao any amin’ny fonenanao any an-danitra?

Rehefa avy niara-niasa tamin’ny rahalahin’i Jareda ny Tompo mba hamahana ny olany tsirairay, dia nanazava Izy avy eo hoe: “Tsy afaka mita ity hantsana lehibe ity ianareo raha tsy omaniko [ny fomba iray hiatrehanareo] ny onjan-dranomasina, sy ny rivotra izay efa nivoaka ary ny alon-drano izay ho avy.”14

Nohazavain’ny Tompo tsara fa tsy ho tody tany amin’ny tany nampanantenainy ireo Jaredita tamin’ny farany raha tsy niaraka Taminy. Tsy afaka nifehy izany izy ireo, ary ny hany fomba nahafahan’izy ireo niampita soa aman-tsara ilay hantsana lehibe dia ny nametraka ny fitokian’izy ireo Taminy. Ireo zavatra niainana ireo sy ny fampianarana avy amin’ny Tompo no toa nampitombo ny finoan’ny rahalahin’i Jareda sy nampatanjaka ny fitokiany ny Tompo.

Jereo ny fomba niovan’ny vavaka nataony niainga tamin’ny fanontaniana sy olana nankamin’ny fanambarana finoana sy fatokiana:

“Fantatro, Tompo ô, fa manana ny hery rehetra Ianao, ary afaka manao izay rehetra sitrakao ho tombontsoan’ny olona. …

“Indro, Tompo ô, afaka manao izany Ianao. Fantatray fa hainao ny maneho ny herinao lehibe izay heverina ho madinika ho an’ny fahatakaran’ny olona.”15

Voasoratra fa taorian’izay ny Jaredita dia “niondrana … [tamin’ny] sambofiara …, ary nisononoka teny an-dranomasina, rehefa nankininy tamin’ny Tompo Andriamaniny ny tenany.”16 Ny hoe manankina dia midika hoe mametraka fitokiana. Tsy noho ny fahafantaran’ny Jaredita tsara izay ho fitrangan’ny zavatra rehetra mandritra ny diany akory no nahatonga azy ireo niditra tao amin’ireo sambofiara. Fa niakatra tao amin’ny sambofiara izy ireo satria efa nianatra natoky ny herin’ny Tompo sy ny hatsarany ary ny famindram-pony, ary noho izany izy ireo dia vonona ny hanankina ny tenany sy izay mety ho ahiahy na tahotra nananany tamin’ny Tompo.

Vao haingana izay i Abe zafikelinay dia natahotra ny hitaingina soavaly hazo izay niakatra sy nidina. Ilay tsy nihetsika no tiany. Nandresy lahatra az ny renibeny fa tsy haninona izy, ka rehefa natoky azy izy dia niakatra. Dia niteny tamin’ny tsiky lehibe izy avy eo nanao hoe: “Tsy mahatsapa ho voaro aho, fa fantatro fa voaro aho.” Toy izany angamba no tsapan’ireo Jaredita. Mety ho tsapa ho toy ny tsy voaro amin’ny voalohany izany hoe matoky an’Andriamanitra, kanefa mandimby izany ny fifaliana.

I Abe teo ambony soavaly hazo.

Tsy mora tamin’ny Jaredita ilay dia. “Imbetsaka izy ireo no nalevina tao amin’ny halalin’ny ranomasina, noho ny tendrombohitr’onja izay nitosaka taminy.”17 Kanefa dia voarakitra an-tsoratra fa “tsy nitsahatra nitsoka [azy ireo] na oviana na oviana nankamin’ny tany nampanantenaina ny rivotra.”18 Na dia sarotra takarina tokoa aza, indrindra fa amin’ireo fotoana eo amin’ny fiainantsika rehefa mamely mafy ny tafio-drivotra ary misamboaravoara ny ranomasina, dia afaka mahazo hery isika noho ny fahafantarana fa Andriamanitra dia mitsoka antsika mandrakariva mankany amin’ny fonenantsika any an-danitra ao amin’ny hatsaram-pony tsy manam-petra.

Dia mitohy ny fitantarana hoe: “Ary dia toy izany no nanosehana azy ireo; ary tsy nisy bibiben-dranomasina afaka nandrava azy ireo, tsy afaka nanimba azy ireo koa ny trozona; ary nanana hazavana lalandava izy ireo, na teo ambonin’ny rano na tao anaty rano.”19 Isika dia miaina ao anatin’ny tontolo izay hanotoran’ny onjaben’ny fahafatesana, ny aretina ara-batana sy ara-tsaina, ary ireo fitsapana sy fahoriana isan-karazany antsika. Kanefa amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fisafidianana ny hatoky Azy, isika koa dia afaka ny hahazo ny fitarihany mandrakariva na ao anatin’ny mora na ao anatin’ny sarotra. Afaka mahazo toky isika fa tsy mitsahatra ny mitsoka antsika mankany amin’ny tokantranontsika any an-danitra.

Raha mbola natopan’ny onja tao anatin’ireo sambo ny Jaredita dia “nihira fiderana ho an’ny Tompo izy ireo; … ary nisaorany sy noderainy ny Tompo nandritra ny manontolo andro; ary nony tonga ny alina dia tsy nitsahatra nidera ny Tompo izy ireo.”20 Nahatsapa fifaliana sy fankasitrahana izy ireo na dia tao anatin’ny fahoriany aza. Tsy mbola tonga tany amin’ny tany nampanantenaina akory izy ireo, kanefa efa nifaly tamin’ireo fitahiana nampanantenaina noho ny fatokian’izy ireo Azy tsy tapaka sy tsy nety lefy.21

344 andro no nanosehana ny Jaredita teny ambony rano.22 Azonao an-tsaina ve izany? Tafiditra ao anatin’ny fatokiana ny Tompo ny fatokiana ny fandaharany ny fotoana ary mitaky faharetana izay ahafahana mamakivaky hatramin’ny farany ireo zava-tsarotra eo amin’ny fiainana izany.23

Tamin’ny farany ny Jaredita dia “niantsona teo amin’ny moron-tsiraky ny tany nampanantenaina. Ary rehefa avy nametraka ny tongony teo amin’ny moron-tsiraky ny tany nampanantenaina izy ireo, dia niankohoka tambonin’ny tany ny tenany sy nanetry tena teo anoloan’ny Tompo, ary nandrotsa-dranomasom-pifaliana teo anoloan’ny Tompo, noho ny habetsahan’ny famindram-pony taminy sy ny fiantrany.”24

Raha mahatoky isika amin’ny fitandremana ny fanekempihavanantsika, dia ho tody soa any amin’ny fonenantsika any an-danitra koa isika indray andro any ary hiondrika eo anatrehan’ny Tompo sy ho latsa-dranomasom-pifaliana noho ny halehiben’ny famindram-pony maro tokoa teo amin’ny fiainantsika, anisan’izany ireo alahelo izay nanome toerana ho an’ny fifaliana bebe kokoa.25

Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa misafidy ny hatoky tsy tapaka sy tsy mety lefy an’i Jesoa Kristy sy ny tanjony masina eo amin’ny fiainantsika isika, dia hamangy antsika Izy amin’ny fanomezan-toky, sy ny fanambarana fiadanana ao amin’ny fanahintsika, ary hahatonga antsika “hanantena ny fanafahana antsika ao Aminy.”26

Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa no Kristy. Izy no loharanon’ny fifaliana rehetra.27 Ampy ny fahasoavany ary mahery ka mahavonjy Izy.28 Izy no fahazavana, fiainana ary fanantenan’izao tontolo izao.29 Tsy hamela antsika ho faty Izy.30 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.