Ny herin’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainantsika isan’andro
Ny loharanon’izany herintsika izany dia ny finoana an’i Jesoa Kristy rehefa mikatsaka am-piniavana hanatona Azy isan’andro isika.
Ry rahalahy sy anabavy malala, ity no Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Endrey ny fifaliana fa tafangona ato amin’ny Fiangonany. Feno fankasitrahana aho fa nampahatsiahy antsika ny Filoha Russell M. Nelson mba hampiasa matetika ny anarana marin’ny Fiangonan’ny Tompo mba hahatsiarovantsika hoe an’iza ity Fiangonana ity ary fampianaran’iza no arahintsika.
Nanambara ny Filoha Nelson fa: “Amin’ny andro ho avy dia ho hitantsika ny fisehoan’ny hery lehibe indrindran’ny Mpamonjy izay tsy mbola hitan’izao tontolo izao hatrizay. … Hanolotra tombontsoa sy fitahiana ary fahagagana tsy tambo isaina ho an’ny mahatoky Izy.”1
Iray amin’ireo tombontsoa lehibe indrindra ho ahy sy Renee vadiko ny mihaona amin’ireo Olomasina any amin’ny toerana hanompoanay. Mandre ny tantaran’izy ireo izahay, vavolombelon’ny fahavoazan’izy ireo, mizara ny alahelon’izy ireo, ary mifaly amin’ny fahombiazan’izy ireo. Vavolombelon’ireo fitahiana sy fahagagana maro izay nomen’ny Mpamonjy ny mahatoky izahay. Nihaona tamin’ny olona namakivaky zavatra tsy azo eritreretina izahay, izay nijaly tamin’ny zavatra tsy takatry ny saina.
Hitanay ny fisehoan’ny herin’ny Mpamonjy tamin’ny vehivavy mananotena iray izay namoy ny vadiny nandritra ny asa nampanaovin’ny Tompo azy ireo tany Bolivie.2 Hitanay izany tamin’ny tovovavy iray tany Argentine izay nianjera tao ambanin’ny lamasinina iray ka tapaka ny tongony, satria nisy olona te hangalatra ny findainy fotsiny.3 Ary tamin’ilay rainy tokan-tena, izay tsy maintsy nanangona ireo poti-javatra sy nankahery ilay zanany vavy taorian’ny habibiana tsy hay hazavaina. Hitanay izany tamin’ireo fianakaviana namoy ny tranony sy ny fananany rehetra nandritra ny hain-trano tany Chili, roa andro monja talohan’ny Krismasy tamin’ny 2022.4 Hitanay izany tamin’ireo izay nijaly taorian’ny fisaraham-panambadiana nampikorontan-tsaina sy tamin’ireo izay tsy manan-tsiny niharan’ny fanararaotana.
Inona no manome azy ireo hery hamakivakiana zava-tsarotra? Inona no manome hery manokana fanampiny mba hanohizana rehefa toa very an-javony daholo ny zava-drehetra?
Hitako fa ny loharanon’izany hery izany dia ny finoana an’i Jesoa Kristy rehefa mikatsaka am-piniavana hanatona Azy isan’andro isika.
Nampianatra ny mpaminany Jakôba hoe: “Ary tonga amin’izao tontolo izao Izy hahazoany mamonjy ny olon-drehetra raha mety mihaino ny feony izy; fa indro, miaritra ny fijalian’ny olon-drehetra Izy, eny, ny fijalian’ny manan’aina tsirairay, na lehilahy na vehivavy na ankizy, izay isan’ny fianakavian’i Adama.”5
Indraindray, ny fananana finoana an’i Jesoa Kristy dia mety ho toy ny zavatra tsy azo tanterahina, saika tsy ho tratra mihitsy. Mety hieritreritra isika fa ny fanatonana an’i Kristy dia mitaky tanjaka sy hery ary fahalavorariana izay tsy ananantsika, ary tsy afaka mahita hery hanaovana izany rehetra izany isika. Ny zavatra nianarako tamin’ireo olona rehetra ireo anefa dia hoe ny finoana an’i Jesoa Kristy no manome hery antsika hanombohana ny dia. Indraindray isika mety hieritreritra hoe, “Mila manamboatra ny fiainako aloha aho vao manatona an’i Jesoa.” Fa ny marina dia manatona an’i Jesoa isika mba hanitsy ny fiainantsika amin’ny alalany.
Tsy manatona an’i Jesoa isika satria lavorary. Manatona Azy isika satria misy kilema ary ao Aminy no ahafahantsika “ho tanteraka.”6
Ahoana no anombohantsika mampihatra finoana kely isan’andro? Amiko dia manomboka ny maraina izany: Rehefa mifoha aho dia mivavaka, fa tsy mijery ny findaiko. Na dia vavaka tsotra ihany aza. Mamaky soratra masina aho avy eo. Izany dia manampy ahy amin’ilay fanekempihavanako isan-kerinandro izay ataoko rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo mba “hahatsiaro Azy mandrakariva.”7 Rehefa manomboka ny androko amin’ny vavaka sy soratra masina aho dia afaka “mahatsiaro Azy” rehefa iny mijery ny findaiko iny. Afaka “mahatsiaro Azy” aho rehefa miatrika olana sy fifandirana, ary miezaka miatrika izany tahaka ny hiatrehan’i Jesoa azy ireo.
Rehefa “mahatsiaro Azy” aho dia mahatsapa faniriana ny hiova sy hibebaka. Hitako ny loharanon-kery hitandremana ny fanekempihavanako ary mahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainako aho, “ary mitandrina ny didiny izay nomeny [ahy]; mba hanana[ko] mandrakariva ny Fanahiny.”8 Manampy ahy haharitra hatramin’ny farany izany.9 Na farafaharatsiny rehefa mifarana ny andro! Ary amin’ireo andro izay tsy hahatadidiavako Azy mandritra ny andro, dia mbola eo Izy, mitia ahy ary miteny amiko hoe “TSY MANAHY; afaka manandrana indray ianao rahampitso.”
Na dia tsy lavorary aza isika amin’ny fahatsiarovana Azy, dia tsy mitsahatra ny mahatsiaro antsika ny Raintsika any An-danitra be fitiavana.
Iray amin’ireo fahadisoana ataontsika matetika ny mieritreritra fa ny fitandremana ny fanekempihavanana, na ny fampanantenana ataontsika amin’ Andriamanitra dia toy ny fifampiraharahana ataontsika Aminy: Mankatò aho ary miaro ahy amin’izay zava-dratsy mitranga amiko Izy. Mandoa ny fahafolonkarenako aho ka tsy ho very asa mihitsy na tsy ho may ny tranoko. Saingy rehefa tsy mandeha araka ny nantenantsika azy ireo zavatra dia miantsoantso ny Tompo isika hoe: “Tsy mampaninona Anao va izao hahafatesako izao?”10
Tsy fifampiraharahana fotsiny ny fanekempihavanantsika, fa fanovana ihany koa izy ireo.11 Amin’ny alalan’ny fanekempihavanako dia mahazo hery manamasina sy mampatanjaka izay an’i Jesoa Kristy aho, izay manome fahafahana ahy ho tonga olom-baovao, hamela heloka izay toa tsy azo avela heloka, handresy ny zavatra tsy azo tanterahina. Mahery vaika ny fahatsiarovana am-piniavana an’i Jesoa Kristy mandrakariva; manome hery fanampiny ho ahy izany mba “hitandrina ireo didiny izay nomeny [ahy].”12 Manampy ahy ho tsara fanahy kokoa, hitsiky ho azy, ho mpampihavana,13 hisoroka fifandirana, hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainako izany.14
Rehefa be loatra ny fanaintainantsika na ny fanaintainan’ny olona tiantsika ka tsy zakantsika dia afaka manamaivana ny enta-mavesatra sy manalefaka ny fo ary manamaivana ny fanaintainana ny fahatsiarovana an’i Jesoa Kristy sy ny fanatonana Azy. Izany no hery nahafahan’ny raim-pianakaviana iray, mihoatra noho ny fahafaha-manao ara-boajanahary, nanohana ny zanany vavy tao anatin’ny fanaintainana ara-batana sy ara-pihetseham-po noho ny famoizany ny tongony.
Rehefa nitsidika an’i Argentine ny Loholona Soares tamin’ny volana jona lasa teo ary nanontany an’i Flavia momba ny loza nanjo azy, dia namaly tamim-pahatokiana izy hoe: “Niaina fikorontanana, alahelo, fahatezerana ary fankahalana aho rehefa [nitranga izany]. Ny zavatra nanampy ahy dia ny tsy nanontaniako hoe, −Nahoana no izaho?− fa hoe −Inona no azo sintonina amin’izao?− Zavatra nahatonga ahy hanakaiky kokoa ny hafa sy ny Tompo izany. … Tsy maintsy nifikitra taminy aho, raha tokony nanalavitra Azy.”15
Nampianatra ny Filoha Nelson hoe: “Ny valisoa amin’ny fitandremana ny fanekempihavanana amin’ Andriamanitra dia ny hery avy any An-danitra—hery izay mampatanjaka antsika mba hahatohitra tsara kokoa ny fitsapana sy ny fakam-panahy ary ny ratram-pontsika. … Noho izany, ny mpitandrina ny fanekempihavanana dia manan-jo hahazo karazana fitsaharana manokana.”16 Izany no karazana fitsaharana sy fiadanam-po hitako teo amin’ny mason’ilay mananotena, na dia teo aza ny ratram-po tsapany isan’andro noho ny famoizana ny vadiny.
Ny Testamenta Vaovao dia milaza mikasika ny fotoana iray izay niondranan’i Jesoa sy ny mpianany an-tsambokely:
“Ary nisy tafio-drivotra mahery, ary nianjerazeran’ny alondrano ny sambokely. …
“Ary Izy … natory tambonin’ny ondana; ary namoha Azy izy ireo ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, tsy mampaninona anao va izao hahafatesanay izao?
“Ary nifoha Izy, dia niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin’ny ranomasina hoe: Mangina, mitsahara.
“Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana va ianareo?”17
Nahaliana ahy foana io tantara io. Nanantena azy ireo ve ny Tompo hampiasa ny finoany mba hampitony ny tafio-drivotra? Handroaka ny rivotra? Ny finoana an’i Jesoa Kristy dia ny fahatsapana fiadanana hanoherana ny tafio-drivotra, ny fahafantarana fa tsy ho faty isika satria ao anaty sambo miaraka amintsika Izy.
Izany no karazana finoana hitanay rehefa nitsidika ireo fianakaviana izahay taorian’ny hain-trano tany Chili. May tanteraka ny tranon’izy ireo. Namoy ny zava-drehetra izy ireo. Saingy raha nandeha tany amin’ny toerana nisy ny tranon’izy ireo taloha izahay, ary nitantara ny zavatra niainany izy ireo, dia nahatsapa izahay fa nijoro teo amin’ny tany masina. Hoy ny anabavy iray tamin’ny vadiko, “Rehefa hitako fa may ny trano teo akaiky teo, dia nanana fahatsapana aho fa hirehitra ny tranonay, ary hamoy ny zava-drehetra izahay. Raha tokony ho famoizam-po no tsapa, dia nahatsapa fiadanana tsy hay faritana aho. Na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana, dia nahatsapa aho fa hilamina ny zava-drehetra.” Ny fahatokiana an’ Andriamanitra sy ny fitandremana ny fanekempihavanana nataontsika taminy dia mitondra hery ho an’ny fahalementsika sy fampiononana ho an’ny alahelontsika.
Feno fankasitrahana aho noho ny fahafahana nanananay sy i Renee nihaona tamin’ny sasany tamin’ireo Olomasina miavaka ireo, noho ireo ohatra maro nanehoan’izy ireo finoana sy tanjaka ary faharetana. Noho ireo tantara mifono ratram-po sy fahadisoam-panantenana izay tsy hivoaka eo amin’ny pejy voalohan’ny gazety na hiparitaka na oviana na oviana. Noho ireo sary tsy nalaina izay maneho ireo ranomaso latsaka sy vavaka natao taorian’ny famoizana na fisaraham-panambadiana nampikorontan-tsaina, noho ireo lahatsoratra na sary tsy napetraka velively tao amin’ny tambajotran-tserasera izay maneho ny tahotra sy ny alahelo ary ny fanaintainana izay lasa zaka noho ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. Mampatanjaka ny finoako ireo olona ireo, ary feno fankasitrahana lalina ny amin’izany aho.
Fantatro fa ity no Fiangonan’i Jesoa Kristy. Fantatro fa vonona Izy hanafy antsika amin’ny heriny raha manatona Azy isan’andro isika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.